Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akaiky ny Fanafahana Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

Akaiky ny Fanafahana Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

Akaiky ny Fanafahana Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—MATIO 6:10.

1. Inona no votoatin’ny fampianaran’i Jesosy?

VOAFINTINA tao amin’ny vavaka modely nampianarin’i Jesosy Kristy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra ny votoatin’ny fampianarany. Toy izao ilay vavaka: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9-13) “Nitety tanàna sy vohitra” i Jesosy “ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 8:1) Nampirisika ny mpanara-dia azy izy hoe: ‘Katsaho hatrany aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.’ (Matio 6:33) Rehefa mianatra ity lahatsoratra ity ianao, dia saintsaino ny fomba hampiasana azy eny amin’ny fanompoana. Eritrereto, ohatra, hoe: Manao ahoana ny hasarobidin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? Mila afahana amin’ny inona ny olombelona? Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanafahana azy ireo?

2. Manao ahoana ny hasarobidin’ny hafatra momba ilay Fanjakana?

2 Naminany i Jesosy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Tena sarobidy ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io tokoa no hafatra lehibe indrindra torina eto an-tany! Mbola tsy nisy toy izany ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah azy io. Misy fito tapitrisa eo ho eo izy ireo, any amin’ny fiangonana 100 000 mahery. Ambaran’izy ireo fa efa miorina ilay Fanjakana. Vaovao tsara izany, satria midika fa nanangana fitondrana any an-danitra Andriamanitra mba hitondra ny tany. Hanao ny sitrapon’i Jehovah etỳ an-tany tahaka ny an-danitra izy io.

3, 4. Hanao ahoana ny fiainana rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?

3 Hanao ahoana ny olombelona rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra? “Hofafan[’i Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apok. 21:4) Tsy harary na ho faty noho ny ota sy ny tsy fahalavorariana intsony ny olona. Ho afaka hiaina mandrakizay ireo nodimandry, izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, satria mampanantena ny Baiboly hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Tsy hisy intsony ny ady, aretina, mosary, ary hovana ho paradisa ny tany. Hihavana amin’ny olombelona sy amin’izy samy izy, na dia ireo biby mampidi-doza ankehitriny aza.—Sal. 46:9; 72:16; Isaia 11:6-9; 33:24; Lioka 23:43.

4 Tena mahafinaritra izany soa hoentin’ilay Fanjakana izany. Mampahery tokoa ny fomba ilazan’ny Baiboly ny fiainana amin’izany. Izao no lazainy: ‘Ny mpandefitra handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.’ Hanao ahoana kosa ireo mpanao ratsy? Hoy ny Soratra Masina: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy.” “Izay miandry an’i Jehovah” kosa no “handova ny tany.”—Sal. 37:9-11.

5. Inona no hitranga amin’ny rafitra misy eto amin’ity tontolo ity?

5 Mba hahatanterahan’izany dia tsy maintsy ravana ny rafitra misy eto amin’ity tontolo ity, anisan’izany ireo fitondram-panjakana sy tontolo ara-barotra ary fivavahana mifandrafy. Izany indrindra no hataon’ilay Fanjakana any an-danitra. Nahazo herin’ny fanahy masina i Daniela mpaminany ka naminany hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra [ankehitriny] ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Dan. 2:44) Hanjaka eo amin’ny fiaraha-monina vaovao eto an-tany, aorian’izay, ny fitondram-panjakana vaovao any an-danitra, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.”—2 Pet. 3:13.

Tena mila fanafahana ny olombelona

6. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny faharatsiana eto amin’ity tontolo ity?

6 Nikomy tamin’Andriamanitra i Satana sy Adama ary i Eva, ka nifidy ny hanapa-kevitra samirery momba izay tsara sy ratsy. Nanomboka teo ny fahorian’ny olombelona. Nisy Safodrano, 1 600 taona mahery taorian’izay, satria “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Gen. 6:5) Voamarik’i Solomona koa, 1 300 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano, fa tena ratsy ny fiainana, ka hoy izy: “Ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,— nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ny masoandro akory.” (Mpit. 4:2, 3) Efa 3 000 taona teo ho eo izay no lasa taorian’ny nilazan’i Solomona an’ireo teny ireo, ary mbola mitombo foana ny faharatsiana.

