Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Fiheveran’i Jehovah ny Olona

Tahafo ny Fiheveran’i Jehovah ny Olona

Tahafo ny Fiheveran’i Jehovah ny Olona

“Tsy [tokony] hisy fisaratsarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany.”—1 KOR. 12:25.

1. Inona no tsapanao rehefa niditra voalohany tao amin’ny paradisa ara-panahy?

AZO inoana fa tena faly isika rehefa nisaraka tamin’ity tontolo ratsy ity, ka nanomboka niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah, izay tena mifankatia sy mifampiahy. Niditra tao amin’ny paradisa ara-panahy anjakan’ny fiadanana sy firaisan-tsaina isika. (Isaia 48:17, 18; 60:18; 65:25) Samy hafa be amin’ny olona tsy mahalala fomba sy feno fankahalana ary tia ady, eo ambany fahefan’i Satana, ny vahoakan’i Jehovah.

2. a) Inona no mety hisy vokany eo amin’ny fiheverantsika ny hafa? b) Inona no fiovana mety hilaintsika hatao?

2 Mety hiova anefa ny fiheverantsika an’ireo rahalahintsika rehefa mandeha ny fotoana, noho isika tsy lavorary. Mety hanjary hanitatra ny toetra ratsiny isika, fa tsy hijery ireo toetra tsara notahafiny tamin’i Jehovah. Tsy mitovy amin’ny fiheveran’i Jehovah intsony ny fiheverantsika azy ireo. Tokony handini-tena isika ka hampifanaraka ny fiheverantsika amin’ny an’i Jehovah, raha izany no mitranga.—Eks. 33:13.

Ny fiheveran’i Jehovah an’ireo rahalahintsika

3. Oharin’ny Baiboly amin’ny inona ny fiangonana kristianina?

3 Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny vatan’olombelona, izay misy “rantsany maro”, ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ao amin’ny 1 Korintianina 12:2-26. Samy hafa ireo taova ao amin’ny vatana. Samy hafa koa ny toetra sy ny fahaizan’ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana. Tsy sarotiny amin’izany i Jehovah. Tiany sy ankasitrahany ny Kristianina tsirairay. Tokony hanahaka azy isika. Nanoro hevitra antsika i Paoly, fa tokony “hifampiahy” ireo anisan’ny fiangonana. Mety ho sarotra izany satria mety tsy hitovy amin’ny toetrantsika ny toetran’ny hafa.

4. Nahoana isika no tokony hanitsy ny fiheverantsika ny rahalahintsika?

4 Mety ho mora mifantoka amin’ny toetra ratsin’ny rahalahintsika isika. Toy ny olona mifantoka amin’ny pentina kely eo amin’ny akanjo tsara tarehin’ny olona iray isika, raha manao izany. Tsy mba toy izany anefa i Jehovah, satria mivelatra be ny fomba fijeriny. Hitany daholo ny maha izy an’ilay olona, fa isika kosa mety hifantoka fotsiny amin’izay toetrany tsy azoazontsika. Hampitombo ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana isika, raha miezaka manahaka bebe kokoa an’i Jehovah.—Efes. 4:1-3; 5:1, 2.

5. Nahoana no tsy mety ny mitsara ny hafa?

5 Fantatr’i Jesosy fa tia mitsaratsara ny olona tsy lavorary. Nananatra toy izao àry izy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” (Matio 7:1) Mariho fa tsy nilaza izy hoe: “Aza mitsara.” Hoy kosa izy: “Aza mitsara intsony.” Fantany fa maro tamin’ireo nihaino azy no zatra nanakiana. Tokony hiezaka hiova isika raha manana izany fahazarana izany, mba tsy hiharan’ny fanamelohana. Iza tokoa moa isika no hitsara olona iray nomen’i Jehovah andraikitra, na hilaza fa tsy tokony ho anisan’ny fiangonana izy? Marina fa mety hanana toetra ratsy ny rahalahy iray. Raha mbola eken’i Jehovah ho mpanompony anefa izy, isika indray ve no hanilika azy? (Jaona 6:44) Tena inoantsika ve fa i Jehovah no mitarika ny fandaminany, ka hanao zavatra amin’ny fotoana mety izy raha misy ilana fanitsiana?—Vakio ny Romanina 14:1-4.

