Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray ny Vaovao Tsara ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’

Mandray ny Vaovao Tsara ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’

Mandray ny Vaovao Tsara ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’

“Izay nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay dia tonga mpino.”—ASA. 13:48.

1, 2. Nilaza mialoha i Jesosy fa hotorina manerana ny tany onenana ny vaovao tsara. Inona àry no nataon’ny Kristianina voalohany?

NILAZA mialoha i Jesosy fa hotorina manerana ny tany onenana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fitantarana mahaliana momba izay nataon’ny Kristianina voalohany mifandray amin’izany. Mpitory nafana fo izy ireo, ary nanome modely ho an’ireo hanara-dia azy. Nazoto nitory tany Jerosalema ny mpianatr’i Jesosy, hany ka niampy olona an’arivony ny fiangonana. Anisan’izany ny “mpisorona maro be.”—Asa. 2:41; 4:4; 6:7.

2 Nanampy olona maro kokoa mba hanaraka ny Kristianisma ny misionera tany am-boalohany. Nankany Samaria, ohatra, i Filipo, ary voalaza fa nanongilan-tsofina tamin’izay nolazainy ny olona rehetra. (Asa. 8:5-8) I Paoly kosa nanao dia lavitra be dia be niaraka tamin’ny olona samihafa, mba hitoriana tany Sipra, Azia Minora, Makedonia, Gresy, ary Italia. Maro be ny Jiosy sy Grika tonga mpino tany amin’ireo tanàna nitoriany. (Asa. 14:1; 16:5; 17:4) I Titosy indray nanompo tany Kreta. (Tit. 1:5) Niasa mafy tany Babylona koa i Petera. Tamin’ny fotoana nanoratany ny taratasiny voalohany, tamin’ny taona 62-64 tany ho any, dia efa nalaza tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia ny fitorian’ny Kristianina. (1 Pet. 1:1; 5:13) Mahafaly tokoa izany! Nazoto nitory ireo Kristianina voalohany ireo, hany ka nilaza ny fahavalony fa ‘nanakorontana ny tany onenana’ izy ireo.—Asa. 17:6; 28:22.

3. Inona avy no vokatra azo avy amin’ny asan’ny mpitory ankehitriny, ary ahoana no fahitanao an’izany?

3 Misy fitomboana miavaka koa eo anivon’ny fiangonana kristianina ankehitriny. Tsy mampahery anao ve ny mamaky ny tatitra isan-taona momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mahita ny vokatra azon’izy ireo eran-tany? Tsy faly erỳ ve ianao mahalala fa nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny enina tapitrisa ny mpitory ilay Fanjakana, nandritra ny taom-panompoana 2007? Miavaka koa ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy tamin’ny taon-dasa: Ankoatra an’ireo Vavolombelona, dia nisy olona folo tapitrisa teo ho eo liana tamin’ny vaovao tsara, ka tonga nanatrika io fankalazana lehibe io. Midika izany fa mbola betsaka ny tokony hatao.

4. Iza no mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana?

4 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany, dia mandray ny hafatra momba ny fahamarinana koa ankehitriny ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Mitaona ny olona toy izany ho ao amin’ny fandaminany i Jehovah. (Vakio ny Hagay 2:7.) Inona no toe-tsaina mila ananantsika foana, mba hanohanana tanteraka an’io asa fanangonana io?

Aza manavakavaka rehefa mitory

5. Iza no ankasitrahan’i Jehovah?

5 Takatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35) Tsy maintsy mino ny sorom-panavotan’i Jesosy ny olona, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah. (Jaona 3:16, 36) Sitrapon’i Jehovah koa ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Tim. 2:3, 4.

6. Inona no tsy tokony hataon’ny mpitory, ary nahoana?

6 Tsy mety ny manavakavaka ny olona, noho ny fitafiany sy taovolony, firazanany, fari-piainany, fivavahany, na antony hafa. Diniho ange izao e: Tsy velom-pankasitrahana ve ianao, fa tsy nanavakavaka anao ilay olona nitory voalohany ny fahamarinana taminao? Tsy tokony hisalasala koa àry isika hampita ilay hafatra mamonjy aina amin’izay hihaino an’izany!—Vakio ny Matio 7:12.

