Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

TANTARAINA ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny niforonan’ny fiangonana kristianina sy ny nitaran’izy io. Ilay dokotera atao hoe Lioka no nanoratra an’io boky io. Velombelona erỳ ny fomba nitantarany ny asa nataon’ny Kristianina voalohany nandritra ny 28 taona (taona 33-61).

Mitantara ny fanompoan’ny apostoly Petera ny tapany voalohany amin’izy io, ary ny fanompoan’ny apostoly Paoly ny tapany faharoa. Mampiasa ny teny hoe “izahay” sy “anay” i Lioka indraindray. Asehon’izany fa nanatri-maso ny zava-nitranga sasany nosoratany izy. Rehefa mandinika ny hafatra raketin’io boky io isika, dia hiaiky kokoa fa mahery ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina. (Heb. 4:12) Handrisika antsika hahafoy tena izany, ary hanamafy ny finoantsika an’ireo fampanantenana momba ilay Fanjakana.

NAMPIASA ‘NY LAKILEN’ILAY FANJAKANA’ I PETERA

(Asan’ny Apostoly 1:1–11:18)

Nitory tamim-pahasahiana ny apostoly rehefa nahazo ny fanahy masina. Nampiasa ny voalohany tamin’ny “lakilen’ny fanjakan’ny lanitra” i Petera, mba hahafahan’ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny fivavahana jiosy, hanantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy. Nitombo fahalalana ireo olona ireo rehefa “nandray tsara ny tenin’i Petera.” (Matio 16:19; Asa. 2:5, 41) Niely tany amin’ny faritra maro ny mpianatra rehefa nisy fanenjehana nahery vaika, ka nitombo ny faritra nitoriana.

Rehefa ren’ny apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny olona tany Samaria, dia nirahin’izy ireo ho any i Petera sy Jaona. Nampiasa ny lakile faharoa i Petera tamin’izay, mba hahafahan’ny Samaritanina hiditra ao amin’ilay Fanjakana. (Asa. 8:14-17) Niova tampoka ny fiainan’i Saoly avy any Tarsosy, herintaona teo ho eo taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nampiasa ny lakile fahatelo indray i Petera tamin’ny taona 36, ka nahazo ny fanahy masina ny olona hafa firenena tsy voafora.—Asa. 10:45.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:44-47; 4:34, 35—Nahoana ny Kristianina no nivarotra ny fananany sy nizara ny vola azony? Maro tamin’ireo tonga mpino no avy any an-tany lavitra, ary tsy nanana vatsy ampy hijanonana ela kokoa tao Jerosalema. Mbola te hijanonjanona anefa izy ireo mba hahafahany handalina an’ilay finoany vaovao sy hitory amin’ny hafa. Nivarotra ny fananany àry ny Kristianina sasany ary nizara ny vola azony mba hanampiana an’ireo namany ireo.

4:13—Tsy nahay taratasy na tsy nahita fianarana ve i Petera sy Jaona? Tsia. Nolazain’ny olona hoe ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ izy ireo, satria tsy niofana tany amin’ny sekolin’ny raby.

5:34-39—Ahoana no nahafantaran’i Lioka ny teny nolazain’i Gamaliela nandritra ny fivorian’ny Fitsarana Avo, kanefa tsy nahazo nanatrika izany ny besinimaro? Noho ny antony telo, fara fahakeliny: 1) Na i Paoly, mpianatr’i Gamaliela taloha no nilaza izany taminy. 2) Na izy nanontany olona iray tsara fanahy tao amin’ny Fitsarana Avo, toa an’i Nikodemosy. 3) Na Andriamanitra no nampahafantatra azy ny tenin’i Gamaliela.

7:59—Nivavaka tamin’i Jesosy ve i Stefana? Tsia. I Jehovah Andriamanitra ihany no tokony hivavahana. (Lioka 4:8; 6:12) Nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy foana i Stefana. (Jaona 15:16) Tamin’io fotoana io kosa anefa, dia nahita ‘ny Zanak’olona nijoro teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra’ izy. (Asa. 7:56) Fantany fa nomena fahefana hanangana ny maty i Jesosy, ka niangavy azy mivantana izy mba handray ny ainy. Niresaka tamin’i Jesosy àry izy, fa tsy nivavaka taminy.—Jaona 5:27-29.

