Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Matio

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Matio

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Matio

I MATIO no voalohany nanoratra ny tantaram-piainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Mpamory hetra izy taloha, ary lasa mpiara-miasa akaiky tamin’i Jesosy Kristy. Nosoratana tamin’ny teny Hebreo ny Filazantsaran’i Matio, fa nadika tamin’ny teny Grika. Vita tamin’ny taona 41 tany ho any izy io. Toy ny tetezana mampitohy ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika izy io, ary tena mahafaly ny mamaky azy.

Nosoratana voalohany indrindra ho an’ny Jiosy ny Filazantsaran’i Matio. Mampihetsi-po sy mandresy lahatra izy io. Aseho ao fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina sy Zanak’Andriamanitra. Hihamatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny fampanantenany, raha mandinika azy io isika.—Heb. 4:12.

“EFA MANAKAIKY NY FANJAKAN’NY LANITRA”

(Matio 1:1–20:34)

Manasongadina ilay Fanjakana sy ny fampianaran’i Jesosy i Matio, ka tsy milahatra araka ny fotoana ny fitantarany. Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ohatra, no nosoratany aloha, nefa efa tany antenatenan’ny fanompoan’i Jesosy izy io no natao.

Nandritra ny fanompoany tany Galilia, dia nanao fahagagana i Jesosy, nanome toromarika momba ny fanompoana ho an’ny apostoliny 12, nanameloka ny Fariseo, ary nanao fanoharana momba ilay Fanjakana. Nankany amin’ny “sisin-tanin’i Jodia teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana” izy, rehefa avy tao Galilia. (Matio 19:1) Teny an-dalana, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Homelohina ho faty ny Zanak’olona. Ary hatsangana izy amin’ny andro fahatelo.’—Matio 20:18, 19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:16—Inona no dikan’ny hoe “nisokatra ny lanitra”, rehefa natao batisa i Jesosy? Toa midika izany fa nahatsiaro ny fiainany tany an-danitra talohan’ny naha olombelona azy izy.

5:21, 22—Ratsy kokoa ve ny mamoaka fahatezerana noho ny mitahiry izany? Nampitandrina i Jesosy fa manao fahotana lehibe ny olona mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny. Mbola ratsy kokoa noho izany anefa, raha mamoaka ny hatezerany izy ka manao teny manamavo. Mendrika ny ampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana ambony izy.

5:48—Afaka ny ho ‘lavorary, tahaka ny Raintsika any an-danitra’ ve isika? Eny, amin’ny lafiny sasany. Nanazava momba ny fitiavana i Jesosy teo. Nampirisika ny mpihaino azy izy mba hanahaka an’Andriamanitra, ka ho lavorary na tsy hisy tsiny eo amin’ny fanehoana fitiavana. (Matio 5:43-47) Amin’ny fomba ahoana? Tokony ho tian’izy ireo na dia ny fahavalony aza.

7:16—Inona ireo “voa” amantarana ny fivavahana marina? Tsy ny fitondran-tenantsika ihany no tafiditra amin’izany, fa ny zavatra inoantsika koa, izany hoe ireo fampianarana ifikirantsika.

10:34-38—Ny hafatra ao amin’ny Soratra Masina ve no mampisara-bazana ny fianakaviana? Tsy izany velively. Ny fomba fihevitry ny mpianakavy tsy Vavolombelona no mahatonga izany. Mety hifidy ny handa na hanohitra ny fampianarana sy fomba fiaina kristianina izy, ka izany no mampisaraka ny fianakaviana.—Lioka 12:51-53.

11:2-6—Ren’i Jaona ny feon’Andriamanitra nankasitraka an’i Jesosy, ka fantany fa izy no Mesia. Nahoana anefa izy no mbola nanontany an’i Jesosy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy”? Tiany hohamafisin’i Jesosy angamba izany. Tiany ho fantatra koa raha mbola misy olona “hafa” andrasana, izay hanana fahefan’ny mpanjaka ka hanatanteraka ny fanantenan’ny Jiosy. Hita tamin’ny valin-tenin’i Jesosy fa tsy hisy handimby izy.

19:28—Manondro an’iza “ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely” izay hotsaraina? Tsy ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely ara-panahy izy ireo. (Gal. 6:16; Apok. 7:4-8) Ny apostoly mantsy no niresahan’i Jesosy teo, nefa tsy hitsara ny Israely ara-panahy izy ireo satria anisan’izy io. Ho ‘mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra’ izy ireo, araka ny “fifanekena” nifanaovan’i Jesosy taminy. (Lioka 22:28-30; Apok. 5:10) ‘Hitsara an’izao tontolo izao’ izy ireo. (1 Kor. 6:2) Toa manondro ny olombelona eto an-tany àry “ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely”, izay hotsarain’ireo mipetraka eo ambony seza fiandrianana any an-danitra. Tsy anisan’ny mpanjaka sy mpisorona izy ireo, ary mifanitsy amin’ny foko 12 tsy mpisorona tamin’ny Andro Fanavotana.—Lev. toko 16.

Lesona ho antsika:

4:1-10. Hita amin’io fitantarana io fa tena misy i Satana, fa tsy ny faharatsiana fotsiny. Mampiasa “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana” izy, mba hakana fanahy antsika. Hanampy antsika tsy hivadika amin’Andriamanitra anefa ny fampiharana ny toro lalan’ny Soratra Masina.—1 Jaona 2:16.

