Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hampisy Dikany ny Fiainantsika?

Ahoana no Hampisy Dikany ny Fiainantsika?

Ahoana no Hampisy Dikany ny Fiainantsika?

“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo.”—MPIT. 12:13.

1, 2. Inona no soa raisintsika avy amin’ny bokin’ny Mpitoriteny?

ERITRERETO ny lehilahy iray, izay toa nanana ny zavatra rehetra. Mpitondra fanjakana nalaza izy, ary anisan’ny nanan-karena indrindra teto an-tany. Izy koa no nanam-pahaizana indrindra tamin’ny androny. Betsaka ny zava-bitany, nefa mbola nanontany tena ihany izy hoe: ‘Ahoana no hampisy dikany ny fiainako?’

2 Tena nisy io olona io, tokony ho 3 000 taona lasa izay. Solomona no anarany, ary tantarainy ao amin’ny Mpitoriteny ny ezaka nataony mba hahitana fahafaham-po. (Mpit. 1:13) Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny nataony isika. Misy torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Mpitoriteny, ary afaka manampy antsika izany mba hanana tanjona izay hampisy dikany ny fiainantsika.

“Misambo-drivotra”

3. Inona no zavatra mampieritreritra tsy maintsy ekentsika rehetra?

3 Nohazavain’i Solomona fa namorona zavatra tsara tarehy tsy tambo isaina teto an-tany Andriamanitra. Mahavariana fa tsy mety tapitra ny zavatra azo ianarana avy amin’izy ireny, ary mbola hahagaga sy hahafaly antsika foana. Tsy mahavita mandinika afa-tsy ampahany kely monja amin’ireny zavaboary ireny anefa isika, satria fohy loatra ny androm-piainantsika. (Mpit. 3:11; 8:17) Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe vitsy ny androntsika ary mihelina faingana. (Joba 14:1, 2; Mpit. 6:12) Mampieritreritra izany, ary tokony handrisika antsika hampiasa tsara ny fiainantsika. Tsy mora anefa izany, satria mety hitarika antsika ho amin’ny lalan-diso ny tontolon’i Satana.

4. a) Inona no dikan’ny hoe “zava-poana”? b) Inona avy no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?

4 Naverin’i Solomona in-30 eo ho eo ny hoe “zava-poana”, ao amin’ny Mpitoriteny. Nasongadiny tamin’izany fa mety hahita loza izay mandanilany foana ny androm-piainany. Ilay teny hebreo nadika hoe “zava-poana” dia midika hoe poakaty, tsy misy antony, tsy misy dikany, na tsy mitondra soa maharitra. (Mpit. 1:2, 3) Nampitovin’i Solomona tamin’ny hoe “misambo-drivotra” izy io indraindray. (Mpit. 1:14; 2:11) Mazava ho azy fa ho very maina ny ezaka atao hisamborana rivotra. Tsy hahazo na inona na inona izay manao an’izany. Ho diso fanantenana toy izany izay tsy manana tanjona tsara. Fohy loatra ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, ka tsy holanilanintsika amin-javatra tsy ahazoana na inona na inona. Mba tsy hanaovantsika izany fahadisoana izany àry, dia andeha hodinihintsika izay nolazain’i Solomona momba ny zavatra katsahin’ny ankamaroan’ny olona. Ny fikatsahana fahafinaretana sy harena aloha no hojerentsika, ary avy eo ny asa.

Hahasambatra antsika ve ny fikatsahana fahafinaretana?

5. Inona no nataon’i Solomona mba hahitana fahafaham-po?

5 Nikatsaka fahafinaretana toy ny olona maro ankehitriny i Solomona, mba hahitana fahafaham-po. Hoy izy: “Tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho.” (Mpit. 2:10) Inona no nataony mba hahitana fahafinaretana? Milaza ny Mpitoriteny toko faha-2 fa ‘namalifaly ny nofony tamin’ny divay’ izy, nefa azo antoka fa nifehy tena. Nanamboatra zaridaina sy lapa koa izy, ary nihaino mozika sy nankafy sakafo matsiro.

6. a) Nahoana no tsy ratsy ny mankafy zavatra tsara? b) Nahoana no mila lanjalanjaina ny fialam-boly?

