Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hanana “Fahamasinana ao Amin’ny Fahatahorana An’Andriamanitra”

Miezaha Hanana “Fahamasinana ao Amin’ny Fahatahorana An’Andriamanitra”

Miezaha Hanana “Fahamasinana ao Amin’ny Fahatahorana An’Andriamanitra”

ASEHON’NY Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no masina indrindra. Izao no vakina ao: “Masina, masina, masina Jehovah.” (Isaia 6:3; Apok. 4:8) Ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fahamasinana”, dia milaza fahadiovana, na tsy fisian’ny loto amin’ny lafiny ara-pivavahana, ary tafasaraka amin’ny loto. Ary ny hoe masina Andriamanitra dia midika hoe tsy misy hokianina mihitsy ny fanaovany ny tsara.

Koa satria masina i Jehovah, moa ve tsy antenainy ho masina ny mpivavaka aminy, izany hoe hadio eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-pivavahana? Milaza mazava tsara ny Baiboly fa iriny ho masina ny vahoakany. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny 1 Petera 1:16: “Tsy maintsy masina ianareo, satria masina aho.” Afaka ny ho masina toa azy tokoa ve isika olombelona tsy lavorary? Eny, na dia tsy amin’ny fomba feno aza. Hihevitra antsika ho masina izy, raha madio ara-panahy sy mifandray akaiky aminy isika eo am-panompoana azy.

Ahoana àry no hahatonga antsika ho madio hatrany eto amin’ity tontolo maloto fitondran-tena ity? Inona no fanao tokony hohalavirintsika? Inona avy no fiovana mety hilaintsika hatao eo amin’ny fiteny sy ny fitondran-tena? Mety hanampy antsika ny fandinihana ny zavatra notakin’Andriamanitra tamin’ny Jiosy avy tany Babylona, izay nody tany amin’ny taniny tamin’ny 537 T.K.

‘Hisy Lalan’ny fahamasinana any’

Nilaza i Jehovah fa ho tafaverina an-tanindrazana ny vahoakany babo tany Babylona. Nanome toky izy hoe: “Hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana.” (Isaia 35:8a) Hita amin’izany teny izany fa hanokatra lalana hahafahan’ny Jiosy hody any amin’ny taniny i Jehovah. Fanomezan-toky koa anefa izany fa hiaro azy ireo izy eny an-dalana.

Nosokafan’i Jehovah koa ankehitriny ‘ny Lalan’ny fahamasinana’, mba hialan’ny mpanompony eto an-tany avy amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra. Nafahany tamin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919. Nesorin’izy ireo tsikelikely tsy ho ao amin’ny fivavahany ny fampianaran-diso rehetra. Ao amin’ny paradisa ara-panahy madio sy milamina àry isika mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Afaka manompo azy isika ao, sady afaka mihavana tsara aminy sy amin’ny mpiara-belona amintsika.

Mifidy ny handeha eo amin’ny lalan’ny fahamasinana ny “ondry vitsy” na Kristianina voahosotra, sy ny “vahoaka be” tsy mitsaha-mitombo anisan’ny “ondry hafa.” (Lioka 12:32; Apok. 7:9; Jaona 10:16) Manasa ny hafa mba hanaraka azy koa izy ireo. Misokatra ho an’ny olona rehetra vonona ‘hanolotra ny tenany ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra’ àry ilay ‘Lalan’ny fahamasinana.’—Rom. 12:1.

“Tsy mba handia izany ny tsy madio”

Nisy fepetra lehibe iray tsy maintsy narahin’ireo Jiosy niverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 T.K. Hoy ny Isaia 35:8b: “Tsy mba handia [ny Lalan’ny fahamasinana] ny tsy madio.” Ny hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio no antony nodian’ny Jiosy tany Jerosalema. Tsy nisy toerana ho an’ireo nitady tombony ho an’ny tenany, na tsy nanaja zava-masina, na nanaraka fanao maloto àry tany. Nila nanaraka foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena ireny Jiosy ireny. Mila manao toy izany koa izay te hankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy maintsy miezaka hanana “fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra” izy ireo. (2 Kor. 7:1) Inona avy àry ireo fanao maloto tokony hohalavirintsika?

Hoy ny apostoly Paoly: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra.” (Gal. 5:19) Ny hoe “fijangajangana” dia manondro ny firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady, ka misy fampiasana ny filahiana na ny fivaviana. Ny hoe “fitondran-tena mahamenatra” dia mahafaoka “filibana, faniriana tsy fehezina, tsy fananan-kenatra, fitondran-tena maloto.” Mazava fa samy mifanipaka amin’ny fahamasinan’i Jehovah ny fijangajangana sy ny fitondran-tena mahamenatra. Tsy ekena ho anisan’ny fiangonana kristianina àry, na roahina tsy ho anisan’izy io izay olona zatra manao an’ireo. Toy izany koa ny olona manao fahalotoana lehibe, izany hoe manao “izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.”—Efes. 4:19.

