Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihaino ny Fitarainantsika i Jehovah

Mihaino ny Fitarainantsika i Jehovah

Mihaino ny Fitarainantsika i Jehovah

“Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.”—SAL. 34:15.

1, 2. a) Inona no tsapan’ny olona maro ankehitriny? b) Nahoana isika no tsy gaga amin’izany?

MISY zavatra mampahory anao ve? Tsy ianao irery no toy izany. Olona an-tapitrisany no miady mafy amin’ny fiainana isan’andro, eo amin’ity tontolo ratsy ity. Mila tsy ho tanty ilay izy, ho an’ny olona sasany. Tena mitovy amin’ny fihetseham-pon’i Davida mpanao salamo no tsapan’izy ireo. Hoy izy: “Marikoditra aho sady torovana indrindra midradradradra aho noho ny fitolokon’ny foko. Miemponempona ny foko, lany ny heriko; ary ny fahiratan’ny masoko aza efa nandao ahy.”—Sal. 38:8, 10.

2 Tsy mahagaga antsika Kristianina ny fisian’ny zava-mampahory. Fantatsika fa anisan’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy ny “fahoriana, toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka.” (Marka 13:8; Matio 24:3) Mahalaza tsara ny hamafin’ny fijalian’ny olona amin’izao “fotoan-tsarotra” tena “tsy mora setraina” izao izany.—2 Tim. 3:1.

Takatr’i Jehovah ny fahoriantsika

3. Inona no tena tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra?

3 Tena tsapan’ny vahoakan’i Jehovah fa tsy vita fanefitra amin’ny zava-mampahory izy, ary azo inoana fa mbola hiharatsy noho izao ny fiainana. Ankoatra ny olana iraisantsika amin’ny ankamaroan’ny olona, dia manana ‘fahavalo’ tapa-kevitra ny hanimba ny finoantsika isika. Tsy iza izany fa “ny Devoly.” (1 Pet. 5:8) Mety ho kivy mora foana isika, toa an’i Davida izay nilaza hoe: “Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita.”—Sal. 69:20.

4. Inona no mampahery antsika, rehefa misy zavatra mampahory antsika?

4 Te hilaza ve i Davida fa tsy nanana fanantenana mihitsy izy? Tsia. Hoy izy ao amin’io salamo io ihany: “Mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.” (Sal. 69:33) Mety hahatsiaro tena ho toy ny mifatotra isika indraindray, toy ny hoe voagejan’ny olana na zava-mampahory. Toa tsy mahazo tsara ny manjo antsika ny hafa, ary mety ho tena tsy azony mihitsy ilay izy. Toa an’i Davida anefa, dia mampahery antsika ny mahafantatra fa mahatakatra tsara ny fahoriantsika i Jehovah.—Sal. 34:15.

5. Inona no toky nananan’i Solomona Mpanjaka?

5 Nanasongadina izany i Solomona zanak’i Davida, tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jerosalema. (Vakio ny 2 Tantara 6:29-31.) Nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hihaino ny olona tso-po tsirairay, izay nivavaka momba “ny fahoriany sy ny alahelony avy.” Namaly ny vavak’izy ireo ve Andriamanitra? Natoky i Solomona fa sady hihaino izany Andriamanitra no hanampy azy ireo. Nahoana? Satria mahalala tsara ny ao ‘am-pon’ny zanak’olombelona’ izy.

6. Inona no azo atao rehefa misy mampanahy antsika, ary nahoana?

6 Azontsika tsirairay atao koa ny mivavaka amin’i Jehovah momba ‘ny fahoriantsika sy ny alahelontsika.’ Tokony hampahery antsika ny mahafantatra fa mahatakatra ny fahoriantsika izy, ary mikarakara antsika. Nanamafy izany ny apostoly Petera, rehefa nilaza hoe: “Apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.” (1 Pet. 5:7) Tena mihevitra izay manjo antsika i Jehovah. Tia antsika sy mikarakara antsika izy, ary nanamafy izany i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Fa tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Matio 10:29-31.