6 Milaza ve ny Baiboly fa ratsy ny miara-mifalifaly amin’ny namana? Tsy izany mihitsy. Nilaza, ohatra, i Solomona fa fanomezan’Andriamanitra ny misakafo amim-pilaminana, rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro. (Vakio ny Mpitoriteny 2:24; 3:12, 13.) Mampirisika ny tanora koa i Jehovah mba ‘hampifalifaly tena sy handeha amin’izay sitraky ny fony’, nefa hanao izany amim-pahendrena. (Mpit. 11:9) Mila fialan-tsasatra sy fialam-boly mahasoa isika. (Ampitahao amin’ny Marka 6:31.) Tsy izany anefa no tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika. Toy ny mofomamy atao tsindrin-tsakafo ny fialam-boly. Tsy izy io akory no tena sakafo. Na tiantsika toy inona aza ilay mofomamy, dia tsy hahavelona antsika, ary ho leo isika raha tsy mihinana zavatra hafa. Tsapan’i Solomona koa fa “misambo-drivotra” fotsiny izay manao ny fahafinaretana ho zava-dehibe indrindra.—Mpit. 2:10, 11.

7. Nahoana isika no tokony hifidy tsara ny fialam-bolintsika?

7 Tsy ny fialam-boly rehetra koa no mahasoa. Maro amin’izy ireny aza no tena manimba ny fifandraisana amin’i Jehovah, sy mitarika ho amin’ny ratsy. Firifiry moa ny olona ‘mba te hifalifaly fotsiny’, ka mifoka zava-mahadomelina, na miboboka toaka, na miloka, nefa manjary mamoy fo amin’ny farany? Tsara fanahy i Jehovah, ka mampitandrina fa tsy maintsy hizaka ny vokany isika, raha mamela ny fontsika na ny masontsika hitarika antsika ho amin-javatra manimba.—Gal. 6:7.

8. Nahoana no hendry isika raha mandinika ny fomba fiainantsika?

8 Ankoatra izany, dia mety tsy hifantoka tsara intsony amin’ireo raharaha lehibe kokoa isika, raha variana loatra mikatsaka fahafinaretana. Tadidio fa mihelina faingana ny fiainana, ary tsy azo antoka hoe ho salama foana isika na tsy hahita olana mihitsy, mandritra ireo andro vitsy iainantsika. Izany no nahatonga an’i Solomona hilaza fa mety hahasoa kokoa noho ny mankany amin’ny “trano misy fifaliana” ny manatrika fandevenana, indrindra raha rahalahy na anabavy tsy nivadika no alevina. (Vakio ny Mpitoriteny 7:2, 4.) Fa nahoana? Mety handrisika antsika handinika ny fomba fiainantsika ny fihainoana an’ilay lahatenim-pandevenana sy ny fisaintsainana ny zavatra nataon’ilay mpanompon’i Jehovah. Mety ho hitantsika amin’izany fa mila manova ny tanjontsika isika, mba hampiasana tsara ny andro sisa iainantsika.—Mpit. 12:1.

Hahafa-po antsika ve ny harena?

9. Inona no tsapan’i Solomona momba ny harena?

9 Anisan’ny olona nanan-karena indrindra teto an-tany i Solomona, tamin’izy nanoratra ny Mpitoriteny. (2 Tant. 9:22) Afaka nahazo izay rehetra niriny izy. Nilaza izy hoe: “Na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy.” (Mpit. 2:10) Tsapany anefa fa tsy tena mahafa-po ny harena. Nilaza àry izy hoe: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena.”—Mpit. 5:9.

10. Inona no tena mahafa-po sy ahazoana ny tena harena?

10 Tena mbola mahasarika olona ny harena, na dia tsy azo antoka aza. Nisy fanadihadiana natao vao haingana tany Etazonia, tamin’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany eny amin’ny oniversite. Nilaza ny androatokony fa ny ho “mpanefohefo” no tena tanjony. Tena ho sambatra ve anefa izy ireo, raha tody amin’ny tanjona iriny? Tsy voatery ho izany. Voamariky ny mpikaroka aza, raha ny marina, fa sarotra kokoa amin’ny olona ny ho sambatra sy ho afa-po, rehefa ny harena no imatimatesany. Efa ela i Solomona no nahatsapa izany. Hoy izy: “Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fanan’ny mpanjaka ... Ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.” * (Mpit. 2:8, 11) Raha mampiasa ny fiainantsika mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo kosa anefa isika, ka omeny fitahiana, dia hahazo ny tena harena.—Vakio ny Ohabolana 10:22.

