Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo ny Fahefan’i Jehovah

Ekeo ny Fahefan’i Jehovah

Ekeo ny Fahefan’i Jehovah

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 JAONA 5:3.

1, 2. a) Nahoana ny olona maro no tsy tia manaiky fahefana? b) Tena azo lazaina hoe manao izay tiany ve anefa ireny olona ireny? Hazavao.

OLONA maro no tsy tia manaiky “fahefana.” Tsy tiany mantsy izany hoe hanao ny sitrapon’olon-kafa izany. Misy, ohatra, milaza hoe: “Izaho tsy mila baikoin’iza na iza, fa izay tiako ihany no ataoko.” Dia tena izay tiany fotsiny tokoa ve no ataon’ireny olona ireny? Tsia! Ny ankamaroany dia manaraka fotsiny izay ataon’ny olona maro be ‘novolavolain’ity tontolo ity.’ (Rom. 12:2) Lazaina fa manana fahafahana izy ireny, nefa “andevon’ny fahalotoana”, araka ny tenin’ny apostoly Petera. (2 Pet. 2:19) Mandeha “araka an’ity tontolo ity [izy ireo] sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra”, dia i Satana Devoly.—Efes. 2:2.

2 Nirehareha erỳ ny mpanoratra iray hoe: ‘Tsy misy avelako hibaiko ahy amin’izay tokony hataoko, na ny ray aman-dreniko, na mompera, na mpitory teny, na ny Baiboly.’ Marina fa tsy mendrika ny hankatoavina ny olona sasany, satria manararaotra fahefana. Midika ve anefa izany fa tsy ilaina mihitsy ny manaiky fahefana na manaraka tari-dalana? Mazava ny valiny rehefa jerena ireo vaovao mampalahelo amin’ny gazety. Izao mantsy no tena mila tari-dalana ny olona, nefa tsy miraharaha izany ny ankamaroany, ka loza ny vokany.

Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny fahefana?

3. Ahoana no ahitana fa tsy nanaiky befahatany ny fahefan’olombelona ny Kristianina voalohany?

3 Tsy mitovy hevitra amin’izao tontolo izao isika, eo amin’ny resaka fahefana. Tsy hoe ekentsika daholo anefa izay ampanaovina antsika. Indraindray aza isika tsy manaiky mihitsy, na dia manam-pahefana aza no mibaiko antsika. Toy izany koa ireo Kristianina voalohany. Tsy natahotra, ohatra, izy ireo rehefa nandrara azy tsy hitory ny mpisoronabe sy ny manam-pahefana tao amin’ny Fitsarana Avo. Nanao ny tsara foana izy ireo, fa tsy nanaiky befahatany ny fahefan’olombelona.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:27-29.

4. Milazà ohatra ao amin’ny Soratra Hebreo, ahitana fa tsy nanao izay tian’ny olona fotsiny ny mpanompon’Andriamanitra.

4 Toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra maro, talohan’ny andron’i Jesosy. I Mosesy, ohatra, ‘nanda tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra’, na dia ‘nahatezitra ny mpanjaka’ aza izany. (Heb. 11:24, 25, 27) I Josefa koa tsy nety nijangajanga tamin’ny vadin’i Potifara, na dia nanana fahefana hamaly faty sy hampijaly azy aza io vehivavy io. (Gen. 39:7-9) I Daniela indray “ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka”, na dia tsy nanaiky an’izany mora foana aza ny manam-pahefana tao Babylona. (Dan. 1:8-14) Hita amin’ireo ohatra ireo fa tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’izay, na inona na inona vokany. Tsy nanaiky lembenana izy ireo, na dia tsy ho tian’ny olona aza. Tokony hanahaka azy ireo isika.

5. Inona no tsy mampitovy antsika amin’izao tontolo izao, amin’ny fanekena fahefana?

5 Sahy mijoro amin’ny hevitsika isika, nefa tsy hoe be di-doha na te hikomy fotsiny amin’ny fitondrana. Tapa-kevitra kosa isika fa hanaiky ny fahefan’i Jehovah, mihoatra noho ny an’ny olona. Efa mazava ny safidy hataontsika, raha mifanohitra ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’olombelona. Toa an’ireo apostoly, dia Andriamanitra fa tsy olona no ankatoavintsika, satria izy no mpitondra antsika.

6. Ny mankatò ny didin’Andriamanitra foana no tsara indrindra ho antsika. Nahoana?

6 Nahoana isika no manaiky ny fahefan’Andriamanitra? Satria hoy ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Mino isika fa hahasoa antsika foana izay asain’Andriamanitra ataontsika. (Vakio ny Deoteronomia 10:12, 13.) Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: ‘Izaho no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.’ Hoy koa izy: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:17, 18) Matoky an’izany isika. Fantatsika fa ny mankatò ny didin’Andriamanitra foana no tsara indrindra ho antsika.

7. Inona no tokony hataontsika, raha tsy azontsika tsara ny didy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

7 Manaiky ny fahefan’i Jehovah sy mankatò azy foana isika, na tsy azontsika tsara aza ny didy sasany ao amin’ny Teniny. Tsy hoe minomino befahatany izany, fa matoky. Azontsika antoka tanteraka fa fantatr’i Jehovah izay hahasoa antsika. Raha mankatò koa isika dia manaporofo hoe tia azy. Hoy mantsy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Misy toetra hafa tena ilaintsika hananana koa anefa.

