Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Manaraka “Zava-poana”

Aza Manaraka “Zava-poana”

Aza Manaraka “Zava-poana”

‘Izay manaraka zava-poana dia tsy ampy saina.’—OHAB. 12:11, f.a.p.

1. Inona avy no zava-tsarobidy ananantsika, ary ahoana no fomba tsara indrindra hampiasana azy ireny?

SAMY manana zava-tsarobidy isika rehetra. Anisan’izany ny fahasalamana, tanjaka, fahaizana, ary ny harena. Tia an’i Jehovah isika, ka faly mampiasa an’ireo zavatra ireo mba hanompoana azy. Ampirisihina isika hoe: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao.”—Ohab. 3:9.

2. Inona no fampitandreman’ny Baiboly momba ny zava-poana, ary inona no dikan’izany raha ara-bakiteny?

2 Miresaka momba ny zava-poana koa anefa ny Baiboly, ary mampitandrina antsika mba tsy hikatsaka an’izany. Hoy ny Ohabolana 12:11, araka ny fanamarihana ambany pejy: ‘Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; fa izay manaraka zava-poana dia tsy ampy saina.’ Mora azo ny hevitr’io ohabolana io, raha raisina ara-bakiteny. Raha miasa mafy hamelomana ny ankohonany tokoa ny lehilahy iray, dia azo inoana fa hanana izay ilainy izy mianakavy. (1 Tim. 5:8) Raha mandany fotoana sy hery amin’ny zava-poana kosa izy, dia azo lazaina hoe “tsy ampy saina”, izany hoe tsy mahalala ny tokony hatao sy tsy vonona hanao ny tsara. Azo antoka fa hahantra ny olona toy izany.

3. Inona no dikan’ilay ohabolana momba ny zava-poana, raha ny fanompoana no resahina?

3 Inona kosa no dikan’ilay ohabolana, raha ny fanompoana no resahina? Midika izy io fa tsy hanana ahiahy ny Kristianina iray, raha mazoto manompo an’i Jehovah sy mahatoky foana. Afaka matoky izy fa hitahy azy Andriamanitra dieny izao, ary azo antoka ny hoaviny. (Matio 6:33; 1 Tim. 4:10) Raha variana amin’ny zava-poana anefa izy, dia ho simba ny fifandraisany amin’i Jehovah, ary mety tsy hahazo fiainana mandrakizay izy. Ahoana no hisorohantsika izany? Mila mandinika isika hoe inona avy no “zava-poana” misy ankehitriny, ary tapa-kevitra ny handa izany.—Vakio ny Titosy 2:11, 12.

4. Inona avy no atao hoe zava-poana?

4 Inona avy àry no atao hoe zava-poana? Izay rehetra manelingelina antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Mety ho anisan’izany ny fialam-boly isan-karazany. Marina fa ilaina ny fialam-boly. Ho lasa an-tsirambina anefa ny fanompoantsika, raha mandany fotoana be loatra amin’izany isika. Lasa zava-poana ny fialam-boly amin’izay, satria manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (Mpit. 2:24; 4:6) Mila mianatra mandanjalanja àry ny Kristianina, ka mitandrina tsara ny fomba ampiasany ny fotoanany, izay tena sarobidy. (Vakio ny Kolosianina 4:5.) Misy zava-poana hafa anefa mampidi-doza kokoa noho ny fialam-boly. Anisan’izany ny sampy.

Zava-poana ny sampy

5. Matetika no manondro inona ny hoe “zava-poana”, ao amin’ny Baiboly?

5 Tsara homarihina fa matetika no manondro andriamani-diso ny hoe “zava-poana.” Hoy, ohatra, i Jehovah tamin’ny Israely: “Aza manao andriamani-tsi-izy [izay zava-poana]; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo.” (Lev. 26:1) Nanoratra toy izao koa i Davida Mpanjaka: “Lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona [na zava-poana], fa Jehovah no nanao ny lanitra.”—1 Tant. 16:25, 26.

