Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah

Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah

Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah

“Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.”—SAL. 128:1.

1, 2. Nahoana no azo antoka fa afaka ny ho sambatra isika?

FAHASAMBARANA. Ny rehetra no maniry izany. Ekenao angamba anefa fa tsy voatery ho sambatra ny olona, na dia iriny sy katsahiny aza izany.

2 Afaka ny ho sambatra tokoa anefa isika. Hoy ny Salamo 128:1: “Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.” Afaka ny ho sambatra isika, raha manompo an’Andriamanitra sy mandeha amin’ny lalany, izany hoe manao ny sitrapony. Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fitondran-tenantsika sy ny toetrantsika?

Aoka ianao ho mendri-pitokisana

3. Inona no fomba lehibe indrindra anaporofoantsika fa mendri-pitokisana isika?

3 Mendri-pitokisana toa an’i Jehovah izay matahotra azy. Nanatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy ny Israely fahiny izy. (1 Mpanj. 8:56) Ny fanoloran-tenantsika no voady na fampanantenana lehibe indrindra nataontsika. Hanampy antsika hanefa azy io ny fanaovana vavaka matetika. Afaka mivavaka toa an’i Davida mpanao salamo isika hoe: “Hianao, Andriamanitra ô, efa nandre ny voadiko ... Izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan-andro ny voadiko.” (Sal. 61:5, 8; Mpit. 5:3-5) Tsy maintsy mendri-pitokisana isika, raha te ho naman’Andriamanitra.—Sal. 15:1, 4.

4. Efa nivoady tamin’i Jehovah i Jefta, ka ahoana no nataon’izy sy ny zanany?

4 Handinika izay nataon’i Jefta tamin’ny andron’ny Mpitsara teo amin’ny Israely isika. Nivoady izy fa raha ataon’i Jehovah resiny ny Amonita, dia homeny azy ho toy ny “fanatitra odorana” izay voalohany mivoaka ny tranony, rehefa avy any an’ady izy. Tsy iza izany fa ny zanany vavy tokana, izay mbola tsy nanambady. Natoky an’i Jehovah izy mianaka, ka nanefa ilay voady. Zava-dehibe ny hoe manambady sy miteraka teo amin’ny Israely. Nifidy ny hijanona ho mpitovo anefa ny zanakavavin’i Jefta, ary nahazo tombontsoa lehibe, satria nanao fanompoana masina ho an’i Jehovah tao amin’ny toerana masina.—Mpits. 11:28-40.

5. Inona no mampiseho fa mendri-pitokisana i Hana?

5 Mendri-pitokisana i Hana, vehivavy natahotra an’Andriamanitra. Niara-nipetraka izy sy Elkana vadiny, izay Levita, ary i Penina rafivaviny. Tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany Efraima no nisy azy ireo. Niteraka maromaro i Penina, fa i Hana kosa tsy niteraka. Naneso an’i Hana izy, indrindra fa rehefa nankany amin’ny tranolay masina izy mianakavy. Nivoady àry i Hana fa raha miteraka lahy izy, dia homeny an’i Jehovah izy io. Tsy ela dia bevohoka izy, ary niteraka zazalahy nantsoina hoe Samoela. Nentin’i Hana tany Silo izy rehefa nisara-nono, ary natolony ho an’Andriamanitra mba hanompo azy mandritra ny “andro rehetra hiainany.” (1 Sam. 1:11) Nanefa ny voadiny tokoa i Hana, na dia tsy fantany aza fa mbola hiteraka izy atỳ aoriana.—1 Sam. 2:20, 21.