Asa manao ahoana no tena mahafa-po?

11. Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ny asa?

11 Hoy i Jesosy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:17) Tsy isalasalana fa mahafa-po an’i Jehovah sy Jesosy ny miasa. Asehon’ny Baiboly fa nahafa-po an’i Jehovah ny asa famoronana nataony. Izao no voalaza ao: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Gen. 1:31) “Nihoby” koa ny anjely, rehefa nahita izay rehetra nataon’Andriamanitra. (Joba 38:4-7) Takatr’i Solomona koa fa tena ilaina ny manao asa misy dikany.—Mpit. 3:13.

12, 13. a) Inona no nolazain’ny olona sasany mba hampisehoana fa mahafa-po ny miasa mafy? b) Nahoana no mety hahakivy ny asa indraindray?

12 Maro no mahatsapa fa tena ilaina ny miasa mafy. Nahatsapa izany i José, izay mpanao hoso-doko tena mahay. Nilaza izy fa afa-po toy ny avy nandresy vato misakana lehibe, ‘rehefa nahavita nanao ilay sary noeritreretiny.’ Hoy indray i Miguel, * mpandraharaha: “Mahafa-po ny miasa, satria ahafahanao mamelona fianakaviana. Lasa mahatsiaro ho nahavita zavatra koa ianao.”

13 Dridralava anefa ny asa maro, ary tsy dia ahafahana mamoron-javatra. Mety hisy zavatra mahakivy na tsy rariny mihitsy koa any am-piasana. Araka ny nolazain’i Solomona, dia mety ho ny mpiasa malaina no hahazo ny valin-kasasaran’ny mazoto, angamba noho izy mahalala olona. (Mpit. 2:21) Mety hisy zavatra handiso fanantenana koa. Mety hitotongana ny toe-karena na hisy ny sampona, ka tsy handeha indray ny raharaham-barotra efa nantenaina hampidi-bola be. (Vakio ny Mpitoriteny 9:11.) Matetika no tezitra mafy sy kivy ireo olona mifofotra mba hahomby, rehefa hitany fa hay ‘nisasatra ho an’ny rivotra’ fotsiny izy.—Mpit. 5:15.

14. Inona no asa tena mahafa-po foana?

14 Misy asa tsy mandiso fanantenana mihitsy ve? Hoy i José, ilay efa noresahina teo: “Mety ho very na ho simba ny sary hoso-doko, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy toy izany kosa ny zavatra ataontsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Mahavita zavatra mitondra soa maharitra aho, rehefa mitory ny vaovao tsara ho fankatoavana an’i Jehovah. Tsy inona izany fa ny fanampiana olona ho lasa Kristianina matahotra an’Andriamanitra. Tsy misy zavatra sarobidy noho izany!” (1 Kor. 3:9-11) Nilaza koa i Miguel fa mahafa-po azy noho ny asany ny fitoriana ilay Fanjakana. Hoy izy: “Tsy misy zavatra mahafaly kokoa noho ny hoe miresaka amin’ny olona momba ny fahamarinana ara-baiboly, ary mahita fa manohina ny fony izany.”

‘Atsipazo ny haninao’

15. Ahoana no tena hampisy dikany ny fiainana?

15 Ahoana àry no tena hampisy dikany ny fiainantsika? Tena ho afa-po isika raha mampiasa ny fotoana fohy ananantsika eto amin’ity tontolo ity, mba hanaovana ny tsara sy hampifaliana an’i Jehovah. Azontsika atao ny miezaka hifandray akaiky kokoa aminy, hampianatra ny zanatsika hanaraka ny fitsipiny, hanampy ny hafa hahafantatra azy, ary hinamana tsara foana amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Gal. 6:10) Mitondra soa maharitra izany ezaka izany, ary ahazoana fitahiana. Nanao fampitahana tena mahaliana i Solomona, mba hanasongadinana fa ilaina ny manao ny tsara. Hoy izy: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” (Mpit. 11:1) I Jesosy indray nampirisika ny mpianany hoe: “Aoka ianareo ho zatra hanome dia mba homena koa ianareo.” (Lioka 6:38) Mampanantena koa i Jehovah fa hamaly soa an’izay manao soa ho an’ny hafa.—Ohab. 19:17; vakio ny Hebreo 6:10.

