Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafasaraka Amin’ny Mpianakavy Nefa Tsy Hadino

Tafasaraka Amin’ny Mpianakavy Nefa Tsy Hadino

Tafasaraka Amin’ny Mpianakavy Nefa Tsy Hadino

NAMPIRISIKA ny Kristianina namany ny apostoly Paoly hoe: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Gal. 6:10) Mbola mankatò io toromarika avy amin’Andriamanitra io isika, ka miezaka manao soa amin’ireo mpiray finoana. Anisan’ireo mila ny fitiavana sy ny fiahian’ny fiangonana kristianina sady mendrika izany, ireo rahalahy sy anabavy zokiolona malalantsika, izay mipetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra.

Fomban’ny fianakaviana any amin’ny tany sasany ny mikarakara ny zokiolona ao an-trano. Any an-tany hafa anefa, dia zokiolona maro no karakaraina any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Ahoana ny amin’ireo Kristianina zokiolona karakaraina any? Inona no olana manjo azy ireo? Inona no azony atao raha tsy mikarakara azy ny fianakaviany? Inona no azon’ny fiangonana anampiana azy? Inona no soa raisintsika raha mitsidika azy ireny tsy tapaka isika?

Olana any amin’ny trano fitaizana ny be antitra

Mety ho lasa any amin’ny faritanin’ny fiangonana iray vaovao aminy ny Kristianina zokiolona, rehefa mifindra any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Mety tsy hieritreritra ny hitsidika azy matetika àry ny Vavolombelona eo anivon’ilay fiangonana. Tsy mitovy finoana aminy koa angamba ny olona ifaneraserany ao amin’ilay trano fitaizana. Mety hahita olana àry izy.

Misy fotoam-pivavahana atao, ohatra, any amin’ny trano fitaizana sasany. Hoy ny mpikarakara iray: “Tsy afaka miresaka tsara ny Vavolombelona zokiolona sasany, ka entina amin’ny seza misy kodiarana any amin’ny toeram-pivavahana, nefa tsy nanontaniana akory ny heviny.” Matetika koa ny mpiasa any amin’ireo trano fitaizana no manao zavatra manokana, rehefa misy aniversera na Krismasy na Paka. Indraindray koa no omena sakafo tsy eken’ny feon’ny fieritreretany ireo Vavolombelona any amin’ny trano fitaizana. (Asa. 15:29) Ho afaka hanampy an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika zokiolona hiatrika ny olana toy ireny isika, raha mitsidika azy tsy tapaka.

Afaka manampy ny fiangonana

Fantatr’ireo Kristianina voalohany tsara, fa nanana andraikitra hikarakara ny zokiolona tsy nanana fianakaviana hanampy izy ireo. (1 Tim. 5:9) Toy izany koa fa tsy ataon’ireo anti-panahy ankehitriny an-kilabao, ireo zokiolona mipetraka any amin’ny trano fitaizana ao amin’ny faritaniny. * Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Robert: “Tsara raha mitsidika an’ireo zokiolona ny mpiandraikitra kristianina, mba hijery ny fiaimpiainan’izy ireo sy hiara-mivavaka aminy. Betsaka no azon’ny fiangonana atao mba hikarakarana izay ilain’izy ireny.” Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny fikarakarana an’ireo sahirana. Asehontsika fa mahatakatra izany isika, raha manokana fotoana hikarakarana ireo zokiolona.—Jak. 1:27.

Vonona hanao fandaharana ny anti-panahy, mba hanampiana ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny trano fitaizana ny be antitra ao amin’ny faritaniny. Nilaza ny zavatra tokony hatao i Robert. Hoy izy: “Tokony hampirisika an’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona hanatrika fivoriana kristianina isika, raha azon’izy ireo atao izany.” Afaka manao fandaharana hafa anefa ny anti-panahy ho an’ireo tsy afaka mandeha mivory intsony. Mihaino ny fivoriana an-telefaonina, ohatra, i Jacqueline, izay 85 taona eo ho eo sady voan’ny aretin’ny vanin-taolana. Hoy izy: “Tena mahasoa ahy ny mihaino ny fivoriana amin’ny fotoana anaovana azy. Tsy misy hatakaloko an’izany!”

Hanao fandaharana ny anti-panahy mba handraisam-peo ny fivoriana, raha tsy afaka mihaino izany an-telefaonina ny Kristianina iray zokiolona. Afaka mampahery an’ilay zokiolona ny olona manatitra an’ilay fivoriana noraisim-peo any aminy. Hoy ny mpiandraikitra iray: “Tsapan’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona fa mbola anisan’ny fiangonana izy, rehefa iresahana vaovao momba ny olona eo anivon’ny fiangonana.”