7. Nahoana isika no tsy tokony hitsara ny olona itoriantsika?

7 I Jesosy no notendren’i Jehovah ho Mpitsara, ka tsy manana zo hitsara na iza na iza isika. Mitsara araka ny ‘hitan’ny masontsika’ na izay ‘ren’ny sofintsika’ fotsiny mantsy isika. Tsy mba toy izany kosa i Jesosy, fa mahay mamantatra ny eritreritry ny olona sy izay ao am-pony izy.—Isaia 11:1-5; 2 Tim. 4:1.

8, 9. a) Karazan’olona nanao ahoana i Saoly, talohan’ny nahatongavany ho Kristianina? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ny apostoly Paoly?

8 Olona isan-karazany no lasa mpanompon’i Jehovah. Ohatra miavaka amin’izany i Saoly avy any Tarsosy, izay lasa apostoly Paoly. Fariseo izy, ary tena nanohitra ny Kristianina. Nanenjika ny fiangonana kristianina izy, satria nino fa tsy tena mpivavaka amin’i Jehovah izy ireo. (Gal. 1:13) Raha araka ny fijerin’olombelona, dia izy angamba no tena tsy noeritreretina mihitsy hoe ho lasa Kristianina. Nahita toetra tsara tao aminy anefa i Jesosy, ary nifidy azy hanao asa manokana. Lasa anisan’ny olona narisika sy be zotom-po indrindra teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany àry i Saoly.

9 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ny apostoly Paoly? Misy sokajin’olona toa tsy tia ny hafatra entintsika angamba ao amin’ny faritanintsika. Tsy tokony hitsahatra hampisaintsaina azy ireny anefa isika, na dia toa mampisalasala aza ny hahalasa Vavolombelona azy. Mihaino antsika indraindray, na dia ny olona tena tsy nampoizina hanao izany aza. ‘Tsy hitsahatra’ hitory amin’ny olon-drehetra isika, satria izany no nanirahana antsika.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:42.

Hotahina izay ‘tsy mitsahatra’ mitory

10. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hitory amin’ny olona toa mampahatahotra? Mitantarà zava-nitranga tao amin’ny faritaninareo.

10 Mety ho diso hevitra momba ny olona iray isika, raha mijery ivelany fotsiny. Tany amin’ny fonja iray any Amerika Atsimo, ohatra, i Ignacio * no nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natahoran’ny olona izy tamin’izany, satria nahery setra. Noho izany, rehefa nisy voafonja nanamboatra zavatra ka nivarotra izany tamin’ny voafonja hafa, dia i Ignacio no nampiasain’izy ireo hitaky ny trosany, rehefa elaela ireo voafonja vao nandoa izany. Lasa tsara fanahy anefa io mpihetraketraka io, rehefa nandroso tsara ny fianarany, ka nampihatra izay nianarany izy. Tsy misy mampiasa azy hitaky trosa intsony izao, nefa faly izy fa nanova ny toetrany ny fahamarinana ara-baiboly sy ny fanahin’Andriamanitra. Faly koa izy fa nalala-tsaina ireo mpitory niezaka nampianatra Baiboly azy.

11. Nahoana isika no mbola miverina mitsidika ny olona?

11 Maro ny antony mbola hitsidihantsika ny olona efa nitoriantsika, fa ity ny iray amin’izany: Tena mety hiova ny toe-javatra misy azy ireny sy ny toe-tsainy. Nisy narary mafy na namoy asa na namoy havan-tiana angamba tamin’izy ireny, hatramin’ny fotoana nitsidihantsika azy farany. (Vakio ny Mpitoriteny 9:11.) Mety handrisika ny olona hieritreritra lalina momba ny hoaviny koa ny zava-misy eran-tany. Mety hahatonga azy handray tsara ny hafatra entintsika ireny zava-mitranga ireny, na dia tsy niraika na nanohitra mihitsy aza izy teo aloha. Tsy tokony hisalasala àry isika hitory ny vaovao tsara, rehefa mety ny hanaovana izany.

12. Ahoana no tokony ho fomba fijerintsika ny olona itoriantsika, ary nahoana?

12 Mora mitsara an-tendrony mazàna isika olombelona, ka manasokajy ny olona araka ny fiaviany. Ny isam-batan’olona kosa no jeren’i Jehovah. Mijery ny toetra tsaran’ny tsirairay izy. (Vakio ny 1 Samoela 16:7.) Tokony hiezaka hanahaka azy isika eny amin’ny fanompoana. Asehon’ny fitantarana maro ny vokatra tsara azo, rehefa tsara ny fomba fijerintsika ny olona rehetra itoriantsika.

13, 14. a) Nahoana ny mpisava lalana iray no tsy nitsidika intsony ny vehivavy iray hitany teny amin’ny fanompoana? b) Inona no ianarantsika avy amin’io zava-nitranga io?

13 Nitory isan-trano i Sandra, anabavy mpisava lalana ao amin’ny nosy iray any Karaiba. Tamin’izay no nihaonany tamin’i Ruth, izay nafana fo erỳ nankalaza ilay fety atao hoe karnavaly. Efa indroa i Ruth no voafidy ho mpanjakavavin’ny karnavaly, tao amin’ilay nosy. Nahagaga fa liana tamin’izay nolazain’i Sandra izy, ary nifanao fotoana izy ireo mba hianatra Baiboly. Nitantara i Sandra hoe: “Nahita sary ngezabe aho rehefa hiditra ho ao amin’ny efitra fandraisam-bahininy. Sarin’i Ruth manao akanjo marevaka fitondra amin’ny karnavaly ilay izy, miaraka amin’ny lokam-pandresena azony. Nihevitra aho fa tsy ho liana amin’ny fahamarinana ny olona malaza be sy mafana fo amin’ny karnavaly toa azy. Tsy nitsidika azy intsony àry aho.”

14 Tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana i Ruth tatỳ aoriana. Rehefa nifarana ny fivoriana, dia hoy izy tamin’i Sandra: “Nahoana ianao no tsy tonga nampianatra ahy intsony?” Niala tsiny i Sandra, ary nanao izay hitohizan’ilay fianarana indray. Nandroso haingana i Ruth, ka nanala ireo sariny tamin’ny karnavaly, nanomboka nandray anjara tamin’ny asa rehetra ataon’ny fiangonana, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah. Niaiky i Sandra tatỳ aoriana fa tsy nety ilay fihetsiny tamin’ny voalohany.

15, 16. a) Inona no vokany rehefa nitory tamin’ny havany ny mpitory iray? b) Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hitory amin’ny havantsika, na dia mety hampiahotra antsika aza ny zavatra sasany momba azy?

15 Mahazo vokatra tsara koa ireo mitory amin’ny havany tsy Vavolombelona, na dia toa tsy handray aza izy ireny. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Joyce, anabavy any Etazonia. Nigadra imbetsaka ny zaodahiny, nanomboka tamin’izy io mbola zatovo. Hoy i Joyce: “Nilaza ny olona fa tsy nisy dikany ny fiainany, noho izy nidoroka zava-mahadomelina sy nangalatra ary nanao zava-dratsy maro hafa. Tsy nitsahatra nitory ny fahamarinana ara-baiboly taminy anefa aho, nandritra ny 37 taona.” Novalian-tsoa ny faharetana sy ny ezaka rehetra nataon’io anabavy io mba hanampiana an’ilay zaodahiny. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io tamin’ny farany, ary nanao fiovana lehibe. Tsy ela izay dia natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Kalifornia, any Etazonia, izy, ary 50 taona izy tamin’izay. Hoy i Joyce: “Faly be aho ka nirotsaka mihitsy ny ranomasoko. Soa ihany aho fa tsy kivy nanampy azy!”

16 Mety hisalasala hiresaka ny fahamarinana amin’ny havanao ianao, noho ny zavatra sasany momba azy. I Joyce kosa anefa tsy nisalasala nitory tamin’ny zaodahiny. Tsy misy mahalala izay any am-pon’ny olona tokoa isika. Mitady mafy ny fahamarinana angamba io olona io. Aza misalasala miresaka aminy àry, mba hahitany an’izany.—Vakio ny Ohabolana 3:27.

Fitaovana tena mahomby

17, 18. a) Asehon’ny tatitra eran-tany fa misy vokany tsara eo amin’ny olona ny boky Ampianarina. Manomeza ohatra. b) Inona no vokatra tsara azonao, rehefa nampiasa an’io boky io ianao?

17 Asehon’ny tatitra eran-tany fa misy vokany tsara eo amin’ny olona tso-po maro ilay boky fianarana Baiboly hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro tamin’izy io i Penni, anabavy mpisava lalana any Etazonia. Zokiolona nafana fo tamin’ny fivavahany ny roa tamin’ireo mpianany. Tsy fantatr’i Penni tsara izay mety ho fandraisan’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ilay boky. Hoy anefa izy: “Mazava sy mitombina tsara ary mivantana ny fanazavana omena ao amin’ilay izy, ka mora tamin’izy ireo ny nanaiky fa marina ny zavatra nianarany. Tsy niady hevitra be na nentim-po izy ireo nandritra izany.”

18 Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny vehivavy iray mpitsoa-ponenana avy any Azia kosa i Pat, anabavy iray any Grande-Bretagne. Voatery nandao ny taniny io vehivavy io, rehefa nentin’ny miaramila mpikomy ny vadiny sy ny zanany lahy, ary tsy hitany intsony. Norahonana ho faty koa izy, nodorana ny tranony, ary nisy lehilahy maromaro nanolana azy. Noho izany, dia tsy hitany intsony izay antony hiainana, ary efa imbetsaka izy no nieritreritra hamono tena. Nanjary nanana fanantenana anefa izy, rehefa nianatra Baiboly. Hoy i Pat: “Tsotra ireo fanazavana sy fanoharana ao amin’ny boky Ampianarina, ka nisy vokany lehibe teo aminy.” Nandroso haingana izy ka nahafeno fepetra ho mpitory. Nilaza koa izy fa maniry hatao batisa amin’ny fivoriambe. Tena mahafaly ny manampy ny olona tso-po hahatakatra sy hankasitraka ny fanantenana omen’ny Soratra Masina!

“Aoka isika tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara”

19. Nahoana isika no tena tokony ho dodona hanao ny asa fitoriana?

19 Vao mainka miharihary isan’andro fa tokony ho dodona isika hanao ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. Marina fa olona manana toe-po tsara an’arivony isan-taona no manaiky ny hafatra torintsika. “Efa antomotra [anefa] ny andro lehiben’i Jehovah.” Midika izany fa “mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana” ireo mitoetra ao amin’ny haizina ara-panahy.—Zef. 1:14; Ohab. 24:11.

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika tsirairay?

20 Mbola afaka manampy an’ireny olona ireny isika. Tena mila manahaka ny Kristianina voalohany anefa isika, mba hahavitana izany. “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i [Jesosy] Kristy” izy ireo. (Asa. 5:42) Manahafa azy ireo, ka tohizo ny fanompoana na misy aza ny olana, tandremo tsara ny ‘fahaizanao mampianatra’, ary aza manavakavaka rehefa mitory! “Aoka [àry] isika tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara.” Hankasitrahan’i Jehovah isika amin’izay, ka homeny fitahiana tondraka.—2 Tim. 4:2; vakio ny Galatianina 6:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Novana ny anarana sasany.

Ahoana no Havalinao?

• Iza avy no mandray ny vaovao tsara?

• Nahoana isika no tsy tokony hitsara ny olona itoriantsika?

• Inona avy no vokatra azo avy amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

An’arivony ny olona tso-po mandray ny vaovao tsara

[Sary, pejy 15]

Inona no ianarantsika avy amin’ny fiovana nataon’ny apostoly Paoly?

[Sary, pejy 16]

Tsy mitsara an-tendrony ny mpitory ny vaovao tsara