7. Nahoana no mila fanafahana noho ny hatramin’izay ny olombelona ankehitriny?

7 Marina fa efa ratsy foana ny fiainana, hatramin’ny ela. Mila fanafahana noho ny hatramin’izay anefa ny olombelona ankehitriny, dia ny fanafahana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ratsy kokoa noho ny hatramin’izay mantsy ny fiainana, nandritra ny 100 taona farany, ary miharatsy hatrany. Voalazan’ny tatitra nataon’ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao, fa “ny isan’ny matin’ny ady nandritra ny taonjato [faha-20], dia avo telo heny noho ny isan’ny matin’ny ady tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny 1899.” Maherin’ny 100 tapitrisa no maty noho ny ady, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’izao! Milaza ny rakipahalalana iray fa efa ho 60 tapitrisa no maty tamin’ny Ady Lehibe II. Manana fitaovam-piadiana niokleary ny firenena sasany ankehitriny, ka afaka mandripaka ain’olona tsy hita isa. Ankizy dimy tapitrisa eo ho eo koa isan-taona no matin’ny hanoanana, na dia mandroso aza ny siansa sy ny fitsaboana.—Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko 9.

8. Inona no miharihary rehefa dinihina ny fitondran’olombelona nandritra ny an’arivony taona?

8 Tsy nahavita nampitsahatra ny fitomboan’ny faharatsiana ny olombelona. Zavatra fototra ilain’ny olona ny fiadanana sy fahasalamana ary vola ampy, nefa tsy nahavita nanome izany ireo fikambanana ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana. Tsy mahavaha ireo olana lehibe izy ireo, fa vao mainka aza manampy trotraka izany. Marina tokoa ireto teny ireto, rehefa dinihina ny an’arivony taona nitondran’ny olombelona: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jer. 10:23) ‘Nanapaka ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.’ (Mpit. 8:9) “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.”—Rom. 8:22.

9. Inona no tsy mahagaga ny tena Kristianina amin’izao “andro farany” izao?

9 Naminany toy izao ny Baiboly, momba ny androntsika: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Resahin’ilay faminaniana avy eo ny fiainana amin’ny andro farany eo ambany fitondran’olombelona, ary lazainy fa “ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany.” (Vakio ny 2 Timoty 3:1-5, 13.) Tsy mahagaga ny Kristianina izany, satria ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy’, izay tsy iza fa i Satana. (1 Jaona 5:19) Misy vaovao tsara anefa: Tsy ho ela Andriamanitra, dia hanafaka ireo tia azy amin’ity tontolo miharatsy haingana ity.

Iza no azo antoka fa hahavita hanafaka antsika?

10. Nahoana no i Jehovah ihany no azo antoka fa hahavita hanafaka ny olona?

10 Hazavao amin’ny olona, rehefa mitory ny vaovao tsara ianao, fa i Jehovah ihany no azo antoka fa hahavita hanafaka antsika. Izy ihany no manana hery hanafahana ny mpanompony amin’ny toe-javatra ratsy rehetra, sady maniry hanao izany. (Asa. 4:24, 31; Apok. 4:11) Mahazo matoky isika fa hanafaka ny olony sy hanatanteraka ny fikasany foana i Jehovah, satria nianiana izy hoe: “Araka izay noheveriko no hatao aminy.” “Tsy hiverina” aminy ny teniny ‘raha tsy efa tanteraka.’—Vakio ny Isaia 14:24, 25; 55:10, 11.

11, 12. Ahoana no nanaporofoan’Andriamanitra fa afaka manafaka ny mpanompony izy?