Tsidiho foana izy

Ara-dalàna raha sorena sy mikorontan-tsaina ny zokiolona maro rehefa afindra any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Lasa tia mitokantokana àry ny sasany. Tena hanampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika zokiolona mba hilamin-tsaina sy ho faly indray isika, raha mitsidika azy avy hatrany rehefa tafafindra izy, ary manome toky azy fa hampahery azy foana.—Ohab. 17:22.

Mety hisy hieritreritra hoe tsy ilaina ny mitsidika an’ireo zokiolona, raha verivery tadidy na tsy dia mandre izy, na misy olana hafa tsy ahafahana mifampiresaka tsara. Asehontsika anefa fa ‘loha laharana amin’ny fanomezam-boninahitra’ isika, raha miezaka mitsidika azy ireny foana, na dia sarotra aza ny mifampiresaka aminy. (Rom. 12:10) Raha manomboka mora manadino ny zokiolona iray, dia azontsika asaina mitantara ny fiainany taloha izy, anisan’izany ny fahazazany na ny fomba nahalalany ny fahamarinana. Inona no azo atao raha sahirana mitady izay teny holazainy izy? Henoy tsara izy, ary manonòna teny roa na telo mety hahalaza izay tiany hambara. Fintino kely izay nolazainy, ary ampirisiho hanohy ny teniny izy. Raha tsy fantatra izay lazainy satria mifangaro be na tsy afaka miteny tsara izy, dia henoy tsara ny toe-peony mba hahazoana izay tiany hambara.

Misy fomba hafa azo atao raha tsy afaka miresaka intsony ilay zokiolona. Tsy afaka miteny intsony, ohatra, i Madeleine, anabavy kristianina 80 taona, nefa mitsidika azy foana i Laurence, mpisava lalana iray. Hoy izy mahakasika ny fomba ifandraisan’izy ireo: “Raisiko ny tanan’i Madeleine ary miara-mivavaka izahay. Fihininy moramora ny tanako ary mipi-maso kely izy, mba hampisehoana fa tiany ny fotoana mamy toy ireny.” Tena hampahery an’ireo zokiolona namantsika ny fihazonana ny tanany sy ny famihinana azy amim-pitiavana.

Zava-dehibe ny fitsidihanao

Mety hisy vokany eo amin’ny fomba ikarakaran’ny mpiasa an’ilay zokiolona ny fitsidihanao azy tsy tapaka. Efa nandritra ny 20 taona izay no nitsidika Vavolombelona tany amin’ny trano fitaizana ny be antitra i Danièle. Hoy izy: “Voakarakara tsara kokoa ny zokiolona iray, rehefa hitan’ireo mpiasan’ny trano fitaizana fa misy mitsidika matetika.” Hoy i Robert, ilay voaresaka tetsy aloha: “Azo inoana fa hihaino kokoa an’ireo mitsidika tsy tapaka ny zokiolona ny mpiasan’ny trano fitaizana. Mety tsy hitovy amin’ny fanajany azy ireny ny fanajany ny mpitsidika mandalo tsindraindray.” Matetika no sarotsarotiny ny fianakavian’ireo zokiolona, ka faly ireo mpiasa rehefa misy mpitsidika mankasitraka azy ireo. Raha mifandray tsara amin’ireo mpikarakara ny be antitra koa isika, dia mety ho mora aminy ny hanaja ny fitsipika mifehy sy ny zavatra inoan’ny Vavolombelona zokiolona karakarainy.

Hifandray tsara amin’ny mpiasan’ny trano fitaizana koa isika, raha manolo-tena hanampy azy amin’ny zavatra tsotsotra. Tsy ampy foana, ohatra, ny olona mahay mikarakara be antitra any amin’ny toerana sasany, ka tsy voakarakara tsara ireo zokiolona. Hoy i Rébecca, mpikarakara zokiolona: “Be atao be [izahay] amin’ny fotoana fisakafoanana. Mety tsara àry raha amin’ireny fotoana ireny no tonga ny mpitsidika mba hanampy [ilay zokiolona] hisakafo.” Aza misalasala manontany an’ireo mpiasa raha misy azonao anampiana.