6. Ahoana no nampisehoan’i Tykiko fa mendri-pitokisana izy?

6 Lehilahy mendri-pitokisana sy “mpanompo mahatoky” i Tykiko, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Kol. 4:7) Niaraka tamin’ny apostoly Paoly izy avy any Gresy, nankany Makedonia sy Azia Minora, ary angamba koa tany Jerosalema. (Asa. 20:2-4) Izy angamba “ilay rahalahy” nanampy an’i Titosy hizara ny fanomezana ho an’ny Kristianina sahirana tany Jodia. (2 Kor. 8:18, 19; 12:18) Izy koa no iraka mendri-pitokisana nampitondrain’i Paoly taratasy ho an’ny Kristianina tany Efesosy sy Kolosia, tamin’izy nigadra voalohany tany Roma. (Efes. 6:21, 22; Kol. 4:8, 9) Mbola izy ihany no nirahin’i Paoly tany Efesosy, rehefa nigadra fanindroany tany Roma izy. (2 Tim. 4:12) Hanankinana asa mahafa-po eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa isika, raha mendri-pitokisana.

7, 8. Nahoana no azo lazaina fa tena mpinamana i Davida sy Jonatana?

7 Tian’Andriamanitra ho namana mendri-pitokisana isika. (Ohab. 17:17) Lasa naman’i Davida i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. Rehefa reny fa nahafaty an’i Goliata i Davida, dia ‘raiki-pitia taminy ny fanahiny, ka tia azy hoatra ny tenany izy.’ (1 Sam. 18:1, 3) Nampitandrina an’i Davida mihitsy aza izy, rehefa nitady hamono an’i Davida i Saoly. Nandositra àry i Davida. Nihaona izy roa lahy tatỳ aoriana, ary nanao fifanekena. Saika novonoin’i Saoly i Jonatana, fa niresaka momba an’i Davida. Nihaona indray anefa izy roa lahy, ary nifanome toky fa mbola mpinamana. (1 Sam. 20:24-41) Nampahery ny tanan’i Davida “tamin’Andriamanitra” i Jonatana, rehefa nihaona farany izy ireo.—1 Sam. 23:16-18.

8 Maty i Jonatana, rehefa niady tamin’ny Filistinina. (1 Sam. 31:6) Nanao izao hira fisaonana izao i Davida: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.” (2 Sam. 1:26) Nifankatia fatratra i Davida sy Jonatana. Tena mpinamana tokoa izy ireo.

“Manetre tena” foana

9. Ahoana no ampisehoan’ny Mpitsara toko faha-9 fa zava-dehibe ny fanetren-tena?

9 Tsy maintsy ‘manetry tena’ isika, raha te ho naman’Andriamanitra. (1 Pet. 3:8) Asehon’ny Mpitsara toko faha-9 fa zava-dehibe izany. Hoy i Jotama, zanak’i Gideona: “Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy.” Resahina ao ny hazo oliva sy aviavy ary voaloboka, izany hoe ireo olona mendrika tsy nitady hanjaka tamin’ny Israelita namany. Resahina ao koa anefa ny tsilo, izay natao kitay fotsiny. Izy io indray dia i Abimeleka, mpanjaka niavonavona. Mpamono olona izy, ary naniry mafy hifehy ny hafa. Na dia “nanapaka telo taona tamin’ny Isiraely” aza izy, dia maty aloha be. (Mpits. 9:8-15, 22, 50-54) Tena tsara kokoa ny ‘manetry tena’!

10. Inona no ianaranao avy amin’i Heroda, izay “tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra”?

10 Nisy olana teo amin’i Heroda Agripa mpanjakan’i Joda sy ny mponin’i Tyro sy Sidona, tamin’ny taonjato voalohany. Nitady fihavanana taminy ireo vahoaka ireo. Niantsoantso toy izao izy ireo, rehefa nikabary io mpanjaka niavonavona io: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Tsy nanda an’izany fandokafana izany i Heroda, ka namely azy ny anjelin’i Jehovah. Maty tamin’ny fomba nahatsiravina izy, “satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Asa. 12:20-23) Ahoana raha mba mahay manao lahateny isika, na mahay mampianatra? Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra noho izay avelany hataontsika.—1 Kor. 4:6, 7; Jak. 4:6.

