Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Hafa?

Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Hafa?

Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Hafa?

“Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”—LIOKA 6:31.

1, 2. a) Inona no azo lazaina momba ny Toriteny teo An-tendrombohitra? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

TENA Mpampianatra Lehibe tokoa i Jesosy Kristy! Nitondra tanam-polo niverina ireo lehilahy nirahin’ny mpitondra fivavahana hisambotra azy. Hoy izy ireo: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” (Jaona 7:32, 45, 46) Anisan’ny toriteny niavaka indrindra nataon’i Jesosy, ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny toko faha-7 izy io, ary koa ao amin’ny Lioka 6:20-49. *

2 Anisan’ny be mpahalala indrindra amin’io toriteny io angamba ilay tenin’i Jesosy hoe: “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.” (Lioka 6:31) Tena nanao soa olona i Jesosy. Nanasitrana ny marary izy, ary nanangana ny maty mihitsy aza. Ireo nandray ny vaovao tsara notoriny anefa no tena nahazo fitahiana. (Vakio ny Lioka 7:20-22.) Vavolombelon’i Jehovah isika, ka mahafaly antsika ny mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, toy ny nataon’i Jesosy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ny zavatra nolazain’i Jesosy tao amin’io toriteny io, momba ny asa fitoriana sy ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa.

Aoka ianao halemy fanahy

3. Inona no dikan’ny hoe malemy fanahy?

3 Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Tsy fahalemena ny hoe malemy fanahy, ao amin’ny Soratra Masina. Hatsaram-panahy kosa izy io. Maneho an’io toetra io isika satria asain’Andriamanitra manao izany. Hita amin’ny fomba itondrantsika ny hafa, raha malemy fanahy isika na tsia. Tsy “mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza”, ohatra, isika raha malemy fanahy.—Rom. 12:17-19.

4. Nahoana no sambatra ny olona malemy fanahy?

4 Sambatra ny malemy fanahy, satria “izy no handova ny tany.” ‘Malemy fanahy sady manetry tena am-po’ i Jesosy, ka ‘voatendry ho mpandova ny zava-drehetra.’ Izy àry no lehibe indrindra amin’ny mpandova ny tany. (Matio 11:29; Heb. 1:2; Sal. 2:8) Efa voalaza mialoha fa hisy olona hiara-manjaka amin’ny Mesia na ny “zanak’olona”, ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Dan. 7:13, 14, 21, 22, 27) Miisa 144 000 izy ireo. “Mpiara-mandova amin’i Kristy” ireo voahosotra malemy fanahy ireo, ka handova ny tany hiaraka aminy. (Rom. 8:16, 17; Apok. 14:1) Handray fitahiana koa ireo olona malemy fanahy hafa, ka hiaina mandrakizay eto an-tany rehefa hitondra ilay Fanjakana.—Sal. 37:11.

5. Ho lasa Kristianina manao ahoana isika, raha malemy fanahy toa an’i Kristy?

5 Mety hihatakatahan’ny olona isika raha masiaka. Raha malemy fanahy toa an’i Kristy anefa isika, dia ho lasa Kristianina mahafinaritra sy mampahery. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fahalemem-panahy, ka hanana azy io isika raha manana ‘fomba fiaina araka ny fanahy’ sady ‘manaraka ny fitarihan’ny fanahy.’ (Vakio ny Galatianina 5:22-25.) Irintsika tokoa ny ho anisan’ireo olona malemy fanahy tarihin’ny fanahy masin’i Jehovah!

Sambatra ny mamindra fo

6. Inona no mampiavaka ny olona “mamindra fo”?

6 Nilaza toy izao koa i Jesosy tao amin’ilay toriteny: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Matio 5:7) Mangoraka sy manao zavatra amin-katsaram-panahy amin’ny mahantra, ny olona “mamindra fo.” “Nangoraka” an’ireo nijaly i Jesosy, ka nanao fahagagana mba hanampiana azy ireo. (Matio 14:14; 20:34) Ho lasa olona mamindra fo àry isika raha mangoraka sy tsara fanahy amin’ny hafa.—Jak. 2:13.

