Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra ve Ianao?

Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra ve Ianao?

Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra ve Ianao?

“Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.”—SALAMO 96:10.

1, 2. a) Inona ilay zava-nitranga niavaka tamin’ny Oktobra taona 29 tany ho any? b) Inona no dikan’io zava-nitranga io ho an’i Jesosy?

NISY zava-nitranga niavaka tamin’ny Oktobra taona 29 tany ho any, ary mbola tsy nisy toy izany mihitsy. Hoy i Matio, mpanoratra ny Filazantsara: “Niakatra avy teo amin’ny rano i Jesosy, raha vantany vao vita batisa. Ary indro, nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona [Mpanao Batisa] ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako, izay sitrako.’ ” Iray amin’ireo zava-nitranga vitsivitsy samy hita ao amin’ny Filazantsara efatra izy io.—Matio 3:16, 17; Marka 1:9-11; Lioka 3:21, 22; Jaona 1:32-34.

2 Noporofoin’ny filatsahan’ny fanahy masina tamin’i Jesosy, fa izy no Voahosotra, izany hoe Mesia na Kristy. (Jaona 1:33) Ela ny ela ka nipoitra ilay ‘taranaka’ nampanantenaina! Indro izy nijoro teo anoloan’i Jaona Mpanao Batisa. Hotorotoroin’i Satana ny ombelahin-tongony, ary izy kosa hanorotoro ny lohan’ilay fahavalo lehibe indrindran’i Jehovah sy mpanohitra ny zony hitondra. (Genesisy 3:15) Fantatr’i Jesosy tsara nanomboka hatreo, fa tsy maintsy miezaka manatanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ny zony hitondra sy momba ilay Fanjakana izy.

3. Ahoana no niomanan’i Jesosy ho amin’ilay anjara asany eo amin’ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra?

3 Ahoana no niomanan’i Jesosy ho amin’ilay asa nanendrena azy? “Feno fanahy masina i Jesosy rehefa niala avy tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra izy.” (Lioka 4:1; Marka 1:12) Nanam-potoana nisaintsainana lalina an’ilay adihevitra napoitran’i Satana izy tany, nandritra ny 40 andro. Noeritreretiny tsara koa izay tokony hataony mba hanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra. Mahakasika ny olona sy ny anjely rehetra ilay adihevitra. Ilaintsika àry ny mandinika ny tsy fivadihan’i Jesosy, sy izay tsy maintsy ataontsika mba hanaporofoana fa te hanohana ny zon’i Jehovah hitondra koa isika.—Joba 1:6-12; 2:2-6.

Niharihary ilay adihevitra

4. Inona no nataon’i Satana, ka nampiharihary fa nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra izy?

4 Tsy nisy niafina tamin’i Satana ny zava-nitranga noresahintsika teo. Avy hatrany àry dia nanafika ny voalohany amin’ny ‘taranak’ilay vehivavy’ vadin’Andriamanitra izy. (Genesisy 3:15) Naka fanahy an’i Jesosy intelo izy, ka nampirisika azy hanao zavatra hoatran’ny hoe mahasoa ny tenany, fa tsy hanao ny sitrapon’ny Rainy. Ilay fakam-panahy fahatelo no tena nampiharihary fa nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra i Satana. Nasehony an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Sahisahy erỳ izy nilaza hoe: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” Fantatr’i Jesosy tsara fa mifehy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao” tokoa ny Devoly. Nasehony tamin’ny valin-teniny anefa hoe iza no notohanany tamin’ilay adihevitra. Hoy izy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’ ”—Matio 4:8-10.

5. Inona no asa sarotra tsy maintsy notanterahin’i Jesosy?

5 Niharihary teo amin’ny fiainan’i Jesosy, fa ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra no tena tanjony. Fantany tsara fa tsy maintsy mahatoky mandra-pahafatiny izy, mba hanaporofoana fa manana zo hitondra Andriamanitra. Voalaza mialoha mantsy fa hotorotoroin’i Satana ny ombelahin-tongotry ny taranak’ilay vehivavy. (Matio 16:21; 17:12) Tsy maintsy nampahafantatra koa izy, fa ny Fanjakan’Andriamanitra no nomen’i Jehovah fahefana hampilavo lefona an’i Satana mpikomy sy hamerina ny fiadanana sy filaminana eo amin’ny zavaboary rehetra. (Matio 6:9, 10) Inona no nataon’i Jesosy mba hanatanterahana izany asa sarotra izany?

“Efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra”

6. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy fa ilay Fanjakana no hampiasain’i Jehovah ‘handravana ny asan’ny Devoly’?

