Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Tsarovy ny Mpamorona Dieny Izao

Ry Tanora, Tsarovy ny Mpamorona Dieny Izao

Ry Tanora, Tsarovy ny Mpamorona Dieny Izao

“Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.”—MPIT. 12:1.

1. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa matoky ny tanora manompo azy izy?

SAROBIDY amin’i Jehovah ny tanora kristianina, ary heveriny ho toy ny ando mamelombelona. Nilaza izy fa hisy tovolahy sy tovovavy ‘hanolo-tena’ hanohana an’i Kristy Zanany, amin’ny andro ‘hanafihany.’ (Sal. 110:3) Io faminaniana io dia ho tanteraka amin’ny androntsika, izay ahitana olona maro tsy miraharaha an’Andriamanitra, tia tena, tia vola, ary tsy mankatò. Efa fantatr’i Jehovah anefa fa tsy ho toy izany ny tanora manompo azy. Matoky anareo tokoa izy ry rahalahy sy anabavy tanora!

2. Inona no dikan’ny hoe mahatsiaro an’i Jehovah?

2 Mba eritrereto ange ny hafalian’ny Mpamorona, rehefa mahita tanora mahatsiaro azy izy e! (Mpit. 12:1) Mazava ho azy fa tsy hoe mitadidy an’i Jehovah ao an-tsaina fotsiny ny hoe mahatsiaro azy. Midika hoe manao zavatra izy io, izany hoe mampifaly azy, ary manaraka ny lalàny sy ny toro lalany eo amin’ny fiainana andavanandro. Midika koa izy io hoe matoky azy, satria fantatsika fa izay tena hahasoa antsika no tadiaviny. (Sal. 37:3; Isaia 48:17, 18) Toy izany ve no fiheveranao ny Mpamorona?

“Matokia an’i Jehovah   amin’ny fonao rehetra”

3, 4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa natoky an’i Jehovah izy? Nahoana isika no tena mila matoky an’i Jehovah ankehitriny?

3 I Jesosy Kristy no modely tsara indrindra amin’ny fatokisana an’Andriamanitra. Nanaraka an’ireto tenin’ny Ohabolana 3:5, 6 ireto izy: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Naka fanahy an’i Jesosy i Satana taoriana kelin’ny batisany, mba hanekeny handray ny fahefana sy ny voninahitra eto amin’ity tontolo ity. (Lioka 4:3-13) Tsy nanaiky ho voafitaka anefa izy. Fantany fa ny tena “harena sy voninahitra ary fiainana” no “valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah.”—Ohab. 22:4.

4 Matimatin-karena sy tia tena ny ankamaroan’ny olona. Hendry àry isika raha manahaka an’i Jesosy. Tadidio koa fa hanao izay ho afany i Satana, mba hamitahana ny mpanompon’i Jehovah ka hampiala azy amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana. Tiany handeha amin’ilay lalana malalaka mankany amin’ny fandringanana ny olona rehetra. Aza manaiky ho voafitany! Aoka kosa ianao ho tapa-kevitra ny hahatsiaro ny Mpamorona. Matokia azy tanteraka, dia hihazona mafy “ny tena fiainana” ianao. Azo antoka izy io ary efa akaiky.—1 Tim. 6:19.

Hendre, ry tanora!

5. Ahoana no fahitanao ny hoavin’ity tontolo ity?

5 Hendry noho ireo mitovy taona aminy ny tanora mahatsiaro ny Mpamorona. (Vakio ny Salamo 119:99, 100.) Mitovy hevitra amin’Andriamanitra izy ireo, ka mahalala tsara fa tena ratsy ny hoavin’ity tontolo ity. Azo antoka fa na dia mbola tsy ela niainana aza ianareo, dia efa voamarikareo fa mitombo ny tahotra sy ny tebiteby. Efa renareo tany am-pianarana angamba ny momba ny fandotoana, ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany, ny fandripahana ala, ary ny olana hafa toy izany. Manahy mafy momba izany ny olona. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa no mahafantatra tsara fa anisan’ny famantarana ny fiafaran’ny tontolon’i Satana ireny zava-mitranga ireny.—Apok. 11:18.

