Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra Am-panambadiana Ianao

Afaka ny ho Sambatra Am-panambadiana Ianao

Afaka ny ho Sambatra Am-panambadiana Ianao

“Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.”—OHAB. 24:3.

1. Inona no manaporofo fa hendry Andriamanitra tamin’ny fomba nitondrany an’ilay lehilahy voalohany?

MAHAFANTATRA izay mahasoa antsika ilay Raintsika hendry any an-danitra. Hitany, ohatra, fa mba hahatanteraka ny fikasany, dia “tsy tsara raha irery ralehilahy” tao amin’ny Saha Edena. Nataony àry izay hahafahan’ny mpivady hiteraka sy ‘hameno ny tany.’—Gen. 1:28; 2:18.

2. Inona no fandaharana nataon’i Jehovah, mba hahasoa ny olombelona?

2 “Hanaovako vady sahaza ho azy [na famenony] izy”, hoy i Jehovah. Nataony resin-tory i Adama, lehilahy voalohany. Nakany taolan-tehezana ilay vatany lavorary, ary nanamboarany vehivavy natao hoe Eva. Nentiny tany amin’i Adama io vehivavy lavorary io, ka hoy i Adama: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy,’ satria lehilahy no nanalana azy.” Tena famenon’i Adama i Eva. Samy nanana ny toetra nampiavaka azy izy roa, nefa samy lavorary sy natao araka ny endrik’Andriamanitra. I Jehovah àry no nanao ny fanambadiana voalohany. Nanaiky tsara an’izany fandaharana nahafahany nifanampy izany i Adama sy Eva.—Gen. 1:27; 2:21-23.

3. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny fanambadiana? Inona no fanontaniana aterak’izany?

3 Mampalahelo fa maro no tia mikomy ankehitriny. Tsy avy amin’Andriamanitra ny olana aterak’izany. Fanomezana avy aminy ny fanambadiana, nefa maro no tsy manisy vidiny azy io. Efa lany andro, hono, izany sady mandiso fanantenana sy mampifanditra fotsiny. Maro amin’ny mpivady ara-dalàna aza no misaraka. Mety tsy hanehoana fitiavana ny ankizy, ary mety hampiasain’ny mpivady hiarovana ny tombontsoany rehefa miady izy. Ilaina ny mifandefitra mba hisian’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina, nefa maro ny ray aman-dreny tsy mety manao izany. (2 Tim. 3:3) Inona àry no azon’ny mpivady atao, mba ho sambatra am-panambadiana foana izy, amin’izao fotoan-tsarotra izao? Nahoana no ilaina ny mandefitra sy manaiky ny tari-dalan’i Jehovah, mba hisorohana ny fisarahana? Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’ny mpivady sasany, izay sambatra am-panambadiana foana?

Ekeo ny tari-dalan’i Jehovah

4. a) Inona no didy nomen’i Paoly momba ny fanambadiana? b) Ahoana no ataon’ny Kristianina mankatò an’io didy io?

4 Nampitain’ny apostoly Paoly tamin’ny vehivavy maty vady ny didin’Andriamanitra hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” izy ireo, raha manapa-kevitra ny hanambady indray. (1 Kor. 7:39) Tsy vaovao tamin’ny Jiosy lasa Kristianina izany. Nazava tsara ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely hoe tsy tokony ‘hifanambady’ amin’ny firenena mpanompo sampy teo amin’ny manodidina izy ireo. Nohazavain’i Jehovah koa fa mampidi-doza ny fandikana io lalàna io. Hoy izy: “Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy [ny tsy Israelita] mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ka handringana anao vetivety Izy.” (Deot. 7:3, 4) Inona no takin’i Jehovah amin’ny mpanompony ankehitriny amin’io lafiny io? Mazava fa “ao amin’ny Tompo”, izany hoe mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa no tokony hofidiny ho vadiny. Fahendrena ny manaiky ny tari-dalan’i Jehovah momba izany.

