Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna “Fangorahana”

Manàna “Fangorahana”

Manàna “Fangorahana”

MBOLA tsy betsaka toy ny ankehitriny ny olona tena mila ampiana sy anehoana fangoraham-po. Nahoana? Satria teren’ny mosary, aretina, fahantrana, heloka bevava, ady an-trano, ary loza voajanahary izy ireo. Ny hoe mangoraka dia mahatsapa ny fahoriana na ny olana mahazo ny hafa, ka miombom-pihetseham-po aminy, ary maniry hanamaivana ny mahazo azy. Mampionona ny olona kivy sy manamaivana alahelo ary mampahery ny olona ory izany, toy ny tara-masoandro manome hafanana.

Aseho amin’ny atao sy izay lazaina ny fangoraham-po. Mampiseho izany isika, rehefa miahy ny hafa sy manampy azy amin’ny fotoana ilany antsika. Tsy ny fianakaviana sy namana ary olom-pantatra ihany anefa no tokony hanehoana fangoraham-po, fa ny olona tsy fantatra koa. Hoy i Jesosy Kristy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Raha izay tia anareo no tianareo, inona no valisoa azonareo?” Nilaza koa io lehilahy be fangoraham-po io hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy aminy koa.’—Matio 5:46, 47; 7:12.

Ao amin’ny Baiboly ireo teny ireo. Maro no manaiky fa ao no ahitana ny torohevitra tsara indrindra momba ny fanehoana fangoraham-po. Averimberina ao fa adidintsika ny mikarakara ny olona mila fanampiana noho ny antony samihafa. Aseho ao koa fa i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra azy io sy Mpamorona antsika, no mangoraka indrindra.

Izao, ohatra, no voasoratra ao: “Miaro ny zon’ny kamboty sy ny vehivavy maty vady [Andriamanitra]. Miahy ny vahiny izy, ary manome azy ireo hanina sy fitafiana.” (Deoteronomia 10:18, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Voalaza ao fa “manome rariny ho an’ny ampahorina” i Jehovah Andriamanitra, ary “manome hanina ho an’ny noana.” (Salamo 146:7) Nanome izao didy izao koa izy, momba ireo mpifindra monina sahirana: “Ny vahiny ... dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao.”—Levitikosy 19:34.

Tsy mandeha ho azy anefa ny hoe mangoraka. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina tany Kolosia ny apostoly Paoly: ‘Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy. Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana.’—Kolosianina 3:9, 10, 12.

Hita araka izany fa mila miezaka izay te haneho fangoraham-po. Anisan’ny “toetra vaovao” tokony hananan’ny Kristianina izany. Nanjaka tany Roma ny habibiana tamin’ny andron’i Paoly. Nampirisika ny mpiray finoana taminy àry izy mba hiova, ka hahay hangoraka kokoa sy hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa.

Misy vokany tsara ny fangoraham-po

Misy mihevitra fa ny olona malefaka loatra sy tsy manana hazondamosina no maneho fangoraham-po. Marina ve izany?

Tsy izany mihitsy! Tena mila herim-po ny olona mba hanehoana fangoraham-po, ary ny fitiavana lalina no manome azy an’izany hery izany. Avy amin’Andriamanitra io fitiavana io ary izy no modely tonga lafatra amin’izany. “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:16) Mety tsara ny hiantsoana an’i Jehovah hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Korintianina 1:3) Midika hoe “fananana alahelo olona noho izy mijaly” ilay hoe “fangorahana.” I Jehovah aza tena “tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy”!—Lioka 6:35.

Takin’ny Mpamorona koa ny hanehoantsika hatsaram-panahy, anisan’izany ny fangoraham-po. Hoy ny Mika 6:8: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo [na hatsaram-panahy].” Hoy koa ny Ohabolana 19:22: “Ny hatsaram-pon’ny olona manambara azy ho mahafatra-po.” (Kat.) Ary mitovitovy amin’izany ihany ny torohevitra nomen’i Jesosy Kristy, izay nanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra Rainy. Hoy izy: “Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.” (Lioka 6:36) Izao no lazain’ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy): “Aoka ianareo hangoraka toy ny Rainareo, izay mahay mangoraka.”

Tena tokony hanahaka azy isika, satria ahazoana valisoa be dia be izany. Tanteraka tokoa matetika ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny olona tsara fanahy dia manasoa tena.” (Ohabolana 11:17, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Raisin’i Jehovah ho toy ny soa atao aminy ny fanehoantsika fangoraham-po amin’ny olona mila fanampiana. Raisiny ho adidy mihitsy ny haneho hatsaram-panahy amin’ny mpanompony ho valin’ny fangoraham-po asehon’izy ireo. Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17) Hoy koa i Paoly: “Fantatrareo fa samy hahazo avy amin’i Jehovah ny valin’izay tsara ataony avy ny olona.”—Efesianina 6:8.

