Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy eo Anatrehanao Mandrakariva i Jehovah

Ataovy eo Anatrehanao Mandrakariva i Jehovah

Ataovy eo Anatrehanao Mandrakariva i Jehovah

“Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah.”—SAL. 16:8.

1. Afaka manampy antsika hanao inona ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly?

MISY tantara tena mahavariana momba ny fomba nitondran’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ao amin’ny Teniny. Maro amin’ny olona resahina ao no nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasany. Tsy natao hahafinaritra fotsiny anefa ny fitantarana ny zavatra nataon’izy ireo sy nolazainy. Afaka manampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra izy ireny.—Jak. 4:8.

2, 3. Inona no dikan’ireo teny ao amin’ny Salamo 16:8?

2 Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ireo olona fantatra tsara ao amin’ny Baiboly isika rehetra. Anisan’izany i Abrahama, Saraha, Mosesy, Rota, Davida, Estera, ny apostoly Paoly, sy ny hafa koa. Mahasoa antsika koa anefa ny tantaran’ireo olona tsy dia nisongadina firy. Raha misaintsaina ny tantara ao amin’ny Baiboly isika, dia afaka hampihatra ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.” (Sal. 16:8) Inona no dikan’izany?

3 Matetika no tsy voaro ny ilany havanan’ny miaramila, satria ny tanany havia no nitana ampinga. Voaro kosa anefa izy, raha nisy namany teo ankavanany. Toy izany koa fa hiaro antsika i Jehovah, raha mitadidy azy foana isika sady manao ny sitrapony. Hojerentsika àry izao hoe nahoana ny fandinihana ny tantara ao amin’ny Baiboly no manatanjaka ny finoantsika. Hanampy antsika mantsy izany mba ‘hanao an’i Jehovah eo anatrehantsika mandrakariva.’

Mamaly vavaka i Jehovah

4. Milazà ohatra avy ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa mamaly vavaka Andriamanitra.

4 Hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, raha ataontsika eo anatrehantsika mandrakariva izy. (Sal. 65:2; 66:19) Manaporofo izany ny tantaran’ilay zokiolona indrindra tamin’ny mpanompon’i Abrahama. I Eliezera angamba izy io. Nirahin’i Abrahama nankany Mezopotamia izy, mba hitady vehivavy matahotra an’Andriamanitra, ho vadin’i Isaka. Nangataka tari-dalana tamin’Andriamanitra i Eliezera, ary nino izy fa valim-bavaka ny nahatongavan’i Rebeka hanome rano ny ramevany. Nahita ilay vehivavy izay ho vady malalan’i Isaka àry izy, noho izy nivavaka. (Gen. 24:12-14, 67) Marina fa maningana ny zavatra nampanaovina azy. Tena tokony hatoky toa azy koa anefa isika, fa mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah.

5. Inona no manaporofo fa tena misy vokany na dia ny vavaka fohy sy mangina aza?

5 Mila mivavaka haingana isika indraindray, mba hahazoana fanampiana amin’Andriamanitra. Voamarik’i Artaksersesy mpanjaka persianina, indray mandeha, fa maloka endrika i Nehemia, mpandroso divay. Nanontany azy izy hoe: “Inona ary no angatahinao?” “Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra” avy hatrany i Nehemia. Tsy afaka nivalampatra izy tamin’io vavaka mangina io. Namaly an’ilay vavaka anefa Andriamanitra, satria nanampy azy hanorina ny mandan’i Jerosalema ny mpanjaka. (Vakio ny Nehemia 2:1-8.) Misy vokany tokoa na dia ny vavaka fohy sy mangina aza.

6, 7. a) Inona no modely navelan’i Epafra momba ny vavaka? b) Nahoana isika no tokony hivavaka ho an’ny hafa?

6 Ampirisihina ‘hifampivavaka’ isika, na dia tsy hitantsika avy hatrany aza indraindray ny valiny. (Jak. 5:16) Nivavaka tamin-kafanam-po ho an’ny mpiray finoana taminy i Epafra, “mpanompo mahatokin’i Kristy.” Avy any Roma i Paoly no nanoratra hoe: “Mampamangy, hono, ianareo [any Kolosia], hoy i Epafra, izay avy tany aminareo, ary mpanompon’i Kristy Jesosy. Mikely aina mandrakariva izy mivavaka ho anareo, mba hitoetra ho olon-dehibe ianareo amin’ny farany sady hatoky tanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra. Mijoro ho vavolombelony aho fa nanao ezaka lehibe tokoa izy, ho anareo sy ho an’ireo any Laodikia ary ireo any Hierapolia.”—Kol. 1:7; 4:12, 13.