6 “Nankany Galilia [aloha] i Jesosy ka nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra, nanao hoe: ‘Efa tapitra ny fotoana voatondro, ary efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ ” (Marka 1:14, 15) Hoy koa izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:18-21, 43) Nandeha nitety an’ilay faritra izy, “ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 8:1) Nanao fahagagana maro koa izy, ka nanome sakafo ny vahoaka, nampitony ny tafio-drivotra, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty. Noporofoiny tamin’izany fa afaka manafoana ny fahoriana sy ny fahavoazana rehetra nateraky ny fikomiana tany Edena Andriamanitra, ka “handrava ny asan’ny Devoly.”—1 Jaona 3:8.

7. Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy, ary inona no vokany?

7 Mba hamitana tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara, dia nanangona mpianatra mahatoky i Jesosy, ary nampiofana azy ireo. Ny apostoliny 12 aloha no “nirahiny hitory ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:1, 2) Naniraka 70 lahy izy avy eo mba hanambara hoe: “Efa mihamanatona anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:1, 8, 9) Rehefa niverina ny mpianatra, ary nitantara ny fahombiazana hitany tamin’ny fitoriana, dia hoy i Jesosy: “Hitako fa efa nazera sahady toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.”—Lioka 10:17, 18.

8. Inona no niharihary teo amin’ny fiainan’i Jesosy?

8 Niezaka mafy i Jesosy, ary nanararaotra nitory ilay Fanjakana foana. Niasa andro aman’alina izy, ary na ny zavatra mampiadana mahazatra eo amin’ny fiainana aza tsy nananany. Hoy izy: “Ny amboadia manan-davaka isitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Lioka 9:58; Marka 6:31; Jaona 4:31-34) Sahy nilaza toy izao tamin’i Pontio Pilato izy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Tsy tonga teto an-tany mba ho Mpampianatra Lehibe, na ho Mpanao Fahagagana, na ho Mpamonjy feno fahafoizan-tena fotsiny i Jesosy. Niharihary teo amin’ny fiainany manontolo kosa fa tonga teto izy mba hanatanteraka amin’ny fomba feno ny sitrapon’i Jehovah, sy hanaporofo fa hain’Andriamanitra ny manatanteraka ny sitrapony, amin’ny alalan’ilay Fanjakana.—Jaona 14:6.

“Vita!”

9. Ahoana no nahavitan’i Satana nanorotoro ny ombelahin-tongotry ny ‘taranak’ilay vehivavy’ vadin’Andriamanitra?

9 Tsy nahafaly an’i Satana Devoly, ilay Fahavalo, ny zava-drehetra nataon’i Jesosy momba ilay Fanjakana. Imbetsaka izy no nanandrana namono ny ‘taranak’ilay vehivavy’ vadin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny ‘taranany’ eto an-tany, dia ireo mpanao politika sy mpitondra fivavahana. Lasibatr’i Satana sy ny namany i Jesosy, nanomboka tamin’ny nahaterahany ka hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany. Teo anelanelan’ny Martsa sy Mey taona 33, dia tonga ny fotoana hanolorana ny Zanak’olona eo an-tanan’ilay Fahavalo, mba hotorotoroiny ny ombelahin-tongony. (Matio 20:18, 19; Lioka 18:31-33) Hita miharihary ao amin’ny Filazantsara fa nataon’i Satana fitaovana ny olona, mba hanamelohana an’i Jesosy sy hahatonga azy hijaly sy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Anisan’ny nampiasainy i Jodasy Iskariota, ny lohan’ny mpisorona, ny mpanora-dalàna, ny Fariseo, ary ny Romanina.—Asan’ny Apostoly 2:22, 23.

10. Inona no zava-dehibe indrindra vitan’i Jesosy rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy?

10 Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mahatsiaro fa nanaintaina ela be teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy vao maty? Angamba ianao hahatsiaro ny sorom-panavotan’i Jesosy, izay nahafoy ny ainy ho an’ny olombelona mpanota. (Matio 20:28; Jaona 15:13) Mety ho talanjona ianao, noho ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah tamin’ny nanomezany io vidim-panavotana io. (Jaona 3:16) Mety hiaiky toa an’ilay manamboninahitra romanina koa ianao hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa io.” (Matio 27:54) Tsara raha izany no tonga ao an-tsainao. Tadidio anefa ny teny farany nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. “Vita!”, hoy izy. (Jaona 19:30) Inona no vita? Ekena fa nahavitan’i Jesosy zavatra maro, na ny fiainany na ny fahafatesany. Ny handamina ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra anefa no tena nahatongavany teto an-tany. Efa voalaza mialoha koa fa hiaritra fitsapana faran’izay mafy eo an-tanan’i Satana ilay ‘taranaka’, mba hanesorana tanteraka ny fanalam-baraka ny anaran’i Jehovah. (Isaia 53:3-7) Andraikitra mavesatra ireo, nefa notontosain’i Jesosy tsara. Mahatalanjona tokoa ny zavatra vitany!

