Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mendrika Hahazo An’ilay Fanjakana Izy Ireo

Mendrika Hahazo An’ilay Fanjakana Izy Ireo

Mendrika Hahazo An’ilay Fanjakana Izy Ireo

“Porofon’ny fitsarana marin’Andriamanitra izany, dia fitsarana izay mahatonga anareo ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.”—2 TES. 1:5.

1, 2. Inona no hataon’Andriamanitra araka ny efa nokasainy, ary iza no hampiasainy amin’izany?

TANY Atena ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 50 tany ho any. Kivy izy nahita fa mpanompo sampy be ny olona. Nanao lahateny nandresy lahatra azy ireo àry izy. Azo inoana fa nanaitra azy ireo ny teniny farany. Hoy izy: ‘Ankehitriny Andriamanitra milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.’—Asa. 17:30, 31.

2 Tena mampieritreritra ny hoe nanendry andro hitsarana ny olombelona Andriamanitra! Fantatsika fa i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty no mpitsara, na dia tsy nolazain’i Paoly mivantana aza. Izy no hitsara hoe mendrika ny ho velona na ho faty ny olona iray.

3. Nahoana i Jehovah no nanao fifanekena tamin’i Abrahama, ary iza no mandray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana izany?

3 Haharitra 1 000 taona ilay Andro Fitsarana. Hiandraikitra izany eo ambany fahefan’i Jehovah i Jesosy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izy irery anefa no hitsara. Nifidy olona teto an-tany i Jehovah, mba hanjaka sy hitsara hiaraka amin’ny Zanany, mandritra ny arivo taona. (Ampitahao amin’ny Lioka 22:29, 30.) Nanomana an’io Andro Fitsarana io izy, rehefa nanao fifanekena tamin’i Abrahama mpanompony nahatoky, efa ho 4 000 taona izay. (Vakio ny Genesisy 22:17, 18.) Azo inoana fa tamin’ny 1943 T.K. no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena. Tsy tena nazava tamin’i Abrahama anefa ny dikan’izy io ho an’ny olombelona. Isika kosa mahalala fa mandray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra hitsara ny olona rehetra ny taranak’i Abrahama, noho ilay fifanekena.

4, 5. a) Iza no voalohany amin’ny taranak’i Abrahama, ary inona no nolazainy momba ilay Fanjakana? b) Oviana no nanomboka nisy olona nantsoina ho anisan’ilay Fanjakana?

4 I Jesosy no voalohany amin’ny taranak’i Abrahama. Voahosotry ny fanahy masina izy tamin’ny taona 29, ka lasa Mesia na Kristy. (Gal. 3:16) Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny Jiosy izy taorian’izay, nandritra ny telo taona sy tapany. Rehefa voasambotra i Jaona Mpanao Batisa, dia nohazavainy fa hisy olona ho anisan’io Fanjakana io. Hoy izy: ‘Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona, ary maka azy an-keriny ireo misesika ho amin’izany.’—Matio 11:12.

5 Hisy olona hahazo ny Fanjakan’ny lanitra àry. Mahaliana anefa ny tenin’i Jesosy talohan’izay. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy.” (Matio 11:11) Nahoana? Satria taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, vao nisy olona nantsoina ho anisan’ilay Fanjakana. Efa maty anefa i Jaona tamin’izany.—Asa. 2:1-4.

Nambara fa marina ny taranak’i Abrahama

6, 7. a) Inona no dikan’ny hoe ho “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra” ny taranak’i Abrahama? b) Inona no fitahiana azon’i Abrahama, ary inona koa no fitahiana azon’ny taranany?

6 Nampanantena Andriamanitra fa hihamaro ny taranak’i Abrahama, ka ho “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra” sy ny fasika eny amoron-dranomasina. (Gen. 13:16; 22:17) Midika izany fa tsy fantatry ny olona tamin’izany hoe ho firy ny isan’ny taranak’i Abrahama. Naharihary anefa tatỳ aoriana, ny tena isan’ny taranany ara-panahy. Miisa 144 000 izy ireo, ankoatra an’i Jesosy.—Apok. 7:4; 14:1.

7 Nanam-pinoana i Abrahama, ka hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Nino an’i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.” (Gen. 15:5, 6) Tsy misy olona tena hoe marina. (Jak. 3:2) Niavaka anefa ny finoan’i Abrahama, ka noraisin’i Jehovah ho toy ny hoe marina izy, ary nantsoiny mihitsy hoe sakaizany. (Isaia 41:8) Nambara fa marina koa ny taranaka ara-panahin’i Abrahama, miaraka amin’i Jesosy. Hahazo fitahiana mihoatra noho ny an’i Abrahama anefa izy ireo.

