Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Kristy, Ilay Misionera Lehibe Indrindra

Jesosy Kristy, Ilay Misionera Lehibe Indrindra

Jesosy Kristy, Ilay Misionera Lehibe Indrindra

“Izaho no solontenany ary izy no naniraka ahy.”—JAONA 7:29.

1, 2. Inona no atao hoe misionera, ary iza no Misionera lehibe indrindra?

INONA no tonga ao an-tsainao raha vao mandre hoe “misionera”? Misy mieritreritra an’ireo misioneran’ny Kristianisma Anarana. Maro amin’izy ireo no mitsabaka amin’ny raharaha ara-politika sy ara-toe-karenan’ny tany anirahana azy. Raha Vavolombelon’i Jehovah kosa ianao, dia azo inoana fa hieritreritra an’ireo misionera irahin’ny Filan-kevi-pitantanana, mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny tany maro samihafa. (Matio 24:14) Manokana an-tsitrapo ny fotoanany sy ny heriny izy ireo, mba hanampiana ny olona hanatona an’i Jehovah Andriamanitra sy hifandray akaiky aminy. Asa mendri-kaja izany.—Jak. 4:8.

2 Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny teny hoe “misionera.” Azo adika koa hoe “misionera” anefa, ilay teny grika nadika hoe “mpitory ny vaovao tsara” ao amin’ny Efesianina 4:11. I Jehovah no Mpitory ny Vaovao Tsara lehibe indrindra. Tsy azo antsoina hoe Misionera lehibe indrindra anefa izy, satria tsy nisy naniraka azy na oviana na oviana. Hoy kosa i Jesosy Kristy momba an’io Rainy any an-danitra io: “Izaho no solontenany ary izy no naniraka ahy.” (Jaona 7:29) Tena tia ny olombelona i Jehovah, ka naniraka ny zanany lahitokana ho etỳ an-tany. (Jaona 3:16) I Jesosy àry no Misionera lehibe indrindra, na miavaka indrindra, satria nirahina ho eto an-tany izy mba “hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Tena nahita vokatra izy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary mbola mandray soa avy amin’ny fitoriana nataony isika hatramin’izao. Afaka manahaka ny fomba fampianarany, ohatra, isika, eo amin’ny fanompoantsika, na misionera isika na tsia.

3. Inona no fanontaniana hovaliantsika?

3 Mpitory ilay Fanjakana i Jesosy. Mahatonga antsika hieritreritra izany hoe: Nanao ahoana ny fanompoany teto an-tany? Nahoana no nandaitra ny fampianarany? Inona no nahatonga azy hahita vokatra?

Vonona hanao izay notakina taminy foana izy

4-6. Inona avy no fiovana teo amin’ny fiainan’i Jesosy rehefa nirahina tetỳ an-tany izy?

4 Mila mizatra amin’ny fiainana vaovao any amin’ny toerana anirahana azy, ireo misionera sy mpitory mifindra any amin’ny faritra ilana mpitory maro kokoa. Mety ho ambany kokoa mantsy ny fari-piainana any. Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy anefa ny fahasamihafan’ny fiainan’i Jesosy tany an-danitra sy teto an-tany. Niaraka tamin’ny Rainy izy tany, ary teo anivon’ny anjely nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo madio. (Joba 38:7) Hafa tanteraka anefa ny tetỳ an-tany, satria teo anivon’ny tontolo ratsy izy, ary olona mpanota no nifaneraserany. (Marka 7:20-23) Niady ny ho lehibe ireo mpianany akaiky azy indrindra, ary tsy maintsy niaritra izany izy. (Lioka 20:46; 22:24) Na izany aza, dia tsy nisy hokianina ny fomba niatrehany ny zava-drehetra.

5 Tsy tonga dia nahay fitenin’olombelona i Jesosy, fa nila nianatra izany. Fiovana lehibe tokoa izany, satria nibaiko anjely izy tany an-danitra! Tena tsy nitovy tamin’ny “fitenin’anjely” ny “fitenin’olona.” (1 Kor. 13:1) Mbola tsy nisy olona nanao teny mahafinaritra toa azy anefa.—Lioka 4:22.

6 Nisy fiovana lehibe hafa koa teo amin’ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra, rehefa tonga teto an-tany izy. Tonga olombelona toa an’ireo “rahalahiny”, izany hoe ireo voahosotra, izy. Tsy nandova ota avy tamin’i Adama anefa izy. (Vakio ny Hebreo 2:17, 18.) Tsy nangataka tamin’ny Rainy mba haniraka “tafik’anjely misy andiany maherin’ny roa ambin’ny folo” izy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Eritrereto anefa ny habetsahan’ny anjely teo ambany fahefany, tamin’izy Mikaela Arkanjely! (Matio 26:53; Joda 9) Nanao fahagagana izy teto an-tany, nefa tsy hitovy mihitsy amin’izay nety ho vitany tany an-danitra izany.

