Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mizotra ho any Amin’ny Tontolo Vaovao

Mizotra ho any Amin’ny Tontolo Vaovao

Tantaram-piainana

Mizotra ho any Amin’ny Tontolo Vaovao

Notantarain’i Jack Pramberg

Miala kely an’i Arboga, tanàna kely tsara tarehy eto afovoan’i Soeda, no misy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 80 no mipetraka sy miasa eto, ary anisan’izany izahay sy Karin. Ahoana no nahatongavanay teto?

NIFINDRA monina tany Etazonia ny ankizivavy soedoà iray 15 taona, tamin’ny 1890 tany ho any. Nihaona tamin’ny tantsambo soedoà iray izy, tao amin’ny tobin’ny mpifindra monina, tao New York. Nifankatia izy ireo ary nivady ka niteraka ahy. Tao Bronx, Etazonia, aho no teraka tamin’ny 1916, nandritra ny Ady Lehibe I.

Nifindra tany Brooklyn izahay avy eo. Nitantara tamiko i Dada, tatỳ aoriana, fa efa nentiny nitaingina sambo vaovao teny akaikin’ny Tetezan’i Brooklyn aho. Tazana avy eo amin’io tetezana io ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy fantatro tamin’izany fa hisy vokany lehibe eo amin’ny fiainako ny asa natao tao.

Nifarana ny Ady Lehibe I tamin’ny 1918, ary nitsahatra ilay famonoana olona tsy amin’antony tany Eoropa. Nody tany aminy ireo miaramila ary niatrika olana hafa indray, dia ny tsy fananana asa sy ny fahantrana. Nihevitra i Dada fa tsara lavitra ny niverina teto Soeda. Tonga teto àry izahay tamin’ny 1923. Tao Erikstad izahay no nipetraka. Tanàna kely akaikin’ny gara, ao amin’ny faritr’i Dalsland, izy io. Nanorina orinasa fanamboarana milina tao i Dada, ary nihalehibe sy nianatra tao amin’io tanàna io aho.

Nanjary nanana fanantenana

Tsy nandeha tsara ilay asan’i Dada, ka niverina ho tantsambo indray izy taoriana kelin’ny 1930. Niady irery tamin’ny fiainana i Neny, fa izaho kosa niandraikitra an’ilay toeram-panamboarana milina. Namangy an’i Dadatoa Johan, zaodahiny i Neny, indray andro. Sahiran-tsaina tamin’ny zava-nitranga naneran-tany izy, ka nanontany an’i Dadatoa hoe: “Ho toy izao foana ve ny fiainana ry Johan?”

“Tsia”, hoy i Dadatoa. Nolazainy tamin’i Neny fa mampanantena hamarana ny faharatsiana Andriamanitra, ary hisy Fanjakana iray entin’i Jesosy Kristy Mpanjaka, hitondra ny tany araka ny hitsiny. (Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44) Nohazavainy fa hanova ny tany ho paradisa io fitondram-panjakana manao ny marina io, ary izy io ilay nasain’i Jesosy hangatahintsika amin’ny vavaka.—Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4.

Nanohina ny fon’i Neny izany fampanantenan’ny Baiboly izany. Nisaotra an’Andriamanitra foana izy teny an-dalana nody. Tsy tianay sy Dada ho lasa mpivavaka anefa i Neny. Nifindra tany Trollhättan any amin’ny faritra andrefan’i Soeda aho, tamin’ny 1935 tany ho any, satria nahazo asa tao amin’ny orinasa lehibe iray. Nijanona tsy ho tantsambo i Dada, ary tsy ela dia tonga tany amiko izy sy Neny. Tafaraka indray izahay mianakavy.

Te hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra i Neny, ka nitady Vavolombelon’i Jehovah tao Trollhättan. Nivory tany an-tranon’olona izy ireo tamin’izany, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. (Filemona 1, 2) Anjaran’i Neny ny nampiantrano ny fivoriana, indray mandeha. Natahotahotra izy nanontany an’i Dada, raha afaka manasa ny namany ho ao an-trano. Namaly i Dada hoe: “Namako koa ange ny namanao e!”

Azo nivoriana àry tao an-tranonay. Lasa aho raha vao tonga ny olona. Nijanona ihany anefa aho, tatỳ aoriana. Tsara fanahy ireo Vavolombelona. Tsotra sy araka ny zava-misy koa ny fomba fanazavany zavatra. Nanaisotra ny hevi-diso nananako momba azy ireo izany. Lasa nanana fanantenana momba ny ho avy aho.

