Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’

Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’

Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’

‘Torio ny teny, mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra.’—2 TIM. 4:2.

1. Inona no didy nomen’i Jesosy ny mpianany, ary inona no modely nomeny?

NANAO fanasitranana mahagaga i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Mpampianatra anefa no tena nahalalana azy, fa tsy mpanasitrana na mpanao fahagagana. (Marka 12:19; 13:1) Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no asa lehibe indrindra nataony. Izany koa no tokony hataon’ny mpanara-dia azy. Nirahina hanohy ny asa fampianarana natombok’i Jesosy izy ireo. Anisan’izany ny fampianarana ny olona hitandrina izay rehetra nandidiany.—Matio 28:19, 20

2. Inona no tokony hataontsika mba hanatanterahana ny asa fitoriana?

2 Miezaka foana isika manatsara ny fahaizantsika mampianatra, mba hanatanterahana io asa nanirahana antsika io. Nanoratra ho an’i Timoty mpiara-mitory taminy ny apostoly Paoly, ary nanasongadina fa zava-dehibe ny fahaiza-mampianatra. Hoy izy: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Tim. 4:16) Tsy fampitana fahalalana fotsiny io fampianarana noresahin’i Paoly io. Mahay manohina ny fon’ny olona sy mandrisika azy hiova koa mantsy ny Kristianina mahita vokatra. Mitaky fahaizana izany. Ahoana àry no hahaizantsika ‘mampianatra’ ny hafa ny vaovao tsara?—2 Tim. 4:2.

Ny fomba hahaizana ‘mampianatra’

3, 4. a) Ahoana no hahaizantsika ‘mampianatra’? b) Ahoana no hanampian’ny Sekolin’ny Fanompoana antsika mba hahay hampianatra?

3 Milaza ny diksionera iray fa ny fahaizana dia azo avy amin’ny fianarana sy fampiharana ary fandinihana. Mila mitandrina tsara an’ireo lafin-javatra telo ireo isika, raha te hahay hampianatra ny vaovao tsara. Rehefa mianatra sy mivavaka ihany isika, vao ho afaka hahazo tsara ny zavatra hampianarintsika. (Vakio ny Salamo 119:27, 34.) Raha mandinika izay ataon’ny mpitory mahay isika, rehefa mampianatra izy ireo, dia ho haintsika ny fomba fampianarany ary hanahaka azy ireo isika. Hihatsara koa ny fahaizantsika, rehefa miezaka mafy hatrany isika mba hampihatra izay ianarantsika.—Lioka 6:40; 1 Tim. 4:13-15.

4 I Jehovah no Mpampianatra Lehibe Indrindra. Amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso no anoroany ny mpanompony eto an-tany ny fomba tokony hanatanterahany ny asa fitoriana. (Isaia 30:20, 21) Izany no antony anaovan’ny fiangonana rehetra ny Sekolin’ny Fanompoana isan-kerinandro. Natao hanampiana an’izay rehetra misoratra anarana, mba hahay hitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. Ny Baiboly no tena ianarana amin’ilay sekoly. Ny Tenin’i Jehovah no milaza amintsika izay tokony hampianarina. Voalaza ao koa ny fomba fampianatra mahomby sy mety. Mampahatsiahy antsika tsy tapaka ny Sekolin’ny Fanompoana, fa hahay hampianatra kokoa isika raha miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarantsika, mahay mametraka fanontaniana isika, mampiasa fomba fampianatra tsotra, ary tena miahy ny hafa. Hojerentsika tsirairay ireo hevitra ireo. Hodinihintsika avy eo ny fomba hanohinana ny fon’ny mpianatra Baiboly.

Ataovy miorina amin’ny Soratra Masina ny fampianaranao

5. Tokony hiorina amin’ny inona ny fampianarantsika, ary nahoana?

5 Nataon’i Jesosy niorina tamin’ny Soratra Masina ny fampianarany. (Matio 21:13; Jaona 6:45; 8:17) Tsy niteny araka ny nahim-pony fotsiny io mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany io, fa tamin’ny anaran’Ilay naniraka azy. (Jaona 7:16-18) Izany koa no tahafintsika. Tokony hiorina amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny zavatra lazaintsika, na mitory isan-trano isika, na mampianatra Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Tsy azo ampitahaina amin’ny herin’ny Soratra Masina sy ny vokatra entin’izy io mihitsy ny fahaizantsika mampisaintsaina. Manana fahefana izy io. Koa na inona na inona àry hevitra ezahintsika ampahafantarina ny mpianatra, dia ny fanasana azy hamaky izay lazain’ny Soratra Masina no fomba tsara indrindra anaovana izany.—Vakio ny Hebreo 4:12.

