Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanambadiana sy Fitaizan-janaka Amin’izao Andro Farany Izao

Fanambadiana sy Fitaizan-janaka Amin’izao Andro Farany Izao

Fanambadiana sy Fitaizan-janaka Amin’izao Andro Farany Izao

“Efa kely sisa ny fotoana tavela.”—1 KOR. 7:29.

1. a) Inona avy ireo fiovana, izay anisan’ny zava-tsarotra “tsy mora setraina”? b) Nahoana no tokony hampanahy antsika ny fiovan’ny fiainam-pianakaviana?

NILAZA mialoha ny Baiboly fa hisy ady sy horohoron-tany ary mosary sy areti-mandringana ho famantarana ny fotoan’ny “farany.” (Dan. 8:17, 19; Lioka 21:10, 11) Nampitandrina koa izy io fa hisy fiovana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina, mandritra io vanim-potoana miavaka io. Ho anisan’ny zava-tsarotra “tsy mora setraina” amin’ny “andro farany” ny fisian’ny korontana eo anivon’ny fianakaviana. (2 Tim. 3:1-4) Nahoana izany fiovana izany no tokony hampanahy antsika? Satria tena miely izy ireo, sady mety hanan-kery eo amin’ny fiheverantsika ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka. Ahoana no isehoan’izany?

2. Ahoana no iheveran’ny ankamaroan’ny olona ny fanambadiana sy ny fisarahana?

2 Mora ny misara-panambadiana ankehitriny. Miely patrana izany, ary mitombo haingana ny isan’ny mpivady misaraka any amin’ny tany maro. Tokony hotadidintsika tsara foana anefa fa hafa tanteraka noho ny fiheveran’ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika, ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fisarahana. Ahoana àry no fiheveran’i Jehovah an’ireo?

3. Ahoana no fiheveran’i Jehovah sy Jesosy ny fanambadiana?

3 Takin’i Jehovah Andriamanitra ny tsy hivadihan’ny mpivady amin’ny voadim-panambadiany. Rehefa nampiray ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany tao amin’ny fanambadiana izy, dia nilaza hoe: “Ny lehilahy dia ... hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” Naverin’i Jesosy Kristy ireo teny ireo tatỳ aoriana, sady nampiany hoe: “Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” Hoy koa izy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Gen. 2:24; Matio 19:3-6, 9) Mihevitra ny fanambadiana ho fatorana maharitra mandritra ny androm-piainana àry i Jehovah sy Jesosy. Tsy mifarana izy io, raha tsy maty ny iray amin’ny mpivady. (1 Kor. 7:39) Tsy tokony hataotao foana ny fisarahana, satria masina ny fanambadiana. Milaza mihitsy aza ny Tenin’Andriamanitra fa halan’i Jehovah ny fisarahana tsy araka ny Soratra Masina.—Vakio ny Malakia 2:13-16; 3:6.

Andraikitra ny fanambadiana

4. Nahoana no misy tanora kristianina manenina noho izy maimaika hanambady?

4 Adalana firaisana ity tontolo ratsy iainantsika ity. Maro be ny sary maloto mety ho hitantsika isan’andro. Tsy azo odian-tsy hita ny mety ho fiantraikan’ireny eo amintsika, indrindra fa eo amin’ny tanorantsika. Ahoana no tokony hataon’ny tanora kristianina manoloana ny fitaoman-dratsy toy izany, izay manaitra ny faniriany hanao firaisana na dia tsy fanahy iniany aza? Miezaka miala amin’izany ny sasany ka manambady, na dia mbola tena kely aza. Amin’izay, hono, izy tsy haloto fitondran-tena. Tsy ela anefa dia manenina ny sasany. Nahoana? Rehefa tsy vaovao aminy intsony ny hoe manambady, dia tsapany fa tsy mitovy tadin-dokanga izy mivady. Tsy mahagaga àry raha miatrika olana lehibe izy ireo.