Teny an-dranomasina

Nifindra tamiko ny fitiavan’i Dada ny asan’ny tantsambo, ka lasa tantsambo aho. Nitombo koa anefa ny faniriako hifandray amin’Andriamanitra. Nitady Vavolombelona foana aho, isaky ny niantsona ny sambonay. Tao amin’ny paositra, ohatra, aho no nanontany ny mety hahitako azy ireo, tamin’izaho tany Amsterdam, any Holandy. Nahazo adiresy aho, ka nankany amin’ilay trano avy hatrany. Ankizivavy kely folo taona no nampandroso ahy. Nandray tsara ahy izy na dia vahiny aza aho. Tonga dia nifandray am-po taminy sy ny ray aman-dreniny aho, ka tsapako tamin’izany fa tena mifankatia ny Vavolombelona eran-tany!

Tsy nitovy ny fiteninay. Rehefa nandray kalandrie sy taratasy misy ny ora fandalovan’ny lamasinina anefa izy mianakavy ary nanomboka nanao sarintany, dia fantatro fa hisy fivoriambe hatao ao amin’ny tanànan’i Haarlem teo akaiky teo. Nanatrika izany aho, ary tiako be ilay izy na dia tsy haiko aza ny fiteny nanaovana azy. Nisy lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady. Nanasa ny olona hanatrika izany ny Vavolombelona, ka mba te hanao izany koa aho. Notsimponiko àry ny taratasy fanasana efa nisy nanary, ary nozaraiko indray.

Niantsona tao Buenos Aires, any Arzantina, ny sambonay, indray mandeha, ka nankao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao aho. Nisy birao sy fanatobiana entana tao. Efa alina ny andro tamin’izay. Nanamboatra akanjo ba teo amin’ny latabatra ny vehivavy iray, ary nilalao saribakoly teo akaikiny ny ankizivavy kely iray, angamba zanany. Nandray boky vitsivitsy teo amin’ny talantalana ny lehilahy iray, ary anisan’izany ny boky Famoronana amin’ny teny soedoà. Falifaly sy sambatra ny fahitako azy ireo, ka naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah koa aho.

Rehefa hody izahay, dia nitondra miaramilan’ny tafika kanadianina. Nianjera tany akaikin’ny morontsirak’i Terre-Neuve mantsy ny fiaramanidin’izy ireo. Nifanena tamin’ny sambon’ny tafika anglisy izahay taoriana kelin’izay, tao akaikin’i Ekosy. Nosakanany izahay ary nentiny tany Kirkwall, any amin’ny Nosy Orcades, mba hosavana. Nanomboka ny Ady Lehibe II, ary nanafika an’i Polonina ny miaramilan’i Hitler, tamin’ny Septambra 1939. Nafahana ihany izahay andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tafaverina soa aman-tsara teto Soeda.

Tafaverina tao an-trano aho, ary afaka nisaintsaina ny fifandraisako tamin’Andriamanitra. Naniry mafy ho anisan’ny vahoakany aho, ary tsy te hamoy ny fiaraha-mivory tamin’izy ireo intsony. (Hebreo 10:24, 25) Faly aho mieritreritra fa nitory tamin’ny tantsambo foana aho tamin’izaho tantsambo, ary lasa Vavolombelona ny iray tamin’izy ireny.

Tombontsoa manokana

Nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Stockholm aho, teo am-piandohan’ny 1940. I Johan Eneroth no nandray ahy. Izy no mpiandraikitra ny asa fitoriana teto Soeda tamin’izany. Nilaza taminy aho fa te ho mpisava lalana na mpitory manontolo andro. Nojereny tsara aho, ary hoy izy: “Mino ve ianao fa fandaminan’Andriamanitra ity?”

“Eny”, hoy aho. Natao batisa àry aho ny 22 Jona 1940, ary nanomboka niasa tao amin’ilay toerana tsara tarehy, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa mahafinaritra. Nanompo teny amin’ny saha izahay ny faran’ny herinandro. Tamin’ny vanim-potoana mafana, dia nandeha bisikileta tany amin’ny faritany lavitra izahay ary nitory nandritra ny faran’ny herinandro. Tao anaty trano fitoera-mololo izahay no natory.