6. Ahoana no nahavoafitaka ny tanora sasany?

6 Mampalahelo fa lasa tsy mailo intsony ny tanora sasany manompo an’Andriamanitra, ary manadino fa kely sisa ny fotoana tavela ho an’ity tontolo ity. (2 Pet. 3:3, 4) Ny hafa indray voatarika hanao fahotana lehibe, satria manana naman-dratsy, na mijery sary vetaveta. (Ohab. 13:20) Tena hampalahelo raha izao efa akaikin’ny farany izao isika, vao tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony! Aoka kosa isika hiana-javatra avy amin’ny nanjo ny Israelita tamin’ny 1473 T.K. Nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba izy ireo, ary efa teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina. Inona no nitranga?

Efa ho tafita vao rendrika

7, 8. a) Inona no tetika nampiasain’i Satana teo amin’ny Lemak’i Moaba? b) Inona no tetika ampiasain’i Satana ankehitriny?

7 Mazava fa tsy tian’i Satana Devoly hahazo ilay lova nampanantenaina azy ireo ny Israelita. Nataony izay hanozonan’i Balama mpaminany azy ireo, nefa tsy nahomby izy. Somary an-kolaka indray ny tetika nampiasainy avy eo. Nataony izay hahatonga ny Israelita tsy ho mendrika ny fitahian’i Jehovah. Nampiasainy hanangoly azy ireo ny vehivavy moabita, ary azo lazaina hoe nahomby izy tamin’io. Nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita mantsy ny vahoaka, ary niankohoka tamin’ny Balan’i Peora! Israelita 24 000 teo ho eo no maty, nefa efa tena akaiky an’ilay lova sarobidy, dia ny Tany Nampanantenaina. Loza tokoa izany!—Nom. 25:1-3, 9.

8 Efa madiva hiditra ao amin’ny tany nampanantenaina tsara kokoa isika, dia ny tontolo vaovao. Tsy miova ny fiasan’i Satana, fa mbola ataony izay hahatonga ny mpanompon’Andriamanitra haloto fitondran-tena. Mikororosy be ny fitondran-tenan’ity tontolo ity, ka heverina ho ara-dalàna ny fijangajangana. Lazaina fa safidy fotsiny ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Hoy ny anabavy iray: “Any an-trano sy any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany ny zanako vao mianatra hoe tsy eken’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny firaisan’ny olona tsy mpivady.”

9. Inona no mety hitranga amin’ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, ary ahoana no hiatrehan’ny tanora an’izany?

9 Fantatry ny tanora mahatsiaro ny Mpamorona, fa fanomezana masina ny firaisana ara-nofo, ary misy ifandraisany amin’ny aina sy ny fiterahana. Noho izany, dia ekeny fa ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana, araka ny didin’Andriamanitra. (Heb. 13:4) Mety ho sarotra anefa ny hadio fitondran-tena mandritra ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana.” Tena mafy mantsy ny faniriana hanao firaisana amin’io fotoana io, ka mety hahatonga ny olona tsy hisaina tsara. (1 Kor. 7:36) Inona àry no azonao atao raha misy eritreri-dratsy tonga ao an-tsainao? Mivavaha mafy amin’i Jehovah mba hanampiany anao hampifantoka ny sainao amin’ny zavatra madio. Henoin’i Jehovah foana ny olona tena mitady fanampiana aminy. (Vakio ny Lioka 11:9-13.) Hifantoka amin-javatra tsara koa ny sainao, raha manao resaka ara-panahy ianao.

Fidio tsara izay hataonao tanjona!

10. Inona no toe-tsaina ratsy tsy tokony harahintsika? Inona avy no fanontaniana mila eritreretintsika?

10 Tsy voafehy ny tanora maro eto amin’ity tontolo ity ary miliba fotsiny. Tsy manana “fahitana” mantsy izy ireo, izany hoe tsy manana ny tari-dalan’Andriamanitra sy hoavy azo antoka. (Ohab. 29:18) Tsy misy hafa amin’ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia izy ireo. Tsy niraharaha an’Andriamanitra ny Israelita, ary variana ‘nifaly sy niravoravo’ ary ‘nihinan-kena sy nisotro divay.’ (Isaia 22:13) Toy izay hitsiriritra ny olona toy ireny, nahoana raha misaintsaina ny fanantenana sarobidy omen’i Jehovah ny olony mahatoky? Raha tanora manompo an’Andriamanitra ianao, irinao mafy ve ny hahatongavan’ny tontolo vaovao? Manao ny ezaka rehetra tokony hatao ve ianao, mba “hisaina” tsara “eo am-piandrasana an’ilay zavatra mahafaly” ampanantenain’i Jehovah anao? (Tit. 2:12, 13) Miankina amin’ny valin-teninao ny zavatra hataonao tanjona sy hataonao loha laharana.

