Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Paoly ka Manaova Fandrosoana

Tahafo i Paoly ka Manaova Fandrosoana

Tahafo i Paoly ka Manaova Fandrosoana

“Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.”—2 TIM. 4:7.

1, 2. Inona no fiovana nataon’i Saoly avy any Tarsosy, ary inona no asa lehibe nataony taorian’izay?

OLONA nahira-tsaina i Saoly avy any Tarsosy, sady tsy nitaredretra rehefa nanapa-kevitra. ‘Nitondra tena araka ny fanirian’ny nofony’ anefa izy. (Efes. 2:3) Nilaza izy tatỳ aoriana, fa ‘mpanevateva an’Andriamanitra izy, sady mpanenjika no mpanambany olona.’—1 Tim. 1:13.

2 Nanao fiovana goavana anefa izy. Niala tamin’ny fomba fiainany taloha izy, ary niezaka mafy mba ‘tsy hitady izay hahasoa azy fa izay hahasoa ny maro.’ (1 Kor. 10:33) Lasa nalemy fanahy izy, ary naneho firaiketam-po lalina tamin’ny olona nankahalainy taloha. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.) Hoy izy: ‘Tonga mpanompo aho. Izaho izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, mba hitoriako amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy.’—Efes. 3:7, 8.

3. Afaka manampy antsika hanao inona ny fandinihana ny taratasin’i Paoly sy ny fanompoany?

3 Nanao fandrosoana ara-panahy niavaka i Saoly na Paoly. (Asa. 13:9) Azo antoka fa handroso haingana kokoa isika, raha mandinika ny taratasiny sy ny fanompoany, ary manahaka ny finoany. (Vakio ny 1 Korintianina 11:1; Hebreo 13:7.) Andeha hojerentsika fa handrisika antsika mba ho zatra mianatra samirery sy ho tena tia olona ary hihevi-tena araka ny antonony, ny fanaovana an’izany.

Zatra nianatra i Paoly

4, 5. Inona no soa noraisin’i Paoly tamin’ny fianarana samirery?

4 Efa nahalala ny Soratra Masina i Paoly, satria Fariseo nampianarina “teo an-tongotr’i Gamaliela”, sady ‘nobeazina araka ny fampianarana hentitra momba ny Lalàn’ny razambeny.’ (Asa. 22:1-3; Fil. 3:4-6) “Nankany Arabia” avy hatrany izy taorian’ny batisany. Mety ho tany amin’ny Efitr’i Syria izany, na tany amin’ny toerana mangina azo isaintsainana tany amin’ny Saikinosin’i Arabia. (Gal. 1:17) Angamba izy te hisaintsaina momba ireo andinin-teny nanaporofo fa i Jesosy no Mesia. Niriny koa ny hiomana ho amin’ilay asa niandry azy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:15, 16, 20, 22.) Nanokana fotoana hisaintsainana momba ny fanompoana an’Andriamanitra àry izy.

5 Afaka nampianatra tsara ny fahamarinana i Paoly, noho ny fahalalana sy fahaiza-manavaka azony tamin’ny fianarany samirery ny Soratra Masina. Tao amin’ny synagogan’i Antiokia, any Pisidia, ohatra, dia indimy izy, fara fahakeliny, no nilaza teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo, mba hanaporofoana fa i Jesosy no Mesia. Nampiasa andininy maro avy ao koa izy, na dia tsy nanonona izany mivantana aza. Tena nampiaiky ny fanaporofoan-keviny niorina tamin’ny Soratra Masina. Maro àry ny olona te hahafanta-javatra bebe kokoa, ka “nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy.” Anisan’izany ny “Jiosy” sy “ireo niova ho amin’ny fivavahana jiosy ka nivavaka tamin’Andriamanitra.” (Asa. 13:14-44) Taona maro tatỳ aoriana, rehefa nisy Jiosy nipetraka tany Roma tonga tao aminy, dia “nanazava tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra izy” sady “nandresy lahatra azy momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny Mpaminany.”—Asa. 28:17, 22, 23.

