Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mitovy Fiaviana Nefa Mihavana

Tsy Mitovy Fiaviana Nefa Mihavana

Tsy Mitovy Fiaviana Nefa Mihavana

INONA no dikan’ny hoe “mihavana”? Misy mihevitra fa tsy miady no dikan’izany. Ahoana anefa raha misy firenena roa manao fifanekena fa tsy hiady? Azo lazaina hoe tena mihavana ve izy ireo? Tsy voatery ho izany.

Efa nanao fifanekem-pihavanana an’arivony ireo firenena, nefa mbola niady ihany. Nahoana? Satria ny tombontsoany ihany matetika no tadiavin’ny mpitondra, fa tsy ny fihavanana. Matahotra koa ny firenena sasany, raha tsy manana tafika matanjaka toy ny an’ny hafa.

Tsy midika àry hoe mihavana ny firenena roa, na dia tsy miady aza. Misy mantsy olona mody hoe tsy miady tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany. Izany no ataon’ny firenena maro ankehitriny. Lasa tsy mifampatoky izy ireo, ka atahorana ho raikitra ny ady. Inona no natao mba hisakanana izany?

Mandrahona ny ady niokleary

Maro no nanantena fa hisy vokany tsara ilay fifanarahana tamin’ny 1968, izay natao mba hamerana ny fitaovam-piadiana niokleary. Voalaza tao fa tsy mahazo manamboatra fiadiana niokleary izay firenena mbola tsy manana, ary tsy mahazo mampitombo kosa izay efa manana. Tany 180 mahery no nanaiky azy io, ka ny tanjona dia ny hanafoana tanteraka ny fitaovam-piadiana.

Toa tsara izany tanjona izany. Milaza anefa ny mpanao tsikera fa tetika fotsiny ilay fifanarahana, amin’izay tsy manao fiadiana niokleary ireo firenena mbola tsy manana. Mety hiova hevitra àry ny sasany amin’ireo nanao an’ilay fifanarahana. Mihevitra mantsy ny firenena sasany, fa tena tsy rariny raha sakanana tsy hanao fitaovam-piadiana hiarovany tena izy ireo.

Mahagaga koa fa tsy voarara ny famokarana hery niokleary, raha akana herinaratra. Mety hampidi-doza anefa izany. Atahorana mantsy sao misy firenena mody mampiasa izany hakana herinaratra, nefa manao fiadiana niokleary an-tsokosoko.

Mety tsy hanaja an’ilay fifanarahana koa, na dia ireo firenena efa manana fiadiana niokleary aza. Milaza ny mpanao tsikera fa tsy azo inoana hoe hanafoana na hampihena ny fitaovam-piadiany, ireo firenena manana tafika matanjaka. Hoy ny boky iray: “Tsy hanao an’izany izy ireo ... raha tsy hoe lasa mifankatia sy mifampatoky angaha ireo firenena mifandrafy ankehitriny. [Sarotra inoana] anefa izany.”

Tsy nahafoana ny ady mihitsy ny olombelona, na dia niezaka mafy aza. Tsy mahagaga ny mpianatra ny Baiboly izany, satria hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Tsy an’ny olombelona ny hahalavorary ny diany.’ (Jeremia 10:23) Milaza mivantana koa izy io hoe: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 16:25) Voafetra ihany ny azon’ny fitondran’olombelona atao. Misy fanantenana anefa.

Iza no mahavita mampihavana ny olona?

Voalaza ao amin’ny Baiboly ny fampanantenan’Andriamanitra hoe mbola hihavana ny olona rehetra. Tsy ho vitan’ny olombelona anefa izany fa avy amin’ny Mpamorona. Fikasan’Andriamanitra mantsy ny hiainan’ny olona eran-tany ao anatin’ny fiadanana sy filaminana. Mety ho sarotra inoana izany amin’ny sasany. Vao nanomboka anefa ny tantaran’ny olombelona, dia efa nikasa izany Andriamanitra. * Hotanterahiny ny fikasany hampihavana ny olona rehetra. Andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly no manaporofo izany. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

• “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.”—SALAMO 46:8, 9.

• “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—ISAIA 11:9.

• “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.”—ISAIA 25:8.

• “Misy ... lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.”—2 PETERA 3:13.

• “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—APOKALYPSY 21:4.

Azo antoka ireo fampanantenana ireo. Nahoana? Satria mahay mampihavana ny olona rehetra i Jehovah, ilay Andriamanitra Mpamorona, sady manana hery hanaovana izany. (Lioka 18:27) Maniry hanao izany koa izy. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Mahafinaritra [an’Andriamanitra] ... ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.”—Efesianina 1:8-10.