6. Nahoana no zava-poana ny sampy?

6 Araka ny tenin’i Davida, dia betsaka ny porofo fa lehibe i Jehovah. (Sal. 139:14; 148:1-10) Vahoaka vita fifanekena tamin’i Jehovah ny Israelita, ary voninahitra lehibe izany! Nanao hadalana anefa izy ireo satria niala taminy, ary nanompo sary sokitra sy tsangambato masina! Hita fa zava-poana tokoa ireny sampy ireny rehefa tonga ny loza. Ny tenany aza moa tsy voavonjiny, koa mainka fa ireo nanompo azy!—Mpits. 10:14, 15; Isaia 46:5-7.

7, 8. Nahoana no mety ho lasa sampy ny “Harena”?

7 Mbola misy olona mivavaka amin’ny sarivongana, any amin’ny tany maro. Tsy misy ilana azy, ireny sampy ireny, na taloha na ankehitriny. (1 Jaona 5:21) Tsy ny sary ihany anefa no antsoin’ny Baiboly hoe sampy. Hoy, ohatra, i Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Matio 6:24.

8 Nahoana no mety ho lasa sampy ny “Harena”? Aoka hatao hoe nisy vato iray tany an-tsaha, teo amin’ny Israely fahiny. Azo nampiasaina hanorenana trano na manda ilay izy. Lasa fandrika ho an’ny vahoakan’i Jehovah anefa izy io, raha nanaovana “tsangambaton-tsampy.” (Lev. 26:1) Toy izany koa fa ilaina ny vola, mba hivelomana sy hampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Mpit. 7:12; Lioka 16:9) Lasa sampy anefa ny vola, raha ataontsika zava-dehibe noho ny fanompoana. (Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.) Ny hanan-karena izao no tena tanjon’ny olona. Mila mitandrina àry isika mba hahay handanjalanja, rehefa mitady vola.—1 Tim. 6:17-19.

9, 10. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fianarana? b) Inona no anisan’ny voka-dratsin’ny fianarana ambony?

9 Mety ho lasa zava-poana koa ny fianarana, na dia ilaina aza. Tiantsika hianatra tsara ny zanatsika, mba ho afaka hamelon-tena any aoriana. Tena mila mianatra mihitsy ny Kristianina, mba hahafahany hamaky Baiboly sy hahazo ny hevitr’izy io. Ho afaka hiatrika olana koa izy amin’izay, ary hahay hampianatra Baiboly amin’ny fomba tsotra sy maharesy lahatra. Tsy very maina àry ny fotoana lany ianarana any an-tsekoly.

10 Ahoana kosa ny fianarana ambony eny amin’ny oniversite? Betsaka ny olona mihevitra fa tena ilaina izany raha te ho tafita ianao. Mpianatra maro anefa no lasa nanaraka ny fahendren’ity tontolo ity, izay tena mampidi-doza. Lanilany fotsiny àry ny fahatanorana raha anaovana fianarana ambony, nefa taona sarobidy tokony hanompoana an’i Jehovah izany. (Mpit. 12:1) Tsy mahagaga raha tena vitsy no mino an’Andriamanitra, any amin’ireo tany misy olona maro nanao fianarana ambony. Matoky an’i Jehovah kosa ny Kristianina, fa tsy miantehitra amin’ny fianarana eto amin’ity tontolo ity.—Ohab. 3:5.

Mety ho lasa andriamanitra ny fanirian’ny nofo

11, 12. Inona no dikan’ilay tenin’i Paoly hoe “ny kibony no andriamaniny”?

11 Niresaka zavatra hafa mety ho lasa sampy koa ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Filipianina. Hoy izy momba an’ireo niala tamin’ny finoana: ‘Maro no mitsangan-ko fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy. Efa nilaza momba azy ireny matetika aho, fa ankehitriny dia milaza momba azy ireny amin-dranomaso koa. Fandringanana no hiafaran’ireny, ny kibony no andriamaniny; ary zavatra etỳ an-tany no ifantohan’ny sainy.’ (Fil. 3:18, 19) Nahoana no mety ho lasa andriamanitra ny kibo?

