Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Iza Aminareo no Hendry sy Mahira-tsaina?”

“Iza Aminareo no Hendry sy Mahira-tsaina?”

“Iza Aminareo no Hendry sy Mahira-tsaina?”

“Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy haneho ny asany amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsara, ka haneho izany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.”—JAK. 3:13.

1, 2. Inona no azo lazaina momba ny olona maro heverina ho hendry?

IZA no tena olon-kendry, araka ny hevitrao? Ny ray aman-dreninao ve? Sa ny lehilahy iray zokiolona? Sa ny mpampianatra iray any amin’ny oniversite? Mety hisy heriny eo amin’ny fiheveranao momba ny hoe olon-kendry ny fanabeazana azonao sy ny zavatra iainanao. Ny fiheveran’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe amin’ny mpanompony.

2 Tsy izay rehetra heverin’izao tontolo izao ho hendry no hendry amin’Andriamanitra. Nihevi-tena ho hendry, ohatra, ireo lehilahy niresaka tamin’i Joba. Hoy anefa i Joba: “Tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.” (Joba 17:10) Hoy koa ny apostoly Paoly momba ny olona sasany nanda ny fahalalana an’Andriamanitra: “Na dia nanizingizina aza izy ireo fa hendry, dia nanjary adala.” (Rom. 1:22) Ary tsy nihambahamba i Jehovah rehefa nilaza tamin’i Isaia mpaminany hoe: “Lozan’izay manao azy ho hendry.”—Isaia 5:21.

3, 4. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho tena hendry?

3 Ilaintsika ny mamantatra hoe inona no hanampy antsika ho tena hendry ka hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 9:10 momba izany: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” Tsy maintsy matahotra an’Andriamanitra sy manaja ny fitsipiny ny olona hendry. Tsy ampy anefa ny manaiky hoe misy Andriamanitra ary manana fitsipika. Nampisaintsaina antsika momba izany i Jakoba mpianatr’i Jesosy. (Vakio ny Jakoba 3:13.) Mariho ilay teniny hoe: “Aoka izy haneho ny asany amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsara.” Tokony ho hita amin’ny tenintsika sy ny ataontsika isan’andro ny tena fahendrena.

4 Mahay mitsara zavatra sady mahay mampiasa tsara ny fahalalany sy ny fahaizany misaina ny olona tena hendry. Ahoana no hahitana raha manana izany fahendrena izany isika? Nitanisa toetra maromaro tokony hiharihary amin’ny zavatra ataon’ny olona hendry i Jakoba. * Inona no zavatra nolazainy, ka afaka manampy antsika hifandray tsara amin’ny mpiray finoana sy ny olona tsy Vavolombelona?

Miseho amin’ny atao ny tena fahendrena

5. Manao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona hendry?

5 Mariho fa nampifandraisin’i Jakoba tamin’ny fitondran-tena tsara ny fahendrena. Miezaka mampifanaraka ny fitondran-tenany amin’ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fomba fanaovany zavatra ny olona hendry, satria ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Tsy vao teraka isika dia manana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Lasa manana izany kosa isika rehefa mianatra sy misaintsaina tsy tapaka ny Baiboly. Hanampy antsika “hanahaka an’Andriamanitra” izany. (Efes. 5:1) Vao mainka hiseho amin’ny ataontsika ny fahendrentsika, rehefa manahaka bebe kokoa an’i Jehovah isika. Ambony lavitra noho ny lalan’olombelona ny lalan’i Jehovah. (Isaia 55:8, 9) Ho hitan’ny olona tsy Vavolombelona hoe miavaka isika, raha manahaka ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra.

6. Nahoana ny fananana fahalemem-panahy no manaporofo fa manahaka an’Andriamanitra isika, ary ahoana no ampisehoantsika an’io toetra io?

6 Milaza i Jakoba fa fomba iray anahafana an’i Jehovah ny fananana “fahalemem-panahin’ny fahendrena.” Mahay mandanjalanja ny Kristianina malemy fanahy, satria sady tsara fanahy no hentitra amin’ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly. Malemy fanahy Andriamanitra na dia tena mahery aza, ka tsy matahotra manatona azy isika. Nanahaka ny fahalemem-panahiny ny Zanany, ka afaka nilaza hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:28, 29; Fil. 2:5-8.

