Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampirisihina Izy Ireo mba “Hihady Lalina”

Nampirisihina Izy Ireo mba “Hihady Lalina”

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-123

Nampirisihina Izy Ireo mba “Hihady Lalina”

NAHAZO diplaoma ny kilasy faha-123 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, ny asabotsy 8 Septambra 2007. Nisy 6 352 ny mpanatrika, avy any amin’ny tany 41. Niarahaba azy ireo tonga soa i Anthony Morris, mpitari-draharaha sady anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny folo maraina. Taorian’ny teny fanokafana, dia nanao ny lahateny voalohany i Gary Breaux, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia.

Nanome toky an’ireo mpianatra ny Rahalahy Breaux hoe tsara tarehy eo imason’i Jehovah izay manao ny sitrapony, na manao ahoana na manao ahoana ny bika aman’endriny. (Jer. 13:11) Nampirisika mafy azy ireo izy mba hihevitra izany ho sarobidy foana. Avy eo dia nantitranterin’i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, fa tsy ratsy ny manantena valisoa rehefa manompo an’i Jehovah. (Heb. 11:6) Ny fitiavana tsy mitady valiny anefa no tokony hanosika antsika.

Nanazava avy eo i William Samuelson, mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Sekolin’ny Fandaminana, fa voninahitra lehibe ny mitory momba ilay Mpanjakantsika. * Tokony ho tsara fitondran-tena foana àry ireo misionera mba ho mendrika an’izany. I Sam Roberson no mpanampy ny mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Sekolin’ny Fandaminana. Nampirisika ny mpianatra izy mba hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa foana. Ho ‘tia’ kokoa an’ireo “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” izy ireo amin’izay.—1 Pet. 2:17.

Nanadinadina mpianatra maromaro i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada, taorian’ireo lahateny nampahery ireo. Nitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana nandritra ilay sekoly izy ireo. Hitan’ny mpanatrika mihitsy fa tena tia manompo sy manampy ny hafa izy ireo. Avy eo dia nanadinadina rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana any amin’ny tany telo nahazo misionera i Kent Fischer, miasa ao amin’ny Biraon’ny Betela any Patterson. Noresahin’izy ireo fa voakarakara tsara ny misionera vaovao, any amin’izay tany anendrena azy. Nahazo toky àry ny mpanatrika, anisan’izany ny ray aman-drenin’ireo mpianatra. Nanadinadina misionera efa ela koa i Izak Marais, ao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny. Hitan’ny mpianatra tamin’ny fitantaran’izy ireo fa tena mahafaly ny asa misionera.

I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fototra hoe “Inona no Hataonareo Rehefa avy Nandre Izany Rehetra Izany?” Efa misionera tany Pasifika Atsimo izy, nandritra ny 25 taona latsaka kely. Nanazava ireo andininy farany amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra izy. Niresaka momba ny lehilahy roa nanao trano i Jesosy, ao amin’izy ireo, ka ny iray malina ary ny iray adala. Nohazavain’ny mpandahateny fa mety ho faritra iray ihany no nisy an’ireo trano ireo. Nanorina avy hatrany teo ambony fasika ilay lehilahy adala, fa ilay malina kosa nihady lalina, mandra-pahitany vatolampy hatao fototra. Rehefa nisy oram-baratra, dia tsy rava ilay trano naorina teo ambony vatolampy. Nianjera kosa ilay teo ambony fasika.—Matio 7:24-27; Lioka 6:48.

Nanazava i Jesosy fa izay rehetra mihaino fotsiny ny fampianarany, dia toa an’ilay lehilahy adala. Toa an’ilay lehilahy malina kosa, izay rehetra mihaino sady mampihatra ny teniny. Hoy àry ny Rahalahy Jackson tamin’ireo mpianatra: “Ho toa an’ilay lehilahy malina ianareo, raha mampihatra izay nianaranareo tao amin’ny Baiboly.” Nampirisika azy ireo izy tamin’ny farany mba “hihady lalina”, rehefa manao ny asa misionera.

Nomena diplaoma ireo mpianatra avy eo, ary nolazaina ny tany nanendrena azy ireo. Nanome torohevitra farany ny Rahalahy Morris taorian’izay. Nampirisihiny ireo mpianatra mba hanara-dia an’i Jesosy foana, sy hiantehitra hatrany amin’i Jehovah mba hahazoany hery. Izay no namarana ny fandaharana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ny Komitin’ny Fampianarana no miandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Sekolin’ny Fandaminana. Anisan’izany ny Sekolin’i Gileada, sy ny sekolin’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana, ary sekolin’ny mpiandraikitra mpitety faritany.

[Efajoro, pejy 31]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 10

Tany nanendrena: 24

Mpianatra: 56

Salanisan-taona: 33,5

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,9

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,8

[Sary, pejy 32]

Ny Kilasy Faha-123 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Esparza, E.; Papaya, S.; Bilal, A.; Suárez, M.; Evers, E.; Dimichino, K. 2) Rosa, M.; Fujii, R.; Ratey, O.; Leveton, J.; Van Leemputten, M. 3) Boscaino, A.; Beck, K.; Budanov, H.; Braz, C.; Peltz, K.; Siaw, A. 4) Leveton, S.; Santikko, H.; Conte, S.; Wilson, J.; Rylatt, J.; Pierce, S.; Fujii, K. 5) Rosa, D.; Boscaino, M.; Austin, V.; Rodiel, P.; Bilal, P.; Dimichino, P. 6) Ratey, B.; Czyzyk, D.; Clarke, C.; Riedel, A.; Esparza, F.; Siaw, P.; Van Leemputten, T. 7) Rodiel, J.; Evers, J.; Green, J.; Czyzyk, J.; Santikko, M.; Rylatt, M. 8) Peltz, L.; Austin, D.; Riedel, T.; Beck, M.; Pierce, W.; Conte, S.; Green, S. 9) Suárez, J.; Clarke, J.; Papaya, S.; Budanov, M.; Wilson, R.; Braz, R.