Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana

Ny Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana

Ny Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana

ITY gazety vakinao ity no laharana voalohany amin’ny Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana. Tianay ny hanazava ny lafin-javatra sasany mampiavaka ity gazety amin’ny endriny vaovao ity.

Natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny mpianatra Baiboly efa mandroso ny Gazety Fianarana. Atonta indray mandeha isam-bolana ilay izy, ary ahitana lahatsoratra fianarana efatra na dimy. Hita eo amin’ny fonony ny daty handinihana ireo lahatsoratra ireo. Tsy hatolotra eny amin’ny fanompoana ilay Gazety Fianarana. Noho izany, dia hitovy foana ny sary eo amin’ny fonony, fa tsy hiovaova toy ny amin’ny Tilikambo Fiambenana Gazety ho An’ny Besinimaro.

Tena hanampy ny mpamaky ny pejy faha-2. Voafintina ao ny zava-kendren’ny lahatsoratra fianarana, izay tena hanampy ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, rehefa hanomana ny fiaraha-midinika an’ireo lahatsoratra izy, mba hahasoa ny mpanatrika. Hita ao koa ny lisitr’ireo lahatsoratra hafa.

Ho voamarikao fa fohy kokoa noho ny teo aloha ireo lahatsoratra fianarana. Ho betsaka kokoa àry ny fotoana handinihana ireo andinin-teny fototra, mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Tena ampirisihinay ianao mba hijery mialoha ny andinin-teny rehetra, isan-kerinandro. Misy hoe “vakio” alohan’ny sasany amin’izy ireny, ary tokony hovakina sy hiarahana midinika mandritra ilay fianarana. Ny hafa kosa azo vakina raha ampy ny fotoana. Indraindray dia misy hoe “ampitahao” alohan’ny andinin-teny. Tsy manohana mivantana ny hevi-dehibe ao amin’ny fehintsoratra izy ireny, ka matetika no tsy hovakina mandritra ilay fianarana. Mirakitra fanazavana fanampiny mahaliana anefa izy ireny, na manohana ny hevitra dinihina ihany na dia tsy mivantana aza. Ampirisihinay àry ianao mba hamaky azy ireny, rehefa manomana ilay fianarana. Mety ho afaka hiresaka momba azy ireny ianao, ao amin’ny valin-teninao.

Manomboka amin’ny 2008, dia tsy havoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana intsony ny tatitra isan-taona, fa ho ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana sy ny Diary. Misy lahatsoratra hafa koa ao amin’ny Gazety Fianarana, araka ny voalaza tetsy aloha. Ampirisihinay ianao mba hamaky tsara azy ireny, na dia tsy hodinihina any am-pivoriana aza ny maro aminy. Mirakitra sakafo ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” koa mantsy izy ireny.—Matio 24:45-47.

Farany, dia marihintsika fa samy Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah, na ny Gazety Fianarana na ny Gazety ho An’ny Besinimaro. Mitovy ihany ny fehintsoratra manazava ny zava-kendren’ny Tilikambo Fiambenana, eo amin’ny pejy faha-2 ao amin’izy ireo. Atambatra ho boky iray ihany izy ireo isan-taona, amin’ny fiteny sasany. Lahatsoratra avy amin’izy roa ireo koa no ho voaresaka ao amin’ilay hoe “Tadidinao Ve?”, ao amin’ny Gazety Fianarana.

Na teo aza ny ady sy ny fahasahiranana ara-bola ary ny fanenjehana, dia mbola tsy nitsahatra nanambara ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1879. Mivavaka izahay mba hotahin’i Jehovah izy io, ka hanao izany asany izany hatrany. Angatahinay amin’i Jehovah koa ny mba hitahiany anao mpamaky, rehefa mampiasa tsara an’ilay Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana ianao.