5. Ahoana no fiheveran’i Jehovah sy ny mpivady kristianina ny voadim-panambadiana?

5 Masina amin’Andriamanitra ny voadim-panambadiana. Hoy i Jesosy Zanany rehefa niresaka momba ny fanambadiana voalohany: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Nampahatsiahivin’ny mpanao salamo fa zava-dehibe ny voady. Hoy izy: “Manatera fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra; ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.” (Sal. 50:14) Marina fa miandrandra fahasambarana lehibe ny mpivady vao. Zava-dehibe koa anefa ny voady ifanaovan’izy ireo, ary misy andraikitra aterak’izany.—Deot. 23:22.

6. Inona no ianarantsika avy amin’ny modely navelan’i Jefta?

6 Diniho ny nataon’i Jefta, mpitsara teo amin’ny Israely tamin’ny taonjato faha-12 T.K. Nivoady tamin’i Jehovah izy hoe: “Raha hatolotrao eo an-tànako tokoa ny taranak’i Amona, dia ho an’i Jehovah izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra odorana izany.” Nitady fomba hialana tamin’ilay voady ve i Jefta, rehefa hitany fa ny zanany vavitokana no nitsena azy, rehefa nody tany Mizpa izy? Tsia. Hoy kosa izy: “Izaho efa niloa-bava tamin’i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.” (Mpits. 11:30, 31, 35) Nitana ny teny nataony izy, na dia tsy hanan-taranaka handimby ny anarany aza. Marina fa tsy voadim-panambadiana ilay nataon’i Jefta. Afaka manahaka azy anefa ny mpivady kristianina, ka hanefa ny voadin’izy ireo.

Ahoana no hananana fanambadiana vanona?

7. Inona no fanitsiana ilain’ny mpivady vao hatao?

7 Tena tian’ny mpivady maro ny mahatsiaro ny fotoana niarahany talohan’ny fanambadiana. Faly erỳ izy ireo rehefa niezaka nifankahalala! Vao mainka nifankatia izy ireo rehefa niaraka teny. Nisy fanitsiana tsy maintsy nataony anefa taorian’ny fampakaram-bady. Izany no izy, na nisy fotoana niarahany talohan’izay, na tsy nisy satria namboarina ny fanambadiany. Hoy ny lehilahy iray: “Mila mitadidy ianao fa efa tsy mpitovo intsony. Io no sarotra indrindra taminay tamin’izahay vao nivady. Tsy mora ny nandanjalanja ny fifandraisana tamin’ny namana sy ny havana.” Toy izany koa ny lehilahy iray 30 taona nanambadiana. Hitany tamin’izy vao nivady kelikely fa mba hahaizana mandanjalanja, dia ilaina ny mitadidy hoe efa roa izy izao, fa tsy irery intsony. Alohan’ny hanekena hanao zavatra na hanekena fanasana, dia miresaka amin’ny vadiny aloha izy vao manapa-kevitra, ary izay mety amin’izy roa no jereny. Tena ilaina ny mandefitra amin’ny toe-javatra toy izany.—Ohab. 15:22.

8, 9. a) Nahoana no ilaina ny mifampiresaka tsara? b) Amin’ny lafiny inona avy no ilaina ny mandefitra, ary nahoana?

8 Olona roa samy hafa kolontsaina indraindray no lasa mpivady. Vao mainka ilaina amin’izay ny mifampiresaka amim-pahatsorana. Tsy mitovy koa ny fomba filaza zavatra. Hahatakatra kokoa ny fomba fihevitry ny vadinao anefa ianao, raha mandinika ny fomba firesany amin’ny fianakaviany. Tsy izay lazain’ny olona ihany indraindray no ahafantarana izay eritreretiny, fa ny fomba ilazany azy koa. Mety hahalalana zavatra betsaka ny fandinihana ny fomba ilazany zavatra. (Ohab. 16:24; Kol. 4:6) Tena ilaina àry ny fahaiza-mandinika, mba hahitana fahasambarana.—Vakio ny Ohabolana 24:3.

9 Maro no mahatsapa fa tena ilaina ny mandefitra eo amin’ny resaka fialam-boly. Mety ho nanokana fotoana hanaovana fanatanjahan-tena na fialam-boly hafa ny iray amin’ny mpivady, talohan’ny fanambadiana. Mety hilana fanitsiana ve izany izao? (1 Tim. 4:8) Sao dia ilana fanitsiana koa ny fotoana iarahana amin’ny havana? Mila fotoana mantsy ny mpivady mba hanompoany an’i Jehovah sy hiarahany manao zavatra hafa.—Matio 6:33.