6. Inona no azon’ny mpampianatra atao mba ho azon’ny mpianatra tsara ny hevitra dinihina?

6 Tsy midika izany hoe tsy ilana fiomanana ny fampianarana Baiboly. Mifanohitra amin’izany aza, fa tokony hoeritreretina tsara hoe iza amin’ireo andinin-teny voatonona no hovakina avy ao amin’ny Baiboly, mandritra ilay fianarana. Tokony hovakina mazàna ireo andinin-teny fototry ny zavatra inoantsika. Ilaina koa ny manampy ilay mpianatra, mba hahazoany ny hevitry ny andinin-teny tsirairay vakiny.—1 Kor. 14:8, 9.

Mahaiza mametraka fanontaniana

7. Fomba fampianatra tena tsara ny fametrahana fanontaniana. Nahoana?

7 Raha mahay mametraka fanontaniana ilay mpampianatra, dia handrisika an’ilay mpianatra hieritreritra izany, ary hanohina ny fony. Aza manazava ireo andinin-teny àry, fa ilay mpianatrao kosa no asaivo manao izany. Mety hila hametraka fanontaniana iray na maromaro ianao, mba hitarihana azy hanatsoaka hevitra araka ny tokony ho izy. Manampy ilay mpianatra hahatakatra ny antony tokony hinoana ny zavatra iray ianao, rehefa manao izany. Tena ho resy lahatra koa izy fa marina ilay izy.—Matio 17:24-26; Lioka 10:36, 37.

8. Ahoana no ahalalantsika izay tena eritreretin’ny mpianatra iray?

8 Ny fanontaniana sy valiny no fomba fianarana ampiasaina ao amin’ny boky aman-gazetintsika. Azo antoka fa ho afaka hamaly haingana ny fanontaniana ao amin’izy ireny ny ankamaroan’ny olona ampianarinao, rehefa mijery ny fehintsoratra mifanitsy amin’ny fanontaniana izy. Tsy hianina amin’ny valiny marina fotsiny anefa ny mpampianatra te hanohina ny fon’ny olona. Mety hahay hanazava tsara izay lazain’ny Baiboly momba ny fijangajangana, ohatra, ny mpianatra iray. (1 Kor. 6:18) Afaka hamantatra izay tena eritreretiny momba izany anefa isika, raha mametraka fanontaniana tsy mahasadaikatra, mba hahalalana ny heviny. Azo atao, ohatra, ny manontany hoe: “Nahoana ny Baiboly no mandrara ny firaisan’ny olona tsy mpivady? Ahoana no fahitanao izany didin’Andriamanitra izany? Heverinao ve fa andraisan-tsoa ny fanarahana ny fitsipik’Andriamanitra?” Mety hampiharihary izay tena eritreretin’ilay mpianatra ny valin’ny fanontaniana toy izany.—Vakio ny Matio 16:13-17.

Ataovy tsotra ny fanazavanao

9. Inona no tokony hotadidintsika, rehefa mampita fanazavana ara-baiboly isika?

9 Azo lazaina hoe tsotra ny ankamaroan’ny fahamarinana raketin’ny Tenin’Andriamanitra. Mety hisafotofoto noho ny fampianaran’ny fivavahan-diso anefa ny hevitra ao an-tsain’ny olona ampianarintsika. Ny hahatonga ny Baiboly ho mora takatry ny olona àry no anjara asantsika mpampianatra. Mampita hevitra amin’ny fomba tsotra sy mazava ary marina tsara ny mpampianatra mahay. Ho sarotra ny hahatakatra ny fahamarinana, raha tsy manao toy izany isika. Aza miresaka tsipiriany tsy ilaina. Tsy voatery hohazavaina daholo ny hevitra ao amin’ny andinin-teny vakintsika. Mifantoha kosa amin’izay tena ilaina mba hampahazava ny hevitra dinihina. Ho azon’ilay mpianatra tsikelikely ihany ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly, rehefa mitombo ny fahalalany.—Heb. 5:13, 14.