12 Nanaram-po tamin’ny fanirian’ny nofo ireo olona noresahin’i Paoly, ary izany no lasa zava-dehibe tamin’izy ireo fa tsy ny fanompoana an’i Jehovah. Nisy angamba nihinana sy nisotro tafahoatra, ka lasa tendan-kanina sy mamo lava. (Ohab. 23:20, 21; ampitahao amin’ny Deoteronomia 21:18-21.) Ny hafa kosa mety hoe variana loatra tamin’ny asa sy fialam-boly nisy tamin’izany, ka tsy nifantoka tamin’ny fanompoana. Enga anie isika tsy hampihena ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana mihitsy, satria fotsiny hoe te hanana fiainana lazaina fa tsara kokoa.—Kol. 3:23, 24.

13. a) Inona no dikan’ny hoe mitsiriritra, ary toy ny manao inona izany, hoy i Paoly? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy hitsiriritra?

13 Niresaka fanompoan-tsampy hafa koa i Paoly. Hoy izy: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.” (Kol. 3:5) Ny hoe mitsiriritra dia maniry mafy zavatra tsy ananana. Mety ho faniriana hahazo vola na zavatra izany, na koa faniriana hanao firaisana tsy ara-dalàna. (Eks. 20:17) Tsy mampieritreritra ve hoe toy ny manompo sampy, na mivavaka amin’ny andriamani-diso isika, raha manana faniriana toy izany? Mazava be ny fomba nilazan’i Jesosy fa mila manao izay rehetra azo atao isika, mba hanoherana ireny fanirian-dratsy ireny.—Vakio ny Marka 9:47; 1 Jaona 2:16.

Mitandrema amin’ireo miteny zava-poana

14, 15. a) Inona no zava-poana nampidi-doza olona maro, tamin’ny andron’i Jeremia? b) Nahoana no sarobidy ny tenin’i Mosesy?

14 Zava-poana koa ny tenin’ny olona sasany. Hoy i Jehovah tamin’i Jeremia: “Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona [na zava-poana] sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.” (Jer. 14:14) Nilaza ireo mpaminany sandoka ireo fa niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, nefa ny heviny sy ny fahendreny manokana no nambarany. “Tsinontsinona” àry ny tenin’izy ireo. Nitera-doza ho an’ny vahoakan’Andriamanitra izany. Izay nihaino an’ireny zava-poana ireny mantsy dia novonoin’ny miaramila babylonianina, tamin’ny 607 T.K.

15 Mifanohitra amin’izany kosa ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israelita. Hoy izy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio ... Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana hianareo.” (Deot. 32:46, 47) Avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny tenin’i Mosesy, ka tena sarobidy. Tsy maintsy nihaino an’izany ilay firenena raha te hahita soa. Ela velona sy niadana izay nitandrina izany. Enga anie isika tsy hihaino zava-poana mihitsy, fa hifikitra amin’ny tenin’ny fahamarinana izay tena sarobidy.

16. Ahoana no tokony hiheverantsika ny tenin’ireo mpahay siansa, izay mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra?

16 Misy olona miteny zava-poana koa ve ankehitriny? Eny tokoa. Misy, ohatra, manam-pahaizana milaza hoe hita avy amin’ny evolisiona sy ireo zava-baovao fantatra, fa tsy ilaina intsony ny mino an’Andriamanitra. Efa azon’ny siansa hazavaina daholo mantsy, hono, ny zava-drehetra. Tokony hihaino an’ireny olona mirehareha ireny ve isika? Tsia! Tsy mitovy amin’ny fahendren’olombelona ny fahendren’Andriamanitra. (1 Kor. 2:6, 7) Rehefa mifanohitra amin’izay lazain’Andriamanitra anefa ny fampianaran’ny olombelona, dia ny an’ny olona foana no diso. (Vakio ny Romanina 3:4.) Na mandroso be aza ny siansa, dia marina foana ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Amin’Andriamanitra dia hadalana ny fahendren’ity tontolo ity.” Tsy misy dikany tokoa ny hevitr’olombelona, raha ampitahaina amin’ny fahendren’Andriamanitra tsy manam-petra.—1 Kor. 3:18-20.

