Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tandremo Tsara Hatrany Ilay Fanompoana Noraisinao tao Amin’ny Tompo’

‘Tandremo Tsara Hatrany Ilay Fanompoana Noraisinao tao Amin’ny Tompo’

‘Tandremo Tsara Hatrany Ilay Fanompoana Noraisinao tao Amin’ny Tompo’

‘Tandremo tsara hatrany ilay fanompoana noraisinao tao amin’ny Tompo mba hotanterahinao.’—KOL. 4:17.

1, 2. Inona no adidin’ny Kristianina amin’ny mpiara-belona aminy?

MANANA adidy lehibe amin’ny mpiara-belona amintsika isika. Miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo dieny izao no hahavoavonjy ny ainy na hahafaty azy, amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:14) Hoy ny mpanoratra ny Ohabolana: “Vonjeo izay entina hovonoina, ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!” Manaitra tokoa izany teny izany! Mety hivesatra trosan-dra isika raha tsy manefa ny adidintsika, dia ny hampahafantatra amin’ny olona ny safidy tsy maintsy ataony. Izao no tohin’ilay andininy: “Raha hoy hianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.” Mazava àry fa tsy afaka milaza ny mpanompon’i Jehovah hoe “tsy mahalala” ny loza hihatra amin’ny olona izy.—Ohab. 24:11, 12.

2 Sarobidy amin’i Jehovah ny aina. Mampirisika ny mpanompony àry izy hanao araka izay fara heriny, mba hamonjena olona betsaka araka izay azo atao. Tsy maintsy mampahafantatra an’ilay hafatra mamonjy aina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpanompony rehetra. Mandefa fanairana ny mpiambina raha vao mahita loza mananontanona. Toy izany koa ny asantsika. Tsy tiantsika ny ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny olona. (Ezek. 33:1-7) Noho izany, dia mila miezaka foana isika ‘hitory ny teny’!—Vakio ny 2 Timoty 4:1, 2, 5.

3. Inona avy no hodinihina ato, sy ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka?

3 Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fomba handresenao ny olana izay misakana anao tsy hanao ilay fanompoana mamonjy aina. Horesahina ato koa ny fomba hahafahanao manampy olona maro kokoa. Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hahaizana mampianatra ny fahamarinana. Hiresaka momba ny vokatra mampahery azon’ny mpitory eran-tany kosa ny lahatsoratra fahatelo. Tsara anefa aloha raha tsiahivintsika kely hoe nahoana no fotoan-tsarotra ilana hanaovan-javatra izao iainantsika izao.

Nahoana ny olona maro no tsy manana fanantenana?

4, 5. Inona no manjo ny olombelona? Inona no vokatr’izany eo amin’ny olona maro?

4 Porofoin’ny zava-mitranga eran-tany fa miaina ao anatin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika, ary efa tena akaiky ny farany. Efa iainantsika ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy ny mpianany fa hampiavaka ny “andro farany.” Miaritra “fahoriana, toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka” ny olombelona. Anisan’izany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary loza hafa. Maro no mandika lalàna sy tia tena ary tsy matahotra an’Andriamanitra. “Fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, na dia ho an’ireo miezaka manaraka ny fitsipiky ny Baiboly aza.—Matio 24:3, 6-8, 12; 2 Tim. 3:1-5.

5 Tsy mahafantatra ny tena dikan’ny zava-mitranga eran-tany anefa ny ankamaroan’ny olona. Maro àry no manahy ny amin’ny loza mety hanjo azy sy ny fianakaviany. Maro koa no vonton’alahelo, satria maty havana na niharam-boina. Tsy manana fanantenana izy ireo, satria tsy mahalala ny tena anton’ny zava-mitranga sy izay ahitana ny vahaolana.—Efes. 2:12.

6. Nahoana no tsy mahavita manampy ny olona ao aminy i “Babylona Lehibe”?

6 Tsy mitondra fampiononana firy ho an’ny olona i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso eran-tany. Noho ny “divain’ny fijangajangany”, dia vao mainka aza izy mampisafotofoto ny olona tsy hahalala ny fahamarinana. Manangoly ny olona sy manao izay hifehezana azy ny mpivaro-tena. Izany koa no ataon’ny fivavahan-diso amin’ny “mpanjakan’ny tany.” Mampiely fampianaran-diso izy, sady mampirisika ny olona hifandray amin’ny fanahy ratsy, mba haneken’izy ireo an-jambany ny mpitondra. Noho izany, dia nahazo vahana sy nitombo fahefana ny fivavahan-diso, ary niala tanteraka tamin’ny fampianarana marina.—Apok. 17:1, 2, 5; 18:23.

