Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Malakia

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Malakia

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Malakia

EFA 70 taona mahery izay no voaorina indray ny tempolin’i Jerosalema. Niharatsy hatrany anefa ny fifandraisan’ny Jiosy tamin’Andriamanitra. Nanao ratsy na dia ny mpisorona aza. Iza no hampahafantatra amin’izy ireo ny tsy mety ataony, sy hanampy azy hanatona indray an’Andriamanitra? I Malakia mpaminany no nasain’i Jehovah nanao izany.

Mirakitra faminaniana avy amin’Andriamanitra ilay hafatra tsy miolakolaka nosoratan’i Malakia, ao amin’ny boky farany ao amin’ny Soratra Hebreo. Manampy antsika hiomana ho amin’ny “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” ny fandinihana izany. Handringana an’ity tontolo ratsy ity izy amin’io fotoana io.—Malakia 3:23.

“NAMPAHATAFINTOHINA OLONA MARO” NY MPISORONA

(Malakia 1:1–2:17)

Nilaza ny fihetseham-pony tamin’ny Israely i Jehovah hoe: “Tia anareo Aho.” Nanamavo ny anaran’Andriamanitra anefa ny mpisorona. Fa inona no nataony? ‘Nitondra hanina voaloto teo amin’ny alitara’ izy ireo, ary biby “mandringa sy marary” no nataony fanatitra.—Malakia 1:2, 6-8.

“Nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna” ny mpisorona. ‘Samy nivadika tamin’ny rahalahiny’ ny olona. Naka vady tsy Jiosy ny sasany. Ny hafa namitaka “ny vadin’ny fahatanorany.”—Malakia 2:8, 10, 11, 14-16.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:2—Ahoana no ‘nanozonan’i’ Jehovah “ny tso-drano” nataon’ireo mpisorona tsy nankatò? Navadik’Andriamanitra ho ozona ny tsodranon’izy ireo.

2:3—Inona no dikan’ny hoe ‘nofafazana tain-droroha’ ny tarehin’ireo mpisorona? Tokony hoentina any ivelan’ny toby sy hodorana ny tain-drorohan’ny biby atao fanatitra, araka ny Lalàna. (Levitikosy 16:27) Ny famafazana tain-droroha tamin’ny tarehin’ny mpisorona àry, dia midika fa nolavin’i Jehovah ny fanatitr’izy ireo, ary halany ireo nanome izany.

2:13—Ny ranomason’iza no nanarona ny alitaran’i Jehovah? Ny ranomason’ireo vehivavy tonga tao amin’ny tempoly mba hitaraina tamin’i Jehovah. Nahoana izy ireo no nalahelo be? Nandao azy ireo ny vadiny satria nahazo alalana hisaraka taminy noho ny antony tsy ara-dalàna. Te hanambady vehivavy tsy Jiosy tanora kokoa angamba ireo lehilahy ireo.

Lesona ho antsika:

1:10. Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitra nataon’ireo mpisorona tia vola. Nangatahan’izy ireo vola mantsy, na dia ny nanao asa tsotra toy ny nanidy varavarana sy nandrehitra afo teo amin’ny alitara aza. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no tokony hanosika antsika hanao ny fanompoana, fa tsy ny fitiavam-bola velively!—Matio 22:37-39; 2 Korintianina 11:7.

1:14; 2:17. Halan’i Jehovah ny fihatsarambelatsihy.

2:7-9. Tokony hitandrina ireo manana tombontsoa hampianatra eo anivon’ny fiangonana, mba tsy hivaona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ireo boky aman-gazety avoakan’ny “mpanompo mahatoky” ny fampianarany.—Lioka 12:42; Jakoba 3:11.

2:10, 11. Takin’i Jehovah ny hanambadian’ny mpanompony “ao amin’ny Tompo ihany.”—1 Korintianina 7:39.

2:15, 16. Tsy maintsy manaja ny voadim-panambadiana nataony tamin’ny vadin’ny fahatanorany ny mpivavaka amin’i Jehovah.