Tsy nofinofy fotsiny ny fampanantenan’Andriamanitra “tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Hoy i Jehovah Andriamanitra momba ny fampanantenany: “Tsy hiverina amiko foana [izy ireny], raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”—Isaia 55:11.

Mihavana noho ny Tenin’Andriamanitra

Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa matetika ny fivavahana no nampisara-bazana fa tsy nampihavana. Raha ekentsika tokoa fa misy ny Mpamorona, tsy tokony hifankatia sy hihavana ve ny mpivavaka aminy, satria izany no fikasany? Izany mihitsy!

Tsy i Jehovah na ny Teniny no tokony homena tsiny, rehefa misy fivavahana mampisara-bazana ny olona. Ireny fivavahana ireny kosa no diso, matoa manao izany. Tsy ny hevitr’Andriamanitra mantsy no tohanany fa ny an’ny olombelona, satria manantena izy fa izany no hampihavana ny olona. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpihatsaravelatsihy” ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny, ary hoy izy tamin’izy ireo: “Marina ny naminanian’i Isaia momba anareo hoe: ‘An-tendro-molotra fotsiny no anajan’ity vahoaka ity ahy, fa ny fony kosa lavitra ahy. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.’ ”—Matio 15:7-9.

Mampihavana ny olona kosa anefa ny fivavahana marina. Hoy i Isaia mpaminany: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy ka hampiaiky firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”—Isaia 2:2, 4.

Mankatò ny toromarik’i Jehovah Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 230, ka mihavana sy miray saina. Inona no mahatonga azy ireo hiray saina? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:14) Ny teny grika nampiasain’i Paoly tamin’ny hoe “fatorana” dia manondro ny rohinofo amin’ny vatan’ny olombelona. Ny rohinofo no mihazona ny taova sy manambatra ny taolana. Mafy toy ny tady izy io.

Toy izany koa ny fitiavana. Tsy hoe misakana ny olona tsy hifamono fotsiny izy io. Raha maneho fitiavana toa an’i Kristy isika, dia hihavana amin’ny olona tsy mitovy fiaviana na saranga amintsika. Ny fitiavana, ohatra, no manampy antsika hampihatra ilay toro lalan’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:12, hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” Maro no lasa tsy manavakavaka intsony, rehefa nampihatra izany.

“Mifankatia”

Nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Mampihatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tena mpianatr’i Kristy izy ireo. Miharihary izany fitiavana izany, rehefa misy korontana ara-politika na adim-poko. Nifankatia foana, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ilay fandripahana foko tany Rwanda tamin’ny 1994. Nanao vivery ny ainy mihitsy ny Vavolombelona hutu, mba hiarovana ny rahalahiny tutsi!

Mazava ho azy fa tsy azo antenaina hoe hifankatia sy hihavana ireo firenena rehetra ankehitriny. Milaza mantsy ny Baiboly fa amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra vao hitranga izany. Dieny izao anefa dia afaka maneho fitiavana ny tsirairay, ary mihavana amin’ny hafa.

Nandany ora arivo tapitrisa mahery tamin’ny asa fitoriana ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny herintaona. Nitsidika ny olona izy ireo, ary niresaka momba ny Baiboly sy nanazava hoe nahoana no mahasoa antsika ankehitriny izy io. Olona an-tapitrisany no lasa mihavana, rehefa nahazo fahalalana marina tsara momba ny Tenin’Andriamanitra. Nisy tamin’izy ireo anefa nifankahala taloha, toy ny Arabo sy Jiosy, Armenianina sy Tiorka, Alemà sy Rosianina, raha tsy hilaza afa-tsy ireo isika.

Mampihavana ny olona tokoa ny Tenin’Andriamanitra. Tianao ve ny hianatra bebe kokoa momba izany? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anareo, na manorata any amin’ny adiresy ao amin’ny pejy faha-2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Manazava bebe kokoa ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona, ny toko faha-3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Nanao fifanekem-pihavanana an’arivony ireo firenena, nefa mbola niady ihany

[Teny notsongaina, pejy 7]

Misy zavatra tsy vitan’ireo firenena, fa vitan’izay mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly

[Sary, pejy 5]

Asehon’ny Tenin’Andriamanitra hoe iza no mahavita mampihavana ny olona

[Sary, pejy 7]

Vavolombelon’i Jehovah hutu sy tutsi, miara-manorina toeram-pivavahana