7 Faritany iray ihany tao Azia Minora no nisy an’i Kolosia sy Laodikia ary Hierapolia. Mpivavaka tamin’ilay andriamanibavy atao hoe Cybèle ny mpiara-monina tamin’ny Kristianina tao Hierapolia. Voahodidina olona matimatin-karena ireo tao Laodikia. Ny tao Kolosia indray, nisy nitaona hanaraka filozofian’olombelona. (Kol. 2:8) Tsy mahagaga raha ‘nikely aina nivavaka’ ho an’ny mpino tao amin’io tanàna io i Epafra, izay avy ao koa! Tsy lazain’ny Baiboly ny valim-bavaka azony, nefa nivavaka ho an’ny mpiray finoana taminy foana izy. Tokony hanahaka azy isika. Marina fa tsy ‘mitsabaka amin’ny raharahan’olona’ isika, nefa mety ho fantatsika fa misy havana na namana miatrika fitsapam-pinoana lehibe. (1 Pet. 4:15) Tena tsara raha tsy manadino azy isika, rehefa mivavaka samirery! Nanampy an’i Paoly ny fitalahoan’ny hafa ho azy, ary afaka mitondra soa betsaka koa ny vavaka ataontsika.—2 Kor. 1:10, 11.

8. a) Ahoana no ahafantarantsika fa zava-dehibe tamin’ireo anti-panahy avy any Efesosy ny vavaka? b) Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny vavaka?

8 Tia mivavaka ve no fahitan’ny hafa antsika? Rehefa avy nihaona tamin’ny anti-panahy avy any Efesosy i Paoly, dia “nandohalika niaraka tamin’izy rehetra ary nivavaka.” ‘Nitomany mafy izy rehetra’ avy eo, “ary namihina ny vozon’i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana, satria nalahelo mafy izy ireo noho ny teniny hoe tsy hahita ny tavany intsony ireo.” (Asa. 20:36-38) Tsy misy fantatsika ny anaran’ireo anti-panahy ireo, nefa miharihary fa zava-dehibe taminy ny vavaka. Tokony ho tombontsoa sarobidy amintsika àry ny vavaka. Mila mino koa isika fa hahazo valiny avy amin’ilay Raintsika any an-danitra, rehefa ‘manandra-tanana’ hivavaka.—1 Tim. 2:8.

Mankatoava tanteraka an’Andriamanitra

9, 10. a) Inona no modely navelan’ny zanakavavin’i Zelofada? b) Inona no tokony hataon’ny Kristianina mpitovo, raha mankatò toy ny zanak’i Zelofada izy?

9 Hanampy antsika hankatò an’Andriamanitra ny fitadidiana azy foana, ary hahazo fitahiana isika rehefa mankatò. (Deot. 28:13; 1 Sam. 15:22) Mila vonona hankatò àry isika. Diniho ny toe-tsain’izy dimy mirahavavy zanak’i Zelofada, tamin’ny andron’i Mosesy. Ny zanakalahy no nandova ny rainy, teo amin’ny Israelita. Tsy nanan-janakalahy anefa i Zelofada, ka izy dimy mirahavavy no nasain’i Jehovah nandova azy. Tsy maintsy nanambady an’ireo zanak’i Manase anefa aloha izy ireo. Tsy hifindra ny lova amin’izay, fa ho ao amin’ny fokony ihany.—Nom. 27:1-8; 36:6-8.

10 Nino ny zanakavavin’i Zelofada fa ho tsara ny vokany, raha mankatò an’Andriamanitra izy. Milaza ny Baiboly fa ‘araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’izy ireo, ka i Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ny rainy avy. Izay avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, no novadin’ireo, ka dia nitoetra teo amin’ny firenen’ny mpianakavin’ny rainy ihany ny zara-taniny.’ (Nom. 36:10-12) Nankatò ny didin’i Jehovah izy ireo. (Josoa 17:3, 4) Mino koa ny anabavy mpitovo matotra fa mahasoa ny fankatoavana, ka manaraka ny didin’Andriamanitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” izy.—1 Kor. 7:39.

11, 12. Ahoana no nampisehoan’i Kaleba fa natoky an’Andriamanitra izy?

