Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifidiana ny Hanompo An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

Mifidiana ny Hanompo An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

Mifidiana ny Hanompo An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

“Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.”—2 TIM. 3:14.

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoana ataon’ny tanora Vavolombelona?

TENA zava-dehibe amin’i Jehovah ny fanompoana masina ataon’ny tanora, hany ka nasainy nanoratra faminaniana momba azy ireo ny mpanao salamo. Toy izao izany: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” (Sal. 110:3) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny tanora manolo-tena hanompo azy.

2. Mampirisika ny tanora hanao inona ny manodidina azy?

2 Ry tanora, efa nanolo-tena ho an’ilay tena Andriamanitra ve ianareo? Mety ho sarotra amin’ny tanora maro ny hanapa-kevitra ny hanompo azy. Mampirisika azy ireo hikatsaka harena mantsy ny mpandraharaha sy ny mpampianatra, ary indraindray ny fianakaviany sy ny namany. Esoin’ny olona koa izy ireo matetika, rehefa miezaka hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah anefa. (Sal. 27:4) Diniho àry ireto fanontaniana telo ireto: Nahoana ianao no tokony hanompo an’Andriamanitra? Ahoana no ahafahanao miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao, na inona na inona lazain’ny olona na ataony? Inona avy no karazana fanompoana tena mahafinaritra azonao atao?

Ny manompo an’i Jehovah no safidy tsara indrindra

3. Tokony handrisika antsika hanao inona ny fandinihana ny zavaboary?

3 Nahoana ianao no tokony hanompo an’ilay Andriamanitra velona? Izao no antony lehibe indrindra, araka ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” I Jehovah no nanao ny zava-drehetra, ary Mpamorona tena mahay izy. Eritrereto ny hakanton’ny tany! Asa tanany koa ny hazo, ny voninkazo, ny biby, ny ranomasina, ny tendrombohitra, ary ny riandrano. “Henika ny zavatra [nataony] ny tany”, hoy ny Salamo 104:24. Tena mankasitraka azy isika, satria nomeny vatana sy saina ahafahana mankafy ny zava-tsoa eto an-tany, noho ny fitiavany antsika! Tsy tokony haniry hanompo azy ve isika, noho ny fankasitrahana lalina an’ireo zavaboariny mahatalanjona?

4, 5. Inona avy no nataon’i Jehovah, ka nampitombo ny fitiavan’i Josoa azy?

4 Nilaza antony hafa tokony hanompoana an’i Jehovah i Josoa, mpitarika ny Israelita. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia hoy izy tamin’ny vahoakan’Andriamanitra: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.” Nahoana i Josoa no nilaza izany?—Josoa 23:14.

5 Nobeazina tany Ejipta i Josoa, ka tsy maintsy ho efa fantany fa nampanantena hanome tany ho an’ny Israelita i Jehovah. (Gen. 12:7; 50:24, 25; Eks. 3:8) Hitany izay nataon’i Jehovah mba hanatanterahana an’io fampanantenana io. Teo izy rehefa namely an’i Ejipta tamin’ny Loza Folo i Jehovah, ary nanery an’i Farao be di-doha mba hamela ny Israelita handeha. Anisan’ireo nafahana teo amin’ny Ranomasina Mena koa izy, ary nahita ny zava-nitranga rehefa nanafotra an’i Farao sy ny tafiny ny ranomasina. Hitany fa nanome izay rehetra nilain’ny Israelita i Jehovah, nandritra ilay dia naharitra nataon’izy ireo tany amin’ny Efitr’i Sinay, izay “lehibe sady mahatahotra.” Tsy nisy matin’ny hetaheta na ny hanoanana izy ireo, na iray aza. (Deot. 8:3-5, 14-16; Josoa 24:5-7) Mbola hitan’i Josoa koa fa nanampy azy sy ny Israelita hafa ilay Andriamaniny, mba handresy an’ireo firenena kananita natanjaka sy haka ny Tany Nampanantenaina.—Josoa 10:14, 42.

6. Ahoana no hahatonga anao haniry hanompo an’Andriamanitra?

6 Fantatr’i Josoa fa nitana ny teny nataony i Jehovah, ka hoy izy: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” (Josoa 24:15) Ary ianao? Rehefa mieritreritra ny fampanantenana efa notanterahin’Andriamanitra sy mbola hotanterahiny ianao, moa ve izany mahatonga anao haniry hanompo azy toa an’i Josoa?