6. Inona no nanampy an’i Paoly hanana finoana matanjaka foana, na dia tao anatin’ny fitsapana aza?

6 Nandinika ny Soratra Masina foana i Paoly na dia niharam-pitsapana aza, ary nanovo hery avy tamin’ny hafatr’Andriamanitra ao amin’izy ireny. (Heb. 4:12) Nisy “horonam-boky” sy “horonam-boky hoditra” nasainy nentin’i Timoty tany aminy, rehefa nigadra tany Roma izy talohan’ny hamonoana azy. (2 Tim. 4:13) Azo inoana fa ampahan’ny Soratra Hebreo, izay nampiasain’i Paoly tamin’ny fikarohana lalina nataony ireo horonana ireo. Tena nila nahazo fahalalana ny Soratra Masina izy mba hahatonga azy tsy hivadika. Ny fahazarana mianatra no nanampy azy tamin’izany.

7. Inona no soa azo avy amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly?

7 Handroso ara-panahy isika, raha mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy misaintsaina tsara. (Heb. 5:12-14) Nihira toy izao momba ny hasarobidin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpanao salamo: “Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, satria ato amiko mandrakizay ireny. Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’izay làlan-dratsy, mba hitandremako ny teninao.” (Sal. 119:72, 98, 101) Zatra mianatra samirery ny Baiboly ve ianao? Miomana ho amin’ny tombontsoam-panompoana mety homena anao ve ianao, ka mamaky Baiboly isan’andro sy misaintsaina izay vakinao?

Nianatra ho tia olona i Saoly

8. Ahoana no nataon’i Saoly tamin’izay tsy nanaraka ny Fivavahana Jiosy?

8 Nazoto tamin’ny fivavahany i Saoly fony mbola tsy Kristianina. Tsy niraharaha an’izay tsy nanaraka ny Fivavahana Jiosy anefa izy. (Asa. 26:4, 5) Nijery an’ireo Jiosy nitora-bato an’i Stefana izy, ary nankasitraka an’izany. Vao mainka sahisahy izy rehefa nahita izany, satria noheveriny angamba fa sazy mendrika an’i Stefana ny namonoana azy. (Asa. 6:8-14; 7:54–8:1) Hoy ny Baiboly: “Nihetraketraka mafy tamin’ny fiangonana i Saoly. Nitety trano izy ary notaritaritiny hivoaka ny mpino na lahy na vavy, ka nataony am-ponja.” (Asa. 8:3) Vitan’i Saoly “hatramin’ny nanenjika azy [ireo] tany amin’ny tanàna ivelany mihitsy aza.”—Asa. 26:11.

9. Inona no zava-nitranga nahatonga an’i Saoly hanova ny fomba nifandraisany tamin’ny olona?

9 Teny an-dalana ho any Damaskosy mba hanafika ny mpianatr’i Kristy i Saoly, rehefa niseho taminy i Jesosy Tompo. Lasa jamba izy noho ilay famirapiratan’ny Zanak’Andriamanitra, ka nila olona hanampy azy. Efa niova tanteraka ny fiheverany ny olona, rehefa nasain’i Jehovah hampahiratra ny masony i Ananiasy. (Asa. 9:1-30) Rehefa lasa mpanara-dia an’i Jesosy izy, dia niezaka mafy mba hanahaka azy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olona rehetra. Tsy nahery setra intsony izy, ary ‘nihavana tamin’ny olona rehetra.’—Vakio ny Romanina 12:17-21.

10, 11. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tena tia olona izy?

10 Tsy hoe nihavana tsara tamin’ny olona fotsiny i Paoly. Niriny koa ny hampiseho fa tena tia olona izy, ary afaka nanao izany izy tamin’ny fanompoana kristianina. Nitory ny vaovao tsara tany Azia Minora izy, tamin’ny diany misionera voalohany. Niezaka mafy nanampy ny mpandefitra mba ho lasa Kristianina izy sy ny namany, na teo aza ny fanoherana nahery vaika. Niverina tany Lystra sy Ikonioma izy ireo, na dia efa nitady hamono an’i Paoly aza ny mpanohitra tao.—Asa. 13:1-3; 14:1-7, 19-23.

11 Tatỳ aoriana, dia nankany Filipy any Makedonia i Paoly sy ny olona niaraka taminy, mba hitady ny olona nanana toe-po tsara. Nihaino ny vaovao tsara i Lydia izay nanaraka ny Fivavahana Jiosy, ary lasa Kristianina. Nikapoka an’i Paoly sy Silasy tamin’ny hazo ny manam-pahefana tao amin’ilay tanàna, ary nampiditra azy tany am-ponja. Nitory tamin’ilay mpiambina anefa i Paoly, ka lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa izy io sy ny ankohonany.—Asa. 16:11-34.