11 Mila mankatò tanteraka an’i Jehovah isika, toa an’ilay Israelita atao hoe Kaleba. (Deot. 1:36) Naniraka lehilahy 12 hijery ny tany Kanana i Mosesy, taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Ny roa tamin’izy ireo ihany anefa no nampirisika ny olona hatoky tanteraka an’Andriamanitra sy hiditra tao Kanana, dia i Kaleba sy Josoa. (Nom. 14:6-9) Mbola velona sy nankatò tanteraka an’i Jehovah foana izy ireo, 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana. I Josoa koa no nasain’Andriamanitra nitarika ny Israelita ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Azo inoana kosa fa maty tany an-tany efitra ireo folo lahy tsy nahatoky, rehefa nirenireny tany nandritra ny 40 taona ny Israelita.—Nom. 14:31-34.

12 Tafavoaka velona tamin’izany i Kaleba, ka afaka niteny tamin’i Josoa hoe: “Izaho kosa dia tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Vakio ny Josoa 14:6-9.) Efa 85 taona i Kaleba tamin’izay. Nangataka an’ilay faritra be tendrombohitra nampanantenain’Andriamanitra azy izy, na dia fahavalo aza no tao amin’ireo tanàn-dehibe nimanda tao amin’izy io.—Josoa 14:10-15.

13. Na misy aza ny fitsapana, inona no tokony hataontsika mba hahazoana fitahiana?

13 Toa an’i Kaleba, izay nahatoky sy nankatò, dia hampian’i Jehovah isika raha ‘tanteraka amin’ny fanarahana azy.’ Hotahiny isika, raha manao izany na dia miatrika olana lehibe aza. Mety tsy ho mora anefa ny hanao izany mandritra ny androm-piainantsika manontolo, toy ny nataon’i Kaleba. Nankatò an’i Jehovah, ohatra, i Solomona Mpanjaka tamin’ny voalohany. Rehefa antitra anefa izy, dia navilin’ireo vadiny ny fony hanompo andriamani-diso, ary “tsy mba tanteraka tamin’ny fanarahana [an’i Jehovah] tahaka an’i Davida rainy” izy. (1 Mpanj. 11:4-6) Enga anie àry isika hankatò tanteraka an’Andriamanitra foana sy hanao azy eo anatrehantsika mandrakariva, na inona na inona fitsapana atrehintsika.

Matokia an’i Jehovah foana

14, 15. Rehefa jerena ny tantaran’i Naomy, nahoana isika no mila matoky an’Andriamanitra?

14 Mila matoky an’Andriamanitra isika, indrindra raha manjombona ny fahitantsika ny hoavintsika, ka kivy isika. Diniho ny tantaran’i Naomy efa zokiolona. Nindaosin’ilay fahavalo atao hoe fahafatesana ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Nitaraina toy izao izy, rehefa avy tany Moaba ka nody tany Joda: “Aza atao hoe Naomy [“Mahafinaritra”, f.a.p.] intsony aho, fa ataovy hoe Mara [“Mangidy”, f.a.p.], satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?”—Rota 1:20, 21.

15 Kivy i Naomy, nefa hitantsika fa natoky an’i Jehovah foana izy, rehefa vakintsika tsara ny bokin’i Rota. Tena niova ny fiainany tatỳ aoriana! Lasa vadin’i Boaza i Rota vinantovaviny. Niteraka zazalahy izy ireo, ary i Naomy no nitaiza azy. Hoy ny Baiboly: “Ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’i Jese, rain’i Davida.” (Rota 4:14-17) Rehefa hatsangana amin’ny maty eto an-tany i Naomy, dia ho fantany fa lasa razamben’ny Mesia i Rota, izay hatsangana koa. (Matio 1:5, 6, 16) Toy ny nitranga tamin’i Naomy, dia tsy ampoizintsika izay ho fiafaran’ny toe-javatra sarotra. Aoka àry isika hatoky an’Andriamanitra foana, araka ny ampirisihan’ny Ohabolana 3:5, 6, manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”

Miantehera amin’ny fanahy masina

16. Ahoana no nanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra ny anti-panahy sasany teo amin’ny Israely fahiny?

16 Hitarika antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah, raha ataontsika eo anatrehantsika mandrakariva izy. (Gal. 5:16-18) Nahazo ny fanahiny ireo anti-panahy 70 nofidina hanampy an’i Mosesy ‘hitondra ny firenen’ny’ Israely. Nanampy azy rehetra mba hahatontosa ny andraikiny izy io, na dia i Eldada sy Medada ihany aza no voatonona anarana. (Nom. 11:13-29) Tsy isalasalana fa nahay izy ireo, natahotra an’Andriamanitra, mendri-pitokisana, ary nanao ny marina, toy ireo lehilahy efa nofidina talohan’izay. (Eks. 18:21) Manana an’ireo toetra ireo koa ny anti-panahy ankehitriny.