Manàna herim-po sy tanjaka

11, 12. Ahoana no ahitana fa manome herim-po sy tanjaka ho an’ny mpanompony i Jehovah, rehefa dinihina ny tantaran’i Enoka?

11 Hanome antsika herim-po sy tanjaka i Jehovah, raha mandeha amin’ny lalany amim-panetren-tena isika. (Deot. 31:6-8, 23) Be herim-po i Enoka, ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama, rehefa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. Nanao ny tsara foana mantsy izy, na dia mpanao ratsy aza ny mpiara-belona taminy. (Gen. 5:21-24) Nampahery azy i Jehovah, mba hahafahany hanambara hafatra mafonja tamin’ireo olona ireo, noho ny zavatra ratsy nolazain’izy ireo sy nataony. (Vakio ny Joda 14, 15.) Moa ve ianao manana herim-po hanambarana ny didim-pitsaran’Andriamanitra?

12 Nampihatra didim-pitsarana tamin’ny ratsy fanahy i Jehovah, rehefa nandefa Safodrano eran-tany tamin’ny andron’i Noa. Mampahery antsika koa anefa ny faminanian’i Enoka, satria tsy ho ela i Jehovah dia handefa ny anjeliny masina an’alinalina, mba handringana ny ratsy fanahy miara-belona amintsika. (Apok. 16:14-16; 19:11-16) Mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, ka manome antsika herim-po hanambarana ny didim-pitsarany sy hiresahana momba ny fitahiana hoentin’ny Fanjakany.

13. Nahoana isika no matoky fa afaka manome antsika herim-po sy tanjaka mba hiatrehana zavatra mahakivy Andriamanitra?

13 Mila herim-po sy tanjaka avy amin’Andriamanitra isika, mba hiatrehana zavatra mahakivy. Nanjary ‘nangidy ny fanahin’i Isaka sy Rebeka’, rehefa naka vady hetita i Esao zanak’izy ireo. Nitaraina mihitsy i Rebeka hoe: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba [zanatsika] tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?” (Gen. 26:34, 35; 27:46) Nanao zavatra àry i Isaka. Nirahiny hitady vady teo anivon’ny mpanompon’i Jehovah i Jakoba. Marina fa tsy afaka nanova izay nataon’i Esao izy mivady. Nomen’Andriamanitra fahendrena sy herim-po ary tanjaka anefa izy ireo, mba tsy hivadihana aminy. Homen’i Jehovah an’ireo koa isika, raha mivavaka mba hahazo fanampiana aminy.—Sal. 118:5.

14. Ahoana no nampisehoan’ny zazavavy israelita iray fa be herim-po izy?

14 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nisy zazavavikely israelita nalain’ny andiana syrianina ho babo. Lasa mpanompo tao an-tranon’i Namàna izy. Boka io mpitari-tafika syrianina io. Ren’ilay zazavavy fa nampanaovin’Andriamanitra fahagagana i Elisa mpaminany. Nisikina herim-po àry izy, ka niteny tamin’ny vadin’i Namàna hoe: ‘Raha mankany Israely ny tompoko, dia hositranin’ny mpaminanin’i Jehovah ny habokany.’ Nankany Israely tokoa i Namàna, ary sitrana tamin’ny fomba mahagaga. (2 Mpanj. 5:1-3) Modely ho an’ny tanora tokoa io zazavavy io! Mila miantehitra amin’i Jehovah izy ireo, mba hahazoana herim-po hitoriana amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ary ny olon-kafa.

