Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hosivanina toy ny Vary ny Kristianina

Hosivanina toy ny Vary ny Kristianina

Hosivanina toy ny Vary ny Kristianina

NAMPITANDRINA ny mpianany toy izao i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Indro i Satana mitaky ny hahazoany anareo mba hosivaniny toy ny vary.” (Lioka 22:31) Inona no tiany holazaina amin’izany?

Nitaky fotoana sy ezaka be ny fijinjana varimbazaha tamin’ny andron’i Jesosy. Nojinjaina teny an-tanimbary aloha ilay izy. Novelezina na nitsahina tamin’ny sarety notarihim-biby izany avy eo. Miala amin’ny tahony ny akotry ary misaraka amin’ny fotsimbary ny ampombo. Avy eo, dia kororohina eny amin’ny rivotra izany, ka ny fotsimbary milatsaka eo am-pamoloana, fa ny ampombo kosa entin’ny rivotra. Sivanina tsara ilay varimbazaha amin’ny farany, mba hialan’ny fakofako isan-karazany.

Tsy mitsahatra manafika ny mpianatr’i Jesosy i Satana, hatramin’izay ka hatramin’izao, araka io tenin’i Jesosy io. (Efesianina 6:11) Marina fa tsy izay olana rehetra mianjady amintsika dia avy amin’i Satana avokoa. (Mpitoriteny 9:11) Manao izay rehetra azony atao anefa izy, mba hivadihantsika amin’i Jehovah. Mety haka fanahy antsika, ohatra, izy mba ho tia vola tafahoatra, na hifidy fialam-boly ratsy, na haloto fitondran-tena. Mety hampiasa mpiara-mianatra na mpiara-miasa na havana tsy Vavolombelona koa izy, mba hanerena antsika hiezaka ho lasa lavitra eo amin’ny fianarana sy hikatsaka asa ambony. Mety hampiasa fanenjehana koa i Satana mba hahatonga antsika hivadika amin’Andriamanitra. Mazava ho azy fa fomba maro no hanasivanan’i Satana antsika, fa tsy ireo ihany.

Ahoana no hanoherantsika an’io fahavalo mahery io? Tsy vitantsika amin’ny herintsika izany, satria mahery noho isika izy. Fantatsika anefa fa mahery lavitra noho i Satana i Jehovah. Homen’i Jehovah hery hanoherana ny fanafihan’i Satana isika, raha mitoky aminy tanteraka, mivavaka mafy mba hanana fahendrena sy hery hiaretana, ary tena miantehitra amin’ny tari-dalany.—Salamo 25:4, 5.

Tokony hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” isika rehefa iharam-pitsapana, raha tsy te ho voafandriky ny teti-dratsin’i Satana. (Hebreo 5:13, 14) Afaka manampy antsika amin’izany i Jehovah. Ilaintsika avy eo ny mifikitra amin’ny tsara, na inona na inona mitranga. Azo antoka fa hanohana ny ezaka ataontsika mba hanao ny tsara i Jehovah, raha manaraka ny tari-dalany isika.—Efesianina 6:10.

Mety hiezaka hanasivana antsika toy ny vary i Satana. Ho vitantsika anefa ny hanohitra azy sy ny hitoetra ho matanjaka amin’ny finoana, noho ny hery avy amin’i Jehovah. (1 Petera 5:9) Manome toky antsika ny Tenin’i Jehovah hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’—Jakoba 4:7.