11. Inona no hataon’i Jesosy mba hahatanteraka amin’ny fomba feno an’ilay faminaniana nolazaina tao Edena?

11 Natsangana tamin’ny maty i Jesosy, noho izy nahatoky sy tsy nivadika. Tsy olombelona intsony izy taorian’izay, fa “fanahy mahavelona.” (1 Korintianina 15:45; 1 Petera 3:18) Izao no nampanantenain’i Jehovah an’ilay Zanany nomem-boninahitra: “Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” (Salamo 110:1) Anisan’ireo ‘fahavalo’ ireo i Satana, ilay meloka indrindra, sy izay rehetra anisan’ny ‘taranany.’ Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah i Jesosy Kristy, ka hitarika ny fandringanana ny mpikomy rehetra, na anjely na olona. (Apokalypsy 12:7-9; 19:11-16; 20:1-3, 10) Ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izay ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Toy izany koa ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:10; Filipianina 2:8-11.

Modely ho antsika i Jesosy

12, 13. a) Ahoana no andraisan’ny olona ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ankehitriny? b) Inona no fanontaniana tokony hodinihintsika, raha tiantsika ny hanara-dia an’i Kristy?

12 Torina any amin’ny tany maro izao ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, araka ny efa nolazain’i Jesosy. (Matio 24:14) Noho izany, dia olona an-tapitrisany no nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Tena faly izy ireo noho ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Tsy andrin’izy ireo ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, ao anatin’ny fiadanana sy fandriampahalemana. Faly koa izy ireo miresaka amin’ny hafa momba ny fanantenany. (Salamo 37:11; 2 Petera 3:13) Anisan’ireo mpitory ilay Fanjakana ireo ve ianao? Mendri-piderana ianao, raha izany no izy. Misy zavatra hafa tsy maintsy dinihin’ny tsirairay amintsika anefa.

13 Hoy ny apostoly Petera: “Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.” (1 Petera 2:21) Mariho fa tsy ny fahazotoan’i Jesosy mitory na ny fahaizany mampianatra no resahin’i Petera eo, fa ny fijaliany. Nanatri-maso ny zava-nitranga izy, ka fantany tsara fa vonona hiaritra fijaliana i Jesosy, na inona izany na inona, mba hanekena ny fahefan’i Jehovah sy hanaporofoana fa mpandainga i Satana. Ahoana avy àry no azontsika anarahana ny diany? Tsy maintsy manontany tena isika hoe: ‘Vonona hiaritra fijaliana ve aho, na inona izany na inona, mba hanohanana ny zon’i Jehovah hitondra sy hanajana ny fahefany? Hita amin’ny fomba fiainako sy ny fanompoako ve, fa ny fanohanana ny zony hitondra no tena zava-dehibe amiko?’—Kolosianina 3:17.

14, 15. a) Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nisy nampirisika azy hanao zavatra tsy mety, ary nahoana? b) Inona no tsy maintsy tadidintsika foana? (Resaho koa ilay efajoro hoe “Miandania Amin’i Jehovah.”)

14 Zavatra tsy maintsy atrehintsika isan’andro ny fitsapana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra, na kely izany na lehibe. Ahoana àry no ahafantarantsika izay tokony hatao? Inona, ohatra, no ataontsika rehefa tojo fakam-panahy hanao zavatra mety hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah isika? Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nilaza taminy i Petera mba ho tsara fanahy amin’ny tenany? Niteny toy izao izy: ‘Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.’ (Matio 16:21-23) Manao toa an’i Jesosy koa ve isika, rehefa misy mampanantena antsika fomba hahazoam-bola be na fisondrotana, nefa hahatonga antsika hanao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah izany? Rehefa fantatr’i Jesosy fa ‘efa ho avy haka azy an-keriny hataony mpanjaka’ ireo nahita ny fahagagana nataony, dia niala haingana teo izy.—Jaona 6:15.

