Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Avela Hihena “ny Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany”

Aza Avela Hihena “ny Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany”

Aza Avela Hihena “ny Fitiavana Nanananao Tamin’ny Voalohany”

“Tano mafy foana izay anananao.”—APOK. 3:11.

1, 2. Nanao ahoana ny fihetseham-ponao, tamin’ianao nahalala voalohany ny fahamarinana?

TADIDINAO ve tamin’ianao nahalala voalohany ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona mankatò? Raha tany amin’ny fivavahana hafa ianao taloha, nanao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa nohazavaina taminao tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ny fikasan’Andriamanitra, na ireo fampianarana tsy mora azo? Tsapanao angamba tamin’izay, fa voafitaka ianao. Faly anefa ianao izao fa mahalala ny fahamarinana! Raha notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah kosa ianao, tsaroanao ve ny fihetseham-ponao tamin’ianao resy lahatra fa marina ny zavatra nianaranao momba an’i Jehovah ka tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’izany ianao?—Rom. 12:2.

2 Hilaza aminao ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy fa tena faly izy ireo, sady nahatsiaro ho akaiky an’i Jehovah, ary nankasitraka azy satria notaominy. (Jaona 6:44) Nandrisika azy ireo handray anjara tamin’ny asa kristianina ny hafaliany. Faly aoka izany izy ireo, ka naniry hizara ny fihetseham-pony tamin’ny olona rehetra hitany. Toy izany koa ve no tsapanao?

3. Inona no nitranga tao amin’ny fiangonan’i Efesosy, tamin’i Jesosy nandefa hafatra ho azy ireo?

3 Nandefa hafatra ho an’ny fiangonana kristianina tany Efesosy i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. ‘Ny fitiavana nananan’izy ireo tamin’ny voalohany’ no nasiany resaka. Nanana toetra tsara maro izy ireo, nefa nihena tsy toy ny tamin’ny voalohany ny fitiavany an’i Jehovah. Hoy àry i Jesosy: “Fantatro izay ataonao sy ny fisasaranao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa tsy mahatanty mahita olon-dratsy eo anivonao ianao, ary notsapainao toetra ireo mihambo ho apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga. Miaritra koa ianao, eny, efa niaritra ny mafy noho ny anarako, nefa tsy reraka. Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Nialanao ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany.”—Apok. 2:2-4.

4. Nahoana no mahasoa antsika ankehitriny ny hafatr’i Jesosy ho an’ny Efesianina?

4 Nihatra tamin’ireo Kristianina voahosotra ny torohevitr’i Jesosy ho an’ny Efesianina sy ny fiangonana hafa voaresaka ao amin’ny Apokalypsy, noho ny zava-nisy teo anivon’izy ireo tamin’ny fotoana sasany taorian’ny 1914. (Apok. 1:10) Na ankehitriny aza anefa, dia mbola mety hisy Kristianina hanary ny ‘fitiavana voalohany nananany’ ho an’i Jehovah sy ny fahamarinana. Hamelona indray sy hihazona ary hampitombo izany fitiavana izany ianao, raha mitadidy sy misaintsaina ny zavatra niainanao. Andeha hodinihintsika ny fomba hanaovana izany.

Inona no naharesy lahatra anao?

5, 6. a) Tokony ho resy lahatra ny amin’ny inona ny Kristianina tsirairay? b) Inona no nampiaiky anao fa ny Vavolombelon’i Jehovah no mampianatra ny fahamarinana? d) Inona no hanampy ny olona iray hamelona ny fitiavana nananany tamin’ny voalohany?

5 Tsy maintsy ‘mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana ary tonga lafatra’ ny tsirairay, alohan’ny hanolorany tena ho an’i Jehovah. (Rom. 12:1, 2) Tafiditra amin’izany ny fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Samy resy lahatra ny tena Kristianina fa ny Vavolombelon’i Jehovah no mampianatra ny fahamarinana, na dia mety ho tsy mitovy aza ny zavatra nampiaiky azy. Resy lahatra, ohatra, ny sasany rehefa nahita ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly, na nahalala ny marina momba ny maty. (Sal. 83:18; Mpit. 9:5, 10) Nampiaiky volana ny hafa kosa ny fifankatiavan’ny vahoakan’i Jehovah. (Jaona 13:34, 35) Nisy indray nieritreritra momba ny dikan’ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao, ka takatr’izy ireo fa tsy tokony hitsabaka amin’ny adihevitra ara-politika na amin’ny adin’ireo firenena ny tena Kristianina.—Isaia 2:4; Jaona 6:15; 17:14-16.

