Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo Ilay Misionera Lehibe Indrindra

Tahafo Ilay Misionera Lehibe Indrindra

Tahafo Ilay Misionera Lehibe Indrindra

“Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.”—1 KOR. 11:1.

1. Nahoana isika no tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy?

NANAHAKA an’i Jesosy Kristy, ilay Misionera lehibe indrindra, ny apostoly Paoly. Nampirisika ny Kristianina izy hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Kor. 11:1) Nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy mba hampianarana azy ireo hanetry tena. Hoy izy avy eo: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:12-15) Tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy koa isika satria Kristianina. Hasehontsika amin’ny teny sy ny atao ary ny toetrantsika isan’andro izany.—1 Pet. 2:21.

2. Inona no azonao atao, na dia tsy tendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho misionera aza ianao?

2 Nianarantsika teo aloha, fa olona irahina hitory ny vaovao tsara ny hoe misionera. Nametraka fanontaniana mahaliana mifandray amin’izany i Paoly. (Vakio ny Romanina 10:11-15.) Hoy izy: “Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mitory?” Nanonona teny avy ao amin’ny faminanian’i Isaia izy, avy eo, hoe: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa!” (Isaia 52:7) Mety tsy ho misionera manompo any an-tany hafa ianao. Afaka mitory amin-jotom-po ny vaovao tsara anefa ianao, ho fanahafana an’i Jesosy. Mpitory ilay Fanjakana 6 957 854 no nitory ny “vaovao tsara” tany amin’ny tany 236, tamin’ny taon-dasa.—2 Tim. 4:5.

“Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao”

3, 4. Inona no nafoin’i Jesosy tany an-danitra, ary inona no tsy maintsy ataontsika raha te hanara-dia azy?

3 ‘Nofoanan[’i Jesosy] ny tenany ary naka ny endriky ny mpanompo izy’, mba hanatontosany ny asa nanirahana azy tetỳ an-tany. Nafoiny ny fiainany tany an-danitra sy ny voninahiny tany. (Fil. 2:7) Marina fa tsy hahavita ny vitan’i Jesosy tetỳ an-tany mihitsy isika, na inona na inona ataontsika mba hanahafana azy. Afaka ny hanara-dia azy foana anefa isika, raha tsy manembona izay nafointsika tany amin’ny tontolon’i Satana.—1 Jaona 5:19.

4 Hoy ny apostoly Petera tamin’i Jesosy, indray mandeha: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao.” (Matio 19:27) Nandao ny haratony avy hatrany i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona rehefa nasain’i Jesosy hanaraka azy. Nafoin’izy ireo ny asa fivelomany, dia ny fanaratoana, ary nifantoka tamin’ny fanompoana izy ireo. Tsy namoy ny “zava-drehetra” angamba ny ankamaroantsika mba hanarahana an’i Jesosy. Tsy maintsy ‘nanda tena’ anefa isika vao lasa mpanara-dia an’i Kristy sy mpanompon’i Jehovah. (Matio 16:24) Nitondra fitahiana tondraka izany. (Vakio ny Matio 19:29.) Faly ny fontsika noho isika mazoto mitory toa an’i Kristy, indrindra moa raha nandray anjara kely tamin’ny fanampiana olona hanatona an’Andriamanitra sy ny Zanany malala isika.

5. Inona no mety hataon’ny mpifindra monina rehefa mahafantatra ny fahamarinana? Manomeza ohatra.

5 Mpitrandraka volamena i Valmir, lehilahy brezilianina iray any Suriname. Mpisotro toaka izy sady ratsy fitondran-tena. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nianatra isan’andro izy, ary nanao fiovana maro. Vetivety dia natao batisa izy. Nialany ilay asa nahazoam-bola be, rehefa hitany fa nanasarotra ny fampiharany ny fampianaran’ny Baiboly. Nody tany Brezila izy mba hanampy ny fianakaviany hahalala ny fahamarinana. Maro ny mpifindra monina manapa-kevitra hiala amin’ny asany any amin’ny tany manankarena, ary mody any amin’ny tany niaviany mba hanampy ny havany sy ny olon-kafa hanatona an’i Jehovah. Hita amin’izany fa tena mpitory mazoto izy ireo!