17. Inona avy no anjara asan’ny fanahy masin’i Jehovah tamin’ny fanorenana ny tranolay masina?

17 Nandray anjara lehibe tamin’ny fanorenana ny tranolay masina tany an-tany efitra ny fanahy masin’i Jehovah. I Bezalila no notendren’i Jehovah ho tompon’andraikitra tamin’ny fananganana azy io sy ny asa tanana natao tamin’izany. Nampanantena izy fa ‘hofenoiny ny fanahiny’ i Bezalila, ka hanana “fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa.” (Eks. 31:3-5) Nisy lehilahy “hendry” koa niara-niasa tamin’i Bezalila sy Oholiaba mpanampy azy, mba hamita io asa tena tsara io. Noho ny fanahin’i Jehovah koa, dia nampirisihin’ny fony ny olona, ka nanao fanomezana be dia be. (Eks. 31:6; 35:5, 30-34) Mbola io fanahy io ihany no mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, mba hanao izay rehetra azony atao hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. (Matio 6:33) Marina fa mety hanan-talenta amin-javatra sasany isika. Mila mivavaka mba hahazo ny fanahy masina anefa isika, sady manaiky hotarihin’izy io, raha te hahavita ilay asa ampanaovin’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny.—Lioka 11:13.

Aoka isika hanaja foana an’i Jehovah Tompon’ny maro

18, 19. a) Manampy antsika hanao inona ny fanahy masin’Andriamanitra? b) Inona no ianaranao avy amin’i Simeona sy Ana?

18 Manampy antsika hanaja an’i Jehovah ny fanahy masina, ary io fanajana io no mahatonga antsika hanao azy eo anatrehantsika mandrakariva. Nilazana ny vahoakan’Andriamanitra fahiny hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, no hasino [na hajao satria masina].” (Isaia 8:13) Nanao izany i Simeona sy Ana, zokiolona nipetraka tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny Lioka 2:25-38.) Nino ny faminaniana momba ny Mesia i Simeona, ary “niandry ny fampiononana ny Israely.” Nanome azy fanahy masina Andriamanitra, sady nanome toky azy fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita ny Mesia. Tanteraka tokoa izany. Rehefa nitondra an’i Jesosy tany amin’ny tempoly i Maria reniny sy Josefa, rainy nitaiza azy, dia nahazo fanahy masina i Simeona, ka nanambara faminaniana momba ny Mesia. Nolazainy koa ny alahelo ho tsapan’i Maria, izay ory tokoa rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Mba eritrereto anefa ny hafalian’i Simeona, rehefa nandray an’ilay “Kristin’i Jehovah” teny an-tanany izy! Nanaja an’i Jehovah tokoa izy, ary modely ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny!

19 Toy izany koa i Ana, vehivavy 84 taona efa maty vady. “Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly” izy, ary nanao fanompoana masina ho an’i Jehovah andro aman’alina, sady “nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.” Teo koa i Ana rehefa nentina tao amin’ny tempoly i Jesosy. Tena faly izy nahita an’io zaza io, izay ho lasa Mesia! “Nisaotra an’Andriamanitra” mihitsy izy, “ary niresaka momba ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.” Tsy vitan’i Ana tokoa ny nihazona izany vaovao tsara izany ho azy samirery! Toa an’i Simeona sy Ana, dia mahafaly ny Kristianina zokiolona ankehitriny ny mahafantatra fa mbola afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah sy hanompo azy foana ny olona, na dia efa antitra aza.

20. Mila manao inona isika, na firy taona na firy taona, ary nahoana?

20 Tokony hataontsika eo anatrehantsika mandrakariva i Jehovah, na firy taona isika na firy taona. Amin’izay dia hotahiny ny ezaka kely mba vitantsika amin’ny fitoriana ny fanjakany sy ireo asany mahatalanjona. (Sal. 71:17, 18; 145:10-13) Misy toetra tsara ilaina anefa, mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Handinika tantara hafa ao amin’ny Baiboly isika, mba hahafantarana an’ireo toetra ireo.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahafantarantsika fa mihaino vavaka i Jehovah?

• Nahoana isika no tokony hankatò tanteraka an’Andriamanitra?

• Nahoana isika no tokony hatoky an’i Jehovah foana, na dia rehefa kivy aza?

• Ahoana no anampian’ny fanahy masin’Andriamanitra ny vahoakany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Nisy vokany ilay vavak’i Nehemia

[Sary, pejy 5]

Hanampy antsika hatoky an’i Jehovah ny fitadidiana ny fitahiana azon’i Naomy