‘HO AVY EO AN-TEMPOLINY NY TOMPO’

(Malakia 3:1-24)

‘Ny Tompo [Jehovah Andriamanitra] dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny’ miaraka amin’ny “Anjelin’ny fanekena [Jesosy Kristy].” ‘Hanatona mba hitsara’ ny olony izy, ary ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanao ratsy rehetra. Misy “boky” nosoratana koa “ho fahatsiarovana” izay matahotra azy.—Malakia 3:1, 3, 5, 16.

Ho avy ny andro “mandoro toy ny fatana fandoroana” ka handringana ny mpanao ratsy rehetra. Alohan’izany anefa, dia haniraka mpaminany iray i Jehovah mba “hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.”—Malakia 3:19, 23-24.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:1-3—Oviana no tonga tao amin’ny tempoly “ny Tompo” sy “ny Anjelin’ny fanekena”, ary iza no nirahina hialoha azy ireo? Tonga tao amin’ny tempoliny tamin’ny alalan’ny solontena iray i Jehovah ary nanadio azy io, tamin’ny 10 Nisana, taona 33. Niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’io fotoana io, ary nandroaka ny mpivarotra sy mpividy tao. (Marka 11:15) Telo taona sy tapany taorian’ny nanosorana azy ho mpanjaka izany. Azo inoana koa fa telo taona sy tapany taorian’ny nandraisan’i Jesosy ny fahefan’ny mpanjaka tany an-danitra, dia niaraka tamin’i Jehovah nankao amin’ny tokotanin’ny tempoly ara-panahy izy. Hitan’izy ireo fa nila fanadiovana ny vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato voalohany, dia i Jaona Mpanao Batisa no nirahina hanomana ny Jiosy ho amin’ny fahatongavan’i Jesosy Kristy. Nisy mpitondra hafatra nirahina koa amin’ny andro ankehitriny, mba hanomana ny fahatongavan’i Jehovah tao amin’ny tempoliny ara-panahy. Taoriana kelin’ny 1880, dia nisy mpianatra Baiboly vitsivitsy, nanomboka nampianatra ny fahamarinana fototra avy ao amin’ny Baiboly tamin’ireo olona tso-po.

3:10—Midika hoe manome izay rehetra ananantsika ho an’i Jehovah ve, ny hoe manome azy “ny fahafolon-karena rehetra”? Tsy mitaky ampahafolon-karena amin’ny mpanompony intsony Andriamanitra, satria efa nofoanana tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy ny Lalàn’i Mosesy. Manana heviny an’ohatra anefa ny hoe manome ‘ampahafolon-karena.’ (Efesianina 2:15) Tsy midika izany hoe manome ho an’i Jehovah izay rehetra ananantsika isika. Naterina isan-taona mantsy ny ampahafolon-karena. Isika kosa, indray mandeha monja no manolotra izay rehetra ananantsika ho an’i Jehovah, rehefa manolo-tena sy atao batisa. Lasa fananan’i Jehovah izay rehetra ananantsika manomboka eo. Na izany aza, dia avelany hanapa-kevitra isika hoe ampahany toy inona amin’izay ananantsika no hampiasaintsika amin’ny fanompoana azy. Io ampahany io ilay ampahafolon-karena an’ohatra. Arakaraka ny toe-javatra misy antsika sy izay vokatry ny fontsika no hanomezantsika izany. Anisan’ny ampahafolon-karena atolotsika ho an’i Jehovah ny fotoana sy hery ary fananana ampiasaintsika itoriana sy ampianarana, anatrehana fivoriana, itsidihana an’ireo mpiray finoana marary sy zokiolona, ary anohanana ara-bola ny fivavahana marina.