Maro ny fahotana azo atao hoe “fahalotoana.” Avy amin’ny teny grika izay mahafaoka ny fahalotoana amin’ny lafiny rehetra izy io. Anisan’izany ny momba ny fitondran-tena, ny zavatra lazaina, ary ny lafiny ara-pivavahana. Eo koa ny fanao misy fahalotoana izay mety tsy hananganana komitim-pitsarana. * Miezaka ny ho masina ve anefa ny olona manao fahalotoana toa an’ireo?

Aoka hatao hoe manomboka mijery an-tsokosoko sary vetaveta ny Kristianina iray. Mihalefy tsikelikely ny fahavononany hadio hatrany eo anatrehan’i Jehovah, rehefa mitombo ao aminy ny faniriana maloto. Marina fa mety ho mbola tsy tonga hatramin’ny hoe fahalotoana lehibe ny zavatra nataony. Efa tsy arahiny intsony anefa ilay hoe: ‘Na inona na inona madio, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana, dia izany foana heverina.’ (Fil. 4:8) Maloto ny sary vetaveta, ary manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fijerena azy ireny. Tsy tokony hotononina eo amintsika akory aza izay rehetra mety ho fahalotoana.—Efes. 5:3.

Diniho koa ity ohatra ity. Aoka hatao hoe minia mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany ny Kristianina iray, mba hanairana ny filan’ny nofony. Lasa fanaony ilay izy, ary mety hijery sary vetaveta izy amin’izany na tsia. Marina fa tsy resahin’ny Baiboly io fanao io. Tsy efa azo antoka ve anefa fa mandoto ny saina sy ny fo izy io? Tsy tena ho simba ve ny fifandraisan’ilay olona amin’i Jehovah ary haloto eo anatrehany izy, raha tsy miala amin’izany fanao izany? Aoka àry isika hanaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly, ka “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy.” ‘Vonoy [koa] ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatantsika etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary fitsiriritana.’—2 Kor. 7:1; Kol. 3:5.

Mety ho tena sarotra ny manohitra ny fakam-panahy haloto fitondran-tena. Milefitra amin’izany mantsy ny tontolon’i Satana, ary izany mihitsy aza no ampirisihany hataon’ny olona. Tsy tokony ‘handeha tahaka ny hafa firenena, izay mandeha araka ny fahafoanan’ny sainy” anefa ny tena Kristianina. (Efes. 4:17) Miezaka kosa isika mba tsy haloto fitondran-tena, na misy mahita na tsia. Amin’izay ihany isika vao havelan’i Jehovah handeha hatrany eo amin’ny ‘Lalan’ny fahamasinana.’

‘Tsy hisy liona any’

Mety hila ny hanao fiovana goavana eo amin’ny fitondran-tenany sy ny fiteniny ny olona sasany, mba hankasitrahan’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina. Hoy ny Isaia 35:9: “Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ny biby masiaka.” Azo lazaina ho toy ny bibidia ny olona masiaka fiteny sy mahery setra. Azo antoka fa tsy hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny fahamarinana ny olona toy izany. (Isaia 11:6; 65:25) Tena mila miala amin’izany toetram-biby izany sy miezaka ho masina hatrany àry ireo maniry hankasitrahan’Andriamanitra.

Mananatra antsika ny Soratra Masina hoe: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra sy ny fahatezerana rehetra sy ny fahavinirana rehetra sy ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efes. 4:31) Izao koa no vakintsika ao amin’ny Kolosianina 3:8: ‘Esory aminareo ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo.’ Manondro fanaovana teny maharary, na manambany, na maniratsira zava-masina ny hoe “fanevatevana”, eo amin’ireo andininy ireo.

Lasa fandre matetika ankehitriny ny teny maharary sy ny teny ratsy, na dia ao an-trano aza. Mifampilelalela ny mpivady ary mivazavaza amin-janany, ka manao teny mahery, na manindrona, na manambany. Tsy tokony handrenesana teny toy izany ny tokantrano kristianina.—1 Kor. 5:11.

Andraisan-tsoa ny “fahamasinana”

Voninahitra lehibe ny manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina! (Josoa 24:19) Tena sarobidy ilay paradisa ara-panahy nitondrany antsika. Marina tokoa fa ny miezaka ho masina hatrany eo anatrehany no fomba fiaina tsara indrindra.

Kely sisa dia ho tonga ilay paradisa an-tany nampanantenain’Andriamanitra. (Isaia 35:1, 2, 5-7) Hahazo toerana ao amin’izy io ny olona maniry mafy hiaina any, ka miezaka foana mba hanao izay takin’Andriamanitra. (Isaia 65:17, 21) Aoka àry isika hiezaka ny hadio ara-panahy sy hifandray akaiky aminy foana eo am-panompoana azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Raha tianao ho fantatra ny mampiavaka ny “fahalotoana” amin’ny fahalotoana misy faniriana “tsy mety afa-po”, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2006, pejy 29-31.

[Sary, pejy 26]

Inona no notakina tamin’ny Jiosy mba handehanany teo amin’ny ‘Lalan’ny fahamasinana’?

[Sary, pejy 27]

Manimba ny fifandraisana amin’i Jehovah ny fijerena sary vetaveta

[Sary, pejy 28]

‘Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny filelalelana sy ny fanevatevana rehetra’