15. Ahoana no nampisehoan’i Obadia, mpanompon’i Ahaba, fa tena be herim-po izy?

15 Manampy antsika hiaritra fanenjehana ny herim-po avy amin’Andriamanitra. Eritrereto i Obadia, mpiara-belona tamin’i Elisa mpaminany, sady mpiandraikitra ny ankohonan’i Ahaba Mpanjaka. Rehefa nandidy ny hamonoana ny mpaminanin’Andriamanitra i Jezebela vadin’ny mpanjaka, dia nanafina ny 100 tamin’izy ireo i Obadia, ka ‘dimampolo avy no nataony tao an-johy iray.’ (1 Mpanj. 18:13; 19:18) Raha misy manenjika àry ny mpiray finoana aminao, moa ve ianao ho be herim-po ka hanampy azy, toy ny nataon’i Obadia tamin’ny mpaminanin’i Jehovah?

16, 17. Ahoana no nataon’i Aristarko sy Gaio, rehefa nenjehina izy ireo?

16 Raha enjehina isika, dia afaka matoky fa hanampy antsika i Jehovah. (Rom. 8:35-39) Niatrika vahoaka romotra efa ho an’arivony i Aristarko sy Gaio mpiara-miasa tamin’i Paoly, tao amin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tao Efesosy. I Demetrio mpanefy volafotsy no nitarika ny rotaka. Nahazo tombony be mantsy izy sy ny mpanao asa tanana hafa, tamin’ny fanamboarana tempoly kelin’i Artemisy andriamanibavy. Natahorany tsy handeha intsony ilay varotra, satria maro no niala tamin’ny fivavahana tamin’ny sampy, vokatry ny fitorian’i Paoly. Notaritaritin’ilay vahoaka ho ao an-kianja i Aristarko sy Gaio, sady tsy nitsahatra niantsoantso izy ireo hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” Efa nanampo ny ho faty angamba izy roa lahy, kanjo nahavita nampangina ny vahoaka ihany ny ben’ny tanàna.—Asa. 19:23-41.

17 Aleonao ve mitady fiainana milamindamina kokoa, raha ianao no sendra ny toy izany? Tsy voalaza mihitsy hoe nanary toky i Aristarko na Gaio. Avy any Tesalonika i Aristarko, ka fantany fa mety henjehina izay mitory ny vaovao tsara. Efa nisy rotaka mantsy talohan’izay, rehefa nitory tany i Paoly. (Asa. 17:5; 20:4) Nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah i Aristarko sy Gaio, ka nomeny tanjaka sy herim-po hiaretana fanenjehana.

Asio fiheverana izay hahasoa ny hafa

18. ‘Nanisy fiheverana’ izay hahasoa ny hafa i Priska sy Akoila. Tamin’ny fomba ahoana?

18 Tokony hiahy ny Kristianina hafa isika, na miatrika fanenjehana na tsia. ‘Nanisy fiheverana’ izay hahasoa ny hafa i Priska sy Akoila. (Vakio ny Filipianina 2:4.) Nety ho nampiantrano an’i Paoly io mpivady nahafatra-po io tany Efesosy, toerana nitrangan’ilay rotaka notarihin’i Demetrio. Io rotaka io angamba no nahatonga azy mivady ‘hanao vivery ny ainy’ ho an’i Paoly. (Rom. 16:3, 4; 2 Kor. 1:8) Miahy an’ireo rahalahintsika enjehina koa isika, ka “malina tahaka ny bibilava.” (Matio 10:16-18) Malina isika rehefa manao ny asantsika, ary tsy manaiky hamadika azy ireo ka hoe hilaza ny anarany na hanome fanazavana ho an’ny mpanenjika.