Mazàna anefa izahay no nitory isan-trano tao Stockholm sy ny manodidina. Nahita lehilahy sahirana nanamboatra ny fitaovana famanan-dranony aho, indray andro. Namoritra ny tanan’akanjoko aho ary nanampy azy. Faly izy rehefa voamboatra ilay nitete, ka niteny hoe: “Fantatro fa misy antony hafa nahatongavanao. Andao isika ho any ambony rihana hanasa tanana sy hisotro kafe kely.” Niakatra izahay, ary nitory taminy aho teo am-pisotroana kafe. Lasa Vavolombelona izy tatỳ aoriana.

Na dia tsy nomba ny atsy na ny aroa tamin’ny ady aza i Soeda, dia nisy fiantraikany teo amin’ny mponina ihany ilay ady. Nitombo foana ny olona nantsoina hiady, ka nantsoina koa aho. Tsy nety nianatra niady aho, ka nogadraina vetivety. Nomelohina ho any amin’ny toby fiasana an-terivozona aho, tatỳ aoriana. Matetika no nantsoina teo anoloan’ny mpitsara ny tanora vavolombelona, ka afaka nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireny. Tena marina ilay faminanian’i Jesosy hoe: “Hotaritarihina ho eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.”—Matio 10:18.

Niova ny fiainako

Nifarana ny ady tany Eoropa, tamin’ny 1945. Nitsidika anay i Nathan Knorr, mpiandraikitra ny asa maneran-tany, sy Milton Henschel, mpitantsorany, taoriana kelin’izay. Avy tany Brooklyn izy ireo. Tena nilaina ny fitsidihan’izy ireo, satria nandamina indray ny asa fitoriana teto Soeda, sady nandraisako soa. Rehefa reko fa afaka manatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada aho, dia nameno fangatahana avy hatrany.

Nanatrika ilay sekoly aho ny taona 1946, ary kilasy fahavalo izahay. Tany akaikin’i South Lansing, any New York, no nanaovana azy io. Nianatra nandritra ny dimy volana izahay. Nampitombo ny fankasitrahako ny Baiboly sy ny fandaminan’Andriamanitra izany. Hitako fa mora iresahana sy tsara fanahy ireo mitarika ny asa fitoriana eran-tany. Niasa mafy niaraka taminay rehetra izy ireo. (Matio 24:14) Tsy nahagaga ahy izany, nefa faly aho satria ny masoko mihitsy no nahita.

Tsy ela dia tonga ny fotoana fizarana diplaoma, tamin’ny 9 Febroary 1947. Ny Rahalahy Knorr no nilaza ny firenena nanendrena anay. Hoy izy, rehefa nilaza ny fanendrena ahy: “Hiverina any Soeda mba hanompo ny rahalahiny any, ny Rahalahy Pramberg.” Tsoriko aloha fa tsy tena nazoto hiverina teto aho.

Niantsoroka andraikitra sarotra

Rehefa tonga teto Soeda aho, dia nandre fa misy asa iray vaovao atomboka any amin’ny tany maro. Ny asan’ny vondrom-paritra izany. Izaho no mpiandraikitra ny vondrom-paritra voalohany teto, ary nitsidika nanerana an’i Soeda. Nanomana sy nanara-maso ny fivoriamben’ny faritra natao tany amin’ireo tanàna sy tanàn-dehibe aho. Tsy nahalala zavatra firy mahakasika izany aho, satria mbola tsy nanao fivoriamben’ny faritra mihitsy izahay. Niara-nidinika izahay sy ny Rahalahy Eneroth, ary nanomana ny fandaharana, araka izay tsara indrindra vitanay. Nampahatahotra ahy ilay asa nanendrena ahy, ka nivavaka imbetsaka tamin’i Jehovah aho. Nanana tombontsoa hiandraikitra ny vondrom-paritra aho, nandritra ny 15 taona.

Sarotra ny nahita toerana mety hanaovana fivoriambe tamin’izany. Tsy nanan-tsafidy izahay fa nampiasa trano fandihizana na ny toy izany. Matetika anefa izy ireny no nangatsiaka sy ratsy. Diniho, ohatra, ity zava-nitranga tamin’ny fivoriambe iray tany Failandy ity. Natao tao amin’ny tranom-pokonolona efa tsy nampiasaina intsony ilay izy. Nirotsaka be ny ranomandry, ary 20 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana. Nandrehitra afo àry izahay. Tsy fantatray anefa fa nisy akanim-borona tao amin’ilay fivoahan-tsetroka, ka tsy tafavoaka ny setroka. Nanetroka be àry tao an-trano. Nangirifiry ny mason’ny mpanatrika sady nibonoka be noho ny hatsiaka izy ireo, nefa tsy nisy nitsangana. Tadidy foana ilay fivoriambe noho iny zava-nitranga iny.