6. Inona no azontsika atao raha tsy afaka mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory betsaka kokoa isika?

6 Maro ny Vavolombelona afaka mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory betsaka kokoa. Misy aza manompo any an-tany hafa. Mety tsy ho afaka hanao toa azy ireny isika. Afaka manahaka an’i Jesosy foana anefa isika, ka hanompo araka izay fara herintsika.

Manome ny fampiofanana ilaina i Jehovah

7. Inona avy ireo sekoly natao hampiofanana an’ireo te hanatsara ny fahaizany mitory?

7 Nahazo fampiofanana avy tamin-drainy i Jesosy. Afaka mandray soa avy amin’ny fampianaran’i Jehovah koa isika ankehitriny. Hoy i Jesosy: “Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’i Jehovah.’ ” (Jaona 6:45; Isaia 54:13) Maro ny sekoly manampy antsika hahay hitory ilay Fanjakana. Azo inoana fa efa samy nandray soa avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana teo anivon’ny fiangonana isika. Manana tombontsoa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ireo mpisava lalana. Afaka nanatrika izany fanindroany aza ireo mpisava lalana efa ela. Eo koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Manampy ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana izy io, mba hanatsarany ny fahaizany mampianatra sy manampy ny mpiray finoana aminy. Maro koa ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo, nandray soa tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Lasa mahay manampy ny hafa eo amin’ny fitoriana izy ireo. Ary maro amin’ny rahalahy sy anabavintsika misionera no nahazo fampiofanana tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada.

8. Inona no nafoin’ny rahalahy sasany an-tsitrapo mba handraisan-tsoa avy amin’ny fampiofanana omen’i Jehovah?

8 Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nanao fanovana teo amin’ny fiainany, mba hanatrehana an’ireny sekoly ireny. Tsy maintsy niala tamin’ny asany, ohatra, i Yugu mba hanatrehana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tany Kanada. Tsy nety nanome azy andro tsy iasana mantsy ny mpampiasa azy. Hoy i Yugu: “Tsy nanenenako izany, satria raha nomen’izy ireo andro tsy iasana ankoatra ny tokony ho azoko aho, dia nantenainy hiasa tao amin’ny orinasany foana. Afaka manao izay fanompoana rehetra mety hanendren’i Jehovah anefa aho izao.” Maro no namoy an-tsitrapo ny zavatra noheveriny ho sarobidy, mba handraisan-tsoa amin’ny fampiofanana omen’Andriamanitra.—Lioka 5:28.

9. Manomeza ohatra mampiseho fa mitondra vokany tsara ny fampianarana ny Soratra Masina rehefa arahina fikirizana.

9 Tena misy vokany tsara ny fampianarana ny Soratra Masina rehefa arahina fikirizana. (2 Tim. 3:16, 17) Diniho izay nitranga tamin’i Saulo, ankizilahy any Goatemalà. Tsy tena salama saina izy hatramin’ny nahaterahany. Nilaza tamin-dreniny ny mpampianatra iray, fa tsy tokony hoterena hianatra hamaky teny i Saulo, satria mety hahakivy azy izany. Tsy nahay namaky teny akory izy dia efa tsy nianatra intsony. Niezaka nampianatra azy hamaky teny anefa ny Vavolombelona iray. Ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra no nampiasainy. Nahay namaky teny i Saulo tamin’ny farany, ary nahavita lahateny tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Nihaona tamin’ilay mpampianatra ny renin’i Saulo tatỳ aoriana, tamin’izy nitory isan-trano. Rehefa ren’ilay mpampianatra fa nahay namaky teny i Saulo, dia nasainy nentin’ny reniny tany aminy ny herinandro nanaraka. Hoy ilay mpampianatra tamin’i Saulo: “Inona no hampianarinao ahy?” Nanomboka namaky fehintsoratra iray tao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? i Saulo. Hoy ilay mpampianatra: “Hoatran’ny tsy mampino hoe ianao indray ity no mampianatra ahy!” Tsy nahatana ny ranomasony izy sady namihina an’i Saulo.