5. Inona no hanampy ny mpivady tsy hivadika amin’ny voadim-panambadiany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

5 Mety ho sarotra mihitsy, raha tena tsy araka ny nantenainao ilay olona nofidinao ho vady, na dia Kristianina aza. (1 Kor. 7:28) Na misy olana be aza anefa, ka tsy sambatra ny mpivady, dia fantatry ny tena Kristianina fa tsy vahaolana azo ekena ny fisarahana tsy araka ny Soratra Masina. Maro àry no miezaka mafy hatrany mba hiaro ny tokantranony, satria tsy te hivadika amin’ny voadim-panambadiany. Mendrika hohajain’ny fiangonana sy hampiany amim-pitiavana izy ireny. *

6. Ahoana no tokony hiheveran’ny tanora kristianina ny fanambadiana?

6 Tanora mbola tsy manambady ve ianao? Raha eny, ahoana no tokony hiheveranao ny fanambadiana? Hisoroka ratram-po ianao, raha miandry ho efa vonona ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, vao manomboka miaraka amin’ny Kristianina iray tianao. Marina fa tsy milaza ny taona tokony hidirana amin’ny fanambadiana ny Soratra Masina. * Hita ao kosa anefa fa tsara kokoa raha andrasana ho dila aloha ilay fotoana mampirongatra ny faniriana hanao firaisana. (1 Kor. 7:36) Nahoana? Satria mety hahatonga anao tsy hisaina tsara ny faniriana mafy toy izany, ka mety hitarika anao handray fanapahan-kevitra ratsy, izay hiteraka ratram-po. Nanome torohevitra feno fahendrena momba ny fanambadiana i Jehovah, ao amin’ny Baiboly. Tadidio fa natao hahasoa sy hahasambatra anao izy ireny.—Vakio ny Isaia 48:17, 18.

Andraikitra ny fitaizan-janaka

7. Inona no mitranga amin’ny mpivady tanora sasany? Nahoana izany no miteraka disadisa?

7 Mbola azo lazaina ho zatovo ny mpivady sasany, dia efa bevohoka ravehivavy. Tsy tena nanam-potoana hifankahalalana tsara akory izy ireo dia efa tonga ny zaza, izay mila karakaraina andro aman’alina. Ara-dalàna aloha raha ilay zaza no lasa tena ifantohan’ilay reny. Mety hahatonga an’ilay tovolahy hialona anefa izany. Mety hiteraka disadisa ao an-tokantrano koa ny sorisory vokatry ny tsy fahampian-tory. Tsapan’izy ireo tampoka fa lasa voafetra ny fahalalahany. Tsy afaka mandehandeha na manao zavatra araka izay tiany intsony izy ireo. Ahoana no tokony hiheverany an’izany fiovana izany?

8. Ahoana no tokony hiheverana ny fitaizan-janaka? Nahoana?

8 Hitantsika teo fa andraikitra ny fanambadiana. Tokony horaisina ho andraikitra sy voninahitra avy amin’Andriamanitra koa ny fitaizan-janaka. Na inona na inona fanitsiana mila ataon’ny mpivady rehefa miteraka izy ireo, dia tokony hiezaka mafy araka izay azo atao izy, mba hiantsoroka izany andraikitra izany. Tokony hihevitra an’ilay zaza ho “lova avy amin’i Jehovah” izy ireo, satria izy no nanao izay hahafahan’ny olona hiteraka. (Sal. 127:3) Tokony hiezaka hanao ny andraikiny “araka ny sitrapon’ny Tompo” ny ray aman-dreny kristianina.—Efes. 6:1.

9. a) Mitaky inona ny fitaizan-janaka? b) Inona no azon’ny lehilahy atao mba hanampiana ny vadiny hanana finoana matanjaka foana?

9 Mitaky fandavan-tena mandritra ny taona maro ny fitaizan-janaka. Mandany fotoana sy hery be dia be izany. Tokony ho tsapan’ny lehilahy kristianina fa mety ho voahelingelina ny vadiny any am-pivoriana, mandritra ny taona maromaro aorian’ny hahaterahan’ny zaza iray. Mety tsy hanam-potoana firy hianarana samirery ny Baiboly sy hisaintsainana koa izy. Mety hampahalemy ny finoany izany. Tokony hanao izay rehetra azony atao àry ilay ray, raha te hanao tsara ny andraikiny, ka hanampy amin’ny fikarakarana ilay zaza. Rehefa tafody izy aorian’ny fivoriana, dia azony atao ny miara-midinika amin’ny vadiny ny hevitra sasany nodinihina tany, mba hanonerana izay tsy araky ny vadiny. Azony atao koa ny manampy amin’ny fikarakarana ilay zaza, mba ho afaka handray anjara tsara amin’ny fitoriana ny vadiny.—Vakio ny Filipianina 2:3, 4.