12. Inona no nahatonga an’i Saoly, izay mpanambany olona, ho lasa apostoly be fitiavana?

12 Nahoana i Saoly, izay mpanenjika taloha, no lasa nanaraka ny finoan’ireo nenjehiny? Inona no nahatonga an’io lehilahy mpanambany olona io, ho lasa apostoly tsara fanahy sy be fitiavana, ka nanao vivery ny ainy mba hahafantaran’ny hafa ny marina momba an’Andriamanitra sy Kristy? Nanazava izy hoe: “Andriamanitra ... no niantso ahy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Ary ... hitany fa tsara ny hampiharihariana ny Zanany tamin’ny alalako.” (Gal. 1:15, 16) Hoy koa izy tamin’i Timoty: ‘Nahazo famindram-po aho mba ho amin’ny alalako, izay lohany amin’ny mpanota, no hanehoan’i Kristy Jesosy ny fahari-pony rehetra, ka hahatonga ahy ho santionan’ny olona hino azy, eny, hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (1 Tim. 1:16) Namela ny helok’i Paoly i Jehovah. Izany hatsaram-panahy sy famindram-po tsy manam-paharoa izany no nahatonga azy ho tia ny hafa, ka hitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo.

13. Inona no handrisika antsika haneho fitiavana amin’ny olona, ary inona no hanampy antsika hanao izany?

13 Mamela ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika koa i Jehovah. (Sal. 103:8-14) Hoy ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Sal. 130:3) Raha tsy noho ny famindram-pon’Andriamanitra, dia tsy misy amintsika afaka ny hanao fanompoana masina, na hanantena hiaina mandrakizay. Lehibe tokoa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony amintsika rehetra. Toa an’i Paoly àry, dia tokony haniry haneho fitiavana isika, ka hitory sy hampianatra ny olona ny fahamarinana, sady hampahery ny mpiray finoana amintsika.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:21-23.

14. Inona no azontsika atao mba hanaovana fandrosoana eo amin’ny fanompoana?

14 Naniry hanao fandrosoana teo amin’ny asa fitoriana i Paoly. Nanohina ny fony ny modely nomen’ny Zanak’Andriamanitra. Anisan’ny fomba nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany tsy manan-tsahala ny fanompoana nataony. Hoy izy: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Matio 9:35-38) Azo inoana fa nangataka mpiasa fanampiny i Paoly sady nanao zavatra nifanaraka tamin’izany, ka niezaka ny ho mpitory mazoto. Ary ianao? Afaka manatsara ny fanompoanao ve ianao? Afaka mitory bebe kokoa ve ianao, na angamba aza handamina ny fiainanao mba ho lasa mpisava lalana? Aoka àry isika haneho ny tena fitiavana, ka hanampy ny hafa ‘hitana mafy ny tenin’ny fiainana.’—Fil. 2:16.

Ny fiheveran’i Paoly ny tenany

15. Ahoana no fiheveran’i Paoly ny tenany, raha oharina amin’ny Kristianina hafa?

15 Ohatra miavaka ho antsika koa i Paoly eo amin’ny lafiny hafa. Nahazo tombontsoam-panompoana maro izy teo anivon’ny fiangonana. Fantany tsara anefa fa tsy noho ny ezaka nataony na ny fahaizany no nahazoany an’izany. Takany fa fisehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra ireny. Fantatr’i Paoly fa mpitory nahita vokatra koa ny Kristianina hafa. Nanetry tena foana àry izy, na dia nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra aza.—Vakio ny 1 Korintianina 15:9-11.

16. Hazavao fa nanetry tena sy nihevi-tena araka ny antonony i Paoly tamin’ilay raharaha momba ny famorana.

16 Diniho ny fomba niatrehan’i Paoly ny olana nitranga tao Antiokia any Syria. Tsy nitovy hevitra momba ny famorana ilay fiangonana tao. (Asa. 14:26–15:2) I Paoly no voatendry hitarika ny asa fitoriana tamin’ny hafa firenena tsy voafora. Nety ho nieritreritra àry izy fa hainy tsara ny nifandray tamin’ny tsy Jiosy, ka izy no tena mahay mandamina ilay olana. (Vakio ny Galatianina 2:8, 9.) Rehefa toa tsy voalaminy anefa ilay izy, dia nanetry tena izy, ka nanaiky hoe horesahina amin’ny filan-kevi-pitantanana any Jerosalema ilay raharaha. Nandinika an’ilay izy ny filan-kevi-pitantana, ka nandray fanapahan-kevitra, ary nanendry azy ho anisan’ny mpampita hafatra. Nanaiky izany an-tsitrapo izy. (Asa. 15:22-31) ‘Loha laharana [àry i Paoly] raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra’ ny mpiara-manompo taminy.—Rom. 12:10b.