7. Nitandrina ny Lalàna ve ny Jiosy? Hazavao.

7 Nantsoina hoe “ny Teny” i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Izy angamba ilay Mpitondra Tenin’Andriamanitra nitarika ny Israelita tany an-tany efitra. (Jaona 1:1; Eks. 23:20-23) “Nandray ny Lalàna nampitain’anjely [ny Israelita], nefa tsy nitandrina izany.” (Asa. 7:53; Heb. 2:2, 3) Ny zava-kendren’ny lalàna mihitsy no tsy azon’ny mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany. Diniho, ohatra, ny lalàna momba ny Sabata. (Vakio ny Marka 3:4-6.) Tsy noraharahain’ny mpanora-dalàna sy Fariseo ny “mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny miantra ary ny ho mahatoky.” (Matio 23:23) Nanambara ny marina tamin’izy ireo foana anefa i Jesosy, fa tsy nihevitra hoe tsy azo ampiana intsony izy ireo.

8. Nahoana i Jesosy no afaka manampy antsika?

8 Vonona ny hanao izay notakina taminy foana i Jesosy. Tena tia ny olona izy ka naniry mafy hanampy azy ireo. Nazoto nitory ny vaovao tsara foana izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy teto an-tany, ka “nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.” “Afaka manampy an’izay iharam-pitsapana” koa izy, “noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana.”—Heb. 2:18; 5:8, 9.

Mpampianatra tsara ofana

9, 10. Inona no fampiofanana azon’i Jesosy talohan’ny nanirahana azy ho eto an-tany?

9 Mampiofana an’ireo misionera vaovao ny Filan-kevi-pitantanana, alohan’ny anirahana azy ireo. Nahazo fampiofanana ve i Jesosy Kristy? Eny. Tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ny raby anefa izy na nianatra teo an-tongotr’ireo mpitondra fivavahana malaza, talohan’ny nanosorana azy ho Mesia. (Jaona 7:15; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 22:3.) Nahoana àry izy no tena nahay nampianatra?

10 Marina fa mety ho nampianarin’i Maria sy Josefa, ray aman-dreniny, i Jesosy. I Jehovah, ilay mpampianatra faran’izay mahay anefa, no tena nampiofana azy. Hoy i Jesosy momba izany: “Tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.” (Jaona 12:49) Mariho fa nahazo toromarika mazava momba izay tokony hampianariny ny Zanak’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa nanokana fotoana be dia be hihainoana ny toromariky ny Rainy i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Tsy misy fampiofanana tsara noho izany.

11. Nanao ahoana ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona? Inona no vokatr’izany teo amin’i Jesosy Zanany?

11 Nifandray akaiky tamin’ny Rainy i Jesosy nanomboka tamin’ny fotoana namoronana azy. Nandinika ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona izy tany an-danitra, ka hitany ny fitiavany azy ireo. Nanjary tia ny olombelona àry io Zanaka io, izay nantsoina koa hoe fahendrena. Niteny toy izao mihitsy izy: “Naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.”—Ohab. 8:22, 31.

12, 13. a) Inona no nianaran’i Jesosy, noho izy nandinika ny fomba nifandraisan’ny Rainy tamin’ny Israelita? b) Ahoana no nampiharan’i Jesosy ny fampiofanana azony?

12 Niana-javatra koa i Jesosy, rehefa nandinika ny fomba niatrehan’ny Rainy zava-tsarotra. Diniho, ohatra, ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo Israelita tsy nankatò. Hoy ny Nehemia 9:28: “Rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehan[’i Jehovah] indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao.” Nanjary nangoraka an’ireo olona tao amin’ny faritany nitoriany i Jesosy, noho izy nandinika izay nataon’i Jehovah sy efa niara-niasa taminy.—Jaona 5:19.

13 Nampihatra ny fampiofanana azony i Jesosy ka nangoraka ny mpianany. “Nandao azy”, ohatra, ireo mpianany tena tiany, ny alina talohan’ny nahafatesany. (Matio 26:56; Jaona 13:1) Nanda an’i Kristy intelo mihitsy aza ny apostoly Petera! Mbola vonona ny handray tsara azy ireo anefa i Jesosy. Hoy izy tamin’i Petera: “Efa nitalaho ho anao ... aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao miverina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.” (Lioka 22:32) Ny “apostoly” no voalohany nofidin’i Jesosy ho anisan’ny Israely ara-panahy. Voasoratra eo amin’ny vato fototry ny mandan’i Jerosalema Vaovao ny anaran’ireo apostoly 12 mahatokin’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry. Mandroso tokoa hatramin’izao ny asa fitoriana ataon’ireo Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa” namany. Mitarika azy ireo amin’izany Andriamanitra sy ny Zanany malala.—Efes. 2:20; Jaona 10:16; Apok. 21:14.