11 Noporofoin’i Jehovah fa afaka manafaka ny mpanompony izy rehefa mampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy. Hoy, ohatra, izy tamin’i Jeremia mpaminany, rehefa naniraka azy hitory tamin’ny mpanao ratsy: ‘Aza matahotra, fa momba anao hamonjy anao Aho.’ (Jeremia 1:8) Naniraka anjely roa koa i Jehovah mba hitarika an’i Lota sy ny fianakaviany hivoaka an’i Sodoma sy Gomora, taloha kelin’ny handringanany an’ireo tanàna feno olon-dratsy ireo. ‘Nandatsaka solifara sy afo tamin’i Sodoma sy Gomora’ izy, taorian’izay.—Gen. 19:15, 24, 25.

12 Na mandringana eran-tany aza i Jehovah, dia vitany ny manafaka ireo manao ny sitrapony. ‘Niaro an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa’ izy, rehefa nandringana an’ilay tontolo ratsy fahiny tamin’ny Safodrano. (2 Pet. 2:5) Hanafaka ny olona mahitsy indray izy, rehefa handringana an’ity tontolo ratsy ity. Izao no voalaza ao amin’ny Teniny: ‘Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany. Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.’ (Zef. 2:3) Inona no ho vokatr’io fandringanana eran-tany io? ‘Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana.’—Ohab. 2:21, 22.

13. Inona no hataon’i Jehovah mba hanafahana ireo mpanompony efa maty?

13 Maro anefa ny mpanompon’Andriamanitra efa maty, noho ny aretina, fanenjehana, na antony hafa. (Matio 24:9) Ahoana no hanafahan’Andriamanitra azy ireny? Hitantsika teo aloha fa “hisy fitsanganan’ny marina.” (Asa. 24:15) Tena mampahery ny mahalala fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hanafaka ny mpanompony!

Fitondram-panjakana manao ny marina

14. Nahoana isika no matoky fa manao ny marina ny Fanjakan’Andriamanitra?

14 Azonao resahina amin’ny olona itorianao, fa manao ny marina ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra. Izany no izy satria hita eo amin’ny zavatra ataon’io Fanjakana io ny toetra tsaran’Andriamanitra, toy ny fanaovana ny rariny, ny fahamarinana, ary ny fitiavana. (Deot. 32:4; 1 Jaona 4:8) Notendren’Andriamanitra ho mpanjakan’ilay Fanjakana i Jesosy Kristy, izay ampy fahaizana indrindra mba hitondra ny tany. Nifidy Kristianina voahosotra 144 000 avy eto an-tany koa i Jehovah, mba hatsangana ho any an-danitra. Hiara-manjaka amin’i Kristy izy ireo ary hitondra ny tany.—Apok. 14:1-5.

15. Inona no tsy mampitovy ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitondran’olombelona?

15 Tena tsy hitovy amin’ny fitondran’olombelona tsy lavorary ny fitondran’i Jesosy sy ny 144 000! Tsy mifaditrovana mazàna ireo mpitondra eto amin’ity tontolo ity, ary mitarika ny olona hiady, ka an-tapitrisany no maty. Tsy mahagaga raha manoro hevitra antsika mba tsy hatoky olombelona ny Soratra Masina, satria “tsy mahavonjy” izy ireny. (Sal. 146:3) Haneho fitiavana kosa i Kristy rehefa hitondra. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.

Efa hifarana ny andro farany!

16. Inona no hitranga rehefa hifarana ny andro farany?

16 Nanomboka tamin’ny 1914 ny andro farany, na “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3) Tena kely sisa dia ho tonga ilay nantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe.” (Vakio ny Matio 24:21.) Hanafoana ny tontolon’i Satana manontolo io fahoriana mbola tsy nisy toa azy io. Ahoana anefa no hanombohan’izy io, ary hanao ahoana no hiafarany?