6 Ireny fampianarana ireny sy ny hafa no nampitsiry voalohany ny fitiavan’ny olona maro an’Andriamanitra. Makà fotoana hitadidiana ny zavatra naharesy lahatra anao. Tsy mitovy ny toe-javatra misy ny tsirairay sy ny toetrany, ka azo inoana fa tsy mitovy koa ny antony voalohany itiavany an’i Jehovah sy inoany ny fampanantenany. Azo antoka anefa fa mbola tsy miova hatramin’izao, ilay zavatra nampiaiky anao. Tsy miova mantsy ny fahamarinana. Hanampy anao ho tia ny fahamarinana toy ny tamin’ny voalohany àry, ny fitadidiana indray ny zavatra nampiaiky anao sy ny fihetseham-ponao tamin’izany.—Vakio ny Salamo 119:151, 152; 143:5.

Ampitomboy ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany

7. Nahoana isika no tokony hampitombo ny fitiavantsika ny fahamarinana tamin’ny voalohany, ary inona no hanampy antsika amin’izany?

7 Betsaka angamba ny zavatra efa niova teo amin’ny fiainanao, hatramin’ny nanoloranao tena ho an’i Jehovah. Efa zava-dehibe ilay fitiavanao ny fahamarinana tamin’ny voalohany, nefa nila nampitomboina izany rehefa nandeha ny fotoana, mba hiatrehanao ireo toe-javatra mitsapa ny finoanao. Nanohana anao anefa i Jehovah. (1 Kor. 10:13) Tena sarobidy koa àry ny mitadidy ireo zavatra niainanao tao anatin’ireo taona nifandimby. Nanampy anao izany hampitombo ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany, sy hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana.—Josoa 23:14; Sal. 34:8.

8. Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah ny tenany tamin’i Mosesy, ary inona no nanampy ny Israelita hahafantatra kokoa an’Andriamanitra?

8 Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’ny Israelita. Nilaza tamin’izy ireo i Jehovah fa hanafaka azy ireo tsy ho andevo tany Ejipta. Hoy izy rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’i Mosesy: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eks. 3:7, 8, 13, 14, TV ) Te hilaza i Jehovah fa ho tonga izay rehetra ilaina izy, mba hanafahana ny vahoakany. Nampiharihary ny lafiny samihafa tamin’ny toetrany izy, taorian’izay, arakaraka ny toe-javatra, ary hitan’ireo Israelita izany. Nasehony fa Mahery Indrindra izy, Mpitsara, Mpitarika, Mpanafaka, Mpiady, ary Mpanome izay ilaina.—Eks. 12:12; 13:21; 14:24-31; 16:4; Neh. 9:9-15.

9, 10. Inona no toe-javatra mety hanampy ny olona iray hahalala an’Andriamanitra, ary nahoana no tsara hotadidina izy ireny?

9 Marina fa tsy mitovy amin’ny zavatra niainan’ny Israelita ny zavatra iainanao. Mety ho efa nisy zavatra niainanao anefa, nampiaiky anao fa tena miahy anao Andriamanitra, ary nanatanjaka ny finoanao izany. Noporofoin’i Jehovah teo amin’ny fiainanao angamba fa Mpanome izay ilaina izy, na Mpampionona, na Mpampianatra. (Vakio ny Isaia 30:20b, 21.) Mety ho efa niharihary taminao fa namaly ny vavakao izy, na nampiasa Kristianina hanampy anao hamaha olana. Mety ho nahita andinin-teny tena nanampy anao koa ianao, rehefa nianatra samirery.