Fampianarana manohina ny fo

10. Inona ilay fitaovana faran’izay tsara ampiasaintsika hampianarana ny fahamarinana?

10 Nifototra tamin’izay nampianarin’i Jehovah azy mivantana sy tamin’ny toromarika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianaran’i Jesosy. (Lioka 4:16-21; Jaona 8:28) Manahaka azy isika rehefa mampihatra ny toroheviny sy mampifanaraka ny fampianarantsika amin’ny Soratra Masina. Lasa mitovy àry ny fampianarantsika sy fomba fisainantsika, ka mampiray saina antsika izany. (1 Kor. 1:10) Tena mankasitraka ny “mpanompo mahatoky sy malina” isika, noho ireo boky sy gazety ara-baiboly avoakany. Manampy antsika hampianatra zavatra mitovy sy hamita ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireny. (Matio 24:45; 28:19, 20) Anisan’ireny fitaovana ireny ny boky Ampianarina, izay mivoaka amin’ny fiteny 179.

11. Ahoana no nampiasan’ny anabavy iray ny boky Ampianarina, mba hiatrehana fanoherana?

11 Mety hampiova ny fon’ny mpanohitra, ny fianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny olona iray, ohatra, i Lula, mpisava lalana any Etiopia. Tonga tampoka, tamin’izay, ny ramatoa iray havan’ilay mpianatra ary nilaza fa tsy tokony hianatra Baiboly izy ireo. Tony anefa i Lula, ary nampiasa an’ilay ohatra momba ny vola sandoka ao amin’ny toko faha-15 amin’ny boky Ampianarina, mba hampisaintsainana an’ilay ramatoa. Nihanalefaka ilay ramatoa, ary namela azy ireo hamita ilay fianarana. Nanatrika ny fianarana nanaraka izy, ary nangataka hianatra Baiboly koa. Vonona ny handoa saram-pianarana mihitsy aza izy! Nianatra intelo isan-kerinandro izy, ary nandroso tsara.

12. Milazà fitantarana mampiseho fa afaka mampianatra ny fahamarinana na dia ny ankizy aza.

12 Afaka manampy ny hafa amin’ny alalan’ny boky Ampianarina koa ny ankizy. Diniho, ohatra, i Keanu, zazalahy 11 taona any Hawaii. Namaky an’ilay boky izy tany am-pianarana. Nanontany azy ny mpiara-mianatra taminy hoe: “Nahoana ianareo no tsy mba mankalaza fety?” Novakin’i Keanu tamin’ilay ankizilahy ilay loha hevitra ao amin’ny fanazavana fanampiny hoe “Tokony Hankalaza Fety ve Isika?” Nasehony azy avy eo ny fanondroam-pejy, ary nanontaniany izay loha hevitra mahaliana azy. Lasa nianatra Baiboly ilay ankizy. Nitarika fampianarana Baiboly 6 561 426 ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taom-panompoana lasa, ary natao tamin’ny boky Ampianarina ny ankamaroany. Mampianatra Baiboly amin’io boky io ve ianao?

13. Nahoana no azo lazaina fa misy vokany lalina eo amin’ny olona ny fianarana Baiboly?

13 Misy vokany lalina eo amin’ny olona maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny fianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny fianakaviana iray avy any Zambia, ny mpivady mpisava lalana manokana iray any Norvezy. Nanan-janaka telo vavy ilay mpivady avy any Zambia, ary tsy te hiteraka intsony. Bevohoka indray anefa ilay ramatoa, ka tapa-kevitra ny hanala zaza izy ireo. Nianatra an’ilay toko hoe “Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Aina” izy ireo, taloha kelin’ny handehanany any amin’ny dokotera. Tena nanohina ny fon’izy mivady ilay sarina zaza ao am-bohoka eo amin’io toko io, ka nanapa-kevitra ny tsy hanala an’ilay zaza izy ireo. Nandroso tsara izy ireo. Tera-dahy ilay ramatoa ka nampitoviny tamin’ny anaran’ilay rahalahy mpampianatra ny anaran’ilay zaza.

14. Porofoy fa mahita vokatra tsara isika rehefa miaina mifanaraka amin’izay ampianarintsika.

14 Niavaka ny fomba fampianaran’i Jesosy satria niaina nifanaraka tamin’izay nampianariny izy. Manahaka azy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary maro no mankasitraka ny fitondran-tena tsaran’izy ireo. Nisy nandroba, ohatra, ny fiaran’ny mpandraharaha iray tany Nouvelle-Zélande, ary very ny kitapo tao anatiny. Nitory tany amin’ny polisy ilay rangahy, ka hoy ilay polisy: “Tsy ho hita intsony ny kitaponao, raha tsy hoe Vavolombelon’i Jehovah angaha no mahita azy io.” Anabavy vavolombelona mpanatitra gazety no nahita an’ilay kitapo. Rehefa nampahafantarina an’ilay mpandraharaha izany, dia nankany an-tranon’ilay anabavy izy. Faly izy rehefa hitany fa tsy very ny taratasy iray tena sarobidy. Hoy ilay anabavy taminy: “Ara-dalàna raha omeko anao ny kitaponao, satria Vavolombelon’i Jehovah aho.” Gaga ilay mpandraharaha. Tadidiny mantsy ny tenin’ilay polisy. Miaina mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly tokoa ny tena Kristianina, toa an’i Jesosy.—Heb. 13:18.

Tahafo ny toetran’i Jesosy

15, 16. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny olona hihaino ny hafatra torintsika?

15 Nanintona ny olona hihaino an’i Jesosy ny toetrany. Be fitiavana sy nanetry tena, ohatra, izy, ka voasarika ho aminy ny mahantra. Nangoraka ny olona tonga teo aminy izy, ka nampionona azy ireo tamin’ny teny mamy sy nanasitrana azy ireo. (Vakio ny Marka 2: 1-5.) Tsy afaka manao fahagagana isika, nefa afaka ny ho be fitiavana sy hanetry tena ary hangoraka. Hahasarika ny olona ho amin’ny fahamarinana izany, araka ny asehon’ity tantara ity:

16 Mipetraka any amin’ny iray amin’ireo nosin’i Kiribati any Pasifika Atsimo ny lahiantitra iray atao hoe Beere. Tsy nety nihaino izy rehefa nitory taminy i Tariua, mpisava lalana manokana. Nangoraka azy i Tariua rahefa nahita fa nalemy izy. Hoy i Tariua: “Efa renao ve ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny marary sy ny antitra?” Namaky andinin-teny avy ao amin’ny faminanian’i Isaia izy avy eo. (Vakio ny Isaia 35:5, 6.) Nahaliana an’ilay rangahy izany, ka hoy izy: “Efa an-taonany maro no namakiako Baiboly, ary nitsidika ahy foana ny misionera iray tao amin’ny fivavahako, saingy mbola tsy hitako mihitsy izany andinin-teny izany.” Nianatra Baiboly i Beere, ary nandroso tsara. Vita batisa izy izao. Mikarakara antoko-mpitory iray izy, ary mitory ny vaovao tsara eran’ilay nosy.

Manahafa hatrany an’i Kristy

17, 18. a) Ahoana no hahatonga antsika ho mpitory mahita vokatra? b) Inona no valisoan’ireo manatontosa tsara ny fanompoany?

17 Maro ny zava-mitranga mahafaly eny amin’ny fanompoana. Hita amin’izany fa afaka ny ho mpitory ny vaovao tsara mahita vokatra isika, raha miezaka manana ny toetran’i Jesosy. Tokony hanahaka azy àry isika, ka hazoto hitory ny vaovao tsara!

18 Nisy olona lasa mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, anisan’izany i Petera. Nanontany an’i Jesosy izy hoe: “Inona no ho azonay?” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.” (Matio 19:27-29) Azo antoka fa ho tanteraka amintsika ireo teny ireo, raha manahaka hatrany an’i Jesosy Kristy, ilay Misionera lehibe indrindra, isika.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ampiofanan’i Jehovah antsika hitory ny vaovao tsara?

• Nahoana no ahitam-bokatra ny fampiasana ny boky Ampianarina?

• Inona avy no toetran’i Jesosy azontsika tahafina, ary ahoana no anehoantsika izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Nanaiky avy hatrany i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona rehefa nasain’i Jesosy hanaraka azy

[Sary, pejy 19]

Lasa mitovy ny fampianarantsika eran-tany noho ny fampiasana boky toy ny “Ampianarina”