17. Inona no lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny fiandohan’ny fahoriana lehibe?

17 Hanomboka tampoka ny fahoriana lehibe. Tsy hampoizina tokoa ny fiavian’ny “andron’i Jehovah”, rehefa hisy ‘hilaza hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana.” ’ (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:2, 3.) Rehefa mieritreritra ireo firenena fa efa ho voavahany ny olana lehibe sasany mahazo azy, dia hanomboka ilay fahoriana nambara mialoha. Horavana tampoka i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra, ary hanampoka izao tontolo izao izany. Ho gaga ireo mpanjaka sy ny hafa, rehefa hiharan’ny didim-pitsarana i Babylona Lehibe.—Apok. 17:1-6, 18; 18:9, 10, 15, 16, 19.

18. Inona no hataon’i Jehovah rehefa hamely ny vahoakany i Satana?

18 Hisy fotoana miavaka izay ‘hisian’ny famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana’, ary “hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona.” Ho afaka ‘hitraka’ isika amin’izay, satria ‘efa manakaiky ny fanafahana antsika.’ (Lioka 21:25-28; Matio 24:29, 30) Hitarika ny tafiny hamely ny vahoakan’Andriamanitra i Satana na i Goga. Hoy anefa i Jehovah momba ireo mpanompony mahatoky: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zak. 2:12) Tsy hahomby àry ny fikasan’i Satana handripaka azy ireo. Nahoana? Satria hanao zavatra avy hatrany i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, mba hanafahana ny mpanompony.—Ezek. 38:9, 18.

19. Nahoana isika no afaka matoky fa handringana ny tontolon’i Satana ny tafik’Andriamanitra?

19 Rehefa hamely an’ireo firenena Andriamanitra, dia ho ‘fantatr’izy ireo fa Izy no Jehovah.’ (Ezek. 36:23) Handefa ny tafiny avy any an-danitra izy, mba handringana ny sisa amin’ny tontolon’i Satana eto an-tany. Anjely maro be tarihin’i Kristy Jesosy io tafika io. (Apok. 19:11-19) Nahavita “namely [fahavalon’Andriamanitra] dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy” ny anjely iray, tao anatin’ny iray alina monja. Afaka matoky àry isika fa tsy ho sarotra amin’ilay tafika avy any an-danitra, ny handringana ny sisa amin’ny tontolon’i Satana eto an-tany amin’ny Hara-magedona, izany hoe eo am-pifaranan’ny fahoriana lehibe. (2 Mpanj. 19:35; Apok. 16:14, 16) Hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny arivo taona i Satana sy ireo demoniany, ary horinganina amin’ny farany.—Apok. 20:1-3.

20. Inona no hotanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana?

20 Tsy hisy faharatsiana intsony àry eto an-tany, ary hiaina mandrakizay eto ny olo-marina. Ho voaporofo fa Mpanafaka Lehibe i Jehovah. (Sal. 145:20) Hanamarina ny zony hitondra, hanamasina ny anarany, ary hanatanteraka ny fikasany lehibe momba ny tany izy, amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Ambarao àry izany vaovao tsara izany. Ampio ireo ‘manana toe-po tsara hahazoana fiainana mandrakizay’, mba hahafantatra fa efa akaiky ny fanafahana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Enga anie ianao hahita fifaliana eo am-panaovana izany!—Asa. 13:48.

Tadidinao ve?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ilay Fanjakana?

• Nahoana no tena mila fanafahana noho ny hatramin’izay ny olombelona?

• Inona avy no ampoizintsika hitranga mandritra ny fahoriana lehibe?

• Inona no manaporofo fa Mpanafaka Lehibe i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12, 13]

Nilaza mialoha ny Tenin’Andriamanitra fa hisy fitoriana mbola tsy nisy toy izany eran-tany, amin’ny androntsika

[Sary, pejy 15]

Hanafaka antsika i Jehovah, toy ny nanafahany an’i Noa sy ny fianakaviany

[Sary, pejy 16]

Hofafan’i Jehovah ny ranomaso rehetra, ka tsy hisy fahafatesana intsony.—Apok. 21:4