8. Inona no fitahiana nomena ny taranak’i Abrahama?

8 Ambara fa marina ny Kristianina voahosotra, satria mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Rom. 3:24, 28) Afaka amin’ny fahotana izy ireo eo imason’i Jehovah, ka voahosotry ny fanahy masina mba ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra, sy rahalahin’i Jesosy Kristy. (Jaona 1:12, 13) Nampidirina tao amin’ilay fifanekena vaovao izy ireo, ka lasa firenena vaovao antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16; Lioka 22:20) Voninahitra lehibe tokoa izany! Nanao zavatra maro ho azy ireo mantsy Andriamanitra. Tsy manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany àry izy ireo. Nafoiny izany mba hahazoany fifaliana lehibe lavitra. Hiaraka amin’i Jesosy mandritra ny Andro Fitsarana kosa izy ireo, ary hiara-manjaka aminy any an-danitra.—Vakio ny Romanina 8:17.

9, 10. a) Oviana no nisy Kristianina voahosotra voalohany, ary hiatrika inona izy ireo? b) Inona no fanampiana nomena ny voahosotra?

9 Nisy Kristianina nahatoky 120 teo ho eo natao batisa tamin’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Izy ireo àry no voahosotra voalohany, izay ho afaka hiara-manjaka amin’i Jesosy mandritra ny Andro Fitsarana. Vao fiandohana ihany anefa izany, satria tsy maintsy noporofoin’izy ireo fa tsy hivadika amin’i Jehovah izy, na inona na inona fitsapana halefan’i Satana. Tsy maintsy mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo, raha te hahazo ny satroboninahitry ny fiainana any an-danitra.—Apok. 2:10.

10 Nampiasa ny Teniny sy ny fiangonana àry i Jehovah, mba hampirisihana sy hampaherezana ny Kristianina voahosotra. Nanoratra toy izao, ohatra, i Paoly, ho an’ny voahosotra tany Tesalonika: “Toy ny ananaran’ny ray ny zanany no nananaranay hatrany ny tsirairay taminareo, sy nampiononanay anareo ary nanomezanay porofo anareo, mba handehananareo hatrany mendrika an’Andriamanitra, izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.”—1 Tes. 2:11, 12.

11. Inona no nasain’i Jehovah nosoratana ho an’ny “Israelin’Andriamanitra”?

11 Am-polony taona taorian’ny nifidianana an’ireo voahosotra voalohany, dia hitan’i Jehovah fa nila nosoratana ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Toy izany koa ny toroheviny ho an’ny Kristianina voalohany sy ny fifandraisany tamin’izy ireo. Nasain’i Jehovah nosoratana àry ny Soratra Grika Kristianina, ho fanampin’ny Soratra Hebreo. Ho an’ny Israelita no tena nanaovana ny Soratra Hebreo, tamin’izy ireo mbola nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra. Ho an’ny “Israelin’Andriamanitra” kosa ny Soratra Grika Kristianina, izany hoe ho an’ny voahosotra rahalahin’i Kristy sy zanaka ara-panahin’Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe tsy tena mandray soa amin’ny fianarana ny Soratra Hebreo ny tsy Israelita. Mandray soa lehibe koa àry ny Kristianina tsy voahosotra, rehefa mianatra sy mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Soratra Grika.—Vakio ny 2 Timoty 3:15-17.

12. Inona no fampahatsiahivana nomen’i Paoly an’ireo voahosotra?

12 Nambara fa marina ny Kristianina voalohany, ary voahosotry ny fanahy masina, mba hahazoany ny lovany any an-danitra. Tsy midika izany hoe afaka nanjaka teo amin’ny voahosotra namany izy ireo, teto an-tany. Nisy anefa nanjary te ho ambony noho ny rahalahiny teo anivon’ny fiangonana. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Hay efa afa-po sahady ianareo? Ary efa manankarena sahady? Ary efa nanomboka nanjaka sahady, nefa tsy niaraka taminay? Ary enga anie ianareo ho efa nanomboka nanjaka, mba hiarahanay manjaka aminareo koa!” (1 Kor. 4:8) Nampahatsiahy an’ireo voahosotra namany àry izy hoe: “Tsy tompon’ny finoanareo anefa izahay fa mpiara-miasa kosa mba hahazoanareo fifaliana.”—2 Kor. 1:24.

Nitohy ny fiantsoana ny voahosotra

13. Nanao ahoana ny fiantsoana an’ireo voahosotra, taorian’ny taona 33?

13 Tsy nofidina tamin’ny taonjato voalohany daholo ireo voahosotra 144 000. Marina fa vitsy no nantsoina taorian’ny andron’ny apostoly. Nitohy foana anefa izany nandritra ny taonjato maro ka hatramin’ny androntsika. (Matio 28:20) Maro koa ny zava-nitranga nifanesy, rehefa nanomboka nanjaka i Jesosy tamin’ny 1914.

14, 15. Mbola misy olona fidina ho voahosotra ve amin’ny androntsika? Hazavao.