Miantehera amin’ny fanampian’i Jehovah

7. Inona no fanampiana azo antoka fa ho azontsika?

7 Tena afaka matoky isika fa vonona hanampy i Jehovah sady tena afaka manampy, raha misy zavatra mampahory antsika. “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” (Sal. 34:15-18; 46:1) Ahoana no anampiany antsika? Hoy ny 1 Korintianina 10:13: ‘Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’ Mety hataon’i Jehovah izay hanesorana an’ilay olana, na homeny hery isika hahazakana ilay izy. Fanampiana daholo izany.

8. Ahoana no ahazoantsika ny fanampian’Andriamanitra?

8 Ahoana no ahazoana ny fanampian’i Jehovah? Nisy torohevitra nomena antsika teo hoe: “Apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo.” Toy ny hoe avelantsika ho andraikitr’i Jehovah ny fikarakarana ny zava-drehetra mampiady saina antsika. Miezaka mba tsy hanahy intsony isika, ka haneho faharetana sady hatoky fa hikarakara izay ilaintsika izy. (Matio 6:25-32) Mba hatokisantsika an’i Jehovah toy izany, dia mila manetry tena isika, ka tsy miantehitra amin’ny herintsika na ny fahendrentsika. Rehefa manetry tena “eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra” isika, dia manaiky hoe ambany. (Vakio ny 1 Petera 5:6.) Hanampy antsika hiatrika izay rehetra avelany hitranga izany. Mety haniry mafy ny hahazo fanamaivanana avy hatrany isika. Matoky anefa isika fa fantatr’i Jehovah tsara ny fotoana sy ny fomba mety indrindra hanaovany zavatra ho antsika.—Sal. 54:7; Isaia 41:10.

9. Inona no enta-mavesatra nilain’i Davida napetraka tamin’i Jehovah?

9 Tadidio ilay tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 55:22, manao hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” Ory mafy i Davida tamin’izay. (Sal. 55:4) Toa tamin’i Absaloma zanany nitetika ny handrombaka ny fanjakana no nanoratany an’io salamo io. Niray tsikombakomba tamin’i Absaloma i Ahitofela, ilay mpanolo-tsaina natokisan’i Davida indrindra. Voatery nandositra avy tany Jerosalema i Davida mba tsy ho faty. (2 Sam. 15:12-14) Natoky an’Andriamanitra foana izy, na teo aza izany zava-mampahory izany, ary tsy diso fanantenana izy.

10. Inona no tsy maintsy ataontsika, rehefa misy zava-mampahory antsika?

10 Tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah momba izay zavatra rehetra mampahory antsika koa isika, toa an’i Davida. Nampirisika antsika mba hivavaka mafy ny apostoly Paoly. (Vakio ny Filipianina 4:6, 7.) Inona no ho vokatr’izany? “Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny [fontsika] sy ny [saintsika] amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”

11. Ahoana no iarovan’ny “fiadanan’Andriamanitra” ny fontsika sy ny saintsika?

11 Hampiova izay mahazo anao ve ny vavaka? Mety hitranga izany. Tsara hotadidina anefa fa mety tsy ho araka izay irintsika foana ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Na izany aza, dia manampy antsika hahay hisaina tsara foana ny vavaka, ka tsy hahavery hevitra antsika ny zava-mampahory. Hampitony antsika “ny fiadanan’Andriamanitra”, rehefa mahatsiaro ho ory mafy isika. Hiaro ny fontsika sy ny saintsika izy io, toy ny tafika asaina miaro tanàna amin’ny fahavalo. Hanampy antsika koa izy io mba handresy ny tahotra sy ny fisalasalana ary ny hakiviana, sady hisakana antsika tsy hanao zavatra maimaika sy tsy amim-pahendrena.—Sal. 145:18.

12. Inona no hanampy antsika hanana fiadanan-tsaina? Hazavao amin’ny ohatra.

12 Inona no hanampy antsika hanana fiadanan-tsaina, rehefa miatrika zava-mampahory isika? Intỳ misy fanoharana mitovitovy amin’ny manjo antsika: Misy olona miasa amin’ny orinasa iray, ary masiaka be ny lehibeny. Afaka niresaka an’izay manjo azy tamin’ny tompon’ilay orinasa anefa izy. Tsara fanahy sy mahay mandanjalanja izy io, ary nanome toky azy fa takany tsara ilay zava-mitranga. Nilaza koa izy fa kely sisa dia hesorina amin’ny toerany ilay lehiben-dry zareo. Inona no tsapan’ilay mpiasa amin’izay? Mino an’ilay fanomezan-toky izy sady mahafantatra izay hitranga tsy ho ela, ka tapa-kevitra fa hanohy ny asany, na dia mety mbola hiatrika olana vitsivitsy ihany aza mandra-pahatongan’izay. Toy izany koa isika. Fantatsika fa takatr’i Jehovah ny manjo antsika, ary manome toky izy fa kely sisa dia ‘horoahina ilay mpitondra an’izao tontolo izao.’ (Jaona 12:31) Tena mampahery izany!

13. Inona no tsy maintsy ataontsika, ankoatra ny mivavaka?

13 Ampy àry ve ny mamboraka amin’i Jehovah izay manahirana antsika? Tsia. Mila manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika koa isika. Rehefa naniraka olona hamono an’i Davida tany an-tranony i Saoly Mpanjaka, dia nivavaka i Davida hoe: “Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ny avo aho tsy ho azon’izay miodina amiko. Afaho amin’ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ny mpandatsa-dra.” (Sal. 59:1, 2) Nanaraka ny torohevitry ny vadiny koa i Davida, ka nanao zavatra mba handosirana. (1 Sam. 19:11, 12) Afaka mivavaka sy mangataka fahendrena koa àry isika. Hanampy antsika izany mba hahafantatra izay tokony hatao hiatrehana ny zava-mampahory antsika, sy hanatsarana ny toe-javatra raha azo atao.—Jak. 1:5.

Ahoana no hahazoana hery hiaretana?

14. Inona no afaka manampy antsika hiaritra fahoriana?

14 Mety tsy ho afaka avy hatrany ny fahoriantsika. Mety haharitraritra aza ilay izy. Inona no hanampy antsika hiaritra, raha izany no mitranga? Voalohany, tadidio fa manaporofo ny fitiavantsika an’i Jehovah isika, rehefa manompo azy amim-pahatokiana na dia misy olana aza. (Asa. 14:22) Tadidio ilay fiampangan’i Satana an’i Joba hoe: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” (Joba 1:9-11) Tsy nivadika i Joba, ka nanaporofo fa lainga be ilay fiampangana azy. Azontsika porofoina koa fa mpandainga i Satana, rehefa miaritra isika ao anatin’ny fahoriana. Izany fiaretantsika izany kosa no hanamafy orina ny fanantenantsika sy ny fatokisantsika an’i Jehovah.—Jak. 1:4.

15. Ny ohatr’iza no afaka mampahery antsika?

15 Faharoa, tadidio fa “ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahinareo rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.” (1 Pet. 5:9) “Tsy misy fakam-panahy mihatra aminareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” (1 Kor. 10:13) Hanana herim-po àry ianao, raha misaintsaina ny ohatra omen’ny hafa, fa tsy mifantoka amin’ny olana mahazo anao. (1 Tes. 1:5-7; Heb. 12:1) Makà fotoana hieritreretana ny ohatra omen’ny olona fantatrao fa niaritra foana, na dia nisy zavatra nampahory azy mafy aza. Moa ve ianao efa nikaroka tantaram-piainan’olona nandia fahoriana mitovy amin’ny anao? Tena mety hampahery anao izany.