10. Ahoana no hamaritana ny habetsahan’ny zavatra dinihina isaky ny fianarana?

10 Ahoana no hamaritana ny habetsahan’ny zavatra dinihina isaky ny fianarana? Ilana fahaiza-mandinika izany. Tsy hitovy mantsy ny fahaizana sy ny toe-javatra misy ny mpianatra sy ny mpampianatra. Tokony hotadidintsika mpampianatra anefa fa ny hanampy ny mpianatra hanana finoana matanjaka no tanjontsika. Omentsika fotoana ampy tsara àry izy, mba hamakiany sy hahatakarany ary hanekeny ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hampianatra zavatra mihoatra noho izay tokony ho takany isika. Tokony handroso koa anefa ilay fianarana. Rehefa azon’ny mpianatra ny hevitra iray, dia mifindra amin’ny hevitra hafa isika.—Kol. 2:6, 7.

11. Inona no ianarantsika momba ny fampianarana, avy amin’ny ohatry ny apostoly Paoly?

11 Tsotra ny fomba niresahan’ny apostoly Paoly ny vaovao tsara tamin’ny olona liana. Tsy nampiasa fiteny mipoapoaka izy, na dia avara-pianarana aza. (Vakio ny 1 Korintianina 2:1, 2.) Tsotra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka manintona sy mahafa-po ny olona tso-po. Tsy voatery ho avara-pianarana ny olona vao hahatakatra azy io.—Matio 11:25; Asa. 4:13; 1 Kor. 1:26, 27.

Ampio izy hihevitra ny zavatra ianarany ho sarobidy

12, 13. Inona no mety handrisika ny mpianatra iray hampihatra izay ianarany? Hazavao.

12 Tokony hanohina ny fon’ny mpianatra ny fampianarantsika, raha tiantsika hisy vokany eo aminy. Tokony ho takany fa mahakasika azy manokana ilay zavatra ianarany ary hahasoa azy. Tokony ho takany koa fa hihatsara ny fiainany, raha manaraka ny tari-dalan’ny Soratra Masina izy.—Isaia 48:17, 18.

13 Mety ho eo am-pandinihana ny Hebreo 10:24, 25 miaraka amin’ny mpianatra iray, ohatra, isika. Ampirisihina hiara-mivory amin’ny mpiray finoana aminy ny Kristianina ao, mba hahazoany fampaherezana ara-baiboly sy hiarahany amin’ny namana be fitiavana. Raha mbola tsy mivory ilay mpianatra, dia mety hofintinintsika aminy ny fomba itarihana ireo fivoriana sy izay resahina mandritra izany. Azontsika atao koa ny milaza aminy fa anisan’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny fivorian’ny fiangonana, ary mahasoa antsika izy ireny. Azontsika atao avy eo ny manasa azy hivory. Tsy ny faniriany hampifaly an’ilay mampianatra azy no tokony hanosika azy hankatò ny didy ao amin’ny Soratra Masina, fa ny faniriany hankatò an’i Jehovah.—Gal. 6:4, 5.

14, 15. a) Inona no azon’ny mpianatra Baiboly iray ianarana momba an’i Jehovah? b) Inona no ho vokany rehefa mahalala ny toetran’Andriamanitra ilay mpianatra?

14 Misy soa lehibe raisin’ny mpianatra, rehefa mianatra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy: Hanjary hahalala ny toetran’i Jehovah sy ho tia azy izy. (Isaia 42:8) Ray be fitiavana i Jehovah, ary Mpamorona sady Tompon’izao rehetra izao. Aharihariny amin’ireo tia sy manompo azy koa ny toetrany sy ny fahaizany. (Vakio ny Eksodosy 34:6, 7.) Rehefa nadiva hitarika ny Israely hivoaka avy tany Ejipta i Mosesy, dia i Jehovah mihitsy no nampahafantatra ny tenany, ka nilaza hoe: “Izaho, Izay Izy Hatrizay Hatrizay ka ho Mandrakizay”, na “hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko”, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. (Eks. 3:13-15) Milaza izany fa afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina izy mba hanatanterahany ny fikasany momba ny vahoaka voafidiny. Ary izany tokoa no nitranga. Nanjary fantatry ny Israelita àry fa Mpamonjy sy Mpiady ary Mpanatanteraka fikasana i Jehovah. Nanome izay nilain’izy ireo koa izy, ary nanao zavatra hafa ho azy.—Eks. 15:2, 3; 16:2-5; Josoa 23:14.

