Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadiavo Foana ny Tari-dalan’Andriamanitra

Tadiavo Foana ny Tari-dalan’Andriamanitra

Tadiavo Foana ny Tari-dalan’Andriamanitra

“Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.”—SAL. 48:14.

1, 2. Nahoana isika no tokony hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah, fa tsy hitoky amin’ny fahendrentsika? Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

MORA voafitaky ny zava-poana isika raha tsy mitandrina. (Ohab. 12:11, f.a.p.) Mahita fialan-tsiny hanaovan-javatra tsy mety amin’ny Kristianina, ohatra, n,y fontsika, rehefa tena tiantsika hatao ilay izy. (Jer. 17:5, 9) Hendry àry ny mpanao salamo rehefa nivavaka hoe: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo.” (Sal. 43:3) Nitoky tamin’i Jehovah izy fa tsy tamin’ny fahendreny, izay voafetra ihany. Tokony hanahaka azy àry isika ka hitady ny fitarihan’Andriamanitra, izay tsara indrindra.

2 Nahoana anefa isika no tokony hatoky ny tari-dalan’i Jehovah, ambonin’ny zava-drehetra? Rahoviana isika no tokony hitady izany? Inona avy no toetra ilaintsika mba handraisan-tsoa avy amin’izany? Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika ankehitriny? Hodinihintsika ireo fanontaniana lehibe ireo.

Nahoana no azo itokisana ny tari-dalan’i Jehovah?

3-5. Nahoana isika no matoky tanteraka ny tari-dalan’i Jehovah?

3 I Jehovah no Raintsika any an-danitra. (1 Kor. 8:6) Fantany tsara isika tsirairay sy izay tena ao am-pontsika. (1 Sam. 16:7; Ohab. 21:2) Hoy i Davida Mpanjaka: “Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô.” (Sal. 139:2, 4) Fantatr’i Jehovah àry izay tena mahasoa antsika. Izy koa no hendry indrindra. Mahita ny zava-drehetra izy, ary mandinika lalina kokoa noho ny olombelona. Vao manomboka ny zavatra iray dia efa fantany ny hiafarany. (Isaia 46:9-11; Rom. 11:33) Izy no “Andriamanitra, izay hany manam-pahendrena.”—Rom. 16:27.

4 Tia antsika koa i Jehovah, ka mitady izay tena hahasoa antsika foana. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:8) Malala-tanana izy satria be fitiavana. Hoy i Jakoba: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra.” (Jak. 1:17) Omen’Andriamanitra fitahiana tondraka izay manaiky ny tari-dalany.

5 Farany, i Jehovah no mahery indrindra. Hoy ny mpanao salamo: “Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” (Sal. 91:1, 2) Ho voaro isika raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah, satria mahay ny zava-drehetra izy. Afaka manampy antsika izy, na dia misy fanoherana aza. Tsy hahafoy antsika mihitsy izy. (Sal. 71:4, 5; vakio ny Ohabolana 3:19-26.) Fantatr’i Jehovah tokoa izay tena mahasoa antsika, ary mitady ny tsara indrindra ho antsika izy, sady afaka manome an’izany. Manao hadalana àry isika raha tsy miraharaha ny fitarihany! Rahoviana anefa isika no mila ny tari-dalany?

Rahoviana isika no mila tari-dalana?

6, 7. Rahoviana isika no mila ny tari-dalan’i Jehovah?

6 Mila tari-dalana isika, mandritra ny fiainantsika manontolo. Hoy ny mpanao salamo: “Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.” (Sal. 48:14) Mitady ny tari-dalan’Andriamanitra foana ny Kristianina hendry, toy ny mpanao salamo.

