Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandefera, Mahaiza Mandanjalanja

Mandefera, Mahaiza Mandanjalanja

Mandefera, Mahaiza Mandanjalanja

“Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba ... handefitra.”—TIT. 3:1, 2.

1, 2. Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ny hoe mandefitra? Nahoana izany no mety?

FARAN’IZAY hendry i Jehovah Raintsika be fitiavana any an-danitra. Izy no namorona antsika, ka mila tari-dalana avy aminy isika. (Sal. 48:14) Milaza i Jakoba mpianatra fa ‘ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mandefitra, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy.’—Jak. 3:17.

2 Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja [na mandefitra] ianareo.” * (Fil. 4:5) Midika koa hoe manaiky tanteraka ny fahefana ilay hoe “mandefitra.” Tompo sy Lohan’ny fiangonana kristianina i Kristy Jesosy. (Efes. 5:23) Azo lazaina hoe mahay mandanjalanja na mandefitra àry isika tsirairay, rehefa manaiky ny fitarihany sy mandefitra amin’ny hafa.

3, 4. a) Milazà ohatra mampiseho fa mitondra soa ny fandeferana. b) Inona izao no hodinihintsika?

3 Mitondra soa ny fandeferana. Rehefa fantatra, ohatra, fa saika hisy hanao asa fampihorohoroana tany Grande-Bretagne, dia napetraka ny lalàna fa misy karazan-javatra tsy azo entina eny ambonin’ny fiaramanidina. Nanaiky ny ankamaroan’ny mpandeha, ary voaro izy ireo noho izany. Rehefa mifandefitra koa ny mpamily fiara, dia voasoroka ny loza ary mizotra tsara ny fifamoivoizana.

4 Tsy mora amin’ny ankamaroantsika anefa ny mandefitra. Mba hanampiana antsika àry, dia hodinihintsika ireto: Nahoana no ilaina ny mandefitra? Ahoana no tokony hatao manoloana an’ireo manana fahefana? Ary hatraiza no fetran’ny fandeferana?

Nahoana no ilaina ny mandefitra?

5. Inona no mety ho nahatonga ny andevo hebreo hijanona amin’ny tompony?

5 Manasongadina antony tsara tokony handeferana ny zava-nitranga teo amin’ny Israely. Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy maintsy afahana ny andevo hebreo amin’ny taona fahafito nanandevozana azy, na mandritra ny taona Jobily. Izay tonga voalohany amin’ireo no anafahana azy. Afaka nifidy ny hijanona ho andevo anefa izy. (Vakio ny Eksodosy 21:5, 6.) Nahoana? Ny fitiavana no nahatonga azy hijanona eo ambany fahefan’ilay tompony tsara fanahy.

6. Inona no ifandraisan’ny fitiavana sy ny fandeferana?

6 Ny fitiavana an’i Jehovah koa no mahatonga antsika hanolo-tena ho azy, sy hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. (Rom. 14:7, 8) Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Tsy mitady izay hahasoa ny tenany io fitiavana io. (1 Kor. 13:4, 5) Noho ny fitiavana, dia mandefitra isika ka mihevitra ny tombontsoan’ny hafa alohan’ny antsika. Tsy tia tena isika, fa mihevitra izay hahasoa azy.—Fil. 2:2, 3.

7. Nahoana no ilaina ny fandeferana eo amin’ny fanompoantsika?

7 Tsy tokony hanafintohina na ny tenintsika na ny ataontsika. (Efes. 4:29) Misy olona tsy mitovy fiaviana na kolontsaina amintsika. Atosiky ny fitiavana isika, ka tsy hanao zavatra mety hisakana azy ireny tsy ho lasa mpanompon’i Jehovah. Ilana fandeferana izany matetika. Mety hisy anabavy misionera, ohatra, zatra manao makiazy. Tsy mikiry manao izany anefa izy, raha mety hanafintohina izany, na hahatonga ny olona ao amin’ny faritany hihevitra azy ho ratsy fitondran-tena.—1 Kor. 10:31-33.

