Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Nahoana no ilaina foana ny “Testamenta Taloha”?

Tsy avy amin’ny andriamanitra tsy fantatra sy lozabe izy io, fa avy amin’i Jehovah ilay Andriamanitra fitiavana. Nampiasa ny Soratra Hebreo foana i Jesosy sy ny mpianany. Mirakitra torohevitra ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy io, ary manome fanantenana kanto momba ny hoavy.—1/9, pejy 4-7.

• Inona no voaporofo arakaraka ny fandehan’ny fotoana, taorian’ny nanotan’i Adama sy Eva?

Nandritra ireo 6 000 taona mahery, dia hita fa mpandainga i Satana, satria maty i Adama sy Eva sy ny taranany. Hita koa fa tsy nanatsara ny fiainan’ny olombelona ny tsy fianteherana tamin’Andriamanitra. Miharihary fa tsy manan-jo hitondra samirery ny fiainany ny olona, sady tsy mahay an’izany.—15/9, pejy 6-7.

• Nahoana no tsy meloka i Jakoba raha nilaza fa Esao izy?

Nanana zo hahazo ilay tsodrano i Jakoba, satria efa novidiny tamin’i Esao ny zon’ny lahimatoa. Tsy nanitsy ilay tsodrano koa i Isaka, rehefa fantany fa i Jakoba no nahazo izany. Afaka nisalovana Andriamanitra saingy tsy nanao izany izy, satria tiany ho an’i Jakoba ilay tsodrano.—1/10, pejy 31.

• Nahoana ny fananantsika feon’ny fieritreretana no manaporofo fa diso ny evolisiona?

Hita fa tia manampy ny hafa ny olona avy amin’ny firazanana sy kolontsaina rehetra, na dia mety hampidi-doza ny tenany aza izany. Tsy ho toy izany ny olona raha mitovy amin’ny biby, izay tsy mihevitra afa-tsy ny hahavelomany, na inona na inona tambiny.—15/10, pejy 20.

• Nahoana isika no afaka milaza fa manetry tena Andriamanitra, ary ahoana no anehoany izany?

Mpanjaka sy Mpamorona Andriamanitra, ka tsy voafetra toy ny antsika ny zavatra azony atao. Asehon’ny 2 Samoela 22:36 anefa fa mora fanahy izy, izany hoe manetry tena, ka miahy sy mangoraka an’ireo mahantra miezaka mampifaly azy. Toy ny hoe miondrika izy, rehefa maneho hatsaram-panahy amin’ireo matahotra azy.—1/11, pejy 4-5.

• Porofo inona no hita avy amin’ny vakin-tanimanga fahiny, momba ny fahamarinan’ny Baiboly?

Nisy anarana fianakaviambe fito ny vakin-tanimanga hitan’ny mpikaroka tao Samaria. Hita ao amin’ny Josoa 17:1-6 ireo anarana ireo. Manamafy ny voalazan’ny Baiboly momba ny fianakaviamben’ny mpisorona koa ny vakin-tanimanga avy any Arada, sady misy ny anaran’Andriamanitra. Ny vakin-tanimanga tao Lakisy kosa, manazava ny toe-draharaha politika sy ny korontana nisy tao Joda talohan’ny fanafihan’ny Babylonianina.—15/11, pejy 12-14.

• Nahoana isika no milaza fa i Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

Samy nosoratana ho an’i Teofilo na ny Filazantsaran’i Lioka na ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. I Lioka àry no nanoratra azy ireo. Asehon’ny fampiasany ny hoe “izahay” sy “anay”, fa nandray anjara tamin’ny zava-niseho sasany notantarainy izy. (Asan’ny Apostoly 16:8-15)—15/11, pejy 18.

Mety amin’ny Kristianina ve ny mihaza sy manjono?

Navelan’Andriamanitra hovonoina hatao sakafo ny biby, nanomboka tamin’ny andron’i Noa. Tsy maintsy alatsa-dra anefa izy ireny. Asehon’izany fa tokony hohajaina ny ain’ny biby, satria avy amin’Andriamanitra. Tsy tokony hamono biby noho ny fanatanjahan-tena àry ny Kristianina, na hihaza sy hamono azy ireny mba hifalifaliana fotsiny. Ilaina koa ny mankatò ny lalàn’i Kaisara sy mihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. (Romanina 14:13)—1/12, pejy 31.