Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifanao Fotoana

Nifanao Fotoana

Nifanao Fotoana

NISY olona nifanao fotoana tamiko. Fotoan-dehibe ilay izy, ka aleo hohazavaiko aminareo hoe nahoana.

Renim-pianakaviana espaniola aho. Nikorontana foana ny tokantranon’ny ray aman-dreniko, tamin’izaho mbola kely. Vao efa-taona ny zandriko lahy dia maty tamin’ny loza nahatsiravina. Tena mafy taminay mianakavy izany. Nijaly am-panambadiana koa i Neny, satria naditra i Dada. Na izany aza, dia niezaka nampianatra anay sy ny zokiko lahy ho tsara toetra izy.

Samy nanambady izahay mianadahy tatỳ aoriana. Voan’ny kansera i Neny tsy ela taorian’izay, ary maty. Namela zava-tsarobidy ho anay anefa izy, talohan’ny nahafatesany.

Nisy olom-pantany nilaza taminy, fa mampanantena ny Soratra Masina hoe mbola hitsangana ny maty. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly taminy i Neny. Ny fampanantenan’ny Baiboly no nampahery sy nahafaly azy, nandritra ny fotoana faramparany niainany.

Lasa nianatra Baiboly koa izahay mianadahy, rehefa hitanay fa nisy vokany tsara teo amin’i Neny izy io. Natao batisa aho, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah, iray volana talohan’ny nahaterahan’ny zanako faharoa. Vavikely nahafatifaty ilay izy. Lucía no nataonay anarany.

Tena faly aho tamin’ilay andro nanaovana batisa ahy. Nahoana? Voalohany, lasa fananan’i Jehovah aho, satria nanolo-tena hanompo azy mandrakizay. Faharoa, afaka mampianatra ny zavatra inoako amin’ny zanako mianadahy aho.

Nihelina ihany anefa ny hafaliako. Lasa narary vavony be i Lucía tamin’izy efa-taona. Natao radio àry izy, ka hitan’ny dokotera fa nisy zavatra naniry teo amin’ny atiny, ary toy ny voasary ny haben’izy io. Nohazavain’ilay dokotera fa voan’ny kanseran’ny rafi-pitatitra izy. Mihombo haingana io karazana kansera io. Niady tamin’io aretina io nandritra ny fito taona i Lucía, ary matetika no niditra hopitaly ela be.

Tia nanampy olona

Nampahery ahy foana i Lucía nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny, ka namihina sy nanoroka ahy. Nahay nizaka ny aretiny koa izy, ka nahagaga ny mpiasan’ny hopitaly. Maika erỳ izy isan’andro hiara-miasa amin’ny mpitsabo mpanampy. Nampiany izy ireo hizara yaorta na ranom-boankazo na zavatra hafa, ho an’ny ankizy marary tany amin’ny efitra hafa. Nampanaovina tablie fotsy sy karatra nisy soratra hoe ‘mpitsabo mpanampy’ mihitsy aza izy.

Hoy ny mpiasa iray tao amin’ny hopitaly: “Nampihetsi-po ahy ny nataon’i Lucía. Zaza navitrika sy nahay namoron-javatra izy, ary tia nanao sary hoso-doko. Sariaka koa izy, ary matotra, tena matotra.”

Ny Tenin’Andriamanitra no nampahery an’i Lucía sy nanampy azy ho tony. (Heb. 4:12) Nino izy fa ho tanteraka, ao amin’ny tontolo vaovao, ilay fampanantenana hoe: “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apok. 21:4) Te hanampy olona izy, ka niresaka ny fampanantenan’ny Baiboly, isaky ny afaka nanao izany. Tena nino koa izy fa mbola hitsangana ny maty, ka izany no nanampy azy ho falifaly sy tsy ho kivy, na dia fantany aza fa tsy ho sitrana intsony izy. (Isaia 25:8) Toy izany foana izy mandra-pahafatiny.

Nifanao fotoana taminy aho tamin’izy efa ho faty, ka nilaza fa mbola hihaona izahay. Efa nila tsy hisokatra intsony ny masony tamin’izay. Nitazona ny tanany iray ny dadany, fa izaho kosa nitana ny ilany. Nibitsibitsika taminy aho hoe: “Aza matahotra fa eto foana aho. Aza miaina mafy be. Tsy harary intsony indrỳ sady tsy hanaintaina intsony, rehefa tafatsangana amin’ny maty. Hiaraka amin-drỳ indray aho amin’izay.”

Tsy maintsy mitana an’io teny nataoko io aho. Marina fa tsy ho mora amiko ny hiandry ny fitsanganan’ny maty. Fantatro anefa fa hahita ny zanako indray aho, raha manam-paharetana sy matoky an’i Jehovah, ary tsy mivadika aminy mihitsy.

Modely navelan’i Lucía

Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Nisy vokany tena tsara teo aminy anefa ny herim-pon’i Lucía sy ny fanampian’ny fiangonana. Nilaza tamiko izy tamin’ny andro nahafatesan’i Lucía, fa handinika indray ny fiainany. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nangataka tamin’ny anti-panahy iray teo anivon’ny fiangonanay izy mba hampianatra Baiboly azy. Tsy ela dia nanatrika ny fivoriana rehetra izy. Nampian’i Jehovah izy, ka tsy nifoka sigara intsony, na dia tsy vitany mihitsy aza izany taloha.

Mbola malahelo an’i Lucía aho. Misaotra an’i Jehovah anefa aho noho ny modely navelan’ny zanako. Mieritreritra ny fitsanganana amin’ny maty foana izahay mivady, ka izany no mampionona anay. Alainay sary an-tsaina mihitsy ny fotoana hahitanay azy indray. Hitsiky izy amin’izay, miaraka amin’ilay takolaka misy fandaingana kely sy ny masony baribary.

Nisy vokany tamin’ny ramatoa mpiray tanàna taminay koa ny nahafatesan’i Lucía. Niara-nianatra tamin’i Lucía ny zanany. Raha vao nahare izay nanjo an-janako izy, dia nitady ny tranonay, ary tonga nitsidika anay, indray asabotsy maraina, na dia avy be aza ny orana. Tiany ho fantatra hoe ahoana no nahazakako ny fahoriako. Matin’ny kansera koa mantsy ny zanany lahy 11 taona. Nilaza izy hoe maninona raha mamorona fikambanana izahay, mba hampaherezana ny reny manan-janaka matin’ny kansera.

Nohazavaiko taminy fa misy fampanantenana tena nampionona ahy ao amin’ny Baiboly. Tsy misy olona mahavita mampanantena zavatra toy izany. Novakiko avy eo ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29. Tena nampahery azy izany. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary tsy ela dia nahatsapa fa nahazo ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Fil. 4:7) Matetika izahay no miato kely rehefa mianatra, ary maka sary an-tsaina ny tontolo vaovao. Eritreretinay ilay fotoana hihaonanay amin’ny havanay hitsangana amin’ny maty.

Namela modely tsy hohadinoinay mihitsy i Lucía, na dia fohy aza ny fiainany. Miara-manompo an’Andriamanitra izao ny fianakavianay, noho ny finoany. Ankoatra izany, dia tapa-kevitra kokoa ho mafy orina ao amin’ny finoana aho. Manana fotoan-dehibe andrandraina tokoa izay rehetra efa nanana havana maty. Mety mbola hitsangana mantsy izy ireny.

[Sary, pejy 20]

Sarina paradisa nataon’i Lucía