8. Nahoana ny fitiavana an’Andriamanitra no manampy antsika hitondra tena toy ny “kely indrindra”?

8 Manampy antsika tsy hanambony tena ny fitiavana an’i Jehovah. Nifanditra ny mpianatr’i Jesosy indray mandeha hoe iza taminy no lehibe indrindra. Naka zaza àry i Jesosy, ka nataony teo afovoan’izy ireo, ary hoy izy: “Izay mandray ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’ilay naniraka ahy. Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” (Lioka 9:48; Marka 9:36) Tena mety ho sarotra amintsika ny hitondra tena toy ny “kely indrindra.” Nandova tsy fahalavorariana isika, ary efa ao amintsika ny faniriana ho ambony, ka mety hitady hanandra-tena isika. Hanampy antsika hampandefitra ny hambom-po anefa ny fanetren-tena.—Rom. 12:10.

9. Inona no tsy maintsy ekentsika, raha te handefitra isika?

9 Tsy maintsy manaiky ny fahefana napetrak’Andriamanitra koa isika, raha te handefitra. Eken’ny Kristianina rehetra fa tena ilaina ny manaiky ny fahefan’izay lohany. Nanazava izany tamin’ny Korintianina ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.”—1 Kor. 11:3.

10. Manaporofo inona ny fanekentsika ny fahefan’i Jehovah?

10 Manaporofo ny fatokisantsika an’ilay Raintsika be fitiavana isika, rehefa manaiky ny fahefany. Mahalala izay rehetra mitranga izy, ary afaka mamaly soa antsika mifanaraka amin’izany. Hahay handefitra isika raha mitadidy izany, rehefa misy olona tsy manaja antsika, na misafoaka amintsika. Hoy i Paoly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” Nanamafy izany tamin’izao didy izao izy: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ”—Rom. 12:18, 19.

11. Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky ny fahefan’i Kristy isika?

11 Mila manaja ny fahefana napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana koa isika. Milaza ny Apokalypsy toko 1 fa eny an-tanana ankavanan’i Kristy Jesosy ny ‘kintan’ny’ fiangonana. (Apok. 1:16, 20) Ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana ireo “kintana” ireo, amin’ny heviny ankapobeny. Manaiky ny fitarihan’i Kristy ireo mpiandraikitra voatendry ireo, ary tsara fanahy toa azy rehefa mifandray amin’ny hafa. Nanendry ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hizara sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety i Jesosy, ary tokony hanaiky izany ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. (Matio 24:45-47) Hita fa manaiky ny fahefan’i Kristy isika tsirairay, rehefa vonona hianatra sy hampihatra izay ianarantsika avy amin’ireny sakafo ara-panahy ireny. Mampisy fihavanana sy firaisan-tsaina izany.—Rom. 14:13, 19.

Hatraiza ny fetrany?

12. Nahoana no misy fetrany ny fandeferana?

12 Tsy midika hoe mampandefitra ny finoana na ny toro lalan’Andriamanitra anefa ny hoe mandefitra. Inona no nataon’ny Kristianina voalohany, rehefa nandidy azy tsy hampianatra tamin’ny anaran’i Jesosy ny mpitondra fivavahana? Sahy nilaza i Petera sy ny apostoly hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” (Asa. 4:18-20; 5:28, 29) Tohizintsika foana àry ny asantsika, rehefa manery antsika hampitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsara ny fitondrana. Mety hovantsika fotsiny ny fomba fiasantsika, mba tsy ho voamariky ny olona loatra. Raha misy lalàna mametra ny fitoriana isan-trano, dia mety hitady fomba hafa hihaonana amin’ny olona isika, ary hankatò foana an’Andriamanitra izay naniraka antsika. Raha mandrara ny fivoriana koa ny “manam-pahefana”, dia hanao izany ihany isika fa tsy hisehoseho ary vitsivitsy no hiara-mivory.—Rom. 13:1; Heb. 10:24, 25.

13. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fanekena ny manam-pahefana?