10. Hanatsara ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanany efa manambady ny fandeferana. Hazavao.

10 Mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy rehefa manambady, ary toy izany koa ny vehivavy. (Vakio ny Genesisy 2:24.) Mihatra foana anefa ilay didin’Andriamanitra hoe tokony hanaja ny ray aman-dreniny izy ireo. Mbola hisy ihany àry ny fotoana hiarahany amin’ny ray aman-dreniny sy ny rafozany. Hoy ny lehilahy iray, 25 taona nanambadiana: “Sarotra indraindray ny mampifandanja izay irin’ny vadinao sy ilainy, amin’ny zavatra tadiavin’ny ray aman-dreny sy ny iray tam-po ary ny rafozana. Hitako hoe manampy ahy handray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra ny Genesisy 2:24. Marina fa tsy tokony hahafoy ny mpianakavinao ianao, ary manana adidy aminy. Hitako amin’io andininy io anefa fa mbola zava-dehibe kokoa ny fifandraisako amin’ny vadiko.” Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny kristianina mahay mandefitra àry, fa efa manana ny tokantranony ny zanany izao, ary ny zanany lahy (na ny vinantolahiny) no tena tompon’andraikitra amin’ny fitantanana an’io tokantrano io.

11, 12. Nahoana ny mpivady no mila manao fianaram-pianakaviana sy miara-mivavaka?

11 Tena ilaina ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka, ary maro ny fianakaviana kristianina mahita fa marina izany. Mety tsy ho mora ny hanomboka ilay fianarana, na ny hanao azy io foana. Hoy ny lehilahy iray: “Raha azo novana ny lasa, dia ho nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka izahay mivady, hatramin’ny voalohany mihitsy.” Hoy koa izy: “Hitako hoe tena faly ny vadiko, rehefa misy zavatra mahaliana sy manohina ny fony, hitanay amin’ny fianaranay Baiboly. Tena mahafinaritra ahy izany.”

12 Manampy koa ny fiarahana mivavaka. (Rom. 12:12) Rehefa miara-manompo an’i Jehovah ny mpivady, dia mifandray akaiky aminy, ary mampitombo ny fifankatiavan’izy roa izany. (Jak. 4:8) Hoy ny rahalahy iray manambady: “Mila miala tsiny haingana ny mpivady rehefa manao fahadisoana. Tsara koa raha resahiny ao amin’ny vavaka ataony miaraka izany. Asehony amin’izany hoe tena manenina izy, na dia fahadisoana kely fotsiny aza ilay nahasosotra ny vadiny.”—Efes. 6:18.

Mahaiza mifandefitra

13. Inona no torohevitra nomen’i Paoly momba ny firaisan’ny mpivady?

13 Fahita eto amin’ity tontolo adalam-piraisana ity ny fanao sasany, izay mampihen-danja ny fahamendrehan’ny firaisana ara-nofo. Mila mitandrina ny Kristianina manambady mba tsy hanaraka an’izany. Izao no torohevitra nomen’i Paoly: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany. Ny vehivavy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany. Toy izany koa fa ny lehilahy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany.” Nanome tari-dalana mazava koa izy hoe: “Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady, raha tsy efa ifanarahanareo angaha hoe mandritra ny fotoana iray.” Nahoana? Hoy izy: “Mba hanokananareo fotoana ho amin’ny vavaka ka hiaraka indray ianareo avy eo, sao haka fanahy anareo foana i Satana noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena.” (1 Kor. 7:3-5) Niresaka momba ny vavaka i Paoly eo, ary hita amin’izany hoe inona no tena zava-dehibe amin’ny Kristianina. Nasehony mazava tsara koa anefa fa tokony hiahy izay ilain’ny vadiny eo amin’ny resaka firaisana ny Kristianina, sady hihevitra ny fihetseham-pony.

