Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitory ny Vaovao Tsara any An-tendrombohitra Andes

Mitory ny Vaovao Tsara any An-tendrombohitra Andes

Mitory ny Vaovao Tsara any An-tendrombohitra Andes

NATORY tamin’ny tany tao amin’ny trano kely iray izahay 18. Avy be ny orana ka nangovitry ny hatsiaka izahay, na dia nirako-damba aza. Tsy nifandrenesana koa ny feon’ilay tafo fanitso. Angamba tranom-biby ilay izy satria ratsy kely!

Fa inona no nataonay tany amin’io toerana io? Nankatò ny didin’i Jesosy izahay, ka nitory ny vaovao tsara tany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asa. 1:8; Matio 24:14) Faritra mitokana any an-tendrombohitra Andes any Bolivia no nandehananay.

Sarotra ny dia nandroso

Vao niainga izahay dia nahita olana. Miovaova mantsy ny ora fiaingan’ny taksiborosy mankany amin’ireny faritra lavitra ireny. Tsy nampoizinay koa fa hay kely ilay izy, ka voatery nitsangana ny sasany taminay. Tonga ihany anefa izahay tamin’ny farany.

Nandeha moramora nifanao aloha sy aoriana izahay avy eo, sady nitondra ny vatsinay. Nanaraka lalan-kely miakatra izahay mba ho any amin’ireo tanàna any an-tendrombohitra Andes.

Kely ireo tanàna. Mifanalavitra anefa ny trano ao aminy, ka ora maro vao vita ny tanàna iray. Mbola nisy trano tazanay foana, na dia efa nandeha lavitra be aza izahay. Matetika izahay no very satria mifampidipiditra be ny lalana.

“Fa maninona ianareo  no izao vao mankatỳ?”

Gaga ny vehivavy iray hoe avy lavitra be izahay sady nandeha an-tongotra. Nampindraminy anay àry ny lakoziany, sady nomeny kitay handrahoana sakafo izahay. Nampianarinay izay lazain’ny Baiboly momba ny maty koa ny lehilahy iray. Hoy izy avy eo: “Fa maninona ianareo no izao vao mankatỳ?” Liana be izy ka nanatitratitra anay rehefa handeha izahay, sady mbola nametraka fanontaniana. Nisy lehilahy hafa indray, mbola tsy nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Tena tiany ireo bokintsika. Nisaotsaotra erỳ izy, ary nomeny lakilen’ny trano kely iray izahay mba hatorianay.

Indray alina, dia tsy hitanay fa hay teo ambony tranom-bitsika no naorinay ny tranolainay. Maizina be mantsy tamin’izay. Tezitra ireo vitsika mainty ngezabe ka nanaikitra. Tsy te hifindra intsony anefa izahay satria vizana loatra. Soa ihany fa tsy naninona intsony izy ireo rehefa ela ny ela.

Narary ny lamosinay sy ny taolan-tratranay tamin’ny voalohany, noho izahay natory tamin’ny tany. Zatra ihany anefa izahay avy eo. Hadinonay koa izany rehetra izany nony maraina, rehefa nahita ny lohasaha tsara tarehy sy ny rahona mikisaka moramora izahay. Kanto erỳ ny tendron’ireo tendrombohitra rakotra lanezy, rehefa tazanina lavitra. Mangina be ilay toerana, ka ny renirano misasasasa sy ny siokam-borona ihany no re.

Niara-nanao teny vakina sy nisakafo maraina izahay, rehefa avy nandro tao amin’ilay renirano. Niakatra moramora nankany amin’ny tanàna lavitra indray izahay avy eo. Tsy very maina ny nandehananay tany. Nitory tamin’ny vehivavy zokiolona iray izahay. Nitomany izy rehefa hitany tao amin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Nihetsi-po be mantsy izy. Afaka mampiasa ny anaran’Andriamanitra izy izao rehefa mivavaka!

Nisy lehilahy zokiolona iray koa nilaza toy izao rehefa nahita anay: ‘Tena nahatsiaro ahy Andriamanitra.’ Tonga dia nihira izy hoe nirahin’ny anjely izahay. Narary be ny lehilahy iray hafa ka tsy afa-nitsangana. Nilaza izy fa tsy nisy nitsidika azy mihitsy ny mpiray tanàna taminy. Gaga izy hoe avy any La Paz izahay, nefa lavitra be izany. Niaiky ny lehilahy iray hoe hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mankany an-tranon’ny olona. Ny fivavahana hafa mantsy, ny olona indray no antsoiny ka mampaneno lakolosy fotsiny izy.

Tsy misy jiro any amin’io faritra io, ka matory ny olona raha vao maizina ny andro. Mifoha indray izy ireo rehefa miposaka ny masoandro. Tsy maintsy nanomboka nitory tamin’ny enina maraina àry izahay, raha te hahita olona ao an-trano. Efa lasa any an-tsaha mantsy ny ankamaroany aorian’izay. Rehefa itoriana anefa ny sasany amin’izy ireny, dia ajanony aloha ny asany mba hihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay koa angamba mba maka aina ny omby miasa. Nisy tratra tao an-trano ihany anefa ny olona. Maro no namelatra volonondry mba hipetrahanay, ary niantso ny fianakaviany rehetra hihaino anay. Nanome gony feno katsaka ny mpamboly sasany, rehefa nahazo boky sy gazety.

“Tsy hadinonareo tokoa aho”

Mazava ho azy fa mila hiverenana ny olona, raha tiana hahazo fahalalana bebe kokoa. Maro rahateo no niangavy anay mba ho tonga indray hampianatra azy ireo. Niverina imbetsaka tany amin’io faritr’i Bolivia io àry izahay.

Faly ny vehivavy zokiolona iray rehefa niverina izahay. Hoy izy: “Tsy hadinonareo tokoa aho. Noraisiko ho toy ny zanako mihitsy ianareo.” Nankasitraka ny asanay koa ny lehilahy iray, ary nasainy nipetraka tao aminy izahay rehefa niverina. Nisy vokany tsara ny ezaka nataonay, fa ity no tena niavaka: Nifindra tany an-tanàn-dehibe ny vehivavy iray nitorianay, ary efa mpitory izao.

Tamin’ilay dianay voalohany dia lany ny solika tao amin’ny fatanay, rehefa hody izahay. Efa tena kely koa ny sakafonay. Naka kitay àry izahay mba handrahoana izany. Nody izahay avy eo. Nanao dia an-tongotra kilaometatra maromaro izahay, hatrany amin’ilay toerana hakana taksiborosy. Efa maizina ny andro vao tonga tany izahay.

Tsy mora ny dia niverina

Nisy olana teny an-dalana satria simba ilay fiara nandehananay. Nahita kamiao ihany izahay avy eo, ary nipetraka tao aoriana na dia efa feno olona aza tao. Nanararaotra nitory tamin’ny mpandeha izahay. Nisy mantsy te hahafantatra ny anton-dianay. Sariaka ny olona any amin’ny ankapobeny, na dia saro-kenatra aza.

Tonga ihany izahay rehefa afaka adiny sivy. Kotsa be izahay sady nangovitry ny hatsiaka. Tsy nampaninona anefa izany. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny vehivavy iray mipetraka any an-tanàn-dehibe mantsy izahay, tao anatin’ilay kamiao.

Tena nahafinaritra ny nitory ny vaovao tsara tany amin’ireny faritra mitokana ireny. Tanàna lehibebe efatra sy tanàna kely maro no nitorianay. Tsaroanay foana ilay teny hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena.”—Isaia 52:7; Rom. 10:15.

[Sary, pejy 17]

Vonona hitory ny vaovao tsara