13 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, fa ilaina ny manaiky ny manam-pahefana. Hoy izy: “Raha misy te hitory anao any amin’ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, dia omeo azy koa ny akanjonao ivelany. Ary raha misy manana fahefana ka manery anao handeha iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:40, 41) * Manisy fiheverana ny olona isika sady maniry hanampy azy, ka mahafoy tena hanao mihoatra noho izay angatahiny. Toy ny hoe mandeha iray kilaometatra fanampiny isika amin’izay.—1 Kor. 13:5; Tit. 3:1, 2.

14. Nahoana isika no tsy tokony hilefitra amin’ny mpivadi-pinoana mihitsy?

14 Na maniry handefitra aza isika, dia tsy tokony hilefitra amin’ny mpivadi-pinoana mihitsy. Tokony hazava sy ho hentitra ny fanapahan-kevitsika amin’io lafiny io, mba ho voaro ny fahadiovan’ny fahamarinana sy ny firaisan-tsain’ny fiangonana. Hoy i Paoly momba ny “rahalahy sandoka”: “Tsy nilefitra tamin’izy ireo na nanaiky azy ireo izahay, na ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny vaovao tsara eo aminareo.” (Gal. 2:4, 5) Ho tapa-kevitra ny tsy hiala amin’ny marina ny Kristianina tsy mivadika, raha sanatria misy fivadiham-pinoana.

Mila mandefitra ny mpiandraikitra

15. Mila mandefitra ny anti-panahy mandritra ny fivoriany. Ahoana no anaovany izany?

15 Anisan’ny fepetra takina amin’ireo tendrena ho mpiandraikitra ny fandeferana. Hoy i Paoly: ‘Ny mpiandraikitra dia tokony ho mpandefitra.’ (1 Tim. 3:2, 3) Tena ilaina izany, indrindra rehefa miara-midinika raharaha momba ny fiangonana ireo rahalahy voatendry. Afaka milaza mazava tsara ny heviny izy rehetra, alohan’ny hanapahana hevitra, na dia tsy voatery hiteny daholo aza. Mety hisy hiova hevitra, rehefa manasongadina toro lalana ara-baiboly mihatra amin’ilay raharaha ny sasany. Mandefitra ny anti-panahy matotra, fa tsy mikiry manohitra ny hevitry ny hafa, na miziriziry amin’ny heviny. Marina fa mety tsy hitovy hevitra izy ireo amin’ny voalohany. Mampiray saina ny anti-panahy manetry tena sy mandefitra anefa ny vavaka sy ny fisaintsainana.—1 Kor. 1:10; vakio ny Efesianina 4:1-3.

16. Inona no tokony ho hita taratra eo amin’izay ataon’ny mpiandraikitra?

16 Tokony hanaiky ny fahefan’i Jehovah ny anti-panahy eo amin’izay rehetra ataony. Tokony ho hita taratra izany, na dia eo amin’ny fikarakarany ny andian’ondry aza. Hanampy azy hanisy fiheverana azy ireo sy ho tsara fanahy aminy izany. Hoy i Petera: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa.”—1 Pet. 5:2.

17. Inona no azon’ny rehetra atao, mba ho hita taratra fa mandefitra izy rehefa mifandray amin’ny hafa?

17 Mankasitraka ny fanampiana sarobidy omen’ny tanora kokoa noho izy ny zokiolona, ary manaja azy ireny. Ny tanora kosa manaja ny be taona. Mety ho efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro izy ireny, ka mahalala zavatra betsaka. (1 Tim. 5:1, 2) Mitady lehilahy mahafeno fepetra ny anti-panahy, mba hizarana andraikitra. Mampiofana azy ireny mba hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo amin’izany. (2 Tim. 2:1, 2) Tokony ho zava-dehibe amin’ny Kristianina rehetra izao torohevitra nampanoratin’Andriamanitra an’i Paoly izao: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.”—Heb. 13:17.

Mila mandefitra ny mpianakavy

18. Nahoana ny mpianakavy no mila mandefitra?

18 Ilaina koa ny mandefitra eo anivon’ny fianakaviana. (Vakio ny Kolosianina 3:18-21.) Resahin’ny Baiboly ny andraikitry ny tsirairay eo anivon’ny fianakaviana kristianina. Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, sady tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanomezana tari-dalana ny ankizy. Tokony hanaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy. Ny ankizy kosa tokony hiezaka hankatò, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany. Afaka manao izay hisian’ny firaisan-tsaina sy fihavanana ao an-tokantrano ny tsirairay, raha mandefitra araka ny tokony ho izy. Misy ohatra manazava izany ao amin’ny Baiboly.

