Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona

I JAONA, “ilay mpianatra tian’i Jesosy”, no nanoratra ny boky farany momba ny fiainan’i Kristy sy ny fanompoany. (Jaona 21:20) Tamin’ny taona 98 tany ho any izy no nanoratra azy io. Tsy hita ao amin’ireo Filazantsara telo hafa ny ankamaroan’ny zavatra tantarainy.

Inona no tanjon’ny apostoly Jaona rehefa nanoratra ny Filazantsarany izy? Hoy izy: “Nosoratana ... ireo mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo fiainana amin’ny anarany, satria mino ianareo.” (Jaona 20:31) Tena mahasoa antsika ny zavatra nosoratany.—Heb. 4:12.

“INDRO NY ZANAK’ONDRIN’ANDRIAMANITRA”

(Jaona 1:1–11:54)

Sahy nilaza toy izao i Jaona Mpanao Batisa rehefa nahita an’i Jesosy: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) Nitety an’i Samaria, Galilia, Jodia, ary ny faritra atsinanan’i Jordana i Jesosy. Nitory sy nampianatra ary nanao fahagagana maro izy. ‘Maro ny olona tonga teo aminy’ ary “nino” azy.—Jaona 10:41, 42.

Anisan’ny fahagagana miavaka indrindra nataon’i Jesosy ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty. Maro no nino azy rehefa nahita fa velona indray ilay lehilahy maty nandritra ny efatra andro. Nikaon-doha hamono an’i Jesosy anefa ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo. Niala teo àry izy, ka nankany amin’ny “faritra akaikin’ny tany efitra, tao amin’ny tanàna atao hoe Efraima.”—Jaona 11:53, 54.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:35, 40—Iza ilay mpianatra tsy voatonona anarana, niara-nijoro tamin’i Jaona Mpanao Batisa? Miantso an’i Jaona Mpanao Batisa hoe “Jaona” ilay mpanoratra, fa tsy milaza ny anarany mihitsy, ao amin’ny Filazantsarany. Azo inoana àry fa i Jaona, mpanoratra ilay Filazantsara, io mpianatra tsy voatonona anarana io.

2:20—Ilay tempoly naorin’iza no naorina nandritra ny 46 taona? Naverin’i Heroda mpanjakan’i Jodia natsangana ny tempoly naorin’i Zerobabela. Io ilay tempoly noresahin’ny Jiosy. Milaza i Josèphe mpahay tantara, fa tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Heroda no nananganany indray ilay tempoly, izany hoe tamin’ny taona 18 T.K. na 17 T.K. Vita tao anatin’ny valo taona ny toerana masina sy ny tokotany ary ny trano lehibe hafa. Mbola nisy asa fanorenana anefa tao, hatramin’ny taona 30 A.K. sy taorian’izay. Tamin’ny Paska taona 30 A.K. no nilazan’ny Jiosy fa 46 taona no nanorenana ilay tempoly.

5:14—Nanota ve ny olona iray matoa marary? Tsy voatery ho izany. Narary nandritra ny 38 taona ilay lehilahy nositranin’i Jesosy. Ny tsy fahalavorariana nolovana tamin’i Adama no anton’izany. (Jaona 5:1-9) Te hilaza i Jesosy fa namindrana fo ilay lehilahy, ka tokony hanao zavatra mba hahazoany famonjena fa tsy hinia hanota intsony. Zavatra ratsy noho ny aretina no hihatra aminy, raha tsy izany. Mety hanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka izy, ka ho faty ary tsy hatsangana intsony.—Matio 12:31, 32; Lioka 12:10; Heb. 10:26, 27.

5:24, 25—Iza ireo “niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”? Lavitra an’Andriamanitra ny olona sasany taloha, nefa nanjary nino an’i Jesosy rehefa nandre ny teniny, ka tsy nanao ratsy intsony. Tsy voaheloka ho faty intsony izy ireo, ka azo lazaina fa “niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”, ary afaka manantena ny hiaina mandrakizay satria mino an’Andriamanitra.—1 Pet. 4:3-6.