7. Nahoana i Mosesy no ohatra tsara amin’ny fahalemem-panahy?

7 Miresaka olona sasany tena nalemy fanahy ny Baiboly. Anisan’izany i Mosesy. Nanana andraikitra lehibe izy, nefa lazain’ny Baiboly fa “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nom. 11:29; 12:3) Aza hadinoina fa nomen’i Jehovah herim-po hanaovana ny sitrapony izy. Faly i Jehovah nampiasa olona malemy fanahy, mba hanatanterahana ny fikasany.

8. Inona no hanampy ny olona tsy lavorary haneho “fahalemem-panahin’ny fahendrena”?

8 Hita àry fa afaka maneho “fahalemem-panahin’ny fahendrena” ny olona tsy lavorary. Ahoana ny amintsika? Inona no azontsika atao mba hanehoana bebe kokoa an’io toetra io? Anisan’ny vokatry ny fanahy masin’i Jehovah izy io. (Gal. 5:22, 23) Afaka mivavaka mba hahazo ny fanahiny àry isika, sy miezaka mafy hanana ny vokatr’izy io, sady matoky fa hanampy antsika halemy fanahy bebe kokoa Andriamanitra. Manana antony lehibe hanaovana izany isika, satria nanome toky ny mpanao salamo hoe: “Mampianatra ny mpandefitra [na malemy fanahy] ny làlany” Andriamanitra.—Sal. 25:9.

9, 10. Inona no ezaka ilaina hatao mba hanehoana fahalemem-panahy, ary nahoana?

9 Mety hilaina anefa ny ezaka mafy mba hananana fahalemem-panahy. Sarotra amin’ny sasany angamba ny halemy fanahy, noho ny fomba nitaizana azy. Mety hampirisika antsika hasiaka koa ny manodidina. Fahendrena ve anefa ny masiaka? Raha manomboka mirehitra ny tranonao, lasantsy ve no hanondrahanao azy sa rano? Vao mainka hampiredareda azy ny lasantsy. Hamono ilay afo kosa ny rano. Manoro hevitra antsika toy izao ny Baiboly: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohab. 15:1, 18) Tena hendry àry isika raha malemy fanahy foana rehefa misy zavatra mahasosotra, na eo anivon’ny fiangonana izany na any ivelany.—2 Tim. 2:24.

10 Hitantsika teo fa misy vokany eo amin’ny olona maro ny toe-tsain’ity tontolo ity. Tsy mba malemy fanahy sy tia fihavanana izy ireo, fa masiaka sy miavonavona. Fantatr’i Jakoba izany, ka nasainy niaro tena tamin’izany toe-tsaina izany ireo olona teo anivon’ny fiangonana. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny toroheviny?

Toetra mampiavaka ny olona tsy manam-pahendrena

11. Inona avy ireo toetra mifanohitra amin’ny fahendrena avy any ambony?

11 Noresahin’i Jakoba mazava tsara ireo toetra mifanohitra amin’ny fahendrena avy any ambony. (Vakio ny Jakoba 3:14.) Izany dia ny fialonana sy ny fifandirana, izay toetra araka ny nofo fa tsy araka ny fanahy. Diniho izay mitranga rehefa manjaka ny toe-tsaina araka ny nofo. Nifanditra foana ny antokon’olona enina, mitonona ho Kristianina, nifehy ny Eglizin’ny Fasana Masina any Jerosalema. Heverin’ny olona sasany fa eo amin’ny toerana misy an’io Eglizy io no namonoana sy nandevenana an’i Jesosy. Nilaza ny gazety Fotoana (anglisy) tamin’ny 2006, fa “niady nandritra ny ora maro” ireo moanina tao amin’ilay Eglizy, ary “nifamely tamin’ny fitoeran-dabozia lehibe.” Tsy nifampatoky izy ireo, ka Silamo iray no nasaina nitahiry ny lakilen’ny Eglizy.