6. Inona no hitan’i Jehovah amin’ny mpanompony?

6 Tena mahatalanjona i Jehovah, satria mahita ny ho toetra tsaran’ny Kristianina tsirairay rehefa ho lavorary ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo. Hitany koa ny fiovana efa nataon’izy ireo mba hampiharana ny fampianaran’ny Baiboly. Tsy mitsingoloka ny toetra ratsin’izy ireo àry izy. Hoy ny Salamo 103:12: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.” Velom-pankasitrahana tokoa isika noho izany!—Sal. 130:3.

7. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Davida? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Asehon’ny Soratra Masina fa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona i Jehovah. Izao no nolazainy momba an’i Davida: “Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany.” (1 Mpanj. 14:8) Fantatsika fa nanao ratsy i Davida. Naleon’i Jehovah anefa nifantoka tamin’ny toetra tsarany, satria hitany fa nahitsy fo i Davida.—1 Tant. 29:17.

Tahafo ny fiheveran’i Jehovah an’ireo rahalahy

8, 9. a) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah? b) Ahoana no azo anazavana izany amin’ny ohatra? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

8 Mahalala ny ao am-po i Jehovah, fa tsy toa antsika. Izany fotsiny dia efa antony tsy tokony hitsaratsarantsika ny hafa. Tsy mahafantatra ny antony anaovan’ny olona zavatra isika. Tsara raha miezaka manahaka an’i Jehovah isika, ka tsy hifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Mbola ho foana mantsy izany. Hanatsara ny fihavanantsika amin’ireo rahalahy sy anabavintsika izany.—Efes. 4:23, 24.

9 Aoka hatao hoe misy trano iray efa simba. Mikirazorazo ny fantson-drano amin’ny tafo, simba ny varavarankely, ary boboka ny valindrihana. Mety hilaza ny ankamaroan’ny olona mahita an’ilay trano hoe tokony horavana ilay izy fa mahasosotra ny mijery azy. Hafa tanteraka anefa ny hevitry ny olona iray. Hitany fa mbola mafy ilay trano ary azo hatsaraina. Novidiny ilay izy, ary namboariny ny simba rehetra ka lasa tsara tarehy indray. Gaga ny mpandalo nahita ny hakantony. Moa ve isika manahaka an’ilay olona miezaka manamboatra ny simba sy manavao an’ilay trano? Moa ve isika mijery ny toetra tsaran’ireo rahalahintsika ary mino fa mbola hihatsara izy ireo? Sa isika mifantoka amin’ny toetra ratsiny, izay hita miharihary? Hanjary ho tia an’ireo rahalahintsika isika raha mijery ny toetra tsarany, toa an’i Jehovah.—Vakio ny Hebreo 6:10.

10. Nahoana no manampy antsika ny torohevitra ao amin’ny Filipianina 2:3, 4?

10 Manome antsika torohevitra sasany ny apostoly Paoly, mba hanampiana antsika hifandray tsara amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany, ary asio fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenanareo ihany.” (Fil. 2:3, 4) Hanampy antsika hihevitra ny hafa araka ny tokony ho izy ny fanetren-tena. Hihevitra azy ireo araka ny fiheveran’i Jehovah azy isika, raha mieritreritra izay hahasoa azy sy mijery ny toetra tsarany.

11. Inona no zava-mitranga eran-tany, ka mampisy fiovana eo anivon’ny fiangonana sasany?

11 Betsaka ny mpifindra monina tato ho ato, noho ny fiovana eran-tany. Ahitana olona avy amin’ny firenena samihafa ny tanàna sasany. Nanjary liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly ny sasany tamin’ireny olona ireny, ka lasa manompo an’i Jehovah miaraka amintsika. ‘Avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’ izy ireny. (Apok. 7:9) Ahitana olona avy amin’ny firenena samihafa izao ny ankamaroan’ny fiangonantsika.

