Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mamerina ny Fahadisoan’ny Israelita

Aza Mamerina ny Fahadisoan’ny Israelita

Aza Mamerina ny Fahadisoan’ny Israelita

NIDITRA tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Fantany tsara ny zavatra nasain’i Jehovah nataony. Nandidy azy ireo toy izao mantsy izy, tamin’ny alalan’i Mosesy: “Horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra.”—Nom. 33:52.

Tsy tokony hanao fifanekena amin’ny tompon-tany ny Israelita, na hanambady azy ireo. (Deot. 7:2, 3) Nampitandrina ny vahoaka nofidiny mihitsy aza Andriamanitra hoe: “Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao hianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.” (Eks. 34:12) Tsy nankatò anefa izy ireo, ka voafandrika ary niharan-doza. Andeha hodinihintsika ny nahatonga izany, sy ny fampitandremana tokony harahintsika.—1 Kor. 10:11.

Nanompo sampy noho ny naman-dratsy

Resin’ny Israelita ny tompon-tany, ary niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Tsy tena nankatoaviny anefa ny didin’Andriamanitra, satria tsy noroahiny ireo fahavalo. (Mpits. 1:1–2:10) Niara-nipetraka tamin’ireo “firenena fito” teo amin’ilay tany kosa izy ireo. (Deot. 7:1) Nifandray be ry zareo ka lasa mpinamana. Inona no vokatr’izany teo amin’ny Israelita? Hoy ny Baiboly: “Naka ny zanakavavin’ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanani-vavy ho vadin’ny zanakalahin’ireny ka nanompo ny andriamaniny. Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely ka nanadino an’i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.” (Mpits. 3:5-7) Nifandray be tamin’ny tompon-tany ny Israelita, ka nanjary nanambady azy ireo ary nanompo sampy. Lasa sarotra taminy àry ny nandroaka ireo mpanompo sampy. Tsy tena nanaraka ny fivavahana marina intsony ny Israelita, ary nanomboka nanompo andriamani-diso.

Tsara lavitra ho an’ny Israelita raha fahavalon’ny firenen-kafa izy ireo, toy izay namany. Nanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah mantsy izany. Ity koa misy antony hafa mety ho nahatonga azy ireo hanompo sampy.

Nanompo an’ireo Bala noho ny fambolena

Tsy nifindrafindra monina intsony ny zanak’Israely rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary maro no lasa mpamboly sy mpiompy. Azo inoana fa naka tahaka ny fomba fambolen’ny Kananita izy ireo. Tsy izay ihany anefa no nalainy tahaka. Nanjary voatarika koa izy ireo hanaraka ny fombafomban’ny tompon-tany rehefa namboly.

Nanompo an’ireo Bala, izay noheverina ho mitahy ny fambolena sy manome vokatra be dia be, ny Kananita. Lasa nankalaza ny andriamanitr’izy ireo koa ny Israelita, rehefa nanangom-bokatra. Maro no nilaza ho mpivavaka tamin’i Jehovah, nefa tena nivadi-pinoana raha ny marina.

Fampitandremana ho antsika

Tsy nieritreritra ny hanompo an’i Bala sy hanaraka ireo fanao ratsin’ny Kananita ny Israelita, tamin’ny voalohany. Voatarika hanao izany anefa izy ireo rehefa nifandray taminy. Mety hisy olona tsara fanahy amintsika koa, nefa tsy manompo an’i Jehovah sy tsy manaraka ny fitsipiny. Tsy hisy vokany ratsy ve ny fiarahana amin’izy ireo? Marina fa tsy maintsy mifanerasera amin’ny olona toy ireny isika indraindray. Mety ho mpiara-miasa izany, na mpiara-mianatra, na angamba fianakaviana mihitsy. Hahita loza toa an’ireo Israelita anefa isika, raha minamana amin’izy ireo. Marina foana ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Kor. 15:33.

Miatrika fitsapana mitovy amin’ny an’ny Israelita koa isika. Maro be mantsy ny zavatra ataon’ny olona ho toy ny sampy, ankehitriny. Anisan’izany ny vola, mpanao filma, mpanao fanatanjahan-tena, mpanao politika, mpitondra fivavahana, ary na dia ny havana aza. Mety hanjary hifantoka be amin’ireo isika. Ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha olona tsy manompo azy no ataontsika namana.

Tena nisongadina ny firaisana tsy ara-dalàna, tamin’ny fivavahana tamin’i Bala, ka Israelita maro no voafandrika. Misy fandrika toy izany koa mahavoa ny Kristianina sasany ankehitriny. Raha tia mikarokaroka ao amin’ny Internet, ohatra, ny olona iray nefa tsy mitandrina, dia mety hanimba ny feon’ny fieritreretany izy, indrindra raha irery ao an-trano. Bokotra kely fotsiny mantsy no tsindriany dia mety hahita zava-dratsy izy. Hampalahelo tokoa raha lasa tia mijery sary vetaveta amin’ny Internet ny Kristianina iray!

‘Sambatra izay mitandrina ny teniny’

Miankina amin’ny tsirairay raha hankatò an’i Jehovah izy na tsia, rehefa hifidy namana. (Deot. 30:19, 20) Ilaina anefa ny mieritreritra hoe: ‘Iza no miaraka miala voly amiko? Mpanompon’i Jehovah ve izy ireo? Manao ahoana ny toetrany sy ny fitondran-tenany? Ho lasa Kristianina matotra kokoa ve aho raha miaraka amin’izy ireo?’

Hoy ny mpanao salamo: “Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra.” (Sal. 119:1, 2) Eny tokoa, “sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.” (Sal. 128:1) Inona àry no ianarantsika avy amin’ny fahadisoan’ny Israelita? Ankatoavy foana i Jehovah, ka fidio tsara ny namanao.—Ohab. 13:20.

[Sary, pejy 26]

Ho voatarika hanompo sampy isika raha miaraka amin’ireo tsy tia an’i Jehovah