11. Nahoana ny tanora kristianina no tokony hianatra tsara any am-pianarana?

11 Tanjona tsy mifandray amin’ny fanompoana no tian’ity tontolo ity handanian’ny tanora ny heriny. Mazava ho azy fa mila miezaka mafy ianareo mpianatra, mba hahazoanareo izay fahalalana tena ilainareo. Tsy ny hahita asa hivelomana fotsiny mantsy no zava-kendrenareo, fa ny mba ho afaka hanampy tsara ny fiangonana sy ho mpitory mahita vokatra koa. Ilainareo àry ny mahay mampita hevitra, misaina tsara, ary manazava hevitra amin’ny fomba tony sy amim-panajana. Mahazo fampiofanana hafa koa anefa ny tanora, izay mianatra Baiboly sy miezaka mampihatra ny toro lalana ao anatiny. Izany no fampianarana tsara indrindra, izay ahafahana manomana hoavy tsara sy mandrakizay.—Vakio ny Salamo 1:1-3. *

12. Inona no modely tokony harahin’ny fianakaviana kristianina?

12 Natao loha laharana ny fampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany teo amin’ny Israely. Saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana no voafaoka tamin’izany, indrindra fa ny fivavahana. (Deot. 6:6, 7) Rehefa nihaino ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa natahotra an’Andriamanitra àry ny tanora israelita, dia nahazo fahalalana sy fahendrena ary fahaiza-misaina. Ny fampianaran’Andriamanitra no ahazoana an’ireo toetra vitsy mpanana ireo. (Ohab. 1:2-4; 2:1-5, 11-15) Tokony ho zava-dehibe amin’ny fianakaviana kristianina koa àry ny fampianarana.

Henoy ireo tia anao

13. Inona no torohevitra omen’ny olona sasany ny tanora, ary nahoana izy ireo no tokony ho mailo?

13 Misy olona maro manome torohevitra ny tanora. Anisan’izany ny mpampianatra. Izay hahatafita ny tanora fotsiny matetika no tena ampirisihan’izy ireny. Lanjalanjao tsara àry ny torohevitra toy ireny. Mivavaha amin’i Jehovah, ary manaova fikarohana ao amin’ny Teniny sy ny boky navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Fantatrao tamin’ny fianaranao Baiboly, fa ny tanora sy ireo mbola tsy nahita fiainana firy no tena kendren’i Satana. Izany no nitranga tamin’i Eva tany Edena. Nihaino an’i Satana izy, nefa tsy fantany akory izy io ary mbola tsy nanao zavatra hampisehoana hoe tia azy. Ho zavatra hafa mihitsy no nitranga raha toa i Eva ka nihaino an’i Jehovah, izay efa nanaporofo ny fitiavany azy tamin’ny fomba maro!—Gen. 3:1-6.

14. Nahoana ny tanora no tokony hihaino an’i Jehovah sy ny ray aman-dreniny Vavolombelona?

14 Tia anao koa ny Mpamorona, ary tena fitiavana ny azy. Tiany ho sambatra mandrakizay ianao, fa tsy ankehitriny fotsiny! Toy ny ray be fiahiana àry izy, rehefa milaza aminao sy izay rehetra te hanompo azy hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Manana tombony ianao raha Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreninao, ary tena tia azy. Henoy amim-panajana ny torohevitra omen’izy ireo, rehefa hifidy izay hataonao tanjona sy hataonao loha laharana ianao. (Ohab. 1:8, 9) Tadidio fa tian’izy ireo hahazo ny fiainana ianao, ary sarobidy lavitra noho ny harena na ny toerana ambony eto amin’ity tontolo ity izany.—Matio 16:26.

15, 16. a) Inona no atokisantsika momba an’i Jehovah? b) Inona no zava-dehibe ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Baroka?

15 Miezaka ny hanana fiainana tsotra foana ny olona mahatsiaro ny Mpamorona. Matoky izy fa tsy handao na hahafoy azy “mihitsy” i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 13:5.) Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho voataonan’ny fomba fisainan’ity tontolo ity, izay mifanohitra amin’io toe-tsaina tsara io. (Efes. 2:2) Diniho ny tantaran’i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, izay velona tamin’ilay fotoan-tsarotra taloha kelin’ny naharava an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K.