12. Ahoana foana no tokony hiheverantsika ny hafa? Nahoana izany no sarotra indraindray?

12 Mila miezaka mafy kokoa àry isika, mba hihevitra hatrany ny olona eo anivon’ny fiangonantsika, araka ny fiheveran’i Jehovah azy. Tokony hitadidy ny torohevitry ny apostoly Petera isika, ka haneho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy” ary ‘hifankatia fatratra amin’ny fo.’ (1 Pet. 1:22) Mety ho sarotra ny maneho fitiavana avy amin’ny fo amin’ny olona hafa fiaviana amintsika. Mety tsy hitovy mihitsy ny kolontsainy sy ny kolontsaintsika. Mety tsy hitovy koa ny fianarana vita, ny fari-piainana, ary ny fanabeazana azo. Tsy azonao ve ny fomba fisainan’ny Kristianina sasany na ny fihetsiny? Mety ho toy izany koa no tsapany aminao. Na izany aza, dia ampirisihin’ny Baiboly isika hoe: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Pet. 2:17.

13. Inona no toe-tsaintsika mety hilaina hahitsy?

13 Mety hila hanitsy ny fisainantsika isika, ka hanalalaka ny fontsika mba ho tia ny rahalahy rehetra. (Vakio ny 2 Korintianina 6:12, 13.) Moa ve isika indraindray miteny hoe: “Tsy hoe manavakavaka aho fa...”, ary avy eo miresaka toetra na fomba ratsy sasany izay heverintsika fa fahita amin’ny foko na firenena iray? Mety hidika izany fa mila manaisotra ny fanavakavahana mbola tsy fongotra ao am-pontsika isika. Azo atao ny manontany tena hoe: ‘Miezaka hatrany ve aho mba hahafantatra misimisy kokoa ny olona tsy mitovy kolontsaina amiko?’ Hanampy antsika ho tia kokoa an’ireo rahalahy hafa fiaviana ny fandinihan-tena toy izany.

14, 15. a) Iza avy no nanitsy ny fomba fiheverany ny hafa? b) Ahoana no anahafantsika azy ireo?

14 Mitantara olona nanitsy ny toe-tsainy ny Baiboly. Anisan’izany ny apostoly Petera. Tsy nety niditra tao amin’ny tranon’olona tsy Jiosy mihitsy izy, satria Jiosy. Eritrereto ange ny fihetseham-pony rehefa nasaina nankany an-tranon’i Kornelio izy e! Tsy Jiosy i Kornelio, sady tsy voafora. Nanitsy ny toe-tsainy anefa i Petera, satria fantany fa sitrapon’Andriamanitra ny hahatonga ny olona avy amin’ny firenena rehetra ho anisan’ny fiangonana kristianina. (Asa. 10:9-35) Nila niova koa i Saoly, izay lasa apostoly Paoly. Niaiky izy fa tena nankahala ny Kristianina, ary ‘tafahoatra ny nanenjehany sy ny nandravany tsy an-kijanona ny fiangonan’Andriamanitra.’ Niova be anefa izy rehefa nahitsin’i Jesosy Tompo, ary nanaiky ny toromarik’ireo olona nankahalainy taloha.—Gal. 1:13-20.

15 Azo antoka fa ho vitantsika ny hanitsy ny toe-tsaintsika, noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. Raha tsapantsika fa mbola misy fanavakavahana kely ao am-pontsika, dia aoka isika hiezaka hamongotra izany, ka “hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.” (Efes. 4:3-6) Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kol. 3:14.

Tahafo i Jehovah rehefa eny amin’ny fanompoana

16. Inona no sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olona?

16 Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” (Rom. 2:11) Sitrapon’i Jehovah ny hanompoan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra azy. (Vakio ny 1 Timoty 2:3, 4.) Nataony àry izay hitoriana ny “vaovao tsara mandrakizay” amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apok. 14:6) Hoy i Jesosy: “Ny tanimbary dia izao tontolo izao.” (Matio 13:38) Inona no tokony ho vokatr’izany eo aminao sy ny mpianakavinao?