7. Nahoana isika no mila atao batisa ao anaty rano?

7 Mandrisika anao hanolo-tena ho an’i Jehovah tokoa àry ny fandinihana ny zavatra noforoniny sy ny fisaintsainana an’ireo fampanantenany, izay mahatalanjona sy azo itokisana tanteraka. Tokony handrisika anao hatao batisa ao anaty rano koa anefa izany, mba hampisehoana an’ilay fanoloran-tenanao. Dingana lehibe tokony hataon’ny olona maniry hanompo an’Andriamanitra ny batisa. Izany indrindra no nasehon’i Jesosy, Ilay Modelintsika. Nankeo amin’i Jaona izy mba hatao batisa, talohan’ny hanombohany ny asan’ny Mesia. Nahoana? Hoy izy: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy tany an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 6:38) Natao batisa àry i Jesosy, mba hampisehoana fa nanolo-tena hanao ny sitrapon’ny Rainy izy.—Matio 3:13-17.

8. Nahoana i Timoty no nifidy ny hanompo an’Andriamanitra? Inona àry no ilainao hatao?

8 Diniho koa ny ohatr’i Timoty, tanora kristianina nomen’i Jehovah tombontsoam-panompoana maro. Nahoana izy no nanapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra? Milaza ny Baiboly fa nisy ‘zavatra nianarany sy nandresen-dahatra azy ka ninoany.’ (2 Tim. 3:14) Toa an’i Timoty koa ianao, raha efa nianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary noresena lahatra ka mino fa marina ny voalazan’izy io. Mila manapa-kevitra àry ianao izao. Nahoana raha miresaka amin’ny ray aman-dreninao? Azon’izy ireo sy ny anti-panahy hazavaina aminao hoe inona avy no takina amin’ny olona hatao batisa, araka ny Baiboly.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:12.

9. Inona no mety ho tsapan’ny olona, rehefa atao batisa ianao?

9 Fomba tena tsara hanombohanao ny fanompoana an’Andriamanitra ny batisa. Toy ny manomboka hazakazaka lavitra ezaka ianao amin’izany, ka ny loka dia ny fiainana mandrakizay sy ny fifaliana azo dieny izao noho ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Heb. 12:2, 3) Ho faly koa ny fianakavianao izay efa manao ilay hazakazaka, sy ny namanao eo anivon’ny fiangonana. Ny zava-dehibe indrindra, dia hampifaly ny fon’i Jehovah ianao. (Vakio ny Ohabolana 23:15.) Marina fa mety hisy ny olana. Tsy ho azon’ny olona sasany angamba hoe nahoana ianao no nifidy ny hanompo an’i Jehovah. Mety hieritreritra izy fa tsy nety ilay safidinao, ary mety hanohitra mihitsy aza izy. Azonao atao tsara anefa ny mandresy an’ireo.

Ahoana raha misy manontany na manohitra?

10, 11. a) Inona no mety hanontanian’ny olona anao, rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra ianao? b) Inona no ianaranao avy amin’ny fomba namalian’i Jesosy fanontaniana?

10 Mety ho gaga ny mpiara-mianatra sy ny mpiray tanàna ary ny havanao, rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ianao. Mety hanontany ny anton’izany safidinao izany izy, ary hametraka fanontaniana momba ny zavatra inoanao. Ahoana no havalinao? Diniho izay eritreritra sy fihetseham-po nahatonga anao hanao an’io safidy io. Tahafo koa i Jesosy, ilay modely tsara indrindra, rehefa hanazava ny zavatra inoanao ianao.

11 Ahoana no nataony, rehefa nisy mpitondra fivavahana jiosy namotopototra azy momba ny fitsanganana amin’ny maty? Nisarika ny sain’ireo ho amin’ny andininy iray tsy noeritreretiny izy. (Eks. 3:6; Matio 22:23, 31-33) Ary ahoana no nataony, rehefa nisy mpanora-dalàna nanontany hoe inona no didy lehibe indrindra? Nilaza andinin-teny maromaro nifandray tamin’izany izy, ary nankasitraka ny valin-teniny ilay lehilahy. (Lev. 19:18; Deot. 6:5; Marka 12:28-34) Noho ny fampiasan’i Jesosy ny Soratra Masina sy ny fomba firesany, dia “nisara-kevitra momba azy ny vahoaka”, ka tsy afaka nanisy ratsy azy ny mpanohitra. (Jaona 7:32-46) Ampiasao àry ny Baiboly, rehefa mamaly fanontaniana momba ny finoanao ianao. Mitenena koa “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.” (1 Pet. 3:15) Raha tsy hainao ny valiny, dia ekeo hoe tsy hainao ilay izy, ary ilazao ilay olona fa hanao fikarohana ianao. Azonao ampiasaina ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM. ‘Ho fantatrao izay tokony havalinao’, raha miomana tsara ianao.—Kol. 4:6.

12. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy rehefa misy fanenjehana?

12 Mety tsy hianina amin’ny fametrahana fanontaniana ny olona. Tadidio fa mifehy an’izao tontolo izao i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra. (Vakio ny 1 Jaona 5:19.) Tsy afaka hanantena àry ianao hoe hanao teny fiderana sy hankasitraka ny ataonao daholo ny olona. Mety hanohitra ny sasany. Mety ‘hanevateva’ anao izy, ary mety hanao izany tsy an-kijanona. (1 Pet. 4:4) Tadidio anefa fa tsy ianao irery no iharan’izany. Nenjehina koa i Jesosy Kristy. Toy izany koa ny apostoly Petera. Hoy izy: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro [na fijaliana] eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany. Mifalia hatrany kosa aza, satria miombom-pijaliana amin’i Kristy ianareo.”—1 Pet. 4:12, 13.

13. Nahoana ny Kristianina no afaka ny ho faly rehefa enjehina?

13 Mahafaly ny Kristianina ny miaritra fanenjehana na fanoherana. Fa nahoana? Satria raha ankasitrahan’ity tontolo ity ianao, dia midika izany fa mifanaraka amin’ny fitsipik’i Satana ny fomba fiainanao, fa tsy amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Nampitandrina i Jesosy hoe: “Lozanareo raha milaza soa momba anareo avokoa ny rehetra, fa izany koa no nataon’ny razanareo tamin’ny mpaminany sandoka.” (Lioka 6:26) Raha enjehina kosa ianao, dia midika izany fa tezitra aminao i Satana sy ny tontolony, noho ianao manompo an’i Jehovah. (Vakio ny Matio 5:11, 12.) Mahafaly koa ny hoe “tevatevaina noho ny anaran’i Kristy.”—1 Pet. 4:14.

14. Inona avy no vokatra tsara azo, rehefa mahatoky eo anatrehan’i Jehovah ny olona iray, na dia eo aza ny fanenjehana?

14 Misy vokany tsara efatra, fara fahakeliny, ny fahatokianao eo anatrehan’i Jehovah, na dia misy fanoherana aza. Mampahafantatra ny momba an’Andriamanitra sy ny Zanany ianao. Mampahery ny rahalahy sy anabavy ny fiaretanao. Mety hitady an’i Jehovah ny olona tsy mahafantatra azy, rehefa mahita ny tsy fivadihanao. (Vakio ny Filipianina 1:12-14.) Hitombo koa ny fitiavanao an’i Jehovah, rehefa tsapanao fa manome anao hery hiaretana fitsapana izy.

“Varavarana lehibe” misokatra ho anao

15. Inona ilay “varavarana lehibe” nisokatra ho an’ny apostoly Paoly?

15 Hoy ny apostoly Paoly momba ny fanompoany tao Efesosy: “Misy varavarana lehibe nosokafana ho ahy, dia varavarana misokatra ho amin’ny asa.” (1 Kor. 16:8, 9) Betsaka ny asa nila natao tao Efesosy, mba hitoriana ny vaovao tsara sy hanaovana mpianatra, ary toy ny varavarana nisokatra ho an’i Paoly izany. Niditra tamin’izy io izy, ka nanampy olona maro hahafantatra an’i Jehovah sy hanompo azy.