16 Te hanana fiainana nampiadana kokoa angamba i Baroka. Hitan’i Jehovah izany, ka nampitandrina azy tamin-katsaram-panahy izy, mba tsy hitady “zavatra lehibe” intsony. Nanetry tena sy hendry i Baroka, satria nihaino an’i Jehovah, ka tsy maty rehefa noravana i Jerosalema. (Jer. 45:2-5) Ny mpiara-belona taminy kosa nanangona “zavatra lehibe” na harena, ka tsy niraharaha firy an’i Jehovah. Tsy ela dia lasan’ny Kaldeanina (Babylonianina) daholo ny fananany. Maro koa no namoy ny ainy. (2 Tant. 36:15-18) Hitantsika amin’ny tantaran’i Baroka fa zava-dehibe noho ny harena sy ny toerana ambony, ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra.

Araho ny modely tsara indrindra

17. Nahoana no modely ho an’ny mpanompon’i Jehovah i Jesosy sy Paoly ary Timoty?

17 Misy modely maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanampiana antsika handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. I Jesosy, ohatra, no olona nanan-talenta indrindra hatramin’izay. Nifantoka tamin’ny fitoriana “ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” anefa izy, satria izany no hitondra soa mandrakizay ho an’ny olona. (Lioka 4:43) Naniry hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah koa ny apostoly Paoly, ka niala tamin’ny asa nety ho nampanan-karena azy, ary nampiasa ny fotoanany sy ny heriny mba hitoriana ny vaovao tsara. Nanahaka azy i Timoty, izay nantsoiny hoe “tena zanako ao amin’ny finoana.” (1 Tim. 1:2) Nanenina noho ny safidy nataony ve i Jesosy sy Paoly ary Timoty? Tsy izany mihitsy. Nilaza mihitsy aza i Paoly fa toy ny “fako miavosa” ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, raha oharina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, izay voninahitra lehibe.—Fil. 3:8-11.

18. Inona no fiovana lehibe nataon’ny rahalahy tanora iray, ary nahoana izy no tsy manenina?

18 Tanora maro no manahaka ny finoan’i Jesosy sy Paoly ary Timoty. Nanoratra toy izao, ohatra, ny rahalahy tanora iray, izay nanana asa be karama taloha: “Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly aho, ka imbetsaka no nahazo fisondrotana. Vola be mihitsy no azoko, nefa tsapako hoe toy ny misambo-drivotra fotsiny aho. Nankany amin’ny lehiben’ny orinasa àry aho, ary nilaza taminy fa te ho mpitory manontolo andro. Avy hatrany dia notambazan’izy ireo karama be aho, sao mba tsy miala. Efa tapaka anefa ny hevitro. Maro no tsy nahazo hoe nahoana aho no niala tamin’ilay asa be karama, mba ho mpitory manontolo andro. Ny antony dia satria tena te hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah aho. Mifantoka amin’ny fanompoana azy aho izao, ka azo lazaina hoe sambatra sy afa-po. Tsy ho nahazo izany mihitsy aho, na dia nanana vola be, na toerana ambony toy inona aza.”

19. Inona no safidy tsara ampirisihana ny tanora?

19 Tanora an’arivony eran-tany no manao safidy tsara toa an’io rahalahy io. Rehefa misaintsaina ny hoavy àry ianareo, ry tanora, dia ataovy an-tsaina foana ny andron’i Jehovah. (2 Pet. 3:11, 12) Aza mitsiriritra ny olona manararaotra an’ity tontolo ity. Henoy kosa ireo tena tia anao. Ny fanangonana ‘harena any an-danitra’ no fomba azo antoka indrindra ampiasana ny fiainana. Izany ihany no hitondra soa mandrakizay ho anao. (Matio 6:19, 20; vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Tsarovy ny Mpamorona, dia hotahiny ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2005, pejy 26-31, momba ny fianarana ambony sy ny asa.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ampisehoantsika fa matoky an’Andriamanitra isika?

• Inona no fampianarana tsara indrindra?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Baroka?

• Iza avy no modely ho antsika, ary nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Avy amin’i Jehovah ny fampianarana tsara indrindra

[Sary, pejy 15]

Nihaino an’i Jehovah i Baroka ary tsy maty rehefa noravana i Jerosalema. Inona no ianaranao avy amin’izany?