19. Inona no asa soa nataon’i Dorkasy?

19 Misy fomba isan-karazany azo anisiana fiheverana izay hahasoa ny hafa. Mety ho afaka hanampy ny Kristianina sahirana, ohatra, isika. (Efes. 4:28; Jak. 2:14-17) Nisy vehivavy nalala-tanana nantsoina hoe Dorkasy, tao amin’ny fiangonana tany Jopa, tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:36-42.) “Be tokoa ny asa soa vitany sy ny fiantrany ny mahantra.” Anisan’izany angamba ny fanamboarana akanjo ho an’ny mpitondratena sahirana. Nalahelo be izy ireo rehefa maty izy tamin’ny taona 36. Nampiasa ny apostoly Petera hanangana azy tamin’ny maty anefa Andriamanitra. Azo antoka fa faly izy nitory ny vaovao tsara sy nanao soa ho an’ny hafa, nandritra ny fiainany sisa tetỳ an-tany. Faly tokoa isika manana anabavy mahafoy tena toy izany eo anivontsika!

20, 21. a) Inona no ifandraisan’ny fampaherezana sy ny fiheverana ny hafa? b) Ahoana no azonao ampaherezana ny hafa?

20 Manisy fiheverana ny hafa isika rehefa mampahery azy. (Rom. 1:11, 12) Nampahery ny hafa i Silasy mpiara-miasa tamin’i Paoly. Rehefa vita ny fanapahan-kevitra momba ny famorana, tamin’ny taona 49 tany ho any, dia nandefa iraka ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema, mba hitondra taratasy ho an’ny Kristianina tany an-toeran-kafa. I Silasy sy Jodasy sy Barnabasy ary Paoly no nitondra azy io ho any Antiokia. “Nampahery an’ireo rahalahy tamin’ny lahateny maro” i Silasy sy Jodasy rehefa tonga tany, sady “nanome hery an’ireo.”—Asa. 15:32.

21 Naiditra am-ponja tany Filipy i Paoly sy Silasy tatỳ aoriana. Nisy horohoron-tany anefa ka afaka nitory tamin’ny mpiambina izy ireo, ary nahita azy io mbamin’ny ankohonany tonga mpino. Nampahery an’ireo rahalahy i Silasy sy Paoly, talohan’ny nialany tao Filipy. (Asa. 16:12, 40) Aoka àry ianao hanao toa azy ireo, ka hiezaka hampahery ny hafa amin’ny valin-teninao sy ny anjaranao amin’ny fivoriana ary ny zotom-ponao amin’ny fanompoana. Aza misalasala koa ‘miteny’, raha manana “teny hampaherezana” ny hafa ianao.—Asa. 13:15.

Mandehana hatrany amin’ny lalan’i Jehovah

22, 23. Inona no tokony hataontsika, mba handraisan-tsoa avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly?

22 Tena tokony hankasitrahantsika ireo fitantarana zavatra tena nisy ao amin’ny Tenin’i Jehovah, ilay “Andriamanitra loharanon’ny fampaherezana rehetra”! (2 Kor. 1:3, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Tsy maintsy mampihatra ny lesona raketin’izy ireny sy manaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra anefa isika, raha te handray soa avy amin’ireny fitantarana ireny.—Gal. 5:22-25.

23 Hanampy antsika haneho toetra tsara ny fisaintsainana ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Hanamafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ilay manome antsika “fahendrena sy fahalalana ary fifaliana”, koa izany. (Mpit. 2:26) Ho afaka hampifaly ny fon’ilay Andriamanitra fitiavana isika amin’izay. (Ohab. 27:11) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hampifaly azy foana, ka handeha hatrany amin’ny lalany.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no hampisehoanao fa mendri-pitokisana ianao?

• Nahoana isika no tokony ‘hanetry tena’?

• Nahoana no azo lazaina fa manampy antsika ho be herim-po ny fitantarana ao amin’ny Baiboly?

• Milazà fomba azontsika anisiana fiheverana izay hahasoa ny hafa.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Mendri-pitokisana i Jefta sy ny zanany ka nanefa ny voadiny, na dia sarotra aza izany

[Sary, pejy 10]

Ry tanora, inona no ianaranareo avy amin’ny tantaran’ilay zazavavy israelita?

[Sary, pejy 11]

Ahoana no nanampian’i Dorkasy ny Kristianina sahirana?