7 Misy fotoana anefa tena ilantsika fanampiana, rehefa “azom-pahoriana” isika. Mety harary mafy isika, na tsy an’asa tampoka, na hiatrika fanenjehana. (Sal. 69:16, 17) Mampahery ny mivavaka amin’i Jehovah amin’ny fotoana toy ireny. Matoky isika fa hanome antsika hery hiaretana izy, ary hanampy antsika hanapa-kevitra tsara. (Vakio ny Salamo 102:17.) Mila fanampiana koa anefa isika amin’ny fotoana hafa. Mila ny tari-dalan’i Jehovah, ohatra, isika rehefa hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, mba hahita vokatra. Tokony hanaraka ny tari-dalany koa isika, rehefa hifidy fialam-boly, fitafiana sy taovolo, namana, asa, fianarana, na zavatra hafa. Amin’izay ihany isika vao hanao safidy tsara. Mila tari-dalana foana àry isika amin’ny toe-javatra rehetra.

Hiharan-doza izay mandà ny tari-dalan’Andriamanitra

8. Midika ho inona ny nihinanan’i Eva an’ilay voankazo voarara?

8 Tadidio anefa fa tsy maintsy vonona hanaiky ny tari-dalan’i Jehovah isika. Tsy hanery antsika mantsy izy, raha tsy te hanaraka izany isika. I Eva no olona voalohany nifidy ny handa ny tari-dalan’i Jehovah, ary hita fa tena ratsy ny vokany. Midika ho inona tokoa moa ny zavatra nataony? Nihinana an’ilay voankazo voarara i Eva, satria te ‘ho tahaka an’Andriamanitra, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ (Gen. 3:5) Naka ny toeran’Andriamanitra izy tamin’izany. Izy ihany mantsy no nifidy izay heveriny hoe tsara sy ratsy, fa tsy nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Nanda ny zon’i Jehovah hitondra àry izy, satria tsy te hofehezina intsony. Nikomy toa azy koa i Adama.—Rom. 5:12.

9. Manao inona raha ny marina izay tsy miraharaha ny tari-dalan’i Jehovah? Ary nahoana izany no tena tsy fahendrena?

9 Mandà ny zon’i Jehovah hitondra koa isika, raha tsy manaiky ny tari-dalany. Eritrereto, ohatra, hoe lasa zatra mijery boky sy sary vetaveta ny olona iray. Raha efa miaraka amin’ny fiangonana izy, dia fantany ny tari-dalan’i Jehovah momba izany. Tsy tokony hotononina eo amin’ny Kristianina mihitsy ny zavatra maloto, koa mainka moa fa hoe ho faly hijery an’izany. (Efes. 5:3) Mandà ny zon’i Jehovah hitondra sy ny fahefany izy, rehefa tsy miraharaha ny tari-dalany. (1 Kor. 11:3) Tena tsy fahendrena izany satria hoy i Jeremia: ‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.’—Jer. 10:23.

10. Nahoana isika no tokony hampiasa tsara ny safidy malalaka ananantsika?

10 Mety hisy tsy hanaiky an’io tenin’i Jeremia io. Mihevitra angamba izy ireo fa tsy tokony hanakiana antsika i Jehovah, satria nomeny safidy malalaka isika. Tadidio anefa fa mbola hampamoahina isika amin’ny fomba ampiasantsika an’io fanomezana io. Hotsaraina amin’izay lazaintsika sy ataontsika mantsy isika. (Rom. 14:10) Hoy i Jesosy: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” Hoy koa izy: ‘Avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana an’Andriamanitra.’ (Matio 12:34; 15:19) Hita amin’ny tenintsika sy ny ataontsika izay ao am-pontsika, sy ny tena toetrantsika. Mitady ny tari-dalan’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra àry ny Kristianina hendry, mba ho hita fa “mahitsy fo.” ‘Hanao soa’ aminy i Jehovah amin’izay.—Sal. 125:4.

11. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’ny Israelita?

