Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Andaminana ny Filan-kevi-pitantanana

Fomba Andaminana ny Filan-kevi-pitantanana

Fomba Andaminana ny Filan-kevi-pitantanana

LEHILAHY vita fanoloran-tena sady Kristianina voahosotra ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misolo tena ny mpanompo mahatoky sy malina izy ireo. Andraikitr’io mpanompo io ny manome sakafo ara-panahy sy tari-dalana momba ny fitoriana ilay Fanjakana eran-tany, ary manao izay hampandroso an’io asa io.—Matio 24:14, 45-47.

Mivory isan-kerinandro ny Filan-kevi-pitantanana, ary ny alarobia matetika no anaovany izany. Manampy azy ireo hiara-miasa amim-piraisan-tsaina izany. (Sal. 133:1) Miasa ao amin’ny komity samihafa ireo rahalahy anisan’izy io. Samy manana ny andraikiny mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana ireo komity ireo. Hazavaina eto ambany izany.

▪ KOMITIN’NY MPANDRINDRA: Anisan’izy io ny mpandrindra tsirairay ao amin’ireo komity hafa, miampy mpitan-tsotra iray, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa. Manao izay hampandeha tsara ny asan’ny komity rehetra izy io. Mandray andraikitra koa izy io rehefa misy olana lehibe tampoka, na fanenjehana, na loza, na raharaha maika hafa mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

▪ KOMITIN’NY MPIASA: Ireo rahalahy ao amin’izy io no miandraikitra an’ireo fandaharana isan-karazany, mba hikarakarana izay ilain’ny fianakavian’ny Betela eran-tany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny lafiny hafa. Eo ambany fiandraiketan’izy io no ifidianana sy iantsoana an’izay hiasa ao amin’ny Betela. Mamaly ny fanontanian’izy ireo momba ny fanompoana ao amin’ny Betela koa izy io.

▪ KOMITIN’NY FAMPANONTANA: Miandraikitra ny fanaovana pirinty sy ny fanontana ary ny fandefasana boky sy gazety ara-baiboly eran-tany izy io. Eo ambany fiadidiany koa ny toerana fanontam-pirinty sy ny tranon’ireo fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ataon’izy io azo antoka fa ampiasaina amin’ny fomba tsara indrindra ny vola omen’ny olona ho an’ny asa fitoriana maneran-tany.

▪ KOMITIN’NY FANOMPOANA: Io komity io no miandraikitra ny asa fitoriana sy ny raharaha mahakasika ny fiangonana, mpisava lalana, anti-panahy, ary mpiandraikitra mpitety faritany. Andraikiny koa ny fanomanana ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, sy ny fiantsoana an’ireo hanao ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary avy eo ny fanendrena azy ireny.

▪ KOMITIN’NY FAMPIANARANA: Izy io no misahana ny fampianarana omena any amin’ny fivoriambe sy ny fivorian’ny fiangonana. Izy io koa no manao ny fandaharana ara-panahy ho an’ny fianakavian’ny Betela, mandamina ireo sekoly samihafa toy ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, ary manomana ny fandaharana hatao CD sy DVD.

▪ KOMITIN’NY FANORATANA: Izy io no miandraikitra ny fanaovana an-tsoratra ny sakafo ara-panahy, izay hatao pirinty sy hozaraina amin’ny Vavolombelona sy ny besinimaro. Mamaly fanontaniana ara-baiboly izy io, ary manapa-kevitra raha mety ny soratra ho an’ny tantara an-tsehatra sy ny drafitra ho an’ny lahateny. Miandraikitra ny fandikan-teny atao eran-tany koa izy io.

Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonan’ny voahosotra. Nasongadiny fa tena ilaina ny rehetra, sady mifampiankina sy mifankatia ary mifanampy, rehefa manatontosa ilay asa nampanaovin’Andriamanitra. (Rom. 12:4, 5; 1 Kor. 12:12-31) I Jesosy Kristy no Lohan’izy ireo. Manome izay ilain’izy ireo izy, mba hahafahany hiara-miasa amin’ny fomba mirindra sy ho ampy sakafo ara-panahy. (Efes. 4:15, 16; Kol. 2:19) Toy izany no fomba andaminana ny Filan-kevi-pitantanana, izay omen’i Jehovah ny fanahiny masina, mba hitari-dalana antsika.