12. Inona no mety hitranga rehefa tsy eo ny fahendrena?

12 Tsy tokony ho hita eo anivon’ny fiangonan’ny tena Kristianina mihitsy ny fifandirana be toy izany. Mety hisy hiziriziry amin’ny heviny anefa indraindray noho ny tsy fahalavorariana, ka hampisy ady sy fifandirana. Nahamarika toe-javatra toy izany ny apostoly Paoly teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, ka hoy izy: “Raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo ve ianareo sady mandeha araka ny fanaon’ny olona?” (1 Kor. 3:3) Nitohy elaela teo anivon’io fiangonana tamin’ny taonjato voalohany io izany toe-javatra mampalahelo izany. Aoka àry isika hitandrina mba tsy hisy toe-tsaina toy izany eo anivon’ny fiangonana ankehitriny.

13, 14. Milazà toe-javatra mety hisehoan’ny toe-tsaina araka ny nofo.

13 Ahoana no mety hisian’ny toe-tsaina toy izany eo anivon’ny fiangonana? Zavatra kely angamba no hanombohany. Aoka hatao hoe misy Efitrano Fanjakana aorina, ary tsy mitovy hevitra ireo rahalahy mahakasika ny fomba fiasa. Mety tsy ho faly ny rahalahy iray rehefa tsy ekena ny heviny, ka himenomenona hanakiana ny fanapahan-kevitra noraisina. Mety tsy hanaiky hiasa amin’ilay tetikasa mihitsy aza izy! Izao no hadinon’ny olona toy izany: Tsy ny fomba fanaovan-javatra mazàna no tena mampandroso ny asa eo anivon’ny fiangonana, fa ny fihavanana. Ireo malemy fanahy no hotahin’i Jehovah fa tsy ireo tia mifanditra.—1 Tim. 6:4, 5.

14 Aoka hatao hoe hitan’ny anti-panahin’ny fiangonana, fa tsy mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina intsony ny anti-panahy iray efa nanompo an-taonany maro. Fantatry ny mpiandraikitra ny faritra fa efa nomena torohevitra voafaritra tsara izy, nefa tsy niova. Nekeny koa àry ny hanesorana azy io tsy ho anti-panahy. Ahoana no handraisan’ilay rahalahy izany? Hanaiky ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy sy ny torohevitra ara-baiboly nomena azy ve izy? Hanetry tena sy halemy fanahy ve izy, ka ho tapa-kevitra hameno ny fepetra ara-baiboly takina, mba hahatongavany ho anti-panahy indray? Sa izy hitahiry lolompo sy hialona satria tsy anti-panahy intsony? Mbola hanizingizina ihany ve izy fa mahafeno ny fepetra takina amin’ny anti-panahy, na dia efa tsy mahafeno izany intsony aza? Hendry izy raha manetry tena, ka manaiky ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy sy mampihatra ny torohevitr’izy ireo.

15. Nahoana no zava-dehibe aminao ny torohevitr’Andriamanitra ao amin’ny Jakoba 3:15, 16?

15 Marina fa mety hisy toe-javatra hafa mahatonga ny olona hialona sy ho tia mifanditra. Ilaintsika foana anefa ny miezaka mafy mba hanalavitra ny toetra toy izany. (Vakio ny Jakoba 3:15, 16.) Nantsoin’i Jakoba mpianatra hoe “avy eto an-tany” ireo toetra ireo, satria tsy mifanaraka amin’ny fahendrena avy any ambony. “Araka ny nofo” koa ireo, izany hoe vokatry ny fanirian’ny nofo mpanota sady mitovy amin’ny toetran’ny biby tsy misaina. “Araka ny demonia” koa ireo toetra ireo, satria mampiseho ny toetran’ireo anjely fahavalon’Andriamanitra. Tena tsy mety amin’ny Kristianina ny manana ireo toetra ireo!

16. Inona no fiovana ilaintsika hatao, ary ahoana no hahavitana izany?

16 Tsara raha mandini-tena isika tsirairay, ary miezaka manaisotra ny toetra toy ireo. Tokony hanao izany koa ny mpiandraikitra, satria mpampianatra ny fiangonana. Tsy mora izany noho ny tsy fahalavorariantsika sy ny fitaoman’ity tontolo ity. Azo oharina amin’ny fianihana tendrombohitra misy fotaka malama izany. Hibolisatra hiverina isika raha tsy manan-javatra hamikirana. Toy izany koa, fa mila mifikitra mafy amin’ny torohevitry ny Baiboly sy miantehitra amin’ny fanampian’ny fiangonan’Andriamanitra eran-tany isika, mba handrosoana hatrany.—Sal. 73:23, 24.