Telo andro ny fivoriamben’ny faritra tamin’izany, ary anisan’ny asa tsy maintsy natao ny fanomanana sakafo ho an’ny mpanatrika. Sady tsy nanana fitaovana anefa izahay, no tsy nahay an’ilay asa, tamin’ny voalohany. Soa ihany fa teo ireo rahalahy sy anabavy tsara fanahy nanaiky hanao izany. Hitanao mipetraka mamofy ovy izy ireo, iray andro alohan’ny fivoriambe, ary falifaly erỳ mitantara zavatra mampahery. Maro tamin’izy ireo no lasa mpinamana tsy nifankafoy, nanomboka tamin’ireny fotoana ireny.

Nitondra takelaka nampahafantarana ny fivoriambe koa izahay. Nilahatra teny an-dalambe izahay, mba hanasa ny olona hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro. Tsara fanahy sy nanaja ny ankamaroan’ny olona. Nirava ny mpiasan’ny orinasa iray tao amin’ny tanànan’i Finspång, indray andro, ary feno azy ireo ny sisin-dalana. Tampoka teo dia niantsoantso ny iray tamin’izy ireo hoe: “Jereo, ireny ilay antokon’olona tsy resin’i Hitler!”

Zavatra niavaka teo amin’ny fiainako

Niova ny fiainako, taoriana kelin’ny nihaonako tamin’i Karin, zazavavy iray mahafinaritra. Samy nasaina hanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao Yankee Stadium, New York, izahay, tamin’ny Jolay 1953. Tao amin’io kianja io i Milton Henschel no nanoratra ny fanambadianay, ny alatsinainy 20 Jolay 1953. Nandritra ny fiatoana no nanaovana izany. Tsy fahita tao amin’ilay kianja filalaovana baseball ny toy izany. Niaraka nanao asa fitetezam-paritany izahay sy Karin hatramin’ny 1962, ary nasaina niasa teto amin’ny Betelan’i Soeda avy eo. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Gazety aho tamin’ny voalohany. Nasaina nikojakoja ny milina fanontam-pirinty sy ny milina hafa teto amin’ny sampana aho, tatỳ aoriana, satria efa nianatra momba ny mekanika. I Karin kosa niasa an-taonany maro tao amin’ny fanasan-damba, ary tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny avy eo.

Tena nampientam-po sy nahafinaritra ary nahasambatra ireo 54 taona mahery niarahanay sy Karin nanompo an’i Jehovah! Tahin’i Jehovah tokoa ny fandaminany, izay ahitana olona be fitiavana sy mazoto miasa. Vavolombelona 1 500 monja no teto Soeda tamin’izaho vao tonga teto amin’ny sampana, tamin’ny 1940. Maherin’ny 22 000 anefa izany izao. Mbola betsaka noho izany aza ny fitomboana any an-tany hafa, ka enina tapitrisa sy sasany mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mampandroso ny asantsika ny fanahin’i Jehovah, toy ny rivotra tsy mitsahatra mampandeha ny sambolay iray. Miezaka manana finoana matanjaka foana izahay, ka tsy matahotra na dia misamboaravoara aza ity tontolo ity. Tazanay tsara mantsy ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra eo anoloanay. Misaotra an’Andriamanitra izahay sy Karin, noho ny hatsaram-pony. Mivavaka isan’andro izahay mba homeny hery hanompoana azy amim-pahatokiana hatrany. Ny tanjonay dia ny hahazo sitraka aminy sy hiaina mandrakizay!—Matio 24:13.

[Sary, pejy 12]

Eo am-pofoan’i Neny

[Sary, pejy 13]

Nitaingina sambo vaovao teto izahay sy Dada, tany am-piandohan’ny taona 1920

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Herman Henschel (dadan’i Milton), 1946

[Sary, pejy 16]

Ny fanambadianay tao amin’ny Yankee Stadium, tamin’ny 20 Jolay 1953