7. Nandrisika an’i Jesosy hanao inona ny fangorahana?

7 Nifanena tamin’ny vahoaka be i Jesosy, indray andro, tamin’izy handeha hiala sasatra kely. ‘Nangoraka azy ireo izy satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.’ “Nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy” noho izany. (Marka 6:34) Mahafaly tokoa ny miresaka ny hafatra momba ilay Fanjakana toy ny nataon’i Jesosy, sy milaza amin’ny olona fa tena mamindra fo Andriamanitra!

8. Nahoana no sambatra ny olona mamindra fo?

8 Sambatra ny olona mamindra fo satria “hamindrana fo.” Mamindra fo amintsika ny olona mazàna, rehefa mamindra fo aminy isika. (Lioka 6:38) Nilaza koa i Jesosy hoe: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra.” (Matio 6:14) Ny olona mamindra fo ihany no hahazo ny famelan-keloka sy ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary izany no mahasambatra azy ireo.

Sambatra “ny mpampihavana”

9. Inona no hataontsika raha mpampihavana isika?

9 Nilaza koa i Jesosy hoe: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’ ” (Matio 5:9) Tia fihavanana ny “mpampihavana.” Raha mpampihavana isika, dia tsy hilefitra sady tsy handray anjara amin’ny resaka fanendrikendrehana na zavatra hafa mety ‘hampisaraka ny tena mpisakaiza.’ (Ohab. 16:28) Ho hita eo amin’ny tenintsika sy ny ataontsika kosa, fa miezaka mafy isika mba hihavana amin’ny olona rehetra, na Kristianina izy na tsia. (Heb. 12:14) Ary ambonin’izany rehetra izany, dia tokony hanao araka izay fara herintsika isika mba hihavanana amin’i Jehovah Andriamanitra.—Vakio ny 1 Petera 3:10-12.

10. Nahoana no sambatra ny “mpampihavana”?

10 “Sambatra ny mpampihavana”, hoy i Jesosy, satria “izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’ ” Manana “fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra” ny Kristianina voahosotra, noho izy ireo mino fa i Jesosy no Mesia. (Jaona 1:12; 1 Pet. 2:24) Ary ahoana ny amin’ireo “ondry hafa” tia fihavanana? Ho Rain’izy ireo mandrakizay i Jesosy rehefa hanjaka hiaraka amin’ny voahosotra mandritra ny arivo taona. (Jaona 10:14, 16; Isaia 9:5; Apok. 20:6) Ho lasa tena zanak’Andriamanitra ireo ondry hafa tia fihavanana ireo, rehefa mifarana ny arivo taona hanjakan’i Kristy.—1 Kor. 15:27, 28.

11. Ahoana no fomba hitondrantsika ny hafa, raha tarihin’ny “fahendrena avy any ambony” isika?

11 Te hifandray akaiky amin’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”, ve ianao? Raha izany no izy, dia mila manahaka ny toetrany ianao, anisan’izany ny hoe tia fihavanana. (Fil. 4:9) Hiezaka hihavana amin’ny olona foana isika, raha manaiky hotarihin’ny “fahendrena avy any ambony.” (Jak. 3:17) Ho lasa tia fihavanana isika amin’izay, ary mahasambatra izany.

‘Aoka hamirapiratra ny fahazavanareo’

12. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fahazavana ara-panahy? b) Inona no azontsika atao mba hampamirapiratana ny fahazavantsika?

12 Inona no zavatra tsara indrindra azonao atao amin’ny olona? Ny manampy azy ireo hahazo ny fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra. (Sal. 43:3) Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa izy ireo no “fahazavan’izao tontolo izao.” Nampirisika azy ireo hampamirapiratra an’izany fahazavana izany izy, mba hahitan’ny olona ny “asa tsara” ataon’izy ireo. Hahazo fahazavana ara-panahy “ny olona” noho izany, izany hoe handray soa. (Vakio ny Matio 5:14-16.) Ary ahoana ny amintsika? Avelantsika hamirapiratra ny fahazavantsika, rehefa manao soa amin’ny mpiara-belona amintsika isika, ary mitory ny vaovao tsara “eran’izao tontolo izao” izany hoe “any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 26:13; Marka 13:10) Tsy misy asa tsara noho izany!