15 Nahoana i Jesosy no hentitra be toy izany tamin’ireo fotoana ireo sy tamin’ny fotoana hafa? Satria takany tsara fa misy zava-dehibe kokoa noho ny ainy, na ny tombontsoany. Naniry hanao ny sitrapon’ny Rainy sy hanohana ny zony hitondra izy, na inon-kidona na inon-kihatra. (Matio 26:50-54) Mety hanaiky lembenana àry isika na tsy hahavita izay tokony hatao, raha tsy mitadidy tsara ilay adihevitra momba ny zo hitondra, toy ny nataon’i Jesosy. Nahoana? Satria mety hahavoa antsika mora foana ny teti-dratsin’i Satana. Tena hainy mantsy ny manao izay hahatonga ny zava-dratsy ho manintona, toy ny nataony rehefa naka fanahy an’i Eva izy.—2 Korintianina 11:14; 1 Timoty 2:14.

16. Inona no tena tanjontsika rehefa manampy ny hafa isika?

16 Miezaka miresaka amin’ny olona ny zavatra mampanahy azy isika eny amin’ny fanompoana. Asehontsika azy avy eo izay lazain’ny Baiboly. Fomba iray mandaitra hahatonga azy haniry hianatra Baiboly izany. Tsy ny hahafantarany izay voalazan’ny Baiboly na ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra fotsiny anefa no tena tanjontsika. Tsy maintsy ampiantsika koa izy ireo mba hahatakatra ilay adihevitra momba ny zo hitondra. Vonona ho lasa tena Kristianina, sy hitondra ny “hazo fijaliany”, ary hijaly noho ilay Fanjakana ve izy? (Marka 8:34) Ho vonona hanohana ny zon’i Jehovah hitondra ve izy, ka hanaporofo fa mpandainga sy mpanendrikendrika i Satana? (Ohabolana 27:11) Voninahitra ho antsika ny manampy ny tenantsika sy ny olon-kafa mba hahavita izany.—1 Timoty 4:16.

Rehefa lasa “zava-drehetra ho an’ny rehetra” Andriamanitra

17, 18. Inona ilay fotoana hahafinaritra azontsika andrandraina, raha manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika?

17 Asehontsika amin’ny fitondran-tenantsika sy ny fanompoantsika, fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika. Raha manao araka izay fara herintsika isika amin’izany, dia ho afaka hiandrandra ny fotoana hanoloran’i Jesosy Kristy ny “fanjakana amin’Andriamanitra Rainy.” Rahoviana izany no hitranga? Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa avy nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Fa tsy maintsy manjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. ... Dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1 Korintianina 15:24, 25, 28.

18 Hahafinaritra tokoa rehefa ho lasa “zava-drehetra ho an’ny rehetra” Andriamanitra! Ho efa nahavita ny asa nampanaovina azy ilay Fanjakana amin’izay. Ho efa noringanina ireo rehetra manohitra ny fahefan’i Jehovah. Hisy indray ny fiadanana sy filaminana manerana izao rehetra izao. Hihira toy izao ny zavaboary rehetra, araka ny tenin’ny mpanao salamo: “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany ... Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.”—Salamo 96:8, 10.

Hainao Valiana Ve?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ny fanamarinana ny zon’Andriamanitra hitondra no tena zava-dehibe taminy?

• Inona no zava-dehibe indrindra vitan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanompoany sy ny fahafatesany?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika, toy ny nataon’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Efajoro/​Sary, pejy 29]

MIANDANIA AMIN’I JEHOVAH

Fantatry ny rahalahy maro any Korea sy any an-toeran-kafa, fa rehefa tojo fitsapana mafy ny Kristianina, dia mahasoa azy ny mitadidy tsara ny antony mahatonga izany.

Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nampidirina am-ponja, teo ambany fitondrana sovietika. Hoy ny iray taminy: ‘Nanampy anay hiaritra ny fahatakarana tsara an’ilay raharaha niadian-kevitra tany Edena, dia ny zon’Andriamanitra hitondra. Fantatray fa afaka nanaporofo izahay tamin’izany hoe i Jehovah no niandanianay. Nanatanjaka anay izany, ka nahatonga anay tsy hivadika mihitsy.’

Noresahin’ny Vavolombelona iray koa ny zavatra nanampy azy sy ny Vavolombelona hafa tao amin’ny toby fiasana an-terivozona. Hoy izy: “Nanohana anay i Jehovah. Niezaka nifandray tsara tamin’i Jehovah foana izahay, na teo aza ny zava-tsarotra. Nifampahery foana izahay, ka nifampahatsiahy fa miandany amin’i Jehovah izahay amin’ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao.”

[Sary, pejy 26]

Ahoana no nanohanan’i Jesosy ny zon’i Jehovah hitondra rehefa naka fanahy azy i Satana?

[Sary, pejy 28]

Inona no “vita” rehefa maty i Jesosy?