Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mendrika Hisotro Amin’ny Loharanon’ny Ranon’aina Izy Ireo

Mendrika Hisotro Amin’ny Loharanon’ny Ranon’aina Izy Ireo

Mendrika Hisotro Amin’ny Loharanon’ny Ranon’aina Izy Ireo

“Ny Zanak’ondry ... dia hiandry azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.”—APOK. 7:17.

1. Ahoana no iantsoan’ny Tenin’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra? Inona no andraikitra nomen’i Jesosy azy ireo?

ANTSOIN’NY Tenin’Andriamanitra hoe “mpanompo mahatoky sy malina”, ireo Kristianina voahosotra mikarakara ny fananan’i Kristy eto an-tany. Nandinika an’io “mpanompo” io i Kristy tamin’ny 1918. Hitany fa nahatoky izy ireo, satria nikarakara ‘sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana nety.’ Nahafaly an’i Jesosy Tompo izany, ka notendreny hiandraikitra “ny fananany rehetra” izy ireo. (Vakio ny Matio 24:45-47.) Manompo an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah eto an-tany àry izy ireo, alohan’ny hahazoany lova any an-danitra.

2. Inona avy no fananan’i Jesosy?

2 Manana fahefana amin’ny fananany ny olona, ary azony ampiasaina amin’izay tiany izany. Fananan’i Jesosy Kristy Mpanjaka voatendrin’i Jehovah, izay olona na zavatra rehetra eto an-tany, ka misy ifandraisany amin’ny asan’ilay Fanjakana. Anisan’izany ny “vahoaka be.” Hoy ny apostoly Jaona rehefa nahazo fahitana momba azy ireo: “Indro, nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany.”—Apok. 7:9.

3, 4. Inona avy no tombontsoa miavaka ananan’ny vahoaka be?

3 Anisan’ny “ondry hafa” noresahin’i Jesosy ny vahoaka be. (Jaona 10:16) Manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa izy ireo. Matoky izy ireo fa “hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina [i Jesosy]. Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” ‘Nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony’, izany hoe mino ny soron’i Jesosy izy ireo. (Apok. 7:14, 17) Nambara fa marina àry izy ireo, ka toy ny hoe manao “akanjo fotsy lava” eo imason’Andriamanitra. Lasa namany koa izy ireo, toa an’i Abrahama.

4 Tsy mitsaha-mitombo ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. Marina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo ka manantena ny ho tafavoaka velona, rehefa horavana ity tontolo ity amin’ny fahoriana lehibe. (Jak. 2:23-26) Afaka manatona an’i Jehovah koa izy ireo, ary ho voaro amin’ny Hara-magedona, amin’ny fitambarany. (Jak. 4:8; Apok. 7:15) Tsy manao izay tiany fotsiny anefa izy ireo, fa vonona hanaiky ny tari-dalan’ilay Mpanjaka any an-danitra sy ireo rahalahiny voahosotra eto an-tany.

5. Ahoana no anampian’ny vahoaka be an’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy?

5 Nanohitra mafy an’ireo voahosotra i Satana sy ny tontolony, ary mbola hanao izany foana. Manampy azy ireo anefa ny vahoaka be, izay mitombo ana hetsiny isan-taona. Eo, ohatra, ireo lehilahy mahafeno fepetra voatendry eo anivon’ny fiangonana. Efa vitsy mantsy ny voahosotra, ka tsy afaka miandraikitra an’ireo fiangonana 100 000 eo ho eo eran-tany. Noho izany, dia manampy azy ireo ny anti-panahy anisan’ny ondry hafa, ka mikarakara an’ireo Kristianina an-tapitrisany nankinina tamin’ny “mpanompo mahatoky sy malina.”

6. Inona no faminaniana milaza fa hanampy an’ireo voahosotra ny ondry hafa?

6 Efa naminany i Isaia fa hanampy an-tsitrapo an’ireo voahosotra, ny ondry hafa namany. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny vokatry ny fisasaran’i Egypta sy ny tombom-barotr’i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo.” (Isaia 45:14) Toy ny hoe manaraka an’ireo voahosotra sy ny Filan-kevi-pitantanany ny Kristianina maniry hiaina eto an-tany, rehefa manaraka ny tari-dalan’izy ireo. Asa tsy andraisan-karama ilay hoe ‘fisasarana’, ary manao asa toy izany ny ondry hafa. Manome an-tsitrapo sy amin’ny fo manontolo ny heriny sy ny fananany mantsy izy ireo, mba hanohanana ny asa fitoriana eran-tany, izay nankinin’i Kristy tamin’ny voahosotra mpanara-dia azy.—Asa. 1:8; Apok. 12:17.

7. Nahoana no ampiofanina ny vahoaka be?

7 Ampiofanin’ny voahosotra ny vahoaka be, satria izy ireo no hiaina voalohany ao amin’ny tontolo vaovao, aorian’ny Hara-magedona. Tsy maintsy ampy fahaizana sy vonona hanaraka ny tari-dalan’ny Tompony izy ireo. Tokony haneho finoana sy tsy hivadika àry ny tsirairay dieny izao. Ho azo antoka amin’izay fa hanaiky an-tsitrapo izay toromarika omen’ilay Mpanjaka izy ao amin’ny tontolo vaovao. Porofoiny amin’izany fa azon’i Kristy Jesosy ampiasaina foana izy.