7. Inona no miandry ny ankamaroan’ny olombelona? Inona anefa no azo atao mba hanampiana ny olona sasany?

7 Nilaza i Jesosy fa mandeha eo amin’ilay lalana lehibe mankany amin’ny fandringanana ny ankamaroan’ny olona. (Matio 7:13, 14) Eo amin’io lalana io ny sasany, satria nifidy ny tsy hanaraka ny fampianaran’ny Baiboly. Maro koa anefa no eo amin’izy io satria voafitaka, na tsy nampahafantarina azy hoe inona marina no takin’i Jehovah aminy. Mety hiova ny sasany amin’izy ireo, raha aseho aminy mazava tsara avy ao amin’ny Baiboly hoe nahoana izy no tokony hiova. Tsy ho voavonjy kosa anefa izay tsy mety miala ao amin’i Babylona Lehibe sy tsy mety manaraka ny fitsipiky ny Baiboly, rehefa tonga ny “fahoriana lehibe.”—Apok. 7:14.

Aza ‘mitsahatra’ mitory

8, 9. Ahoana no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa tojo fanoherana? Nahoana?

8 Nilaza i Jesosy fa hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra ny mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Nihevitra foana àry ny tena Kristianina hatramin’izay fa fomba ampisehoana tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny fitoriana. Raisin’izy ireo ho toy ny fepetra lehibe takina amin’ny olona manam-pinoana koa izy io. Izany no nahatonga ny mpianatr’i Jesosy voalohany tsy hitsahatra hitory, na teo aza ny fanoherana. Niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo mba hahazoana hery. Nivavaka izy ireo mba hampiany, ka ho afaka ‘hitory ny teniny amim-pahasahiana’ foana. Nomen’i Jehovah fanahy masina àry izy ireo, ka nitory ny teniny tamim-pahasahiana.—Asa. 4:18, 29, 31.

9 Ahoana kosa rehefa nampiasa herisetra ny mpanohitra? Nitsahatra tsy nitory ve ny mpanara-dia an’i Jesosy? Tsy izany mihitsy. Nampahatezitra ny mpitondra fivavahana jiosy ny fitorian’ny apostoly, ka nosamboriny izy ireo, norahonany, ary nokaravasiny. “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i [Jesosy] Kristy” anefa izy ireo. Fantany tsara fa ‘Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoaviny satria izy no mpitondra azy.’—Asa. 5:28, 29, 40-42.

10. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny Kristianina ankehitriny? Inona anefa no mety ho vokatry ny fitondran-tena tsaran’izy ireo?

10 Tsy kapohina na gadraina noho ny fitoriany ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Samy miatrika zava-tsarotra anefa ny tena Kristianina. Mety tsy ho tian’ny olona ianao, ohatra, na hiavaka amin’ny besinimaro, noho ianao manaraka ny feon’ny fieritreretanao voataizan’ny Baiboly, ka mitondra tena tsara. Mety hihevitra ny mpiara-miasa, na ny mpiara-mianatra, na ny mpiray tanàna aminao, fa hafahafa ianao satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra. Aza atao mahakivy anefa izany. Ao anatin’ny haizina ara-panahy ity tontolo ity, fa ny Kristianina kosa tsy maintsy “mamirapiratra” satria “mpanazava.” (Fil. 2:15) Mety hahita ny zavatra tsara ataonao ny olona tso-po sasany ary hankasitraka izany, ka hanome voninahitra an’i Jehovah.—Vakio ny Matio 5:16.

11. a) Ahoana no mety hataon’ny olona sasany, rehefa mahita antsika mitory izy? b) Inona no nanjo ny apostoly Paoly, ary ahoana no niatrehany izany fanoherana izany?