15 Nampian’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga i Mosesy. Mety ho tsy nandia zavatra mitovy amin’izany ny olona ampianarintsika. Azo antoka anefa fa rehefa mitombo ny finoany sy ny fankasitrahany ny zavatra ianarany, ka manomboka mampihatra izany izy, dia ho hitany fa mila mitoky amin’i Jehovah izy mba hahazoany herim-po sy fahendrena ary tari-dalana. Ho fantany koa amin’izay, fa Mpiaro sady Mpanolo-tsaina hendry sy mendri-pitokisana i Jehovah, ary tena malala-tanana ka manome izay ilainy.—Sal. 55:22; 63:7; Ohab. 3:5, 6.

Manehoa fitiavana sy fiahiana

16. Afaka mahita vokatra tsara isika, na dia tsy manavanana antsika aza ny mampianatra. Nahoana?

16 Mety hihevitra angamba ianao fa tsy mahay mampianatra araka ny itiavanao azy. Aza kivy anefa. I Jehovah sy Jesosy mihitsy no manara-maso ny fandaharam-pampianarana atao maneran-tany. (Asa. 1:7, 8; Apok. 14:6) Afaka manohana ny ezaka ataontsika izy ireo, mba hisy vokany tsara eo amin’ny olona tso-po ny zavatra lazaintsika. (Jaona 6:44) Mety tsy hanavanana anao loatra ny mampianatra, nefa afaka manonitra an’izany ny fitiavanao lalina an’ilay mpianatra. Takatry ny apostoly Paoly tsara fa zava-dehibe ny fitiavana ny olona ampianarina.—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.

17. Ahoana no anehoantsika fiahiana lalina ny mpianatra tsirairay?

17 Afaka maneho fiahiana lalina toa an’i Paoly isika, ka hanokana fotoana mba hahafantarana tsara ny mpianatra tsirairay. Azo inoana fa hanjary hahafantatra ny toe-javatra misy azy ireny isika, rehefa miara-mandinika ny toro lalan’ny Soratra Masina aminy. Mety ho hitantsika fa efa mampihatra ny zavatra sasany nianarany tao amin’ny Baiboly izy. Mety ho mbola mila manao fanitsiana anefa izy amin’ny lafin-javatra hafa. Raha ataontsika izay hahitany fa mahakasika azy manokana ny zavatra dinihina mandritra ny fianarana, dia ho afaka hanampy azy amim-pitiavana mba ho lasa tena mpianatr’i Kristy isika.

18. Nahoana no tena ilaina ny miara-mivavaka amin’ny olona ampianarintsika sy mivavaka ho azy?

18 Ny zava-dehibe indrindra azontsika atao anefa, dia ny miara-mivavaka amin’ilay olona ampianarintsika sy ny mivavaka ho azy. Tokony hazava aminy fa ny tanjontsika dia ny hanampy azy hahafantatra tsara kokoa ny Mpamorona sy ho akaiky kokoa azy ary handray soa amin’ny tari-dalany. (Vakio ny Salamo 25:4, 5.) Mila mampihatra izay ianarany ilay mpianatra. Rehefa mivavaka isika mba hitahian’i Jehovah ny ezaka ataony amin’izany, dia ho hitany fa zava-dehibe ny ‘mankatò ny teny.’ (Jak. 1:22) Mianatra ny fomba fivavaka koa ilay mpianatra, rehefa mihaino ny vavaka vokatry ny fo ataontsika. Tena faly isika manampy ny olona ampianarintsika hifandray amin’i Jehovah!

19. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mampahery ny mahafantatra fa Vavolombelona maherin’ny enina tapitrisa sy sasany eran-tany no miezaka mafy hahay ‘hampianatra’, mba hanampiana ny olona tso-po hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy. Inona avy no vokatra azo avy amin’ny fitoriantsika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’izany.

Tadidinao ve?

• Nahoana ny Kristianina no mila miezaka hahay ‘hampianatra’?

• Ahoana no ahazoantsika vokatra tsara kokoa rehefa mampianatra?

• Raha tsy manavanana antsika ny mampianatra, inona no afaka manonitra izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Efa nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ve ianao?

[Sary, pejy 10]

Nahoana no tena ilaina ny manasa ny mpianatra hamaky ny andininy avy ao amin’ny Baiboly?

[Sary, pejy 12]

Miaraha mivavaka amin’ilay mpianatra, ary mivavaha ho azy