10, 11. a) Ahoana no tokony hitaizana ny ankizy? b) Nahoana no mendrika hoderaina ny ray aman-dreny kristianina maro?

10 Mikarakara ny fahasalaman’ny zanany ny ray aman-dreny, sady manome azy sakafo sy fitafiana ary trano ipetrahana. Tsy izay ihany anefa no andraikiny. Mbola kely ny ankizy dia efa tokony hampianarina an’ireo toro lalana momba ny fitondran-tena, indrindra amin’izao andro farany mampidi-doza izao. Tokony hotezaina “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” izy. (Efes. 6:4) Izany dia midika hoe mandentika ao an-tsainy ny “fomba fisainan’i Jehovah”, manomboka amin’izy mbola zaza ary mitohy mandritra ireo fotoan-tsarotra maha zatovo azy.—2 Tim. 3:14, 15.

11 Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tokony ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ izy ireo. Azo antoka fa midika izany hoe tokony hanampy ny zanany ho tonga mpianatr’i Jesosy ny ray aman-dreny. (Matio 28:19, 20) Tsy mora izany, satria mitaona ny tanora hanaraka ny fanaony ity tontolo ity. Noho izany, dia tena mendrika ny hoderain’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ny ray aman-dreny nahavita nanampy ny zanany ho lasa Kristianina vita fanoloran-tena. “Naharesy” an’ity tontolo ity izy ireo, satria nanam-pinoana ary nanao tsara ny andraikiny foana.—1 Jaona 5:4.

Mpitovo na koa mpivady tsy miteraka noho ny antony tena tsara

12. Nahoana no misy Kristianina mijanona ho mpitovo mandritra ny taona vitsivitsy?

12 Mampirisika antsika handinika ny tombony ananan’ny mpitovo ny Tenin’Andriamanitra. “Efa kely sisa [mantsy] ny fotoana tavela” ary “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” (1 Kor. 7:29-31) Misy Kristianina àry mifidy ny tsy hanambady mihitsy, na hijanona ho mpitovo mandritra ny taona vitsivitsy. Mendri-piderana izy ireny fa tsy manararaotra ny fahalalahana ananany, mba hanaovana izay tiany fotsiny. Maro no mijanona ho mpitovo, mba hanompoana an’i Jehovah “tsy misy fieritreretana zavatra hafa.” (Vakio ny 1 Korintianina 7:32-35.) Mpisava lalana na Betelita ny sasany. Maro koa no te hanampy bebe kokoa ny fandaminan’i Jehovah, ka miezaka hahafeno fepetra hanatrehana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Matetika aza ireo efa nanompo manontolo andro tamin’izy mpitovo no mahatsapa fa mbola mahasoa azy ny lesona sarobidy nianarany nandritra ireny fotoana ireny.

13. Nahoana no misy mpivady kristianina minia tsy miteraka?

13 Misy fiovana hafa koa hita any amin’ny tany sasany: Mpivady maro no manapa-kevitra ny tsy hiteraka. Olana ara-toe-karena no mahatonga ny sasany hanao izany. Ny hafa indray te hanao asa be karama. Misy mpivady minia tsy miteraka koa eo anivontsika Kristianina. Mazàna anefa izy ireny no manao izany, mba tsy ho voahelingelina loatra ny fanompoany an’i Jehovah. Tsy midika izany hoe tsy afaka miaina toy ny mpivady rehetra izy. Vonona kosa izy hamoy ny tombontsoa sasany entin’ny fanambadiana, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. (1 Kor. 7:3-5) Misy amin’izy ireny manao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra na miasa ao amin’ny Betela, mba hanompoana an’i Jehovah sy ny rahalahiny. Ny hafa indray mpisava lalana na misionera. Tsy hohadinoin’i Jehovah ny zavatra ataon’izy ireo sy ny fitiavana asehony ho an’ny anarany.—Heb. 6:10.

