Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Oviana no nitsidika an’i Jesosy ireo mpanandro?

Hoy ny boky iray manazava ny Baiboly: “Ny mpiandry ondry no nitsidika an’i Jesosy tamin’izy vao teraka teo amin’ny fihinanam-bilona fa tsy ny Magy.” Afaka volana maromaro kosa ny Magy vao nitsidika an’ilay “zaza” tany an-tranony. (Matio 2:7-11) Raha nomena volamena sy zava-tsarobidy i Jesosy tamin’ny alina nahaterahany, dia tsy ho vorona roa monja no ho nataon’i Maria fanatitra tany amin’ny tempoly, 40 andro tatỳ aoriana.—1/1, pejy 31.

• Inona no azon’ny olona maro atao mba hanatsarana ny fiainany?

‘Misy fanovana azo atao ve mba hanatsorana ny fiainana?’ Nanontany tena toy izany i Amy. Nanana ny ampy izy nefa tsy sambatra. Takany fa efa saika voavily niala tamin’ny finoana izy, noho ny fikatsahana fisondrotana teto amin’ity tontolo ity. Nanapa-kevitra àry izy fa hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana, ary afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana indray. Hoy i Amy: “Mahatsiaro ho afa-po aho izao. Tsy nahatsapa izany mihitsy aho” tamin’izaho variana loatra tamin’ny asako.—15/1, pejy 19.

• Inona no mety hanampy ny reny hahita fahombiazana?

Maro ny reny miasa any ivelan’ny tokantranony. Miasa izy ireo mba hisahanana izay ilain’izy mianakavy na mba hividianana zavatra lafo vidy. Misy indray tsy te hangata-bola amin’ny vadiny foana. Mahita fahafaham-po amin’ny asany kosa ny hafa. Manana andraikitra lehibe ny reny kristianina, indrindra raha mbola kely ny zanany. Nifidy ny hampihena ny fotoana iasany, na niala tamin’ny asany ny reny sasany, mba hikarakarana tsara ny zavatra ilain’ny fianakaviany. Tena nahita fahafaham-po izy ireo noho izany.—1/2, pejy 28-31.

• Iza ilay “taranaka” resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:34?

Nampiasain’i Jesosy tamin’ny heviny ratsy matetika ny teny hoe “taranaka”, rehefa niresaka tamin’ny ratsy fanahy na niresaka momba azy ireo izy. Tsy nampiasa an’io teny io tamin’ny heviny ratsy anefa izy tamin’io fotoana io, rehefa niresaka tamin’ny mpianany momba ilay “taranaka.” Ireo mpianany ireo, izay ho voahosotry ny fanahy masina tsy ho ela, mantsy no tena ho afaka hanao an’ilay fanatsoahan-kevitra voalaza ao amin’ny Matio 24:32, 33. Mety ho ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany sy amin’ny andro ankehitriny àry no tian’i Jesosy horesahina tamin’ilay teny hoe “taranaka.”—15/2, pejy 23-24.

• Nahoana ny Lalàna no lazaina hoe mpitaiza, araka ny Galatianina 3:24?

Mpanompo azo itokisana matetika no natao mpitaiza, tamin’ny andro fahiny. Niantoka ny fiarovana ny ankizy notezainy izy, ary mijery raha tanterahina ny zavatra tian’ny rain’ilay ankizy hatao amin-janany. Toy izany koa ny asan’ny Lalàna. Niaro ny Israelita tamin’ny fitaoman-dratsin’ireo firenena manodidina izy io, anisan’izany ny fanambadiana olona mpanompo sampy. Nitovy tamin’ny fahefan’ny mpitaiza anefa ny Lalàna. Nihelina ihany ny asan’izy io. Tsy nanan-kery intsony izy io rehefa tonga i Kristy.—1/3, pejy 18-21.

• Inona avy ireo toetra tokony hananantsika, araka ny Jakoba 3:17?

Tokony hadio isika, ka handa avy hatrany ny zava-dratsy. (Gen. 39:7-9) Tokony ho tia fihavanana koa isika, ka tsy hasiaka na hanao zavatra manimba fihavanana. Tokony hanontany tena toy izao àry isika tsirairay: ‘Malaza ho mpampihavana ve aho, sa mpila ady na mpampiady? Tsy mifanaraka matetika amin’ny hafa ve aho? Mora tezitra ve aho, na tia manafintohina ny hafa? Tia mamela heloka ve aho, sa miziriziry amin’ny hevitro na dia tsy misy toro lalan’ny Baiboly voadika aza?’—15/3, pejy 24-25.

• Nahoana no nositranin’i Jesosy tsikelikely ny lehilahy jamba iray? (Marka 8:22-26)

Tsy manome valiny voafaritra tsara ny Baiboly. Azo inoana anefa hoe nataon’i Jesosy miandalana ilay izy, mba ho zatra tsikelikely amin’ny hazavana ny mason’ilay lehilahy. Hita taratra amin’izany hoe tia sy niahy an’ilay jamba i Jesosy.—1/4, pejy 30.