17. Ahoana no azontsika anampiana ny karazan’olona rehetra?

17 Tsy ny rehetra no afaka mandeha any amin’ny faritany lavitra mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mety ho azontsika itoriana anefa ny olona avy any an-tany hafa mipetraka ao amin’ny faritanintsika. Moa ve isika manararaotra mitory amin’ny karazan’olona rehetra, fa tsy amin’ireo efa nitoriantsika an-taonany maro ihany? Nahoana raha atao tanjona ny mitory amin’ny olona mbola tsy nandre ny fahamarinana mihitsy?—Rom. 15:20, 21.

18. Inona no tsapan’i Jesosy fa nilain’ny olona?

18 Tena tsapan’i Jesosy fa nila nampiana ny olona rehetra. Tsy tao amin’ny faritra iray monja no nitoriany. Tantarain’ny Baiboly fa ‘nandeha nitety ny tanàna rehetra [izy], na ny kely na ny lehibe.’ “Nangoraka izy nony nahita ny vahoaka” ary nilaza fa nila fanampiana izy ireo.—Matio 9:35-37.

19, 20. Miahy ny karazan’olona rehetra i Jehovah sy Jesosy. Ahoana no azontsika anahafana azy ireo?

19 Inona no zavatra sasany azonao atao ho fanahafana ny toe-tsain’i Jesosy? Matetika ny mpitory sasany no miezaka mitory eny amin’ny faritra tsy voasa matetika amin’ny faritaniny, toy ny toeram-piasana sy fivarotana, zaridainam-panjakana, na eny anoloan’ireo trano fonenana sarotra idirana. Ny hafa indray miezaka mianatra fiteny vahiny mba hitoriana amin’ny vahiny vao nifindra ao amin’ny faritaniny, na amin’ireo vahiny mbola tsy nitoriana matetika. Ho hitan’ireo vahiny fa tena miahy izay hahasoa azy isika raha miarahaba azy amin’ny fiteniny. Raha tsy afaka mianatra fiteny vahiny isika, moa ve isika mampahery an’ireo manao izany? Tsy mety ny manakivy azy ireo, na mihevitra fa misy antony hafa mahatonga azy hanao izany. Sarobidy amin’Andriamanitra ny ain’ny olona rehetra, ary tokony ho sarobidy amintsika koa.—Kol. 3:10, 11.

20 Raha manahaka ny fiheveran’Andriamanitra ny olona isika, dia hitory amin’ny rehetra na manao ahoana na manao ahoana fiainany. Mety ho tsy manan-kialofana ny sasany, na malotoloto, na miharihary fa ratsy fitondran-tena. Raha ratsy fanahy amintsika ny olona sasany, dia tsy tokony hihevitra isika hoe toy izany avokoa ny olona iray firenena na iray foko aminy. Ratsy fanahy tamin’i Paoly, ohatra, ny olona sasany. Tsy nahasakana azy tsy hitory tamin’ny olona iray foko na iray firenena tamin’izy ireny anefa izany. (Asa. 14:5-7, 19-22) Natoky izy fa hankasitraka ny hafatra toriny ny sasany.

21. Inona no ho vokany raha manahaka an’i Jehovah ianao eo amin’ny fomba fiheveranao ny olona?

21 Mazava àry izao fa mila manahaka an’i Jehovah isika, rehefa mifandray amin’ireo rahalahintsika eo an-toerana sy avy any an-tany hafa, na amin’ny olona eny amin’ny saha. Hampitombo ny fiadanana sy firaisan-tsaina isika, raha manahaka bebe kokoa an’i Jehovah amin’io lafiny io. Ho haintsika kokoa amin’izay ny hanampy ny hafa ho tia an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Tia sy miahy ny rehetra izy, satria “samy asan’ny tànany avokoa izy rehetra.”—Joba 34:19.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no tsy tokony hifantohantsika rehefa mifandray amin’ireo rahalahintsika isika?

• Inona no toetra tokony hojerentsika amin’ireo rahalahintsika, raha manahaka an’i Jehovah isika?

• Ahoana no tokony hifandraisanao amin’ireo rahalahy tsy mitovy fiaviana aminao?

• Ahoana no azontsika anahafana ny fiheveran’i Jehovah ny olona, rehefa eny amin’ny fanompoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Inona no azonao atao mba hahafantarana ny olona tsy mitovy kolontsaina aminao?

[Sary, pejy 28]

Inona avy no azonao atao mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa?