Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hambinina Izay Fiadiana Manohitra Anao

Tsy Hambinina Izay Fiadiana Manohitra Anao

Tsy Hambinina Izay Fiadiana Manohitra Anao

“Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.”—ISAIA 54:17.

1, 2. Nahoana no manamarina ny Isaia 54:17, ny zavatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Albania?

TAONA maro lasa izay, dia nisy antokona Kristianina nampijalina, nasaina niasa an-terivozona, ary noharatsin’ny mpanao gazety. Nanao izay hamongorana azy ireo ny fitondrana kominista tsy mino an’Andriamanitra. Tsy natahotra anefa izy ireo, sady tsy nivadika. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Albania, firenena kely be tendrombohitra any Eoropa atsimoatsinanana. Sarotra be tamin’izy ireo ny nivory sy nitory nandritra ny am-polony taona. Niaritra foana anefa izy ireo, ka nidera ny anaran’i Jehovah sy nanaporofo fa miavaka ny Fivavahana Kristianina. Notokanana tamin’ny 2006 ny trano vaovaon’ny sampana any Albania. Hoy ny Vavolombelona iray nahatoky hatramin’ny ela, tamin’izay: “Resy foana i Satana na dia miezaka mafy toy inona aza. I Jehovah kosa mandresy foana!”

2 Asehon’izany fa marina ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 54:17 hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra.” Nanompo an’i Jehovah Andriamanitra foana ny vahoakany hatramin’izay, ary porofoin’ny tantara fa tsy hahasakana izany mihitsy ny tontolon’i Satana.

Tsy mahomby ny fiadian’i Satana

3, 4. a) Inona avy no fiadiana ampiasain’i Satana? b) Ahoana no ahitana fa tsy nahomby ny fiadian’ny Devoly?

3 Anisan’ny fiadiana amelezany antsika ny fandrarana, rotaka, fanagadrana, ary “fampahoriana” amin’ny alalan’ny “lalàna.” (Salamo 94:20) Amin’izao isika mianatra izao aza, dia ‘tsapain-toetra’ ny tena Kristianina any amin’ny tany sasany.—Apokalypsy 2:10.

4 Nanao tatitra, ohatra, ny biraon’ny sampana iray fa in-32 no nisy Vavolombelon’i Jehovah niharan’ny herisetra teny am-pitoriana, tao anatin’ny herintaona monja. In-59 koa no nisy Vavolombelona nogadrain’ny polisy satria nitory. Niharan’izany na tanora na antitra, na lahy na vavy. Natao toy ny mpanao heloka bevava ny sasany, ka nalaina ny sariny sy ny peta-tondrony, ary nampidirina am-ponja izy ireo. Ny hafa norahonana hoe hampijalijalina. Fitarainana 1 100 mahery no voaray tao amin’ny tany iray hafa, momba ny Vavolombelona nosamborina sy nokapohina ary nampandoavina lamandy. Maherin’ny 200 tamin’ireo no nitranga nandritra ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy! Nandresy anefa ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ireny faritra ireny sy tany an-kafa, noho ny fanahy masina. (Zakaria 4:6) Tsy nahasakana azy ireo tsy hidera an’Andriamanitra ny fahavalo, na tezitra mafy aza. Matoky àry isika fa tsy misy fiadiana mahasakana ny fikasan’i Jehovah.

Voaporofo fa diso ireo lela mandainga

5. Inona ireo lela mandainga nanohitra ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany?

5 Naminany i Isaia hoe ho voaporofo fa diso ny lela rehetra manohitra ny vahoakan’Andriamanitra. Imbetsaka ny Kristianina voalohany no nisy nanendrikendrika, ka nampangaina ho mpanao ratsy. Izao, ohatra, no voalazan’ny Asan’ny Apostoly 16:20, 21: “Tena manakorontana ny tanànantsika ireto lehilahy ... ireto, ary mitory fanao tsy azontsika raisina na arahina, satria Romanina isika.” Nisy mpanohitra koa nampirisika ny lehiben’ny tanàna, mba hanenjika ny mpanara-dia an’i Kristy. Hoy izy ireo: ‘Tonga eto koa izao ireo lehilahy manakorontana ny tany onenana ireo, ary manohitra ny didin’i Kaisara.’ (Asan’ny Apostoly 17:6, 7) Nolazaina fa ‘lehilahy mampidi-doza’ i Paoly. Izy, hono, no nitarika an’ilay sekta nampirisika ny olona hikomy, “manerana ny tany onenana.”—Asan’ny Apostoly 24:2-5.

6, 7. Inona no fomba iray anehoan’ny Kristianina fa diso ny fiampangana azy ireo?

6 Tsy mahagaga raha misy manaratsy sy manendrikendrika koa ny tena Kristianina ankehitriny. Ahoana no andresentsika lahatra azy ireny, izany hoe hanaporofoantsika fa diso izy ireny?—Isaia 54:17.

7 Matetika no voaporofo fa diso ireny fiampangana sy fanaratsiana ireny, noho ny fitondran-tena tsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. (1 Petera 2:12) Hita mantsy fa manara-dalàna sy tsara toetra izy ireo, ary mitady izay hahasoa ny hafa. Miharihary tokoa ny fitondran-tena tsarantsika. Matetika ny olona no midera ny Raintsika any an-danitra, rehefa mahita ny asa tsara ataontsika. Voamarik’izy ireo fa tena tsara ny fomba fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra.—Isaia 60:14; Matio 5:14-16.

8. a) Inona indraindray no ilaina mba hiarovana ny finoantsika? b) Ahoana no hanahafantsika an’i Kristy, ka hanoherantsika an’ireo lela mandainga?

8 Ankoatra ny fitondran-tenantsika, dia ilaina koa indraindray ny miaro amin-kerim-po ny finoantsika miorina amin’ny Baiboly. Azo atao, ohatra, ny mitory any amin’ny fitsarana sy ny manam-pahefana, mba hahazoana fiarovana. (Estera 8:3; Asan’ny Apostoly 22:25-29; 25:10-12) Notoherin’i Jesosy ampahibemaso indraindray ny fiampangan’ny fahavalony. (Matio 12:34-37; 15:1-11) Manahaka azy isika, ka manazava ny zavatra inoantsika rehefa afaka manao izany. (1 Petera 3:15) Aza avela hisakana anao tsy hilaza ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy àry, ny fanesoan’ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, na ny havana tsy Vavolombelona.—2 Petera 3:3, 4.

Toy ny “vato mavesatra” i Jerosalema

9. Iza ilay Jerosalema toy ny “vato mavesatra” ao amin’ny Zakaria 12:3, ary iza no misolo tena azy io eto an-tany?

9 Hazavain’ny faminanian’i Zakaria ny antony hanoheran’ireo firenena ny tena Kristianina. Hoy ny Zakaria 12:3: “Amin’izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ny firenena rehetra.” Iza moa io Jerosalema io? I “Jerosalema any an-danitra”, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Nantsoina ho ao amin’izy io ireo Kristianina voahosotra. (Hebreo 12:22) Mbola eto an-tany ny vitsivitsy amin’ireo mpandova ny Fanjakan’ny Mesia ireo. Mampirisika ny olona izy ireo sy ny “ondry hafa” namany, mba hikatsaka an’ilay Fanjakana dieny mbola misy ny fotoana. (Jaona 10:16; Apokalypsy 11:15) Inona anefa no nataon’ireo firenena? Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny? Andeha isika handinika akaiky ny Zakaria toko faha-12. Hanome antoka antsika izany fa ‘tsy hisy hambinina izay fiadiana’ manohitra ny voahosotr’Andriamanitra sy ny namany.

10. a) Nahoana no misy manenjika ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona no manjo an’ireo mitady hanaisotra an’ilay “vato mavesatra”?

10 Milaza ny Zakaria 12:3 fa “haràtra dia haràtra” ireo firenena. Inona no dikan’izany? Nasain’Andriamanitra torina ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho andraikitra lehibe izany, ka toriny fa io Fanjakana io ihany no fanantenana ho an’ny olombelona. Lasa “vato mavesatra” ho an’ireo firenena anefa izany, ka tiany hesorina. Miezaka àry izy ireo manakantsakana ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy mahomby anefa izy ireo, fa izy indray no lasa ‘maratra dia maratra.’ Menatra sy afa-baraka izy ireo noho izany. Tsy vitany ny mampangina ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra, izay mankamamy ny tombontsoany hitory. Voninahitra ho an’ny Kristianina mantsy ny mitory ny “vaovao tsara mandrakizay” momba ny Fanjakan’ny Mesia, alohan’ny hifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Apokalypsy 14:6) Hoy ny mpiambina fonja iray tatsy Afrika, rehefa nahita ny herisetra nampiharina tamin’ny mpanompon’i Jehovah: ‘Reraka fotsiny izay manenjika an’ireo, fa tsy hivadika mihitsy ireo. Vao mainka aza izy ireo mihabetsaka.’

11. Hazavao fa nitana ny teny nataony ao amin’ny Zakaria 12:4 Andriamanitra.

11 Vakio ny Zakaria 12:4. Mampanantena i Jehovah fa hataony ‘very hevitra’ sy toy ny jamba, izay manohitra ny mpitory ilay Fanjakana be herim-po. Ary nitana ny teniny izy. Voarara, ohatra, ny fivavahana marina, tao amin’ny tany iray. Tsy nahasakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hahazo sakafo ara-panahy anefa ny mpanohitra. Nilaza mihitsy aza ny gazety iray fa nampiasa balaonina, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampidirana boky ara-baiboly tao amin’ilay tany! Marina tokoa ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny mpanompony tsy mivadika hoe: ‘Hampihiratra ny masoko Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ny firenena amin’ny fahajambana.’ Tezitra loatra ny fahavalon’ilay Fanjakana, ka tsy hitany intsony izay hatao fa toy ny jamba izy ireo. Matoky anefa isika fa hiaro ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah, ary hitady izay hahasoa azy ireo.—2 Mpanjaka 6:15-19.

12. a) Nahoana i Jesosy no toy ny hoe nandrehitra afo teto an-tany? b) Nahoana no toy ny nandrehitra afo koa ny sisa voahosotra, ary inona no vokany?

12 Vakio ny Zakaria 12:5, 6. Manondro an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ny hoe “lohany amin’ny firenen’i Joda.” Ataon’i Jehovah manana zotom-po miredareda izy ireo, mba hanaovany ny asan’ilay Fanjakana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, indray mandeha: “Tonga handrehitra afo eto an-tany aho.” (Lioka 12:49) Toy ny nandrehitra afo tokoa izy rehefa nitory tamin-jotom-po. Ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy no tena nasongadiny, ka niteraka adihevitra nafana teo amin’ny Jiosy izany. (Matio 4:17, 25; 10:5-7, 17-20) Toy ny “fatana mirehitra eny amin’ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ny amboara” koa ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy. Toy ny hoe nandrehitra afo teo anivon’ny Kristianisma Anarana mantsy izy ireo. Nampiharihary ny fihatsarambelatsihin’ireo, ohatra, ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra (frantsay), * navoaka tamin’ny 1917. Nahatezitra mafy ny mpitondra fivavahana izany. Vao haingana koa no navoaka ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 hoe “Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” Olona maro àry no lasa nisafidy raha hanohana na hanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra.