13. Inona no ho voamariky ny olona, rehefa mitory isika?

13 Hoy i Jesosy: “Tsy takona afenina ny tanàna eo an-tampon-tendrombohitra.” Rehefa mitory ny vaovao tsara koa isika, dia ho voamariky ny olona ny asa tsara ataontsika sy ny toetra tsarantsika, anisan’izany ny fahaizana mandanjalanja sy ny fitondran-tena madio ananantsika.—Tit. 2:1-14.

14. a) Nanao ahoana ny jiro nampiasaina tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana no ampisehoantsika fa tsy manafina ny fahazavantsika ao ambany “sobika famarana” isika?

14 Nilaza i Jesosy fa rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy io ao ambany sobika fa eo ambony fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano. Vita tamin’ny tanimanga ny tavin-jiro tamin’ny taonjato voalohany, ary menaka oliva mazàna no nampiasaina. Nasiana lahiny izy io, ka iny no nitroka an’ilay menaka mba hampirehitra an’ilay jiro. Napetraka teo ambony fitoeran-jiro vita tamin’ny hazo na vy izy io matetika, ary ‘nanazava an’izay rehetra tao an-trano.’ Tsy hisy mihitsy olona hametraka jiro ao ambany “sobika famarana”, izay sobika lehibebe famarana voa madinika. Tsy tian’i Jesosy hanafina ny fahazavany ao ambany sobika an’ohatra koa ny mpianany. Tokony havelantsika hamirapiratra foana àry ny fahazavantsika, na dia tojo fanoherana sy fanenjehana aza isika. Tsy hanafina ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina mihitsy isika na hihazona izany ho antsika samirery.

15. Inona no hataon’ny olona sasany rehefa mahita ny ‘asa tsara ataontsika’?

15 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa avy niresaka momba an’ilay jiro: “Aoka hamirapiratra toy izany eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.” Noho ny ‘asa tsara ataontsika’, dia ‘manome voninahitra’ an’Andriamanitra ny olona sasany, izany hoe lasa mpanompony. Tokony handrisika antsika hamirapiratra toy ny “mpanazava eo amin’izao tontolo izao” foana izany!—Fil. 2:15.

16. Inona no tokony hataontsika mba ho “fahazavan’izao tontolo izao”?

16 Tokony hitory sy hanao mpianatra isika, mba ho “fahazavan’izao tontolo izao.” Misy zavatra hafa takina amintsika koa anefa. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny fomba fiainanareo hampiseho fa zanaky ny mazava ianareo, fa ny vokatry ny mazava dia izay rehetra mety ho hatsaram-panahy sy fahitsiana ary fahamarinana.” (Efes. 5:8, 9) Tokony ho tsara fitondran-tena foana isika, mba ho modely ho an’ny hafa. Hoy ny apostoly Petera: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Eny, hanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo na amin’izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy aza, satria mahita ny asa tsara ataonareo.” (1 Pet. 2:12) Inona anefa no tokony hataontsika, raha manana olana amin’ny mpiara-manompo isika?

‘Mihavàna amin’ny rahalahinao’

17-19. a) Inona ilay “fanomezana” resahina ao amin’ny Matio 5:23, 24? b) Tena zava-dehibe ve ny mihavana amin’ny mpiara-manompo? Ahoana no nampisehoan’i Jesosy izany?

17 Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy tao amin’ilay toriteny, fa tsy tokony hitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny izy ireo, na hanamavo azy. Tokony hihavana haingana amin’izay rahalahy manana alahelo aminy izy ireo. (Vakio ny Matio 5:21-25.) Diniho tsara ange ilay torohevitr’i Jesosy e! Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, inona no tokony hataonao? Tokony havelanao eo anoloan’ny alitara ny fanomezanao, ary mandeha mihavana amin’ilay rahalahinao ianao. Rehefa miverina ianao vao atolotrao ilay fanomezana.