11 Mila herim-po isika mba hitoriana foana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mety hisy haneso antsika mantsy, na hanao zavatra hafa hanakiviana antsika. Mety ho havana mihitsy aza no manao izany. (Matio 10:36) Imbetsaka ny apostoly Paoly no nokapohina, noho izy nitory foana. Ahoana no nataony rehefa nisy fanoherana toy izany? Hoy izy: ‘Rehefa avy nijaly sy nalam-baraka izahay, dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.’ (1 Tes. 2:2) Azo antoka fa nila herim-po izy mba hitoriana hatrany ny vaovao tsara, rehefa avy nosamborina sy nalana akanjo, nokapohina tamin’ny hazo, ary naiditra am-ponja. (Asa. 16:19-24) Inona no nahatonga azy ho sahy hitory foana? Satria naniry mafy hanao ilay asa fitoriana nanirahan’Andriamanitra azy izy.—1 Kor. 9:16.

12, 13. Inona no olana atrehin’ny mpitory sasany? Inona no azon’izy ireo atao mba hiatrehana an’izany?

12 Mety ho sarotra koa ny hanana zotom-po hatrany, raha mahalana ny olona ao amin’ny faritanintsika vao mba tratra an-trano, na vitsy no mandray ny hafatra torintsika. Inona àry no azo atao? Mila misikina herim-po bebe kokoa angamba isika, ka hanao fitoriana tsy ara-potoana. Mila manova ny fotoana itoriantsika koa angamba isika, na miezaka mitory any amin’ny toerana ahitana olona maro kokoa.—Ampitahao amin’ny Jaona 4:7-15; Asa. 16:13; 17:17.

13 Miatrika olana hafa ny mpitory maro. Mandroso taona sy marary izy ireo, ka tsy afaka mitory firy intsony. Aza kivy raha izany no manjo anao. Mahafantatra tsara ny fetran’ny mety ho vitanao i Jehovah, ary mankasitraka izay azonao atao. (Vakio ny 2 Korintianina 8:12.) Na inona na inona olana atrehinao, na fanoherana izany, na ny tsy firaikan’ny olona, na tsy fahasalamana, dia ataovy fotsiny izay azonao atao mba hampielezana ny vaovao tsara.—Ohab. 3:27; ampitahao amin’ny Marka 12:41-44.

‘Tandremo tsara hatrany ny fanompoanao’

14. Inona no modely navelan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina? Inona no torohevitra nomeny?

14 Nanao tsara ny fanompoany foana ny apostoly Paoly, ary nampirisika ny mpiray finoana taminy hanao toy izany koa. (Asa. 20:20, 21; 1 Kor. 11:1) Nosinganiny sy nomeny torohevitra manokana i Arkipo, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina: “Mba ilazao koa i Arkipo hoe: ‘Tandremo tsara hatrany, hono, hoe, ilay fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hotanterahinao.’ ” (Kol. 4:17) Tsy fantatsika hoe iza i Arkipo na ny fiainany, nefa azo inoana fa nanaiky hanao fanompoana izy. Nanaiky hanao fanompoana koa ianao, raha Kristianina vita fanoloran-tena. Moa àry ve ianao mitandrina tsara hatrany an’io fanompoana io, mba hanatanterahanao azy?

15. Inona no takina amin’ny Kristianina efa nanolo-tena? Inona no fanontaniana aterak’izany?

15 Nanolo-tena ho an’i Jehovah tao amin’ny vavaka isika talohan’ny batisantsika. Midika izany fa tapa-kevitra ny hanao ny sitrapony isika. Tsara àry raha mieritreritra isika hoe: ‘Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ve no zava-dehibe indrindra amiko?’ Mety hanana andraikitra samihafa isika, toy ny famelomana ankohonana, ary takin’i Jehovah ny hanatanterahantsika izany. (1 Tim. 5:8) Anaovantsika inona anefa ny ampahany hafa amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika? Inona no ataontsika loha laharana?—Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.

16, 17. Inona no safidy mipetraka eo anoloan’ny tanora kristianina sy ireo tsy be andraikitra loatra?