14. Ahoana no azo ampiharana ny toro lalan’ny Soratra Masina eo amin’ny firaisana ara-nofo?

14 Tsy tokony hifampihafahafa ny mpivady fa hiresaka tsara momba ny firaisana. Tokony ho takany fa mety hahita olana izy, raha tsy atao amim-pitiavana izy io. (Vakio ny Filipianina 2:3, 4; ampitahao amin’ny Matio 7:12.) Izany no mitranga eo amin’ny mpivady sasany tsy mitovy finoana. Na misy aza anefa ny tsy fifanarahana, dia afaka manatsara zavatra ilay Kristianina, raha tsy miala amin’ny fitondran-tena mendrika, tsara fanahy, ary miezaka hanome fahafaham-po ny vadiny. (Vakio ny 1 Petera 3:1, 2.) Manampy eo amin’ny resaka firaisana àry ny fitiavana an’i Jehovah sy ny vady ary ny fanehoana fandeferana.

15. Mila mifanaja ny mpivady mba ho sambatra. Ahoana no anaovany izany?

15 Manaja ny vadiny amin’ny lafin-javatra hafa koa ny lehilahy tsara fanahy. Mihevitra ny fihetseham-pony izy, ohatra, na dia amin-javatra madinika aza. “Mbola miana-javatra foana aho amin’io lafiny io”, hoy ny lehilahy iray, 47 taona nanambadiana. Ampirisihina hanaja fatratra ny vadiny koa ny vehivavy kristianina. (Efes. 5:33) Tena tsy manaja ny vadiny izy, raha manakiana azy, na manasongadina ny kilemany eo imason’olona. Mampahatsiahy antsika ny Ohabolana 14:1 hoe: “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.”

Aza milefitra amin’ny Devoly mihitsy

16. Ahoana no azon’ny mpivady ampiharana ny Efesianina 4:26, 27?

16 “Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Afaka manampy ny mpivady handamina tsy fifanarahana na hisoroka an’izany ny fampiharana an’ireo teny ireo. Hoy ny anabavy iray: “Mbola tsy nisy fotoana hoe tsy nifanaraka izahay mivady, ka tsy niresaka momba an’ilay izy, na dia ora maro aza izany vao voalamina.” Hatrany am-boalohany mihitsy izy mivady no efa tapa-kevitra fa raha misy ny tsy fifanarahana, dia handamina an’izany izy aloha vao matory. Hoy ilay anabavy: “Nanapa-kevitra izahay fa na inona na inona olana mipoitra, dia hifamela sy hanadino izay fahadisoana natao, mba ho fiaingana vaovao indray ny ampitso.” Tsy ‘nanome toerana ho an’ny Devoly’ mihitsy izy ireo.

17. Inona no hanampy ny mpivady, na dia toa tsy mifanentana tsara aza izy ireo?

17 Ahoana anefa raha tsy naneho fahendrena ianao rehefa nifidy vady? Tsy mifankatia be toy ny mpivady hafa angamba ianareo. Na izany aza, dia afaka manampy anao ny fitadidiana ny fiheveran’ny Mpamorona ny fanambadiana. Nahazo ny fanahy masina i Paoly, mba hanoro hevitra ny Kristianina hoe: “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Heb. 13:4) Aza hadinoina koa ilay hoe: “Ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.” (Mpit. 4:12) Raha samy mihevitra ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah ho zava-dehibe ny mpivady, dia mifikitra amin’ny vadiny sy amin’Andriamanitra. Tokony hanao izay hahavanona ny tokantranony izy, satria hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay nanao ny fanambadiana, izany.—1 Pet. 3:11.

18. Inona no azo antoka, raha ny fanambadiana no resahina?

18 Azo antoka fa afaka ny ho sambatra am-panambadiana ny Kristianina. Mila ezaka izany. Ilaina koa ny maneho toetra kristianina, toy ny fandeferana. Maro ny mpivady eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, no afaka manamarina fa azo atao tsara mihitsy izany.

Ahoana no Havalinao?

• Azo atao tsara ny ho sambatra am-panambadiana. Nahoana?

• Inona no azo atao mba hahavanona ny fanambadiana?

• Inona avy no toetra tokony hananan’ny mpivady?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Fahendrena ny mifampiresaka alohan’ny hanekena fanasana na hanaovana fotoana amin’olona

[Sary, pejy 10]

Iezaho alamina ny androtr’iny ny tsy fifanarahana, mba tsy ‘hanomezana toerana ny Devoly’