Manampy ny olona hifanaraka tsara foana sy handamina ny disadisa ny fangoraham-po. Manampy antsika handamina ny tsy fifankahazoana sy hamela heloka koa izy io. Mety hisy ny tsy fifankahazoana, satria tsy araka ny noeritreretintsika indraindray ny fomba nilazantsika ny hevitsika na ny fihetseham-pontsika. Mety tsy ho araka ny noeritreretintsika koa ny fomba andraisan’ny olona ny zavatra ataontsika. Tena manampy ny fangoraham-po amin’izay, mba hitandroana ny fihavanana. Ankoatra izany, dia mora ny mamela ny heloky ny olona tia mangoraka. Manampy antsika hanaraka an’izao torohevitr’i Paoly izao io toetra io: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”—Kolosianina 3:13.

Aseho amin’ny atao ny fangoraham-po

Manamaivana ny fahorian’ny hafa koa ny fangoraham-po. Hitantsika teo fa miara-miory amin’izay mijaly ny olona mangoraka. Tsy ampy anefa raha izany fotsiny. Manao zavatra hanampiana ny olona mihitsy isika, raha tena mangoraka azy.

Manahaka an’i Jesosy ny Kristianina, raha miezaka mahatakatra izay manjo ny hafa. Tsy hoe sahirana loatra i Jesosy fa vonona hanampy foana, ka nanome izay nilain’ny olona sy nampianatra azy. Nangoraka izy ary nitady fomba hanampiana ny olona, rehefa hitany hoe sahirana izy ireo.

Ahoana no nataony rehefa nahita vahoaka tsy noraharahain’ny mpitondra fivavahana izy? “Nangoraka izy nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Matio 9:36) Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza fa ilay teny nadika hoe “nangoraka” eto, dia milaza “fihetseham-po mahatonga olona iray halahelo hatrany anatiny lalina indrindra.” Voalaza mihitsy fa io no teny grika mahery indrindra hilazana ny fangorahana.

Toy izany koa no ataon’ny Kristianina mahay mangoraka. Mailaka izy ireo manome izay ilain’ny olona sy manampy azy hianatra Baiboly. Hoy ny apostoly Petera: “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana.” (1 Petera 3:8) Nisy narary, ohatra, tao amin’ny fianakaviana kristianina nahantra iray, ka voatery nifindra monina izy ireo. Nanome azy ireo trano hipetrahana nandritra ny enim-bolana ny mpiray finoana taminy. Hoy ilay raim-pianakaviana: “Namangy anay izy ireo isan’andro, mba hijery hoe nanao ahoana izahay. Nanao teny nampahery koa izy ireo, ka tsy toy ny vahiny izahay tany.”

Mikarakara izay ilain’ny olona tsy fantany koa ny tena Kristianina. Faly izy mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, hanampiana azy ireny. Izany indrindra no nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo Vavolombelon’i Jehovah voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

Hita araka izany fa manjaka eo anivon’ny fiangonana kristianina ny fangoraham-po sy ny hatsaram-panahy feno fitiavana. Mitady fomba hanampiana ny hafa izy ireo noho ny fitiavana. Mety hanana olana samihafa ny kamboty sy ny maty vady eo anivon’ny fiangonana, ka tena ho tiany raha miahy azy sy miombom-pihetseham-po aminy ianao. Afaka manampy azy ireny ve ianao, raha toa ka mahantra izy, na marary nefa tsy afaka mitsabo tena tsara, na tsizarizary ny tranony, na manana olana hafa izy?

Nahazo fanampiana toy izany ny mpivady iray tany Gresy. Tapaka lalan-dra ilay lehilahy, ka tsy maintsy nankany amin’ny hopitaly lavitra teo izy ireo. Manana saham-boasary izy ireo, ary ny vokatra avy amin’izy io no mba ahazoany vola kely. Iza àry no hioty ireo voasary ireo, mandritra ny fijanonany any amin’ny hopitaly? Ny fiangonana teo an-toerana no nanao izany sy nivarotra ny vokatra. Nahazo vola àry izy mivady ka nilamin-tsaina.

Maro ny fomba anehoana fangoraham-po. Fantatry ny Kristianina mahay mangoraka, ohatra, fa ny tena ilain’ny olona sasany iharan-javatra mampahory indraindray, dia ny hoe misy mamangy azy, ka mihaino sy mangoraka azy, miombom-pihetseham-po aminy, ary manome azy fampiononana avy amin’ny Soratra Masina.—Romanina 12:15.

Tianao ve ny hifanerasera amin’ny olona mangoraka?

Manjaka eo anivon’ny fiangonana kristianina eran-tany ny fangoraham-po sy ny hatsaram-panahy, ka mihavana tsara ny olona eo anivony ary mahazo fampiononana. Tsapan’ny tena Kristianina fa manintona ny fangoraham-po, ary mampandositra kosa ny hasiahana. Noho izany, dia manao zavatra hanehoana “fangorahana” izy ireo, satria miezaka manahaka ny Rainy any an-danitra.

Manasa anao hiaraka aminy àry ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahatsapanao ny fangoraham-po sy fiahiana ary fitiavana manjaka eo anivon’izy ireo. Mino izy ireo fa tena hahafinaritra anao izany.—Romanina 15:7.

[Sary, pejy 5

Nampirisika ny Kristianina tany Kolosia i Paoly mba hitafy fangoraham-po

[Sary, pejy 7]

Nangoraka sy nitady fomba hanampiana ny olona i Jesosy, rehefa hitany hoe sahirana izy ireo