10 Tsy voatery hampiaiky ny hafa ireny zavatra niainanao ireny rehefa tantarainao aminy. Ilay izy rahateo tsy fahagagana. Zava-dehibe aminao anefa izy ireny, satria nanaporofoan’i Jehovah fa tonga araka izay nilaina izy mba hanampiana anao. Diniho ireo taona maro naha tao amin’ny fahamarinana anao. Mahatsiaro toe-javatra vitsivitsy nahatsapanao ny fiahian’i Jehovah ve ianao? Saintsaino izy ireny ary tadidio ny fihetseham-ponao tamin’izany. Tsy hihena mihitsy amin’izay ilay fitiavanao an’i Jehovah tamin’ny voalohany. Ankamamio ireny zavatra niainanao ireny ary saintsaino. Manaporofo izy ireny fa miahy anao i Jehovah. Tsy misy afaka misakana anao tsy hino izany.

Mandiniha tena

11, 12. Inona no mety hampihena ny fitiavan’ny Kristianina iray ny fahamarinana, ary inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba izany?

11 Tsy hoe niova Andriamanitra raha tsy toy ny tamin’ny voalohany intsony ny fitiavanao azy sy ny fahamarinana. Tsy miova mihitsy i Jehovah. (Mal. 3:6; Jak. 1:17) Niahy anao foana izy hatramin’izay ka hatramin’izao. Raha miova àry ny fifandraisanao aminy, inona no mety ho nahatonga izany? Sao dia mihabetsaka ny olana sy ny zavatra mampanahy anao? Angamba ianao taloha nivavaka tamin-kafanam-po kokoa, nazoto nianatra kokoa, ary nisaintsainana matetika kokoa. Nety ho nazoto nanompo kokoa ianao tamin’izany, ary tsy nanapatapaka fivoriana toy ny amin’izao.—2 Kor. 13:5.

12 Raha misy mihatra aminao ireo voalaza ireo, inona no nahatonga izany? Nahatonga anao hanadino ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah ve ny fanahiana mahazatra, toy ny famelomana ankohonana, fikarakarana fahasalamana, sy ny toy izany? Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo.”—Lioka 21:34-36.

13. Noharin’i Jakoba tamin’ny inona ny Tenin’Andriamanitra?

13 Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Jakoba mpanoratra Baiboly, mba handini-tena amim-pahatsorana amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy: “Aoka ... ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany, ka hamita-tena amin’ny fiheveran-diso. Raha misy mpihaino ny teny fa tsy mpankatò, dia toy ny olona mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy. Mijery ny tenany izy dia lasa, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy. Fa izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra momba ny fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.”—Jak. 1:22-25.

14, 15. a) Hazavao ny fomba anampian’ny Baiboly antsika hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. b) Inona avy no fanontaniana azontsika saintsainina?

14 Mampiasa fitaratra ny olona mba hijerena raha mety ny paoziny. Azon’ny lehilahy iray ahitsy, ohatra, ny kravatiny raha hitany fa mivilana. Afaka manamboatra ny volony koa ny vehivavy raha hitany fa mikorontana. Toy izany koa fa manampy antsika handini-tena ny Soratra Masina. Ampiasaintsika toy ny fitaratra izy io, rehefa mampitaha ny tenantsika amin’izay lazainy isika. Misy dikany ve anefa ny hijerentsika fitaratra, raha tsy ahitsintsika izay hitantsika hoe tsy mety eny amintsika? Hendry isika raha manao zavatra mifanaraka amin’izay hitantsika ao amin’ny “lalàn[’Andriamanitra] tonga lafatra”, ary ‘mankatò’ izany. Raha hitantsika àry fa nihena ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fahamarinana fa tsy toy ny tamin’ny voalohany, dia tsara ny hisaintsainana ireto fanontaniana ireto: ‘Inona no olana mahazo ahy, ary ahoana no amahako izany? Ahoana no namahako izany taloha? Miova ve izany ankehitriny?’ Raha hitanao fa misy tsy mety ny ataonao, dia aza odian-tsy hita izany. Manaova fanitsiana avy hatrany, raha hitanao fa misy ilaina hahitsy.—Heb. 12:12, 13.

15 Manampy anao hanana tanjona azo tratrarina sy handroso ara-panahy koa ny fisaintsainana toy izany. Nanoro hevitra an’i Timoty mpiara-miasa taminy ny apostoly Paoly, mba hanatsarany ny fanompoany. Hoy i Paoly tamin’ilay tovolahy: “Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” Tsara koa raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra isika mba handinihana ny fandrosoana azontsika atao.—1 Tim. 4:15.