16. Ahoana no ampaherezan’Andriamanitra antsika, rehefa miatrika fitsapana isan-karazany isika?

16 Fahatelo, tadidio fa ‘Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra [i Jehovah]! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy, mba hahaizantsika hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika.’ (2 Kor. 1:3, 4) Toy ny hoe mijoro eo akaikintsika foana Andriamanitra mba hampahery antsika, tsy amin’ilay fahoriana diavintsika fotsiny, fa ‘amin’ny fahoriantsika rehetra’ mihitsy. Manampy antsika izany mba hahay hampionona ny hafa “ao anatin’ny fahoriana isan-karazany.” Tena tsapan’i Paoly fa marina ireo teny ireo.—2 Kor. 4:8, 9; 11:23-27.

17. Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hiatrika zava-mampahory?

17 Fahefatra, manana ny Tenin’Andriamanitra isika. “Mahasoa [izy io] mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Tim. 3:16, 17) Tsy hoe mahatonga antsika ho “mahay” sy ho ‘ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra’ fotsiny ny Baiboly. Manampy antsika hiatrika zava-mampahory koa izy io. Mahatonga antsika ho “tena mahay” sy ho “ampy fitaovana tsara” izy io. Midika ara-bakiteny hoe “nomena ny fitaovana ilaina” ilay teny grika nadika hoe “ampy fitaovana tsara.” Azo nampiasaina izy io fahiny, mba hilazana sambo efa nasiana izay rehetra nilaina ho amin’ny dia iray, na milina mahavita izay ampanaovina azy. Toy izany koa isika. Omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Teniny izay rehetra ilaintsika, mba hiatrehana izay mitranga, na inona na inona. Noho izany, dia afaka milaza isika hoe: ‘Matoa avelan’Andriamanitra mitranga ilay izy, dia mbola zakako rehefa ampiany aho.’

Hafahana amin’ny fahoriantsika rehetra isika

18. Inona no ilaintsika hotadidina foana, mba hahafahantsika hiaritra hatrany?

18 Fahadimy, tadidio foana ilay zavatra tena tsara hataon’i Jehovah tsy ho ela: Hanafaka ny olona amin’ny fahoriany rehetra izy. (Sal. 34:19; 37:9-11; 2 Pet. 2:9) Tsy fanafahana antsika amin’ny fahoriantsika ankehitriny fotsiny izy io, fa fanomezana antsika ny fahafahana hiaina mandrakizay koa. Mety ho any an-danitra miaraka amin’i Jesosy izany, na ao amin’ny paradisa an-tany.

19. Ahoana no hahavitantsika hiaritra foana?

19 Mandra-pahatongan’izany, dia mbola iharan-java-mahory isika eo amin’ity tontolo ratsy ity. Irintsika mafy tokoa ny tsy hisian’izany intsony! (Sal. 55:6-8) Tadidio fa rehefa miaritra foana isika, dia manaporofo fa mpandainga ny Devoly. Enga anie isika hanovo hery avy amin’ny vavaka sy ny mpiara-manompo amintsika, ka hitadidy fa miaritra fitsapana mitovy amin’ny antsika izy ireny. Ampiasao tsara ny Tenin’Andriamanitra, mba ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara foana ianao. Matokia fa hikarakara anao amim-pitiavana ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, ary aza avela hihena mihitsy izany fatokisanao izany. Tsarovy fa “ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.”—Sal. 34:15.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no tsapan’i Davida rehefa nisy zavatra nampahory azy?

• Inona no toky nananan’i Solomona Mpanjaka?

• Inona no hanampy antsika hiatrika izay avelan’i Jehovah hitranga?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Natoky i Solomona fa hampian’i Jehovah ny vahoakany niharan-java-mahory

[Sary, pejy 15]

Napetrak’i Davida tamin’i Jehovah ny olana nahazo azy, ary nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony izy