17. Ahoana no tokony hiheverantsika ny tenin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpivadi-pinoana?

17 Zava-poana koa ny tenin’ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Milaza ho miteny amin’ny anaran’Andriamanitra izy ireo, nefa tsy avy ao amin’ny Soratra Masina ny ankamaroan’izay lazainy. Zava-poana koa ny tenin’ny mpivadi-pinoana. Miseho ho hendry kokoa noho ny “mpanompo mahatoky sy malina” voatendrin’Andriamanitra izy ireo. (Matio 24:45-47) Ny fahendreny manokana anefa no lazainy. Zava-poana ny teniny, ka lasa vato mahatafintohina an’izay rehetra mihaino azy. (Lioka 17:1, 2) Inona no azontsika atao mba tsy ho voafitak’izy ireny?

Aza mihaino na miteny zava-poana

18. Ahoana avy no azontsika ampiharana ny torohevitra ao amin’ny 1 Jaona 4:1?

18 Nanome torohevitra tsara momba izany ny apostoly Jaona efa be taona. (Vakio ny 1 Jaona 4:1.) Manaraka ny teniny isika ka ampirisihintsika foana ny olona itoriantsika, mba hijery ao amin’ny Baiboly raha marina tokoa izay nampianarina azy. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa misy manakiana ny fahamarinana, ny fiangonana, ny anti-panahy, na ny iray amin’ireo rahalahintsika. Tsy tokony tonga dia hino an’izany isika. Mila mieritreritra isika hoe: “Manaraka an’izay lazain’ny Baiboly ve ny olona nampiely ilay resaka? Mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah ve ireny resadresaka na fiampangana ireny? Mampiray saina kokoa ny fiangonana ve izy ireny?” Zava-poana izay resaka rehetra tsy mampahery fa mandrava ny fihavanantsika.—2 Kor. 13:10, 11.

19. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba ho azo antoka fa tsy miteny zava-poana izy?

19 Tena mila mitandrina koa ny anti-panahy, mba tsy hiteny zava-poana. Isaky ny hanome torohevitra izy ireo, dia mila mitadidy fa voafetra ihany ny fahaizany, ka tsy tokony hanoro hevitra araka izay fantany fotsiny izy. Tokony ho avy ao amin’ny Baiboly foana kosa ny teniny. Ity tenin’i Paoly ity no mila arahin’ny anti-panahy: “Aza mihoatra noho izay voasoratra.” (1 Kor. 4:6) Tsy tokony hihoatra noho izay voasoratra ao amin’ny Baiboly izy ireo. Tafiditra amin’izany koa ireo torohevitra ara-baiboly ao amin’ny boky avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina.

20. Inona avy no fomba anampian’i Jehovah antsika mba handa an’ireo zava-poana?

20 Tena mampidi-doza ny zava-poana, na “sampy” izany, na teny, na zavatra hafa. Mila mivavaka foana àry isika mba hampian’i Jehovah hamantatra sy handa azy ireny. Tokony hilaza toy ny mpanao salamo isika hoe: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny làlanao aho.” (Sal. 119:37) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa mahasoa ny manaiky ny tari-dalan’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona avy no “zava-poana” tokony holavintsika?

• Inona no tokony hataontsika mba tsy ho lasa sampy ny vola?

• Ahoana no mety hahatonga ny fanirian’ny nofo ho lasa sampy?

• Inona no tokony hataontsika mba tsy hihaino na hiteny zava-poana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 3]

Nasaina ‘niasa ny taniny’ ny Israelita, fa tsy hanaraka zava-poana

[Sary, pejy 5]

Aza avela hampihena ny fanompoanao an’i Jehovah mihitsy ny faniriana hanan-javatra

[Sary, pejy 6]

Mety hisy heriny lehibe ny tenin’ny anti-panahy