17, 18. a) Nanao ahoana ny fifandraisan’i Paoly tamin’ireo rahalahy sy anabavy? b) Inona no ianarantsika momba an’i Paoly, rehefa jerena ny nataon’ny anti-panahy tany Efesosy tamin’izy niala tany?

17 Nanetry tena i Paoly, ka tsy nihatakataka tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Niraiki-po tamin’izy ireo kosa izy. Rehefa namarana ny taratasiny ho an’ny Romanina izy, dia nirary soa ho an’ny olona 20 mahery izay notononiny anarana. Tsy voalaza na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina ny ankamaroan’izy ireny, ary vitsy no nahazo tombontsoam-panompoana. Mpanompon’i Jehovah nahatoky anefa izy ireny, ka tena tian’i Paoly.—Rom. 16:1-16.

18 Nanetry tena sy sariaka i Paoly, ka nampahery ny fiangonana. Rehefa nihaona farany taminy ny anti-panahy tany Efesosy, dia ‘namihina ny vozony, ka nanoroka azy tamim-pitiavana, satria nalahelo mafy izy ireo noho ny teniny hoe tsy hahita ny tavany intsony.’ Tsy ho nanao izany izy ireo, raha niavonavona sy tia nitokantokana i Paoly.—Asa. 20:37, 38.

19. Ahoana no hampisehoantsika ‘fanetren-tena’, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Kristianina hafa?

19 Tsy maintsy manetry tena toa an’i Paoly izay rehetra te handroso ara-panahy. Nampirisika ny Kristianina izy hoe: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Fil. 2:3) Ahoana no hanarahantsika an’io torohevitra io? Mila miara-miasa amin’ny anti-panahin’ny fiangonantsika isika, ka manaraka ny toromarik’izy ireo sy manohana ny fanapahan-keviny amin’ny raharaha ara-pitsarana. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Mila mihevitra ny rahalahy sy anabavy rehetra ho sarobidy koa isika. Olona samy hafa fiaviana, kolontsaina, foko, ary firenena mazàna no eo anivon’ny fiangonana. Na izany aza, moa ve isika tsy tokony hiezaka ny tsy hanavakavaka, fa ho tena tia ny olona rehetra, toy ny nataon’i Paoly? (Asa. 17:26; Rom. 12:10a) “Nandray tsara antsika i Kristy”, ka tokony ‘hifandray tsara tahaka izany koa isika, ho voninahitr’Andriamanitra.’—Rom. 15:7.

‘Mihazakazaha amim-paharetana’ mba hahazoana ny fiainana

20, 21. Inona no hanampy antsika hamita ilay hazakazaka ka hahazo ny fiainana?

20 Azo oharina amin’ny hazakazaka lavitra ezaka ny fiainan’ny Kristianina. Hoy i Paoly: “Efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana. Ny Tompo, ilay mpitsara marina, no hanome ahy izany ho valisoa amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.”—2 Tim. 4:7, 8.

21 Hahavita ilay hazakazaka isika, ka hahazo ny fiainana mandrakizay, raha manahaka an’i Paoly. (Heb. 12:1) Aoka àry isika handroso ara-panahy hatrany, ka ho zatra mianatra samirery sy ho tena tia olona ary hanetry tena foana. 

Ahoana no Havalinao?

• Inona no soa noraisin’i Paoly noho izy nianatra tsy tapaka ny Soratra Masina?

• Nahoana no zava-dehibe amin’ny tena Kristianina ny fitiavana lalina ny olona?

• Inona avy no toetra tsara hanampy anao tsy hanavakavaka?

• Nahoana no afaka manampy anao hiara-miasa amin’ny anti-panahy ny ohatr’i Paoly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Manovoza hery avy amin’ny Soratra Masina, toy ny nataon’i Paoly

[Sary, pejy 24]

Manehoa fitiavana ny hafa, ka itorio ny vaovao tsara izy

[Sary, pejy 25]

Fantatrao ve hoe nahoana i Paoly no tian’ireo rahalahiny?