16. Rahoviana no fotoana tsara indrindra hieritreretana izay hataontsika eo amin’ny fiainana?

16 Milaza ny Baiboly fa dieny tanora isika no mila mifidy tsara izay hataontsika eo amin’ny fiainana. Hisoroka fahadisoam-panantenana isika amin’izay. (Mpit. 12:1) Fotoana tsara indrindra amin’ny fiainana ny fahatanorana. Hampalahelo àry raha efa nolanilanintsika foana hikatsahana zavatra manintona eto amin’ity tontolo ity izany, vao ho tsapantsika fa toy ny nisambo-drivotra fotsiny isika!

17. Inona no hanampy anao hifidy ny fomba fiaina tsara indrindra?

17 Toy ny ray be fitiavana i Jehovah, ka tiany hifaly amin’ny fiainana sy hanao ny tsara ary hisoroka alahelo ianao. (Mpit. 11:9, 10) Inona no hanampy anao amin’izany? Manàna tanjona eo amin’ny fanompoana, ary miezaha mafy hanatratra izany. Nisy safidy tsy maintsy nataon’i Javier, 20 taona lasa izay: Hanao ny asan’ny dokotera sy hahazo vola be, na hanompo manontolo andro. Hoy izy: “Mety hahafa-po tokoa ny asan’ny dokotera. Nahavita nanampy olona maromaro hahalala ny fahamarinana anefa aho, ary tsy misy azo ampitahaina amin’ny fifaliana tsapako amin’izany. Afaka mankafy tanteraka ny fiainana aho, amin’ny fanompoana manontolo andro. Tahaka izay fotsiny aho nanomboka taloha kokoa.”

18. Nahoana ny fiainan’i Jesosy teto an-tany no tena nisy dikany?

18 Inona àry no zava-tsarobidy indrindra tokony hiezahantsika hananana? Hoy ny Mpitoriteny: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.” (Mpit. 7:1) Ny fiainan’i Jesosy no tena ahitana tsara an’izany. Nahazo laza faran’izay tsara teo anatrehan’i Jehovah tokoa izy. Nahatoky hatramin’ny fahafatesana izy, ka nanaporofo fa ny Rainy no manana zo hitondra. Tamin’izany koa no nanomezany vidim-panavotana, mba hahavoavonjy antsika. (Matio 20:28) Nanome modely tonga lafatra momba ny hoe fiainana tena misy dikany i Jesosy, nandritra ny fotoana fohy nandalovany teto an-tany. Iezahantsika hotahafina io modely io.—1 Kor. 11:1; 1 Pet. 2:21.

19. Inona no torohevitra feno fahendrena nomen’i Solomona?

19 Afaka ny hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra koa isika. Sarobidy lavitra noho ny harena izany amintsika. (Vakio ny Matio 6:19-21.) Afaka mahita fomba anaovana ny tsara eo anatrehan’i Jehovah isika isan’andro, ary hanatsara ny fiainantsika izany. Azo atao, ohatra, ny mitory ny vaovao tsara, sy manatsara ny fifandraisana amin’ny vady aman-janaka, ary miezaka hifandray kokoa amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny fianarana samirery sy ny famonjena fivoriana. (Mpit. 11:6; Heb. 13:16) Tianao mba tena hisy dikany àry ve ny fiainanao? Raha izany, dia araho foana ny torohevitr’i Solomona hoe: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”—Mpit. 12:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nahazo talenta volamena 666 teo ho eo isan-taona i Solomona, izany hoe volamena maherin’ny 22 000 kilao.—2 Tant. 9:13.

^ feh. 12 Novana ny anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no tokony handrisika antsika hieritreritra tsara momba izay hataontsika tanjona?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fikatsahana fahafinaretana sy harena?

• Asa manao ahoana no mitondra fahafaham-po maharitra?

• Inona no zava-tsarobidy tokony hiezahantsika hananana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana tokony hatokantsika amin’ny fialam-boly?

[Sary, pejy 24]

Nahoana ny fitoriana no tena mahafa-po?