Ho fantatsika izay ilain’ireo rahalahy sy anabavintsika zokiolona, rehefa mitsidika azy ireny tsy tapaka isika. Mila mangataka alalana amin’ny tompon’andraikitra anefa aloha isika, vao hanao zavatra ho azy. Mety ho afaka handravaka ny tranony amin’ny sarin’ny havan-tiany na sary nataon’ny ankizy, ohatra, isika. Azontsika itondrana akanjo mafana hanaovany ao an-trano izy, na zavatra hafa toy ny savony na menaka fanosotra sy ny toy izany. Azontsika entina maka rivotra eny an-tokotany koa izy, raha misy zaridaina ilay toerana. Hoy i Laurence, ilay voaresaka teo aloha: “Tsy andrin’i Madeleine ny fotoana hitsidihako azy isan-kerinandro. Rehefa mitondra ankizy aho, dia mitsiky avy hatrany izy ary hita soritra eny amin’ny masony ny hafaliany.” Misy vokany lehibe eo amin’ireo zokiolona ny fanaovan-javatra toy izany.—Ohab. 3:27.

Samy mandray soa

Mety hitsapa ny ‘fahatsoran’ny fitiavantsika’ ny fitsidihana tsy tapaka ny zokiolona. (2 Kor. 8:8) Nahoana? Mety hampahory antsika ny mijery namana iray mihaosa. Hoy i Laurence: “Tamin’ny voalohany, dia nampalahelo be ahy ny nijery an’i Madeleine osa be, ka nitomany aho isaky ny avy nitsidika azy. Hitako anefa fa afaka manampy antsika handresy ny tahotra sy hahay hampahery kokoa ny vavaka amin-kafanam-po.” Efa an-taonany maro no nitsidihan’i Robert an’i Larry, rahalahy iray voan’ny aretin’i Parkinson. Hoy i Robert: “Nisy vokany be tamin’i Larry ny aretiny, ka tsy nisy azoko intsony izay nolazainy. Mbola tsapako anefa fa nanam-pinoana izy, rehefa niara-nivavaka izahay.”

Tsy ireo mpiray finoana zokiolona ihany no mandray soa amin’ny fitsidihantsika fa isika koa. Mahatonga antsika hanana finoana sy herim-po ny mahita azy tapa-kevitra hifikitra amin’i Jehovah, na dia mifanerasera amin’ny olona tsy mitovy finoana aminy aza. Tsy mandre tsara na mahita tsara intsony izy ireo, nefa mazoto misakafo ara-panahy. Hita amin’izany fa “tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Mahafinaritra an’ireo zokiolona na dia ny zavatra tsotra toy ny tsikin’ankizy sy ny fiaraha-misakafo aza. Mampahatsiahy antsika izany fa tokony ho afa-po amin’izay ananantsika isika. Manampy antsika hanao loha laharana ny zava-dehibe kokoa ny mahita azy ireo mankamamy ny fifandraisany tsara amin’Andriamanitra.

Mandray soa tokoa ny fiangonana manontolo rehefa manohana an’ireo zokiolona isika. Nahoana? Miantehitra kokoa amin’ny fitiavan’ireo rahalahiny ireo osa, ka afaka maneho fangorahana bebe kokoa ny fiangonana. Tokony hoheverintsika rehetra ho anisan’ny fanompoana ny hafa àry ny fikarakarana ny zokiolona, na dia maharitra ela aza. (1 Pet. 4:10, 11) Raha manome ohatra amin’io lafiny io ny anti-panahy, dia hanampy an’ireo anisan’ny fiangonana tsy hanao an-tsirambina an’io asa kristianina io. (Ezek. 34:15, 16) Manome toky an’ireo mpiray finoana zokiolona isika fa tsy manadino azy ireo, rehefa manohana azy an-tsitrapo sy amim-pitiavana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Raha vao fantatry ny mpitan-tsoratra hoe lasa any amin’ny trano fitaizana ny be antitra any amin’ny faritany hafa ny rahalahy na anabavy iray eo anivon’ny fiangonany, dia tokony hampahafantariny avy hatrany momba izany ny anti-panahy ao amin’ilay faritany.

[Teny notsongaina, pejy 28]

“Voakarakara tsara kokoa ny zokiolona iray, rehefa hitan’ireo mpiasan’ny trano fitaizana fa misy mitsidika matetika”

[Sary, pejy 26]

Mety hampilamin-tsaina ny Vavolombelona zokiolona ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika

[Sary, pejy 26]

Hampahery an’ireo mpiray finoana zokiolona ny fampisehoana fa tia azy ireo isika