14 Noroahin’i Jesosy aloha izay rehetra nanohitra ny fitondran’Andriamanitra tany an-danitra. (Vakio ny Apokalypsy 12:10, 12.) Avy eo izy dia nifantoka tamin’ny fanangonana ny sisa amin’ireo hiara-manjaka aminy, mba ho feno ny isa 144 000. Efa ho feno izy io tamin’ny 1935 tany ho any, ary maro tamin’ireo nandray ny vaovao tsara no tsy naniry ho any an-danitra. Tsy noporofoin’ny fanahy masina tamin’izy ireo mantsy fa zanak’Andriamanitra izy. (Ampitahao amin’ny Romanina 8:16.) Fantatr’izy ireo kosa fa anisan’ny “ondry hafa” izy, ka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. (Jaona 10:16) Ny fanangonana ny “vahoaka be” indray àry no tanjona tamin’ny asa fitoriana, taorian’ny 1935. Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana izy ireo, ary ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.”—Apok. 7:9, 10, 14.

15 Nisy olona vitsivitsy ihany anefa lasa voahosotra, taorian’ny 1930. Nahoana? Mety ho solon’izay voahosotra tsy nahatoky izy ireny. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:16.) Nisy tamin’ireo voahosotra fantatr’i Paoly mihitsy aza niala tamin’ny fahamarinana. (Fil. 3:17-19) Iza no mety hantsoina hisolo azy ireny? I Jehovah ihany no manapa-kevitra momba izany. Mazava ho azy anefa fa tsy olona vaovao amin’ny fahamarinana no fidiny, fa izay efa nanaporofo nandritra ny fotoana elaela hoe tsy mivadika. Toy izany mantsy ireo mpianatr’i Jesosy, izay niara-nankalaza taminy ny Fahatsiarovana. *Lioka 22:28.

16. Inona no ankasitrahantsika mandritra ny andro farany, ary inona no atokisantsika sy inoantsika?

16 Tsy hoe solon’ny voahosotra tsy nahatoky foana anefa, izay voantso ho any an-danitra taorian’ny 1930. Nanome toky mantsy i Jehovah fa hisy voahosotra foana eto an-tany mandritra ny andro faran’ity tontolo ity, mandra-pandringana an’i “Babylona Lehibe.” * (Apok. 17:5) Tena ankasitrahantsika izany. Matoky isika fa ho feno tanteraka ny isan’ireo 144 000 amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, ary hanjaka any an-danitra izy rehetra amin’ny farany. Mino koa isika fa hahatoky foana ny vahoaka be amin’ny fitambarany. Mihamaro hatrany izy ireo, ary ho tafavoaka velona amin’ilay “fahoriana lehibe” hihatra tsy ho ela amin’ny tontolon’i Satana. Ho faly izy ireo hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Kely sisa dia ho tafangona any an-danitra ireo mpanjaka!

17. Inona no valisoan’ireo voahosotra maty nahatoky, araka ny 1 Tesalonianina 4:15-17 sy ny Apokalypsy 6:9-11?

17 Nanomboka tamin’ny taona 33, dia voahosotra an’aliny no efa naneho finoana matanjaka ary maty nahatoky. Mendrika an’ilay Fanjakana izy ireo, ka nahazo valisoa any an-danitra, rehefa nanomboka kelikely ny fanatrehan’i Kristy.—Vakio ny 1 Tesalonianina 4:15-17; Apokalypsy 6:9-11.

18. a) Inona no atokisan’ireo voahosotra mbola eto an-tany? b) Inona no tsapan’ny ondry hafa rehefa mandinika ny finoan’ireo voahosotra?

18 Matoky tanteraka ireo voahosotra mbola eto an-tany, fa hahazo valisoa tsy ho ela raha mahatoky foana. Mandinika ny finoan’izy ireo ny ondry hafa an-tapitrisany, ka miombon-kevitra amin’i Paoly, izay nilaza tamin’ireo voahosotra tany Tesalonika hoe: “Reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra ianareo, noho ny fiaretanareo sy ny finoanareo, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainareo. Porofon’ny fitsarana marin’Andriamanitra izany, dia fitsarana izay mahatonga anareo ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra. Noho io fanjakana io mantsy no ijalianareo.” (2 Tes. 1:3-5) Ho tafangona any an-danitra ireo mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa maty ny voahosotra farany eto an-tany, na rahoviana na rahoviana. Hisy fifaliana be any an-danitra sy etỳ an-tany amin’izay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2007.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama, ka misy ifandraisany amin’ny Andro Fitsarana?

• Nahoana i Abrahama no nambara fa marina?

• Inona no fitahiana azon’ny taranak’i Abrahama, rehefa nambara fa marina izy ireo?

• Inona no atokisantsika rehetra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hiezaka mafy hahazo an’ilay Fanjakana

[Sary, pejy 21]

Nanomboka nifidy an’ireo ho anisan’ny taranaka faharoan’i Abrahama i Jehovah, tamin’ny Pentekosta taona 33

[Sary, pejy 23]

Velom-pankasitrahana ny ondry hafa, satria misy Kristianina voahosotra miaraka amin’izy ireo mandritra ny andro farany