5:1–7:29. Tadidio fa mila mifandray tsara amin’Andriamanitra ianao. Aoka ianao ho tia fihavanana. Esory ao an-tsaina ny eritreri-dratsy. Tano ny teny nataonao. Resaho alohan’ny zavatra ilainao ny fikasan’Andriamanitra, rehefa mivavaka. Manangòna harena any an-danitra. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Aza maika hitsara. Ataovy ny sitrapon’Andriamanitra. Mahasoa tokoa àry ny Toriteny teo An-tendrombohitra!

9:37, 38. Mila mangataka amin’ny Tompo isika, mba ‘hanirahany mpiasa hijinja ny vokatra.’ Tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izany anefa isika, ka hazoto hanao mpianatra.—Matio 28:19, 20.

10:32, 33. Tsy tokony hatahotra hanambara ny finoantsika mihitsy isika.

13:51, 52. Manana adidy hampianatra ny hafa isika, rehefa mahalala ireo fahamarinana sarobidy momba ilay Fanjakana. Tokony hampiantsika izy ireo hahatakatra izany.

14:12, 13, 23. Tena ilaina ny mitokana amin’ny toerana mangina, raha te hisaintsaina tsara.—Marka 6:46; Lioka 6:12.

17:20. Mila finoana isika mba hamahana olana, sy handresena ireo sakana toy ny tendrombohitra izay mahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’Andriamanitra. Tokony hiezaka mafy hanana finoana an’i Jehovah sy ny fampanantenany àry isika, ary hanatanjaka izany finoana izany.—Marka 11:23; Lioka 17:6.

18:1-4; 20:20-28. Nanjary nieritreritra be loatra ny ho ambony ireo mpianatr’i Jesosy, noho ny tsy fahalavorarian’izy ireo sy ny fivavahany teo aloha izay nanindrahindra ny toerana ambony. Tokony hiezaka hanetry tena sy hanaisotra ny toetra ratsy isika, ary hihevitra araka ny tokony ho izy ireo tombontsoa sy andraikitra eo anivon’ny fiangonana.

‘HATOLOTRA NY ZANAK’OLONA’

(Matio 21:1–28:20)

‘Nitaingina ampondra’ niditra tao Jerosalema i Jesosy ny 9 Nisana, taona 33. (Matio 21:5) Nankao amin’ny tempoly izy ny ampitso, ary nandroaka ireo mpanao ratsy tao. Nampianatra tao amin’ny tempoly indray izy ny 11 Nisana, nanameloka an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, ary niresaka tamin’ny mpianany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Matio 24:3) Hoy izy tamin’ny mpianany, ny ampitson’iny: “Fantatrareo fa rehefa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra hofantsihana amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’olona.”—Matio 26:1, 2.

Inona no nitranga ny 14 Nisana? Nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany izy. Nisy namadika izy taorian’izay, nosamborina, notsaraina, ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. Natsangana tamin’ny maty izy tamin’ny andro fahatelo. Talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia nandidy ny mpianany izy hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Matio 28:19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

22:3, 4, 9—Oviana avy no nalefa ireo antso telo ho amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady? Nalefa ny antso voalohany nanangonana ny ampakarina, rehefa nanomboka nitory i Jesosy sy ny mpianany, tamin’ny taona 29. Nitohy hatramin’ny taona 33 izany. Nalefa ny antso faharoa, nanomboka tamin’ny nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 ka hatramin’ny taona 36. Natao ho an’ireo Jiosy sy ireo niova ho amin’ny fivavahana jiosy ary ny Samaritanina io antso io. Ny antso fahatelo kosa navantana tamin’ny olona teny amin’ny lalana ivelan’ny tanàna, izany hoe tamin’ireo tsy voafora avy amin’ny firenen-kafa. Nanomboka tamin’ny taona 36 io antso io, rehefa lasa Kristianina i Kornelio manamboninahitra romanina. Mbola mitohy hatramin’izao izy io.

23:15—Nahoana no “mendrika ny Gehena avo roa heny” noho ny Fariseo jiosy ireo hafa firenena lasa Fariseo? Mety ho efa mpanota be ny sasany tamin’izy ireo taloha. Vao mainka anefa lasa ratsy kokoa izy ireo, rehefa niova ho Fariseo, satria lasa tery saina tafahoatra. Mety ho tery saina lavitra noho ireo Fariseo mpampianatra azy mihitsy aza izy ireo. “Mendrika ny Gehena” mihoatra lavitra noho ny Fariseo jiosy àry izy ireo.

27:3-5—Inona no nahatonga an’i Jodasy hanenina? Nanenina i Jodasy, nefa tsy nisy porofo hoe tena nibebaka izy. Tsy nangata-pamelana tamin’Andriamanitra izy, fa nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny anti-panahy mba hilaza ny fahadisoany. Nanao ‘fahotana mahafaty’ i Jodasy, ka ara-dalàna raha nahatsiaro tena ho meloka sy namoy fo. (1 Jaona 5:16) Ny famoizam-pony no nahatonga azy hanenina.

Lesona ho antsika:

21:28-31. Ny fanaovantsika ny sitrapony no tena zava-dehibe amin’i Jehovah. Tokony hazoto hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra, ohatra, isika.—Matio 24:14; 28:19, 20.

22:37-39. Tena voafintina tsara amin’ireo didy roa lehibe indrindra ireo ny zavatra takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony!

[Sary, pejy 31]

Mazoto mandray anjara amin’ny asa fijinjana ve ianao?

[Sary nahazoan-dalana]

© 2003 BiblePlaces.com

[Sary, pejy 31]

Manasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra ny Filazantsaran’i Matio