Toetra iezahan’ny hendry hananana

17. Manao ahoana matetika ny fihetsiky ny olona hendry rehefa alaim-panahy hanao ratsy?

17 Vakio ny Jakoba 3:17. Mahasoa antsika ny mandinika ny toetra sasany vokatry “ny fahendrena avy any ambony.” Madio isika raha tsy misy tsiny ny fitondran-tenantsika sy ny antony anaovantsika zavatra. Tokony handa avy hatrany ny zava-dratsy isika, ary tokony handeha ho azy izany. Mety ho efa sendra nahakasika zavatra mahamay ianao. Tsy mila mieritreritra akory ianao fa esorinao avy hatrany ny tananao. Toy izany koa no tokony ho fihetsitsika rehefa alaim-panahy hanao ratsy. Tokony handrisika antsika handa avy hatrany ny zava-dratsy ny fahadiovantsika sy ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly. (Rom. 12:9) Misy olona nanao toy izany voatantara ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Josefa sy Jesosy.—Gen. 39:7-9; Matio 4:8-10.

18. Inona no atao hoe a) tia fihavanana? b) mpampihavana?

18 Tokony ho tia fihavanana koa isika, raha manana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Tsy masiaka na tia ady na manao zavatra manimba fihavanana ny olona tia fihavanana. Nanazava izany i Jakoba rehefa nilaza hoe: “Ny voan’ny fahamarinana dia afafy amim-pihavanana ho an’ny mpampihavana.” (Jak. 3:18) Mariho ilay teny hoe “mpampihavana.” Malaza ho mpampihavana ve isika eo anivon’ny fiangonana, sa mpila ady na mpampiady? Tsy mifanaraka matetika amin’ny hafa ve isika, satria mora tezitra na tia manafintohina azy ireo? Terentsika hanaiky ny toetrantsika ve ny hafa, sa manetry tena isika ka miezaka manaisotra izay toetrantsika hitan’ny hafa ho tena manafintohina? Fantatra ho mpitandro fihavanana sy tia mamela heloka ary manadino ny fahadisoan’ny hafa ve isika? Raha mandini-tena amim-pahatsorana isika, dia hahita izay tokony hohatsaraina amin’ny toetrantsika, mba hanehoantsika ny fahendrena avy any ambony.

19. Ahoana no ahafantarana ny olona mahay mandefitra?

19 Nilaza koa i Jakoba fa mandefitra ny olona manana ny fahendrena avy any ambony. Mora milefitra ve isika fa tsy miziriziry amin’ny hevitsika, rehefa tsy misy toro lalan’ny Baiboly voadika? Malaza ho tsara fanahy sy mora iresahana ve isika? Raha izany no izy dia hita fa efa nianatra nandefitra isika.

20. Inona no vokany raha manana ireo toetra tsara nodinihintsika teo isika?

20 Tena hahafinaritra ny fifandraisana eo anivon’ny fiangonana, raha miezaka manana ireo toetran’Andriamanitra notanisain’i Jakoba ny rahalahy sy anabavy! (Sal. 133:1-3) Azo antoka fa hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa, raha malemy fanahy sy tia fihavanana ary mandefitra isika. Hiharihary koa fa manana ny “fahendrena avy any ambony” isika. Manampy antsika hanana ireo toetra tsara ireo ny fiezahana hanahaka ny fomba fiheveran’i Jehovah ny olona. Handinika momba izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Asehon’ny teny manodidina fa ireo anti-panahy na “mpampianatra” teo anivon’ny fiangonana, no tena tao an-tsain’i Jakoba rehefa nanoratra izy. (Jak. 3:1) Izy ireo no tena tokony ho modely amin’ny fanehoana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Natao ho antsika rehetra koa anefa ny toroheviny.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no manampy ny Kristianina iray ho tena hendry?

• Ahoana no anehoantsika bebe kokoa ny “fahendrena avy any ambony”?

• Inona no toetra mampiavaka ny olona tsy manana ny “fahendrena avy any ambony”?

• Inona no toetra tianao hiezahana hananana bebe kokoa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona no mety hahatonga ady?

[Sary, pejy 24]

Mandà avy hatrany ny zava-dratsy ve ianao?