Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hanatsara ny Fiainanao ve Ianao?

Te Hanatsara ny Fiainanao ve Ianao?

Te Hanatsara ny Fiainanao ve Ianao?

NIASA tapa-potoana tao amin’ny orinasa mpanamboatra fitaovana elektronika fampiasa amin’ny sambon-danitra i Marc, mpisava lalana any Kanada. Notoloran’ny lehibeny asa be karama kokoa izy. Tsy maintsy niasa manontolo andro anefa izy raha nanao izany. Inona no nataony?

Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Amy, anabavy any Philippines, teo am-pamitana ny fianarany. Nisy nanome asa azy rehefa vita ny fianarany. Be karama ilay izy saingy nandany fotoana be, satria asa manontolo andro. Inona no nataony?

Tsy nitovy ny fanapahan-kevitra noraisin’i Marc sy Amy. Hita tamin’ny vokatry ny safidin’izy ireo fa fahendrena ny manaraka ity tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Korinto ity: ‘Aoka izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy.’—1 Kor. 7:29-31.

Mampiasa izao tontolo izao, nefa tsy revo tanteraka aminy

Andeha aloha isika handinika kely ny dikan’ilay teny hoe “izao tontolo izao” (koʹsmos amin’ny teny grika), alohan’ny hijerentsika izay nitranga tamin’i Marc sy Amy. Manondro ny tontolo misy antsika izy io eo amin’io andininy io. Anisan’izany ireo zavatra mahazatra isan’andro, toy ny trano sy sakafo ary fitafiana. Tena ilaina ireo, ka tsy maintsy miasa ny ankamaroantsika mba hahazoana azy. Tsy maintsy mampiasa an’izao tontolo izao àry isika, mba hameloman-tena sy hanomezana izay ilain’ny ankohonantsika, araka ilay didy ao amin’ny Soratra Masina. (1 Tim. 5:8) Tsy tokony hohadinointsika koa anefa fa “mandalo izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:17) Mampiasa an’izao tontolo izao araka izay ilantsika azy àry isika, saingy “tsy revo tanteraka aminy.”—1 Kor. 7:31.

Manoro hevitra antsika io andininy io mba hametra, araka izay azo atao, ny fampiasantsika an’izao tontolo izao. Rahalahy sy anabavy maro no nankatò izany, ka nandinika ny toe-javatra nisy azy sy nampihena ny fotoana niasany ary nanatsotra ny fiainany. Hitan’izy ireo taorian’izay, fa tena nihatsara ny fiainany, satria nanam-potoana kokoa ho an’ny fianakaviany sy ny fanompoana an’i Jehovah izy. Hitany koa fa lasa niantehitra kokoa tamin’i Jehovah izy fa tsy tamin’izao tontolo izao, rehefa nanatsotra ny fiainany. Ary ianao? Afaka manatsotra ny fiainanao ve ianao, mba hananana fotoana betsaka kokoa hanaovan-javatra mampifaly an’i Jehovah?—Matio 6:19-24, 33.

“Tena lasa akaiky an’i Jehovah izahay”

Nankatò ilay torohevitry ny Baiboly mba tsy ho revo tanteraka amin’ny fampiasana an’izao tontolo izao i Marc, ilay voaresaka tetsy aloha. Nolaviny ilay asa be karama natolotra azy. Nandresy lahatra azy hanao ilay asa anefa ny lehibeny, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ka notambazany karama betsaka kokoa izy. Hoy i Marc: “Tena fakam-panahy ilay izy. Nanda anefa aho.” Nanazava izy hoe: “Te hanokana ny fiainanay hanompoana an’i Jehovah, araka izay fara herinay, izahay sy Paula vadiko. Tapa-kevitra hanatsotra ny fiainanay àry izahay. Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah izahay mba hahatratraranay ny tanjonay. Nofaritanay ny daty nirinay hanombohana hanitatra ny fanompoanay.”

Hoy i Paula: “Sekretera tao amin’ny hopitaly iray aho, ary intelo isan-kerinandro no niasa. Tsara ny karamako, ary mpisava lalana aho. Naniry hanompo an’i Jehovah any amin’izay ilana mpitory betsaka kokoa anefa aho, toa an’i Marc. Nametra-pialana àry aho. Nilaza anefa ny lehibeko fa hataony lehiben’ny sekretera aho, satria nitady mpiasa hanao izany izy. Tena be karama io asa io, nefa tsy niova hevitra aho. Nolazaiko tamin’ilay lehibeko ny antony tsy hanaovako ilay asa, ka noderainy aho noho ny finoako.”