‘Fahoriana amin’ny nofo’

14, 15. Inona no ‘fahoriana amin’ny nofo’ mety hanjo ny ray aman-dreny kristianina?

14 Nilaza tamin’ny Kristianina manambady ny apostoly Paoly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” izy ireo. (1 Kor. 7:28) Anisan’izany angamba ny tsy fahasalaman’izy mivady, na ny zanany, na ny ray aman-dreniny be taona. Mety ho anisan’izany koa ny olana sy ny alahelo entin’ny fitaizan-janaka. Voalaza terỳ am-piandohana fa efa nilaza ny Baiboly hoe: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Ho anisan’ny zava-tsarotra tsy mora setraina ny zanaka ‘tsy mankatò ray aman-dreny.’—2 Tim. 3:1-3.

15 Tena zava-tsarotra ho an’ny ray aman-dreny kristianina ny fitaizan-janaka. Iharan’ny voka-dratsin’ny “fotoan-tsarotra” ankehitriny koa isika. Tsy maintsy miady hatrany àry ny Kristianina, mba tsy ho azon’ny fitaoman-dratsin’ity “tontolo” ity ny zanany. (Efes. 2:2, 3) Tsy hoe mandresy foana anefa izy ireo! ‘Fahoriana’ ho an’ny ray aman-dreny tokoa, raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ny zanany, nefa izy ireo niezaka nitaiza azy araka ny fahamarinan’Andriamanitra.—Ohab. 17:25.

“Hisy fahoriana lehibe”

16. Inona ilay “fahoriana” voalazan’i Jesosy mialoha?

16 Tsy misy azo ampitahaina amin’ilay fahoriana lehibe ho avy anefa ny ‘fahoriana’ rehetra ateraky ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka. Naminany momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy, ary nilaza hoe: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:3, 21) Nilaza izy tatỳ aoriana fa hisy vahoaka be ho tafavoaka velona amin’io “fahoriana lehibe” io. Mbola hiady amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mandry feizay anefa ny tontolon’i Satana, ary tena hahery vaika ny fanafihany farany. Azo antoka fa ho fotoan-tsarotra ho antsika rehetra izany, na ho an’ny olon-dehibe na ho an’ny ankizy.

17. a) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra loatra ny hoavy? b) Inona no tokony hisy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka?

17 Tsy tokony hatahotra loatra ny hoavy anefa isika. Afaka manantena ny ho voaro miaraka amin’ny zanany kely ny ray aman-dreny mahatoky eo anatrehan’i Jehovah. (Vakio ny Isaia 26:20, 21; Zef. 2:2, 3; 1 Kor. 7:14) Takatsika anefa fa mbola miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika izao. Enga anie izany ka hisy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka amin’izao andro farany izao. (2 Pet. 3:10-13) Hitondra voninahitra sy dera ho an’i Jehovah sy ny fiangonana ny fiainantsika amin’izay, na mpitovo isika na manambady, ary na manan-janaka na tsia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hahazo fampaherezana ireo miatrika olana ara-panambadiana, raha mijery indray ireo lahatsoratra momba ny fanambadiana ao amin’ny gazetintsika, toy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2003, sy ny Mifohaza! 8 Janoary 2001.

^ feh. 6 Jereo ilay toko faha-30 hoe “Vonona ho Amin’ny Fanambadiana ve Aho?”, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra.

Famerenana

• Nahoana ny tanora kristianina no tsy tokony ho maimaika hanambady?

• Mitaky inona ny fitaizan-janaka?

• Nahoana no misy Kristianina maro mijanona ho mpitovo, na koa tsy miteraka?

• Inona no ‘fahoriana’ mety ho hitan’ny ray aman-dreny kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Nahoana no hendry ny tanora raha miandry vao manambady?

[Sary, pejy 18]

Afaka manompo tsara an’i Jehovah ny vehivavy rehefa manampy azy ny vadiny

[Sary, pejy 19]

Nahoana ny mpivady sasany no manapa-kevitra ny tsy hiteraka?