18 Zavatra atao fanatitra ao amin’ny tempolin’i Jehovah ilay “fanomezana” resahina eto. Tena zava-dehibe teo amin’ny fivavahan’ny Israelita ny fanatitra biby, satria Andriamanitra no nandidy azy ireo hanao izany, araka ny Lalàn’i Mosesy. Raha tsaroanao anefa hoe manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia mbola zava-dehibe kokoa noho ny fanaovana an’ilay fanatitra ny fandaminana an’ilay olana. Hoy i Jesosy: “Avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao. Ary mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao, ka rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.” Zava-dehibe ny mihavana amin’ny rahalahy, alohan’ny hanatontosana an’ilay adidy notakin’ny Lalàna.

19 Tsy nofaritan’i Jesosy ilay karazana fanatitra hatao sy ilay fahadisoana vita. Tokony hahemotra àry izay fanatitra ataon’ny olona iray, na inona izany na inona, raha mahatsiaro izy fa manana alahelo aminy ny rahalahiny. Raha biby velona no hataony fanatitra dia tokony hajanony “eo anoloan’ny alitara” fanaovana fanatitra dorana ilay izy, izany hoe eo an-tokotanin’ny mpisorona, izay ao amin’ny tokotanin’ny tempoly. Rehefa milamina ilay olana, vao tokony hiverina hanao an’ilay fanatitra izy.

20. Nahoana isika no tokony handamina haingana ny olana eo amintsika sy ny rahalahintsika?

20 Tokony hifandray tsara amin’ny mpiara-manompo isika, satria anisan’ny lafin-javatra lehibe amin’ny fivavahana marina izany. Tsy nisy dikany tamin’i Jehovah ny fanatitra biby nataon’ny olona iray, raha tsy nifandray tsara tamin’ny hafa izy. (Mika 6:6-8) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampirisika ny mpianany hoe: “Mifandamìna haingana.” (Matio 5:25) Hoy koa i Paoly: “Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Mety ho tezitra ianao noho ny zava-nitranga iray, ary mety hanana ny rariny. Tokony halamina haingana anefa ilay olana mba tsy ho sosotra foana ianao, ka hohararaotin’ny Devoly.—Lioka 17:3, 4.

Hajao foana ny hafa

21, 22. a) Inona no hanampy antsika hampihatra ny torohevitra nomen’i Jesosy? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Manampy antsika hanaja ny hafa sy ho tsara fanahy amin’izy ireo, ny hevitra sasany nodinihintsika tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Tsy lavorary isika kanefa afaka mampihatra ny torohevitr’i Jesosy, satria tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy sy ilay Raintsika any an-danitra. Raha miezaka mafy sy mivavaka amin’i Jehovah isika, ary mahazo ny fanampiany, dia ho lasa olona malemy fanahy sy mamindra fo ary tia fihavanana. Ho afaka hampamirapiratra ny fahazavantsika isika amin’izay, ary hitondra voninahitra ho an’i Jehovah izany. Ho afaka hamitram-pihavanana amin’ny rahalahintsika koa isika rehefa ilaina izany.

22 Mila mifandray tsara amin’ny hafa isika, raha tiantsika heken’i Jehovah ny fivavahantsika. (Marka 12:31) Mbola handinika hevitra hafa amin’ilay toriteny tsy manan-tsahala isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Hodinihintsika hoe inona no azo atao raha te hanao soa foana isika? Afaka manontany tena toy izao anefa ianao, rehefa avy misaintsaina ireo hevitra nodinihina teo: ‘Mety ve ny fomba itondrako ny hafa?’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Mety handray soa ianao raha mamaky an’ireo andinin-teny ireo rehefa mianatra samirery, alohan’ny handinihanao an’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe malemy fanahy?

• Nahoana no sambatra ny olona “mamindra fo”?

• Inona no azontsika atao mba hampamirapiratana ny fahazavantsika?

• Nahoana isika no tokony ‘hihavana’ haingana amin’ny rahalahintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Mitory momba ilay Fanjakana isika, mba hampamirapiratana ny fahazavantsika

[Sary, pejy 5]

Tokony ho tsara fitondran-tena ny Kristianina mba ho modely ho an’ny hafa

[Sary, pejy 6]

Miezaha mafy mba hihavana amin’ny rahalahinao