3:21—Inona no dikan’ny hoe ‘hanitsaka ny ratsy fanahy’ ny mpivavaka amin’i Jehovah? Tsy ‘hanitsaka’ ara-bakiteny ny ratsy fanahy, na handray anjara amin’ny fandringanana azy ireo, ny vahoakan’Andriamanitra. Hisy lanonam-pandresena kosa rehefa ho ringana ny tontolon’i Satana, ka handray anjara amin’izany ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany.—Salamo 145:20; Apokalypsy 20:1-3.

3:22—Nahoana isika no tokony ‘hahatsiaro ny lalàn’i Mosesy’? Marina fa tsy mila manaraka ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. “Aloky ny zavatra tsara ho avy” anefa izy io. (Hebreo 10:1) Hahita ny fomba nahatanterahany isika, raha mandinika azy io. (Lioka 24:44, 45) “Tandindon’ny zavatra any an-danitra” koa ny Lalàna. Mila mianatra azy io isika, raha te hahafantatra tsara ny fampianarana sy fitondran-tena kristianina.—Hebreo 9:23.

3:23, 24—Iza no mifanitsy amin’i “Elia mpaminany” ankehitriny? Voalaza mialoha fa hanomana ny fon’ny olona i “Elia”, izany hoe hampiverina azy amin’Andriamanitra. I Jaona Mpanao Batisa no nolazain’i Jesosy Kristy hoe “Elia”, tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 11:12-14; Marka 9:11-13) Misy toa an’i “Elia” koa ankehitriny. Nirahina izy “dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.” Tsy iza io “Elia” io fa ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Miasa mafy ireo Kristianina voahosotra ireo mba hampiverenana ny olona amin’Andriamanitra.

Lesona ho antsika:

3:10. Tsy hotahin’i Jehovah isika raha tsy manome ny tsara indrindra ho azy.

3:14, 15. Nanjary tsy niraharaha ny fanompoana an’Andriamanitra ny Jiosy, noho ny toetra ratsin’ireo mpisorona. Tokony ho modely ho an’ny fiangonana kristianina àry ireo mpiandraikitra.—1 Petera 5:1-3.

3:16. Mitadidy an’ireo matahotra azy sy tsy mivadika aminy i Jehovah. Tsy manadino azy ireo izy, ka hiaro azy rehefa handringana ny tontolo ratsin’i Satana. Aoka àry isika ho tapa-kevitra hatrany ny tsy hivadika amin’Andriamanitra.—Salamo 26:11.

3:19. Hitovy ny hanjo ny “sampany” sy ny ‘fakany’ amin’ny andron’i Jehovah, izany hoe hitovy ny didim-pitsarana hihatra amin’ny ray aman-dreny sy ny zanany kely. Lehibe tokoa àry ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny zanany tsy ampy taona! Tsy maintsy miezaka mafy izy ireo mba hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ho tsara laza hatrany eo anatrehany.—1 Korintianina 7:14.

“Andriamanitra no atahory”

Iza no ho voavonjy amin’ny “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”? (Malakia 3:23) Hoy izy: “Hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tànany; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy.”—Malakia 3:20.

Hamiratra amin’ireo matahotra sy manaja ny anaran’Andriamanitra “ny Masoandron’ny fahamarinana”, dia i Jesosy Kristy. Hahazo sitraka amin’i Jehovah izy ireo. (Jaona 8:12) “Manana fanasitranana ao amin’ny tànany” koa izy ireo, izany hoe lasa akaiky an’i Jehovah dieny ankehitriny, ary hahazo fanasitranana ara-batana, ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Apokalypsy 22:1, 2) Hifalihavanja “toy ny zanak’omby mifahy” izy ireo. Raha izany àry ny fitahiana miandry antsika, dia aoka isika hankatò ny fampirisihan’i Solomona Mpanjaka hoe: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”—Mpitoriteny 12:13.

[Sary, pejy 26]

Mpanompon’Andriamanitra be zotom-po sy nahafoy tena i Malakia mpaminany

[Sary, pejy 29]

Tsy tokony hivaona amin’ny Baiboly ny fampianarantsika

[Sary, pejy 29]

Manaja ny voadim-panambadiany ny mpanompon’i Jehovah