19, 20. a) Inona no tsy mampitovy ny fandeferana nasehon’i Ely sy Jehovah? b) Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’ireo ohatra ireo?

19 I Ely no mpisoronabe teo amin’ny Israely, tamin’i Samoela mbola kely. “Tena ratsy fanahy” anefa i Hofinia sy Finehasa zanany, sady “tsy nahalala an’i Jehovah.” Ren’i Ely ny ratsy nataon’izy ireo, anisan’izany ny nijangajangany tamin’ny vehivavy nanompo teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Ahoana no nataony? Nilaza tamin’ny zanany izy fa tsy misy afaka mivavaka ho azy ireo, raha nanota tamin’i Jehovah izy ireo. Tsy nanitsy na nanafay ny zanany anefa izy, ka mbola nanao ratsy ihany izy ireo. Rariny àry raha nanapa-kevitra i Jehovah fa hovonoina ho faty izy roa lahy. Maty i Ely raha vao nandre fa maty ny zanany. Nampalahelo tokoa izany! Tsy araka ny tokony ho izy àry ny fandeferan’i Ely tamin’ny ratsy nataon’ny zanany. Toy ny hoe navelany hanaram-po izy ireo.—1 Sam. 2:12-17, 22-25, 34, 35; 4:17, 18.

20 Diniho kosa anefa ny nataon’Andriamanitra tamin’ireo zanany any an-danitra. Nahazo fahitana mahavariana i Mikaia mpaminany: Nivory i Jehovah sy ny anjely. Nanontany i Jehovah hoe iza amin’izy ireo no hamitaka an’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely, ka hahalavo azy. Nihaino ny soso-kevitra samy hafa naroson’ireo zanany ireo izy. Nanolo-tena hamitaka an’i Ahaba ny anjely iray, ary nanontanian’i Jehovah azy ny fomba hanaovany izany. Nahafa-po an’i Jehovah ilay izy, ka navelany hotanterahiny. (1 Mpanj. 22:19-23) Tsy mianatra ny atao hoe mandefitra ve ny mpianakavy amin’izany? Tsara raha mandinika ny hevitra sy ny soso-kevitry ny vady aman-janany ny lehilahy kristianina. Rehefa avy milaza ny heviny na izay mba tiany kosa izy ireo, dia mety hila ny handefitra mba hanajana ny fanapahan-kevitry ny lehilahy. Milaza mantsy ny Soratra Masina fa izy no manana fahefana hanao izany.

21. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Hendry sy tia antsika tokoa i Jehovah, ka mampahatsiahy antsika mba handefitra! Ankasitrahantsika izy noho izany. (Sal. 119:99) Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa mahatonga ny mpivady hahita fifaliana ny fandeferana araka ny tokony ho izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Sarotra ny mahita teny tokana handikana an’io teny nampiasain’ny apostoly Paoly io. Hoy ny boky iray: “Ny dikan’izy io dia hoe vonona hampandefitra ny zon’ny tena, ary manisy fiheverana ny hafa sy tsara fanahy aminy.” Izy io àry dia midika hoe mandefitra sy mahay mandanjalanja, ka tsy manizingizina ny hampiharana ny lalàna amin’ny fomba hentitra be, na mitaky ny zon’ny tena.

^ feh. 13 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana ‘Raha Teren’ny Manam-pahefana’ Hanao Zavatra Ianao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2005, pejy 23-26.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no soa entin’ny fandeferana?

• Ahoana no ampisehoan’ny mpiandraikitra fa mandefitra izy?

• Nahoana ny mpianakavy no mila mandefitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Tsara fanahy toa an’i Kristy ny anti-panahy rehefa mifandray amin’ny hafa

[Sary, pejy 6]

Mampiray saina ny anti-panahy ny vavaka sy ny fisaintsainana ary ny fandeferana