Voatendry ho mpisava lalana manokana tany amin’ny fiangonana kely iray, any amin’ny faritany mitokana any Kanada i Marc sy Paula, tsy ela taorian’izay. Inona no vokatry ny fifindrany tany? Hoy i Marc: “Natahotra aho rehefa niala tamin’ilay asa tsara karama. Efa an-taonany maro mantsy no nanaovako azy io. Nitahy ny fanompoanay anefa i Jehovah. Dibo-kafaliana izahay afaka nanampy olona hanompo an’Andriamanitra. Nanamafy ny fatoram-panambadianay koa ny fanompoana manontolo andro. Zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana mantsy no resahinay. Tena lasa akaiky an’i Jehovah izahay.” (Asa. 20:35) Hoy koa i Paula: “Tsy maintsy mitoky tanteraka amin’i Jehovah ianao, rehefa miala amin’ny asanao sy mandao ireo zavatra nampiadana anao tao an-trano. Izany no nataonay, ary nitahy anay i Jehovah. Nataon’ireo anadahy sy rahavavy malalanay izay ahatsapanay fa tiana sy ilaina izahay, tao amin’ilay fiangonana vaovao. Ampiasaiko hanampiana ny olona hahafantatra an’Andriamanitra izao ny hery nampiasaiko tamin’ny asako taloha. Tena faly aho manao ny asan’ny mpisava lalana manokana.”

‘Nanana ny ampy, nefa tsy sambatra’

Hafa kosa ny safidy nataon’i Amy, ilay noresahintsika terỳ aloha. Nekeny ilay asa be karama natolotra azy. Hoy i Amy: “Mbola nazoto nanompo aho ny herintaona voalohany. Hitako anefa fa niova tsikelikely ny zavatra nokatsahiko. Tsy nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony aho, fa variana nikatsaka toerana ambony. Notolorana asa ambony kokoa foana aho, ka nanomboka nampiasa ny heriko manontolo mba hanatratrarana izany. Nihena ny fotoana nanompoako, arakaraka ny nitomboan’ny andraikitro tamin’ny asako. Tsy nitory intsony aho tamin’ny farany.”

Nieritreritra an’ireny fotoana ireny i Amy, ka nilaza hoe: “Nanana ny ampy aho, nitety toerana maro, ary nahazo voninahitra noho ny asako. Tsy sambatra anefa aho. Nanana olana maro aho na dia be vola aza. Nanontany tena aho hoe: ‘Inona no tsy mety?’ Takatro tamin’ny farany fa efa saika ‘voavily niala tamin’ny finoana’ aho, noho ny fikatsahako fisondrotana teto amin’ity tontolo ity. Nianjadian’ny ‘zavatra maro nampanaintaina’ aho vokatr’izany, araka ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy.”—1 Tim. 6:10.

Inona no nataon’i Amy? Hoy izy: “Nitady ny fanampian’ny anti-panahy aho, mba hahafahako hifandray tsara amin’Andriamanitra indray. Nanomboka nivory aho. Nitomany aho nandritra ny hira iray, tany am-pivoriana. Tsaroako fa tena sambatra aho nandritra ireo dimy taona nanaovako ny asan’ny mpisava lalana. Tsy nanam-bola firy aho tamin’izany, nefa afaka nitory. Fantatro fa tsy tokony handany andro amin’ny fikatsahana vola intsony aho, fa hanao loha laharana an’ilay Fanjakana. Nangataka asa ambany kokoa aho, na dia ny antsasaky ny karamako taloha aza no horaisiko. Niverina nitory indray aho.” Miramirana erỳ i Amy nilaza hoe: “Faly aho fa afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana indray, taona vitsivitsy izay. Mahatsiaro ho afa-po aho izao. Tsy nahatsapa izany mihitsy aho, tamin’izaho variana niasa ho an’izao tontolo izao.”

Misy fanovana azonao atao ve mba hanatsorana ny fiainanao? Hihatsara koa ny fiainanao, raha ampitomboinao ny fotoana atokanao hanaovan-javatra mampifaly an’i Jehovah.—Ohab. 10:22.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Misy fanovana azonao atao ve mba hanatsorana ny fiainanao?

[Efajoro/Sary, pejy 19]

‘Tena ankafiziko ilay izy!’

Anti-panahy any Etazonia i David. Naniry hanompo manontolo andro toa an’ireo vady aman-janany izy. Afaka nahazo asa tapa-potoana tao amin’ilay orinasa niasany izy, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Nanatsara ny fiainany ve izany? Izao no nosoratany tamin’ny namany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana: “Tsy misy zavatra mahafa-po ahy noho ny hoe revo tanteraka amin’ny fanompoana an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviako. Nihevitra aho fa ho elaela vao ho zatra amin’ny asan’ny mpisava lalana. Efa tena ankafiziko anefa ilay izy izao! Mamelombelona tokoa izy io.”

[Sary, pejy 18]

Marc sy Paula, eny amin’ny fanompoana