Maneho finoana ny vahoaka be

8, 9. Ahoana no anehoan’ny vahoaka be ny finoany?

8 Maneho ny finoany amin’ny fomba maro ny ondry hafa. Voalohany, manampy ny voahosotra izy ireo, ka mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Faharoa, manaiky an-tsitrapo ny tari-dalan’ny Filan-kevi-pitantanana izy ireo.—Heb. 13:17; vakio ny Zakaria 8:23.

9 Fahatelo, manaraka ny toro lalana marin’i Jehovah ny vahoaka be. Manaiky ny voahosotra izy ireo rehefa manao izany. Miezaka mafy, ohatra, izy ireo mba haneho “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Gal. 5:22, 23) Tsy maneho ireo toetra ireo ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, fa manao “ny asan’ny nofo.” Tapa-kevitra anefa ny vahoaka be fa hifady ny “fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, fanompoan-tsampy, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.”—Gal. 5:19-21.

10. Tapa-kevitra ny hanao inona ny vahoaka be?

10 Tsy lavorary isika ka sarotra ny maneho ny vokatry ny fanahy, mifady ny asan’ny nofo, ary manohitra ny faneren’ny tontolon’i Satana. Mety ho kivy koa isika noho ny fahalementsika, na rehefa tsy mahomby ny zavatra ataontsika, na satria voafetra ny vitantsika. Tapa-kevitra anefa isika fa tsy hamela ny fahakiviana hampihena ny finoantsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah. Fantatsika fa hiaro ny vahoaka be mandritra ny fahoriana lehibe izy, araka ny efa nampanantenainy.

11. Inona avy no tetika ampiasain’i Satana mba hampihenana ny finoan’ny Kristianina?

11 Mila mitandrina hatrany isika satria ny Devoly no tena fahavalontsika, ary tsy hilavo lefona mora foana izy. (Vakio ny 1 Petera 5:8.) Mampiasa mpivadi-pinoana sy olon-kafa izy, mba handresena lahatra antsika hoe diso ny fampianarana arahintsika. Tsy mahomby anefa izany amin’ny ankapobeny. Mampiasa fanenjehana koa izy, nefa vao mainka izany manamafy ny finoan’ny Kristianina, na dia mampihena ny asa fitoriana aza indraindray. Ny fahakiviana indray àry no tena ampiasainy, satria mihevitra izy fa mandaitra kokoa mba hampihenana ny finoantsika izany. Rehefa kivikivy isika dia hararaotiny. Nampitandrina momba io loza io ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ireo Kristianina voalohany: “Diniho tsara [i Kristy] ... ilay niaritra izany teny fanoheran’ny mpanota izany. Tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo izany fanoherana izany. Eny, diniho izy mba tsy ho kivy ianareo na ho reraka.”—Heb. 12:3.

12. Inona avy no torohevitra mampahery ny kivy?

12 Efa nisy fotoana ve hoe kivy ianao, ka tsy te hanompo an’i Jehovah intsony? Hoatran’ny hoe tsy mety daholo ve izay ataonao? Hararaotin’i Satana izany mba hanakanana anao tsy hanompo an’i Jehovah. Aza avela handresy anefa izy. Mazotoa mandinika lalina ny Baiboly, mivavaha amin-kafanam-po, mivoria tsy tapaka, ary miaraha amin’ny mpiara-manompo. Hampahery sy hanampy anao ‘tsy ho reraka’ izany. Nampanantena mantsy i Jehovah fa homeny hery ny mpanompony, ary azo antoka izany. (Vakio ny Isaia 40:30, 31.) Mifantoha amin’ny asan’ilay Fanjakana. Aza manao fialam-boly mandany fotoana be, fa aleo aza manampy ny hafa. Ho afaka hiaritra ianao amin’izay, na eo aza ny fahakiviana.—Gal. 6:1, 2.

Rehefa ao amin’ny tontolo vaovao

13. Inona no asa miandry an’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona?

13 Maro be ny olona tsy marina hatsangana amin’ny maty, aorian’ny Hara-magedona. Tokony hampianarina izy ireny mba handehanany amin’ny lalan’i Jehovah. (Asa. 24:15) Mila mahafantatra momba ny sorom-panavotan’i Jesosy izy ireo, ary mianatra maneho finoana azy io mba handray soa avy amin’izany. Tokony hiala amin’ny fampianaran-diso ninoany taloha izy ireo, ary hanova ny fomba fiainany. Tsy maintsy mianatra mitafy ny toetra vaovao, izay mampiavaka ny tena Kristianina koa izy ireo. (Efes. 4:22-24; Kol. 3:9, 10) Maro tokoa ny asa miandry an’ireo ondry hafa ho tafavoaka velona. Tena hahafinaritra ny fanompoana an’i Jehovah amin’izany, satria tsy hanelingelina antsika intsony ity tontolo ratsy ity!