5:26; 6:53—Inona no dikan’ny hoe manana ‘fiainana ao anaty’? Nanana ‘fiainana tao anatiny’ i Jesosy Kristy, noho izy nomen’Andriamanitra fahefana karazany roa, dia ny hanome laza tsara ny olona eo anatrehan’i Jehovah sy ny hanome fiainana amin’ny alalan’ny fananganana ny maty. Ho an’ny mpanara-dia an’i Jesosy kosa, ny hoe ‘manana fiainana ao anaty’ dia midika hoe mahazo ny tena fiainana. Mahazo izany ny Kristianina voahosotra rehefa hatsangana amin’ny maty any an-danitra. Hahazo izany kosa ireo Kristianina mahatoky manantena ny hiaina eto an-tany aorian’ilay fitsapana farany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.—1 Kor. 15:52, 53; Apok. 20:5, 7-10.

6:64—Efa fantatr’i Jesosy ve fa hamadika azy i Jodasy Iskariota, tamin’izy nifidy azy ho apostoly? Toa tsy nahafantatra izy. Tamin’ny taona 32 izy no nilaza tamin’ireo apostoliny hoe: “Ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika.” Tamin’izay angamba izy vao nahatsikaritra toetra ratsy ‘niandoha’ tao amin’i Jodasy Iskariota.—Jaona 6:66-71.

Lesona ho antsika:

2:4. Nohazavain’i Jesosy tamin’i Maria, fa Zanak’Andriamanitra vita batisa sady voahosotra izy, ka ny Rainy any an-danitra ihany no tokony hilaza aminy izay hataony. Vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy tamin’io, nefa fantany tsara ny fotoana hanatanterahany ny asa nanendrena azy, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona. Tsy navelany hanelingelina ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra, na dia ny havany akaiky toa an’i Maria aza. Tokony ho toy izany koa no fomba anompoantsika an’i Jehovah Andriamanitra.

3:1-9. Andraisantsika lesona roa ny zavatra nataon’i Nikodemosy, mpitondra teo amin’ny Jiosy. Voalohany, nanetry tena izy, nahay nandinika, ary nahatsapa fa nila an’Andriamanitra. Nanaiky izy fa mpampianatra nirahin’Andriamanitra ilay zanaky ny mpandrafitra mahantra. Mila manetry tena koa ny tena Kristianina ankehitriny. Faharoa, tsy sahy nanara-dia an’i Jesosy i Nikodemosy, tamin’i Jesosy teto an-tany. Natahotra olona angamba izy, na tsy nahafoy ny toerany tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, na tia harena. Misy lesona lehibe raisintsika avy amin’izany: Tsy tokony hamela ny zavatra toy ireo isika hisakana antsika tsy ‘hitondra ny hazo fijaliantsika isan’andro sy hanaraka an’i Jesosy mandrakariva.’—Lioka 9:23.

4:23, 24. Tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana voalazan’ny Baiboly sy hotarihin’ny fanahy masina ny fomba anompoantsika an’Andriamanitra, raha tiantsika hankasitrahany.

6:27. Miasa mba hahazo “sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay” isika, rehefa miezaka mifandray tsara amin’Andriamanitra. Mahasambatra antsika izany.—Matio 5:3.

6:44. Miahy antsika tsirairay i Jehovah. Mitaona antsika hanatona ny Zanany izy, amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy amin’ny alalan’ny fanahy masina, izay manampy antsika hahazo sy hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

11:33-36. Tsy fahalemena ny mampiseho fihetseham-po.

‘MANARAHA AZY MANDRAKARIVA’

(Jaona 11:55–21:25)

Niverina tany Betania i Jesosy, rehefa nanakaiky ny Paska taona 33. Niditra tao Jerosalema nitaingina zanak’ampondra izy ny 9 Nisana. Nankao amin’ny tempoly indray izy ny 10 Nisana. Nivavaka izy mba homena voninahitra ny anaran’ny Rainy. Nisy feo avy tany an-danitra àry nanao hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.”—Jaona 12:28.