11 Tsarovy izay nitranga tamin’ny Israelita. Narovan’i Jehovah izy ireo rehefa nanao safidy tsara ka nankatò ny didiny. (Josoa 24:15, 21, 31) Matetika anefa izy ireo no tsy nampiasa tsara ny safidy malalaka nananany. Hoy i Jehovah momba ny Israelita tamin’ny andron’i Jeremia: “Tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.” (Jer. 7:24-26) Mampalahelo tokoa izany! Enga anie isika tsy ho mafy loha mihitsy na hanaram-po amin’izay tiantsika fotsiny! Hanjary “hiamboho, fa tsy mba hanatrika” mantsy isika, izany hoe handa ny tari-dalan’i Jehovah.

Inona avy no toetra ilaina?

12, 13. a) Inona no toetra manampy antsika hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah? b) Nahoana no tena ilaina ny finoana?

12 Maniry hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah isika satria tia azy. (1 Jaona 5:3) Nisy toetra hafa koa anefa noresahin’i Paoly. Hoy izy: “Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.” (2 Kor. 5:6, 7) Nahoana no tena ilaina ny finoana? Marina fa mitarika antsika amin’ny “làlan’ny fahamarinana” i Jehovah. (Sal. 23:3) Tsy midika anefa izany hoe ho lasa mpanankarena na malaza eto amin’ity tontolo ity isika. Ilaintsika àry ny mampifantoka ny mason’ny finoantsika, amin’ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Vakio ny 2 Korintianina 4:17, 18.) Manampy antsika ho afa-po amin’izay tena ilaintsika koa ny finoana.—1 Tim. 6:8.

13 Nilaza i Jesosy fa mila mahafoy tena ny mpivavaka marina, ary mitaky finoana izany. (Lioka 9:23, 24) Nahafoy zavatra be dia be ny olona nahatoky sasany, sady niaritra fampahoriana, fanavakavahana, fahantrana, ary fanenjehana mafy. (2 Kor. 11:23-27; Apok. 3:8-10) Mbola faly ihany anefa izy ireo. Tsy ho nahavita an’izany izy ireo raha tsy nanana finoana matanjaka. (Jak. 1:2, 3) Ny finoana matanjaka koa no manampy antsika hatoky tanteraka, fa ny tari-dalan’i Jehovah foana no tsara indrindra. Mahasoa antsika foana ny manaraka izany. Tena mino isika fa tsinontsinona ny fahoriana vetivety iaretantsika, raha ampitahaina amin’ny valisoa ho azontsika raha tsy mivadika isika.—Heb. 11:6.

14. Nahoana i Hagara no tsy maintsy nanetry tena?

14 Ilaina koa ny fanetren-tena mba hanarahana ny tari-dalan’i Jehovah. Manaporofo izany ny ohatr’i Hagara, mpanompovavin’i Saraha. Momba i Saraha ka nasainy nanambady an’i Abrahama i Hagara, ary bevohoka. Nanao tsinontsinona ny tompovaviny izy noho izany. ‘Nampahorin’i Saraha’ àry izy ka nandositra. Hoy ny anjelin’i Jehovah rehefa nahita azy: “Miverena any amin’ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.” (Gen. 16:2, 6, 8, 9) Nasaina nanetry tena àry i Hagara. Tiany kokoa angamba raha zavatra hafa no nasaina nataony. Tsy maintsy nanova ny toe-tsainy anefa izy mba hanarahana ny tari-dalan’ilay anjely. Nanetry tena àry izy, ka teraka soa aman-tsara tao an-tobin’ny rainy i Ismaela.

15. Mila manetry tena isika indraindray mba hanarahana ny tari-dalan’i Jehovah. Milazà ohatra.

15 Tsy maintsy manetry tena koa isika indraindray, mba hanarahana ny tari-dalan’i Jehovah. Mila manaiky, ohatra, ny olona sasany fa tsy mampifaly an’i Jehovah ny fialam-boly iray tiany. Mety ho nanafintohina olona koa ny Kristianina iray ka mila miala tsiny. Misy indray nanao fahadisoana ka tokony hiaiky izany. Ary ahoana raha nanao fahotana lehibe ny olona iray? Tokony hanetry tena izy, ary hibaboka amin’ny anti-panahy. Ahoana kosa ny amin’ireo voaroaka? Tsy maintsy manetry tena sy mibebaka ary miova izy, raha te ho voaray indray. Mampahery tokoa ny Ohabolana 29:23, ho an’izay ao anatin’ny toe-javatra toy ireo. Izao no voalaza ao: “Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy; fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.”

Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika?

16, 17. Ahoana no handraisantsika soa feno avy amin’ny tari-dalan’ny Baiboly?

16 Ao amin’ny Baiboly no tena ahitana ny tari-dalan’Andriamanitra. (Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.) Hendry àry isika raha tsy miandry hoe misy olana vao hitady fanampiana ao amin’izy io. Tokony ho zatra mamaky ny Soratra Masina isan’andro kosa isika, raha te handray soa feno. (Sal. 1:1-3) Ho haintsika tsara izy io amin’izay. Lasa ny hevitr’Andriamanitra no ho ao an-tsaintsika, ka ho vonona kokoa hiatrika olana tsy ampoizina isika.

17 Zava-dehibe koa ny misaintsaina sy mivavaka rehefa mamaky Baiboly. Tokony hieritreritra toe-javatra voafaritra tsara azo ampiharana an’ireo andininy isika. (1 Tim. 4:15) Amin’izay raha miatrika olana lehibe isika, ka mangataka tari-dalana amin’i Jehovah, dia homeny fanahy masina. Izy io no hampahatsiahy antsika an’ireo toro lalana novakintsika tao amin’ny Baiboly na ny boky aman-gazety.—Vakio ny Salamo 25:4, 5.

18. Ahoana avy no ampiasan’i Jehovah ny fianakavian’ny mpirahalahy, mba hitarihana antsika?

18 Ampiasain’i Jehovah mba hitarihana antsika koa ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. Ny “mpanompo mahatoky sy malina” no lehibe indrindra amin’izany. Misolo tena azy io ny Filan-kevi-pitantanana, izay manome sakafo ara-panahy tsy tapaka amin’ny alalan’ireo boky sy gazety, ary fivoriana sy fivoriambe. (Matio 24:45-47; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:6, 22-31.) Anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy koa ny anti-panahy sy ireo Kristianina matotra hafa. Afaka manome torohevitra ara-baiboly sy fanampiana manokana izy ireny. (Isaia 32:1) Mahazo tari-dalana fanampiny koa ny ankizy, raha zanaka Vavolombelona. Ny ray aman-dreniny no asain’Andriamanitra mitari-dalana azy ireo, ka tokony hankatoaviny foana.—Efes. 6:1-3.

19. Inona avy no fitahiana ho azontsika raha mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana isika?

19 Manome tari-dalana amin’ny fomba maro i Jehovah, ary tokony hanaiky izany foana isika. Hoy i Davida Mpanjaka: “Hianao no nitokian’ny razanay; natoky izy, ka namonjy azy Hianao. Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.” (Sal. 22:3-5) Izany no nitranga fony mbola nahatoky ny Israelita. ‘Tsy ho menatra’ koa isika raha matoky ny tari-dalan’i Jehovah, ary tsy ho diso fanantenana. Hahazo fitahiana maro isika dieny izao raha ‘manankina ny lalantsika amin’i Jehovah’, fa tsy miantehitra amin’ny fahendrentsika. (Sal. 37:5) Hahazo fitahiana mandrakizay isika raha tsy mivadika mihitsy. Hoy i Davida: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; harovana mandrakizay ireo ... Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Sal. 37:28, 29.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana isika no matoky ny tari-dalan’i Jehovah?

• Raha mandà ny tari-dalan’i Jehovah isika, inona no tena lavintsika?

• Milazà toe-javatra ilana fanetren-tena.

• Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Mitady ny tari-dalan’i Jehovah ve ianao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao?

[Sary, pejy 9]

Nanda ny zon’i Jehovah hitondra i Eva

[Sary, pejy 10]

Inona no toetra nilain’i Hagara, mba hanarahany ny tari-dalan’ilay anjely?