16. Inona no nataon’ny sisa voahosotra mba hidirana tamin’ilay varavarana nisokatra tamin’ny 1919?

16 Nanisy varavarana nisokatra teo anoloan’ny sisa voahosotra i Jesosy Kristy nomem-boninahitra, tamin’ny 1919. (Apok. 3:8) Niditra tamin’io izy ireo, ary vao mainka nazoto tsy nisy toy izany rehefa nitory ny vaovao tsara sy nampianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Inona no vokany? Miely hatrany amin’ny faran’ny tany izao ny vaovao tsara, ary olona fito tapitrisa eo ho eo no manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

17. Ahoana no hidiranao amin’ilay ‘varavarana lehibe misokatra ho amin’ny asa’?

17 Mbola midanadana ilay ‘varavarana lehibe misokatra ho amin’ny asa’, ary afaka miditra amin’izy io ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Tena faly sy afa-po izay miditra amin’izy io, satria mandray anjara bebe kokoa amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Ry tanora mpanompon’i Jehovah, zava-dehibe aminareo ve ilay tombontsoa tsy manam-paharoa hanampy ny olona ‘hino ny vaovao tsara’? (Marka 1:14, 15) Efa nieritreritra ny ho mpisava lalana maharitra na mpanampy ve ianareo? Maro aminareo koa no mety ho afaka hanorina Efitrano Fanjakana, na hanompo ao amin’ny Betela, na ho misionera. Vao mainka miharihary isan’andro fa ilaina maika ny manao an’ireo karazana fanompoana ireo, satria efa kely sisa dia hifarana ny tontolon’i Satana. Hiditra amin’io “varavarana lehibe” io àry ve ianao, dieny mbola misy fotoana?

“Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”

18, 19. a) Nahoana i Davida no naniry mafy hanompo an’i Jehovah? b) Inona no mampiseho fa tsy nanenenan’i Davida mihitsy ny nanompoany an’Andriamanitra?

18 Nampirisika toy izao i Davida mpanao salamo: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah.” (Sal. 34:8) Niaro azy tokoa i Jehovah rehefa notafihin’ny bibidia izy, tamin’izy mbola mpiandry ondry. Nanampy azy Andriamanitra rehefa niady tamin’i Goliata izy, ary nanafaka azy tamin’ny loza maro hafa. (1 Sam. 17:32-51; Sal. 18, teny fampidirana) Lehibe ny hatsaram-panahy sy fitiavana nasehon’Andriamanitra, ary nanohina ny fon’i Davida izany ka hoy izy: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô—tsy misy azo ampitahaina aminao.”—Sal. 40:5.

19 Nihalalina ny fitiavan’i Davida an’i Jehovah, ka naniry hidera azy tamin’ny fony sy ny sainy manontolo izy. (Vakio ny Salamo 40:8-10.) Nanokana ny fiainany mba hanompoana an’Andriamanitra izy, ary tsy nanenenany mihitsy izany. Ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra no harena sarobidy indrindra taminy, satria nitondra fahasambarana tsy manam-paharoa ho azy izany. Hoy i Davida rehefa antitra: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô.” (Sal. 71:5, 18) Vao mainka natoky an’i Jehovah sy nifandray akaiky taminy i Davida, na dia nihaosa aza.

20. Nahoana ny fanompoana an’Andriamanitra no fomba tsara indrindra azonao ampiasana ny fiainanao?

20 Voaporofo tamin’ny fiainan’i Josoa sy Davida ary Timoty, fa ny fanompoana an’i Jehovah no fomba tsara indrindra azonao ampiasana ny fiainanao. Marina fa mety hahazoana tombony ny asa eto amin’ity tontolo ity. Mihelina ihany anefa izany, ary tsy azo ampitahaina mihitsy amin’ny soa maharitra ho azonao, raha ‘manompo an’i Jehovah amin’ny fonao sy ny fanahinao rehetra’ ianao. (Josoa 22:5) Raha mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka àry ianao, dia eritrereto hoe: ‘Inona no misakana ahy tsy ho Vavolombelon’i Jehovah?’ Ary raha efa mpanompon’i Jehovah vita batisa ianao, tianao ve ny hahita fifaliana bebe kokoa? Ampitomboy àry ny fanompoanao, ary miezaha foana handroso ara-panahy. Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa afaka manampy anao handroso ny fanahafana ny apostoly Paoly.

Ahoana no Havalinao?

• Manomeza antony roa tokony hanompoantsika an’Andriamanitra.

• Inona no nahatonga an’i Timoty hanapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra?

• Nahoana ianao no tsy tokony hivadika rehefa misy fanenjehana?

• Inona avy no karazana fanompoana mety ho azonao atao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Ny fanompoana an’i Jehovah no fomba tsara indrindra ampiasana ny fiainana

[Sary, pejy 19]

Hainao ve ny mamaly fanontaniana momba ny finoanao?