Lesona ho antsika:

1:8. Tsy ho vita mihitsy ny asa fitoriana ataon’ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany raha tsy eo ny fanampian’ny fanahy masina.

4:36–5:11. I Josefa avy any Sipra no nantsoina hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny Fampiononana.” Nomen’ny apostoly an’izany anarana izany angamba izy, noho izy tsara fanahy sy tia manampy ny hafa. Tokony hanahaka azy isika, fa tsy hanahaka an’i Ananiasy sy Safira, izay namitaka sy nihatsaravelatsihy ary fetsifetsy.

9:23-25. Tsy kanosa isika raha mandositra ny fahavalo mba hahafahana hanohy ny asa fitoriana.

9:28-30. Mety hampidi-doza antsika, na mety hisy vokany ratsy eo amin’ny finoantsika na ny fitondran-tenantsika, ny fitoriana amin’ny olona sasany na amin’ny faritany sasany. Tokony ho mailo isika amin’ny toe-javatra toy izany, ka hifidy tsara ny fotoana sy ny toerana hitoriana.

9:31. Tokony hiezaka hianatra sy hisaintsaina isika mba hanatanjahana ny finoantsika, dieny mbola tsy mipoaka ny fanenjehana. Mila mampihatra izay ianarantsika koa isika sady mazoto amin’ny fanompoana. Hanampy antsika handeha amin’ny fahatahorana an’i Jehovah izany.

NAZOTO NANOMPO I PAOLY

(Asan’ny Apostoly 11:19–28:31)

Tonga tany Antiokia i Agabo tamin’ny taona 44, ary naminany fa hisy “mosary lehibe.” Efa nampianatra tao nandritra ny “herintaona naninjitra” i Saoly sy Barnabasy tamin’izay. Nitranga ilay mosary, roa taona tatỳ aoriana. (Asa. 11:26-28) Niverina tany indray i Barnabasy sy Saoly, “rehefa nahavita tanteraka ny fanomezana fanampiana tany Jerosalema.” (Asa. 12:25) Nirahin’ny fanahy masina hanao dia misionera izy ireo tamin’ny taona 47, izany hoe 12 taona teo ho eo taorian’ny niovan’i Saoly ho Kristianina. (Asa. 13:1-4) Niverina tany Antiokia izy ireo tamin’ny taona 48, ary “tao izy roa lahy no nankinina tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra.”—Asa. 14:26.

Sivy volana teo ho eo taorian’izay, dia nifidy an’i Silasy i Paoly (na Saoly) mba hiaraka taminy hanao ny dia misionera faharoa. (Asa. 15:40) Niaraka tamin’izy ireo koa i Timoty sy Lioka. Nijanona tany Filipy i Lioka, fa i Paoly kosa nanohy ny diany nankany Atena sy Korinto. Nihaona tamin’i Akoila sy Prisila izy tao Korinto, ary nijanona tany nandritra ny herintaona sy tapany. (Asa. 18:11) Navelan’i Paoly tao i Timoty sy Silasy, fa nentiny niaraka taminy kosa i Akoila sy Prisila. Nandeha sambo hatrany Efesosy izy ireo, tany am-piandohan’ny taona 52. (Asa. 18:18) Nijanona tany i Akoila sy Prisila, fa i Paoly kosa nanohy ny diany hatrany Syria.

Nanao ny dia misionera fahatelo i Paoly tamin’ny taona 52, rehefa avy nijanona kelikely tany Antiokia any Syria. (Asa. 18:23) ‘Nitombo sy nandresy ny tenin’i Jehovah’, tany Efesosy. (Asa. 19:20) Nijanona tao nandritra ny telo taona teo ho eo i Paoly. (Asa. 20:31) Tany Jerosalema izy tamin’ny Pentekosta taona 56. Nitory tamim-pahasahiana tamin’ny manam-pahefana izy, rehefa voasambotra. Nambenana tao amin’ny trano iray nandritra ny roa taona (taona 59-61 tany ho any) izy tany Roma. Mbola afaka nitory momba ilay Fanjakana foana izy tany, sady nampianatra “ny amin’i Jesosy Kristy Tompo.”—Asa. 28:30, 31.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