Hovonjena “ny lain’ny Joda”

13. Manondro inona ny hoe “lain’ny Joda”, ary nahoana no hovonjen’i Jehovah izy ireo?

13 Vakio ny Zakaria 12:7, 8. Betsaka no nampiasa tranolay teo amin’ny Israely fahiny, indrindra ny mpiandry ondry sy mpamboly. Izy ireny no tena nila fiarovana rehefa nanafika an’i Jerosalema ny fahavalo. Manondro ny sisa voahosotra ankehitriny ny hoe “lain’ny Joda.” Mila fiarovana koa izy ireo satria toa mora tafihina. Tsy matahotra anefa izy ireo miaro ny asan’ilay Fanjakana. “Ny lain’ny Joda” no hovonjen’i Jehovah voalohany, satria izy ireo no tena ataon’i Satana lasibatra.

14. Ahoana no iarovan’i Jehovah “ny lain’ny Joda” mba tsy ho reraka?

14 Porofoin’ny tantara fa narovan’i Jehovah foana hatramin’izay ireo voahosotra ambasadaoron’ilay Fanjakana, na dia toy ny ao anaty tranolay mora tafihina aza. * Tsy avelany ho “reraka” izy ireo fa ampahereziny, mba hatanjaka sy hahery fo toa an’i Davida, mpanjaka nahay niady.

15. Nahoana i Jehovah no “hitady handringana ny [firenena] rehetra”, ary rahoviana izy no hanao izany?

15 Vakio ny Zakaria 12:9. Nahoana i Jehovah no “hitady handringana ny jentilisa [na firenena] rehetra”? Satria mikiry hanohitra ny Fanjakan’ny Mesia izy ireo. Voaheloka izy ireo satria mampijaly sy manenjika ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy ho ela dia hanafika farany an’ireo tena Kristianina ny olon’i Satana. Izany no ho fiandohan’ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona. (Apokalypsy 16:13-16) Hiaro ny mpanompony anefa ilay Mpitsara Fara Tampony, ary hanamasina ny anarany eo anatrehan’ireo firenena.—Ezekiela 38:14-18, 22, 23.

16, 17. a) Inona no “lovan’ny mpanompon’i Jehovah”? b) Inona no voaporofo rehefa miaritra isika?

16 Tsy afaka mampihena ny finoana na ny zotom-pon’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany mihitsy ny fiadian’i Satana. Manana fiadanana anaty isika, satria matoky fa mahavonjy antsika ny herin’i Jehovah. Io fiadanana io no “lovan’ny mpanompon’i Jehovah.” (Isaia 54:17) Tsy misy afaka manala izany, na misakana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (Salamo 118:6) Hitady fomba hanoherana sy hampahoriana antsika foana i Satana. Rehefa miaritra sy tsy mivadika anefa isika, dia voaporofo fa mitoetra amintsika ny fanahin’Andriamanitra. (1 Petera 4:14) Torina eran-tany izao ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’i Jehovah efa miorina. Mampiasa fanoherana maro toy ny “vaton’antsamotady” ny fahavalo, mba hanakiviana antsika. Tsy mandaitra anefa izany, noho ny herin’i Jehovah. (Zakaria 9:15) Tsy ho kivy mihitsy ny sisa voahosotra sy ireo namany mahatoky!

17 Tsy andrintsika ny hanafahana antsika tanteraka amin’ny fanafihan’ny Devoly. Azontsika antoka fa ‘tsy hisy hambinina ny fiadiana rehetra hamelezana antsika, ary ho resy lahatra ny lela rehetra miady amintsika’!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 14 Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 675-676, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no manaporofo fa tsy hambinina ny fiadian’i Satana?

• Nahoana i Jerosalema any an-danitra no toy ny “vato mavesatra”?

• Ahoana no amonjen’i Jehovah “ny lain’ny Joda”?

• Inona no atokisanao, amin’izao Hara-magedona efa akaiky izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nahatoky foana ny mpanompon’i Jehovah tany Albania, na dia notoherin’i Satana aza

[Sary, pejy 23]

Notoherin’i Jesosy ny fiampangana azy

[Sary, pejy 24]

Tsy hambinina izay fiadiana manohitra ny mpitory ny vaovao tsara