Nanome torohevitra sy nivavaka ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy, nandritra ny sakafon’ny Paska. Efa handao azy ireo mantsy izy. Nosamborina sy notsaraina ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy, taorian’izay, ary avy eo natsangana tamin’ny maty.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

14:2—Ahoana no ‘nanomanan’i Jesosy toerana’ tany an-danitra ho an’ny mpanara-dia azy mahatoky? Nampanan-kery ilay fifanekena vaovao izy, rehefa niseho teo anatrehan’Andriamanitra sy nanolotra taminy ny vidin’ny rany. Anisan’ilay fanomanana koa ny fandraisany ny fahefan’ny mpanjaka. Nanomboka natsangany ho any an-danitra ireo mpanara-dia azy voahosotra, taorian’izay.—1 Tes. 4:14-17; Heb. 9:12, 24-28; 1 Pet. 1:19; Apok. 11:15.

14:16, 17; 16:7, 8, 13, 14—Mampiasa mpisolo anarana hoe “azy io” sy “ilay izy” ny Jaona 14:16, 17 rehefa miresaka momba ilay mpanampy na ny fanahin’ny fahamarinana. Mpisolo anarana hoe “izy” kosa no ampiasaina ao amin’ny Jaona 16:7, 8, 13, 14. Nahoana? Ny fitsipi-pitenenana no anton’izany. Nosoratana tamin’ny teny grika ny Filazantsaran’i Jaona. Amin’ny endriny manondro olona ny teny grika nadika hoe “mpanampy.” Nampiasa mpisolo anarana manondro olona àry i Jaona, rehefa niresaka momba ny zavatra hataon’ilay mpanampy. Amin’ny endriny manondro zavatra kosa ny teny grika nadika hoe ‘fanahy’, ka mpisolo anarana milaza zavatra no nampiasainy rehefa nilaza ny zavatra hataon’ny fanahin’ny fahamarinana izy.

19:11—I Jodasy Iskariota ve no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa niresaka tamin’i Pilato momba ilay nanolotra azy izy? Tsy nanondro olona iray i Jesosy, fa toa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny famonoana azy no tao an-tsainy. Anisan’izany i Jodasy, “ny lohan’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy”, ary “ny vahoaka” izay noresena lahatra mba hangataka ny hanafahana an’i Barabasy.—Matio 26:59-65; 27:1, 2, 20-22.

20:17—Nahoana i Jesosy no niteny tamin’i Maria Magdalena mba tsy hamikitra taminy? Namikitra tamin’i Jesosy i Maria, satria nihevitra angamba izy fa efa hiakatra any an-danitra i Jesosy ka tsy ho hitany intsony. Niteny taminy i Jesosy mba tsy hamikitra taminy, satria te hanome toky azy fa mbola tsy handeha. Nirahiny kosa i Maria mba hilaza tamin’ny mpianany fa efa natsangana izy.

Lesona ho antsika:

12:36. Mila manana fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, mba ho tonga “zanaky ny mazava”, na mpitondra fahazavana. Tokony hampiasa izany fahalalana izany isika, avy eo, mba hitaomana ny hafa hiala amin’ny haizina ho ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra.

14:6. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ihany no ahazoantsika ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ny fanehoana finoana an’i Jesosy sy ny fanahafana azy ihany, no hahatonga antsika ho akaiky an’i Jehovah.—1 Pet. 2:21.

14:15, 21, 23, 24; 15:10. Hanampy antsika tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’ny Zanany ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra.—1 Jaona 5:3.

14:26; 16:13. Mampianatra sy mampahatsiahy antsika ny zavatra nianarantsika ny fanahy masin’i Jehovah. Mampiharihary ny fahamarinana koa izy io. Afaka manampy antsika hitombo fahalalana, fahendrena, fahazoana hevi-javatra, fahaiza-mitsara zavatra, ary fahaiza-misaina izy io. Aza mitsahatra mangataka an’io fanahy io amin’ny alalan’ny vavaka àry.—Lioka 11:5-13.

21:15, 19. Nanontanian’i Jesosy i Petera raha tia azy mihoatra noho ny fitiavany an’ireo trondro. Nantitranteriny fa nila nifidy ny hanara-dia azy mandrakariva i Petera fa tsy ho variana amin’ny fanaratoana. Avy nandinika ireo Filazantsara isika izao. Aoka àry isika ho tapa-kevitra kokoa ho tia an’i Jesosy mihoatra noho ny zava-drehetra. Aoka isika hanara-dia azy mandrakariva amin’ny fo manontolo.

[Sary, pejy 31]

Inona no ianarantsika avy amin’i Nikodemosy?