16 Tanora kristianina vita fanoloran-tena ve ianao, ary efa tsy mianatra intsony na efa hahavita ny fianaranao any amin’ny lise? Mbola tsy manana andraikitra lehibe ara-pianakaviana angamba ianao. Inona àry no kasainao hatao eo amin’ny fiainanao? Nivoady tamin’i Jehovah ianao fa hanao ny sitrapony, ka inona no safidy tena hanampy anao hanefa ny voadinao? Tanora maro no nandamina ny fiainany mba ho mpisava lalana. Tena faly sy afa-po izy ireo noho izany.—Sal. 110:3; Mpit. 12:1.

17 Tanora efa lehibe angamba ianao. Miasa tontolo andro ve ianao, nefa tsy be andraikitra loatra, ankoatra ny fameloman-tena? Azo antoka fa mahafinaritra anao ny miara-miasa amin’ny fiangonana, araka izay fotoana anananao. Ho tianao ve anefa ny hahita fifaliana bebe kokoa? Efa nieritreritra ny hampitombo ny fanompoanao ve ianao? (Sal. 34:8; Ohab. 10:22) Mbola be ny asa mila atao any amin’ny faritany sasany, mba hahafantaran’ny olona rehetra any ny fahamarinana, izay ahazoana fiainana. Mety ho afaka hanao fanovana eo amin’ny fiainanao ve ianao, mba hanompoana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ohatra?—Vakio ny 1 Timoty 6:6-8.

18. Inona no fanovana nataon’ny mpivady tanora iray, ary inona no vokany?

18 Diniho ny nataon’i Kevin sy Elena, mpivady avy any Etazonia. * Nividy trano izy roa, satria izay no fanaon’ny tanora mpivady vao any amin’ny faritra misy azy. Samy niasa tontolo andro izy ireo, ka niadana tsara. Tsy nanam-potoana firy nanompoana anefa izy ireo, noho ny asany sy ny raharaha tao an-trano. Tsapany fa saika ny fotoanany sy ny heriny rehetra no natokany hikarakarana ny fananany. Voamarik’izy ireo fa nanana fiainana tsotra ny mpivady mpisava lalana iray, nefa sambatra. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hanova ny zavatra ataony loha laharana. Nivavaka tamin’i Jehovah aloha izy ireo, mba hahazoana tari-dalana. Namidiny ny tranony, ary nifindra tao amin’ny trano tsotra kokoa izy. Nampihena ny ora niasany i Elena, ary nirotsaka ho mpisava lalana. Nampahery an’i Kevin ny zavatra tsara hitan’ny vadiny teny amin’ny fanompoana, ka niala tamin’ny asany izy, ary nirotsaka ho mpisava lalana koa. Nifindra tany amin’ny tany iray any Amerika Atsimo izy ireo tatỳ aoriana, mba hanompo any amin’izay ilana mpitory maro. Hoy i Kevin: “Efa sambatra am-panambadiana foana izahay, kanefa vao mainka sambatra rehefa niezaka nanatratra tanjona teo amin’ny fanompoana.”—Vakio ny Matio 6:19-22.

19, 20. Ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra atao ankehitriny. Nahoana?

19 Ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra atao ankehitriny. (Apok. 14:6, 7) Anisan’ny manamasina ny anaran’i Jehovah mantsy izy io. (Matio 6:9) Manatsara ny fiainan’ny olona manaiky azy koa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. An’arivony maro isan-taona no manaiky azy io, ary mety hahazoany famonjena izany. Hoy anefa ny apostoly Paoly: “Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mitory?” (Rom. 10:14, 15) Marina tokoa izany! Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hanao izay rehetra azonao atao, mba hanatanterahana ny fanompoanao.

20 Misy fomba hafa koa azonao anampiana ny olona hahatakatra fa fotoan-tsarotra ilana hanaovan-javatra izao, ary zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisiny. Tsy inona izany fa ny fanatsarana ny fahaiza-mampianatra, izay hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Novana ireo anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no adidin’ny Kristianina amin’ny mpiara-belona aminy?

• Ahoana no hiatrehantsika ny olana misakana antsika tsy hitory?

• Ahoana no hanatanterahantsika ilay fanompoana nekentsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Mila herim-po hitoriana isika, rehefa tojo fanoherana

[Sary, pejy 7]

Inona no azonao atao, raha mahalana ny olona ao amin’ny faritaninao vao mba tratra an-trano?