Fomba fampianatr’i Jesosy

14, 15. Inona avy no tsy nampitovy ny fomba fampianaran’i Jesosy sy ny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

14 Ahoana no nampiharan’i Jesosy ny fampiofanana azony, rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy izy? Tsara lavitra ny fomba fampianarany, raha oharina amin’ny fomba fampianaran’ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nataon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo ‘tsy nanan-kery ny tenin’Andriamanitra, noho ny fomban-drazana.’ Ny Tenin’Andriamanitra hatrany kosa no nampianarin’i Jesosy, fa tsy ny heviny manokana. (Matio 15:6; Jaona 14:10) Izany koa no tokony hataontsika.

15 Nisy lafiny hafa koa tsy nampitovy an’i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana. Hoy izy, momba ireo mpanora-dalàna sy Fariseo: “Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, kanefa aza manao izay ataony, satria miteny izy nefa tsy manao.” (Matio 23:3) Nampihatra izay nampianariny i Jesosy. Hijery ohatra iray isika mba hanaporofoana izany.

16. Porofoy fa nampihatra ny fampirisihany ao amin’ny Matio 6:19-21 i Jesosy.

16 Nampirisika ny mpianany i Jesosy mba ‘hanangona harena any an-danitra.’ (Vakio ny Matio 6:19-21.) Nampihatra izany fampirisihany izany ve izy? Eny. Izao no nolazainy: “Ny amboadia manan-davaka isitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Lioka 9:58) Tsotra ny fiainan’i Jesosy. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no tena nimasoany. Hita tamin’ny fiainany fa tsy nanahy ny amin’ny fanangonana harena teto an-tany izy. Nasehony fa tsara lavitra ny manangona harena any an-danitra, “izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.” Manaraka ny fampirisihan’i Jesosy ve ianao, ka manangona harena any an-danitra?

Toetra nitiavan’ny olona an’i Jesosy

17. Inona avy no toetra nahatonga an’i Jesosy ho mpitory tena niavaka?

17 Inona no nahatonga an’i Jesosy ho mpitory tena niavaka? Ny toetra nasehony tamin’ireo olona nampiany. Nanahaka an’i Jehovah izy, ka nanetry tena, naneho fitiavana, ary nangoraka. Nahoana no nanintona olona maro izany toetrany izany?

18. Nahoana no azo lazaina fa nanetry tena i Jesosy?

18 Rehefa nanaiky hirahina tetỳ an-tany i Jesosy, dia ‘nofoanany ny tenany ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona.’ (Fil. 2:7) Fanehoana fanetren-tena izany. Tsy nanambany olona koa i Jesosy. Tsy nilaza izy hoe: ‘Avy any an-danitra aho, ka tsy maintsy mihaino ahy ianareo!’ Tsy nirehareha ny amin’ny maha Mesia azy izy, toy ny fanaon’ireo mesia sandoka. Nandrara ny olona izy indraindray mba tsy hilazalaza ny momba azy na ny zavatra nataony. (Matio 12:15-21) Tiany raha mahita mivantana ny zavatra ataony ny olona iray, vao manapa-kevitra ny hanara-dia azy. Tena nampahery an’ireo mpianany tokoa ny nahalala, fa tsy nitaky ny hitovian’izy ireo tamin’ny anjely lavorary tany an-danitra ny Tompony!

19, 20. Nandrisika an’i Jesosy hanao inona ny fitiavany sy ny fangorahany?

19 Naneho fitiavana koa i Jesosy Kristy. Io no toetra lehibe indrindran’ny Rainy. (1 Jaona 4:8) Ny fitiavana no nandrisika an’i Jesosy hampianatra. Diniho, ohatra, ny fihetseham-pony tamin’ny manam-pahefana tanora iray. (Vakio ny Marka 10:17-22.) “Tia azy” i Jesosy ka naniry hanampy azy. Tsy nahafoy ny harem-beny anefa io lehilahy io mba hanarahana an’i Kristy.

20 Anisan’ny toetra tsaran’i Jesosy koa ny fangorahana. Toy ny olona tsy lavorary rehetra, dia sahiran-tsaina noho ny olana maro ny olona nampianariny. Fantatr’i Jesosy izany, ka nangoraka izy rehefa nampianatra azy ireo. Be atao, ohatra, i Jesosy sy ny apostoliny, indray mandeha, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory. Inona anefa no nataon’i Jesosy, rehefa nahita ny vahoaka niandry azy? “Nangoraka azy ireo ... izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.” (Marka 6:34) Hitan’i Jesosy fa nampahonena ny fiainan’ny olona teo amin’ny faritra nisy azy, ka nampiasa ny heriny izy mba hampianarana azy ireo sy hanaovana fahagagana ho azy ireo. Voasariky ny toetra tsarany sy ny fampianarany ny olona sasany, ka lasa mpianany.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Mbola maro ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ahoana no mbola azontsika anahafana an’io Misionera lehibe indrindra io?

Ahoana no Havalinao?

• Inona no fampiofanana azon’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

• Nahoana no tsara kokoa noho ny fomba fampianaran’ny mpanora-dalàna sy Fariseo ny fomba fampianaran’i Jesosy?

• Inona avy no toetra nitiavan’ny olona an’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Ahoana no fomba nampianaran’i Jesosy ny vahoaka?