14:8-13—Nahoana ny olona tany Lystra no niantso an’i ‘Barnabasy hoe Zeosy fa i Paoly kosa Hermesy’? I Zeosy no filohan’ny andriamanitra tao amin’ny angano grika, ary nalaza tamin’ny fahaizany mandaha-teny i Hermesy zanany. Koa satria i Paoly no nandaha-teny, dia nantsoin’ny mponina tao Lystra hoe Hermesy izy, fa i Barnabasy kosa nataony hoe Zeosy.

16:6, 7—Nahoana i Paoly sy ny namany no nosakanan’ny fanahy tsy hitory tany amin’ny faritr’i Azia sy Bitynia? Vitsy ny mpiasa tamin’izany, ka notarihin’ny fanahy ho any amin’ny faritany namokatra kokoa izy ireo.

18:12-17—Nahoana i Galio governora no tsy niraika, rehefa nikapoka an’i Sostena ny olona? Nihevitra angamba i Galio fa nahazo ny sahaza azy i Sostena. Toa i Sostena mantsy no nitarika ny vahoaka hanohitra an’i Paoly. Toa nisy vokany tsara anefa iny zava-nitranga iny, satria nahatonga an’i Sostena ho lasa Kristianina. Nantsoin’i Paoly hoe “rahalahintsika” izy, tatỳ aoriana.—1 Kor. 1:1.

18:18—Inona no voady nataon’i Paoly? Misy manam-pahaizana milaza fa nanao voady ho Nazirita izy. (Nom. 6:1-21) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe inona ilay voady nataony. Tsy lazain’ny Soratra Masina raha voady nataony talohan’ny niovany ho Kristianina izy io na tsia. Tsy resahiny koa na vao nanomboka na efa ho vita ilay voady. Na ahoana na ahoana, dia tsy fahotana ny fanaovana voady toy izany.

Lesona ho antsika:

12:5-11. Afaka mivavaka ho an’ireo rahalahintsika isika sady tokony hanao izany.

12:21-23; 14:14-18. Faly nandray ny voninahitra tokony ho an’Andriamanitra i Heroda. Nanda avy hatrany kosa i Paoly sy Barnabasy, rehefa nomen’ny olona dera sy voninahitra tsy mendrika ho azy. Tsy tokony haniry hahazo voninahitra avy amin’ny zava-bitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika.

14:5-7. Tokony ho malina isika mba hahafahantsika hanompo foana.—Matio 10:23.

14:22. Fantatry ny Kristianina fa mety hiatrika fahoriana izy. Tsy mampandefitra ny finoany anefa izy ireo mba hialana amin’izany.—2 Tim. 3:12.

16:1, 2. Tokony hiezaka mafy amin’ny fanompoana ny tanora kristianina, ary hitady ny fanampian’i Jehovah mba hananana laza tsara.

16:3. Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hahatonga ny olona handray ny vaovao tsara, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina koa ny hevitra hitantsika.—1 Kor. 9:19-23.

20:20, 21. Tapany lehibe amin’ny fanompoantsika ny fitoriana isan-trano.

20:24; 21:13. Zava-dehibe kokoa ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra noho ny fiarovana ny aina.

21:21-26. Tokony ho vonona handray torohevitra mahasoa isika.

25:8-12. Azon’ny Kristianina ampiasaina ny lalàna misy eo an-toerana mba ‘hiarovana ny vaovao tsara sy hahamafy orina azy io.’—Fil. 1:7.

26:24, 25. Tokony hilaza ny “tenin’ny fahamarinana” sy hiteny toy ny ‘olona misaina’ isika, na dia heverin’ny “olona araka ny nofo” ho hadalana aza izany.—1 Kor. 2:14.

[Sary, pejy 30]

Oviana i Petera no nampiasa ‘ny lakilen’ilay fanjakana’?

[Sary, pejy 31]

Tsy ho vita ny asa fitoriana maneran-tany raha tsy eo ny fanampian’ny fanahy masina