14, 15. Inona no hampianarina an’ireo olona marina hatsangana amin’ny maty, ary inona kosa no hotantarainy amin’ireo ho tafavoaka velona?

14 Hianatra zavatra maro koa ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky, izay maty talohan’ny nanompoan’i Jesosy teto an-tany. Ho fantatr’izy ireo hoe iza ilay Mesia nampanantenaina. Efa ela mantsy izy ireo no niandry azy io, nefa tsy nahita azy mihitsy. Efa nanaiky hampianarin’i Jehovah koa izy ireo taloha. Hahafinaritra tokoa ny hanampy azy ireo! Hohazavaina amin’i Daniela, ohatra, ny fahatanterahan’ireo faminaniany. Nosoratany mantsy izy ireny nefa tsy azony akory ny dikany.—Dan. 12:8, 9.

15 Marina aloha fa hampianatra zavatra maro an’ireo hatsangana amin’ny maty isika. Hiana-javatra betsaka avy amin’izy ireo koa anefa isika. Hohazavainy amintsika, ohatra, ny tsipiriany momba ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Hahafaly tokoa ny hanontany an’i Jaona Mpanao Batisa momba ny tsipiriany tamin’ny fiainan’i Jesosy, zanak’olo-mpiray tam-po aminy! Azo antoka fa hanampy antsika hahatakatra kokoa ny Tenin’Andriamanitra, ny zavatra tantarain’ireny vavolombelona mahatoky ireny. Hahazo “fitsanganana tsara kokoa” ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky, tafiditra amin’izany ireo anisan’ny vahoaka be maty mandritra ny andro farany. Teo amin’ny tontolo fehezin’i Satana mantsy izy ireo no nanompo an’i Jehovah taloha. Ao amin’ny tontolo vaovao kosa izy ireo no hanompo azy rehefa hatsangana. Ho fifaliana tokoa izany!—Heb. 11:35; 1 Jaona 5:19.

16. Araka ny faminaniana, hanao ahoana ny fizotran’ny Andro Fitsarana?

16 Hisy horonam-boky maromaro hosokafana amin’ny Andro Fitsarana. Ireo horonam-boky ireo sy ny Baiboly no hitsarana ny olona rehetra. Izay manaraka ny voalaza ao amin’izy ireo no mendrika hahazo fiainana mandrakizay. (Vakio ny Apokalypsy 20:12, 13.) Hoporofoin’ny tsirairay raha hanaiky ny zon’i Jehovah hitondra izy na tsia. Hanam-potoana tsara hanaovana izany izy alohan’ny hifaranan’ny Andro Fitsarana. Hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ve izy, ary hanaiky hotarihin’ny Zanak’ondry ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina”? Sa kosa izy hanohitra an’ilay Fanjakana? (Apok. 7:17; Isaia 65:20) Ho afaka hanapa-kevitra tsara ny tsirairay, satria efa lavorary sady tsy ho eo intsony ity tontolo ratsy ity. Tsy hisy afaka hilaza intsony amin’izay hoe tsy rariny ny fitsarana farany ataon’i Jehovah. Izay ratsy fanahy ihany no haringana mandrakizay.—Apok. 20:14, 15.

17, 18. Inona no andrandrain’ny voahosotra sy ny ondry hafa, amin’ny Andro Fitsarana?

17 Manantena hanjaka mandritra ny Andro Fitsarana ireo voahosotra ankehitriny, izay mendrika hahazo an’ilay Fanjakana. Voninahitra lehibe izany! Ampiharin’izy ireo àry ny torohevitr’i Petera ho an’ny Kristianina voalohany, manao hoe: ‘Ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Raha manao ireo zavatra ireo foana ianareo, dia tsy ho lavo na oviana na oviana. Toy izany, raha ny marina, no hamelana anareo hiditra amim-boninahitra ao amin’ilay fanjakana mandrakizay, dia ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.’—2 Pet. 1:10, 11.

18 Miara-mifaly amin’ny voahosotra koa ny ondry hafa, ary tapa-kevitra ny hanampy azy ireo. Naman’Andriamanitra izy ireo, ary manao araka izay fara heriny amin’ny fanompoana. Hekeny amin’ny fony manontolo ny fandaharan’Andriamanitra rehetra mandritra ny Andro Fitsarana. Hitarika azy ireo ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina koa i Jesosy. Ho mendrika ny hanompo an’i Jehovah eto an-tany mandrakizay izy ireo, amin’ny farany!—Rom. 8:20, 21; Apok. 21:1-7.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no fananan’i Jesosy?

• Ahoana no anampian’ny vahoaka be an’ireo voahosotra?

• Inona avy no tombontsoa miavaka sy fanantenan’ny vahoaka be?

• Inona no andrandrainao amin’ny Andro Fitsarana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny vahoaka be

[Sary, pejy 27]

Inona no tianao hanontaniana an’ireo olo-mahatoky hatsangana amin’ny maty?