16. Inona no tokony hotandremanao rehefa mandini-tena amin’ny alalan’ny Soratra Masina?

16 Tsy maintsy hahita zavatra tsy mety ianao rehefa mandini-tena amim-pahatsorana. Aza kivy anefa. Ny antony handinihan-tena mantsy dia mba hahitana ny lafiny azo hatsaraina. Mazava ho azy fa tian’i Satana ny hieritreretan’ny Kristianina hoe tsy misy vidiny ny tenany satria tsy lavorary. Lazainy fa tsy raharahain’Andriamanitra izay ezaka rehetra atao mba hanompoana azy. (Joba 15:15, 16; 22:3) Nolavin’i Jesosy an-karihary izany lainga izany. Sarobidy amin’Andriamanitra ny tsirairay amintsika. (Vakio ny Matio 10:29-31.) Tokony hahatonga anao hanetry tena sy ho tapa-kevitra ny hihatsara kosa, ny fahalalanao hoe tsy lavorary ianao. Hanampy anao i Jehovah. (2 Kor. 12:7-10) Raha voafetra ny mety ho vitanao noho ny aretina na ny taona, dia aza kivy ary aza avela hihena ny fitiavanao. Manàna kosa tanjona azo tratrarina.

Maro ny zavatra tokony hankasitrahana

17, 18. Inona no soa ho azonao raha mampitombo ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany ianao?

17 Maro ny soa azo rehefa ampitomboina foana ilay fitiavana nananana tamin’ny voalohany. Manjary mitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra sy ny fankasitrahanao ny fitarihany amim-pitiavana. (Vakio ny Ohabolana 2:1-9; 3:5, 6.) Hoy ny mpanao salamo: “Ny fitandremana [ny fitsipik’i Jehovah] misy valiny lehibe.” “Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah [na ny fampahatsiahivany], mahahendry ny kely saina.” Hoy koa izy: “Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah.”—Sal. 19:7, 11; 119:1.

18 Azo antoka fa manaiky ianao hoe maro ny zavatra tsara tokony hankasitrahana an’i Jehovah. Fantatrao, ohatra, ny anton’ny zava-mitranga eran-tany. Mandray soa avy amin’ny fikarakaran’Andriamanitra ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-panahy koa ianao. Tsy isalasalana fa ankasitrahanao ny nitaoman’i Jehovah anao ho anisan’ny fiangonany eto an-tany, sy ny nanekeny anao ho Vavolombelony. Saintsaino ange ny fitahiana raisintsika e! Tena maro be izy ireny raha hotanisaina. Tsara ny manao lisitra azy ireny tsindraindray. Hanampy anao ‘hitana mafy foana izay anananao’ izany.—Apok. 3:11.

19. Ankoatra ny fisaintsainana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, inona no ilainao hatao mba hifandraisana tsara aminy foana?

19 Afaka manampy anao hitana mafy izay anananao koa, ny fisaintsainana fa nihanatanjaka ny finoanao tao anatin’ireo taona nifandimby. Imbetsaka Ny Tilikambo Fiambenana no misarika ny saina ho amin’ireo zavatra hafa tena ilaina mba hifandraisana tsara foana amin’Andriamanitra. Anisan’izy ireny ny vavaka, fanatrehana sy fandraisana anjara amin’ny fivoriana, ary fahazotoana mitory. Hanampy anao hamelona indray sy hampitombo ilay fitiavana nanananao tamin’ny voalohany ny fanaovana an’ireo.—Efes. 5:10; 1 Pet. 3:15; Joda 20, 21.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no afaka mampahery anao foana ny mitadidy ireo antony nahatonga anao ho tia an’i Jehovah?

• Ho resy lahatra ny amin’ny inona ianao raha misaintsaina ny zavatra niainanao?

• Nahoana ianao no tokony handinika ny fitiavanao an’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona no fahamarinana nahasarika sy naharesy lahatra anao?

[Sary, pejy 25]

Mahita lafiny tokony hahitsy amin’ny tenanao ve ianao?