Ampiasao ny fahaizanao misaina

8. Nahoana isika no mila “fahaiza-misaina” rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah?

8 Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hozarintsika ny fahaizantsika misaina, mba hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’ (Heb. 5:14) Tsy ny hanaiky befahatany ny lalàn’Andriamanitra àry no tanjontsika. Tiantsika kosa ny hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy”, mifanaraka amin’ny fitsipiny. Tokony ho tsapantsika fa fahendrena ny manaraka ny lalan’i Jehovah. Ho afaka hiteny toy ny mpanao salamo isika amin’izay, hoe: “Ny lalànao no ato anatiko.”—Sal. 40:8.

9. Ahoana no hampifanarahantsika ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny fitsipik’i Jehovah? Nahoana izany no zava-dehibe?

9 Hankasitraka ny lalàn’Andriamanitra isika, toy ny mpanao salamo, raha misaintsaina rehefa mamaky Baiboly. Rehefa mahita didin’i Jehovah, ohatra, isika, dia tokony hieritreritra hoe: ‘Nahoana no feno fahendrena io toro lalana io? Nahoana no tena hahasoa ahy ny mankatò azy io? Inona no nanjo an’izay tsy nankatò an’io torohevitr’Andriamanitra io?’ Hifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretantsika, raha misaintsaina toy izany isika. Ho araka ny sitrapony koa ny fanapahan-kevitsika. Hahay ‘hamantatra hatrany izay sitrapon’i Jehovah isika’ amin’izay, ka hankatò azy. (Efes. 5:17) Tsy mora foana anefa izany.

Mitaona ny olona handa ny fahefan’Andriamanitra i Satana

10. Inona no lafiny iray ampirisihan’i Satana ny olona handa ny fahefan’Andriamanitra?

10 Efa ela i Satana no nampirisika ny olona handa ny fahefan’Andriamanitra. Hita amin’ny lafiny maro izany. Betsaka, ohatra, no tsy manaja ny toro lalan’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Ao ireo manao tokantranomaso, ary misy indray mitady fomba hisarahana amin’ny vadiny. Mitovy hevitra amin’ity vehivavy mpanao filma ity izy ireo. Hoy izy io: “Sarotra be ny hoe hijanona amin’ny vady tokana. Mbola tsy nahita olona nanao an’izany aho, na hoe te hanao an’izany.” Efa nanambady imbetsaka koa ny lehilahy iray mpanao filma, nefa nikorontana foana ny tokantranony. Hoy izy: “Angamba isika tsy natao hiaraka amin’ny olona iray mandra-pahafaty izany mihitsy.” Tsara àry ny hieritreretantsika hoe: ‘Manaiky ny fahefan’i Jehovah ve aho, amin’ny resaka fanambadiana, sa lasa mitovy hevitra amin’izao tontolo izao?’

11, 12. a) Nahoana no mety ho sarotra amin’ny tanora ny manaiky ny fahefan’i Jehovah? b) Milazà ohatra iray ahitana fa hadalana ny tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany.

11 Ry tanora eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah! Tandremo fa mikendry anao i Satana, mba tsy hanekenao ny fahefan’i Jehovah. Mahery “ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” sy ny fitaoman’ny namana. (2 Tim. 2:22) Mety hieritreritra àry ianao fa hoatran’ny maneritery ny lalàn’Andriamanitra. Aza mino an’izany anefa. Ataovy izay hahatsapanao fa fahendrena ny manaiky ny fitsipik’Andriamanitra. Mandidy anao, ohatra, ny Baiboly hoe: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Kor. 6:18) Eritrereto indray àry izao: ‘Nahoana no feno fahendrena io didy io? Inona no soa horaisiko raha mankatò azy io aho?’ Angamba ianao mahafantatra olona tsy nanaiky ny torohevitr’Andriamanitra, ka nijinja vokany mangidy. Tena sambatra ve izy ireo izao? Tsara kokoa noho ny tamin’izy teo anivon’ny fandaminana ve ny fiainany? Mahita fahasambarana hafa, izay tsy ananan’ny mpanompon’Andriamanitra ve izy ireo?—Vakio ny Isaia 65:14.

12 Hoy ny Vavolombelona iray atao hoe Sharon: ‘Tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra aho ka voan’ny SIDA. Matetika aho no manembona an’ireo taona maro nanompoako an’i Jehovah tamim-pifaliana.’ Niaiky izy hoe tahaka izay nohajainy tsara ny lalàn’i Jehovah. Tsapany fa hadalana ny mandika azy ireny. Miaro antsika tokoa ny didin’i Jehovah. Nampalahelo fa maty i Sharon, fito herinandro taorian’ny nanoratany an’ireo teny ireo. Hita amin’izany fa tsy misy zavatra tsara azon’i Satana omena an’ireo anisan’ny tontolony. “Rain’ny lainga” izy, ka mampanantena zavatra be dia be nefa tsy tanteraka akory, toy ny nataony tamin’i Eva ihany. (Jaona 8:44) Tsy misy tsara noho ny manaiky ny fahefan’i Jehovah!

Aza manao izay tianao fotsiny

13. Nahoana isika no mila mitandrina mba tsy hanao izay tiantsika fotsiny?

13 Tokony hanana toe-tsaina tsara isika raha te hanaiky ny fahefan’i Jehovah, fa tsy hanao izay tiantsika fotsiny. Raha manambony tena mantsy isika, dia mety hieritreritra fa tsy mila tari-dalana. Mila manaiky ny torohevitr’ireo mpiandraikitra, ohatra, isika. Nanendry ny mpanompo mahatoky sy malina koa Andriamanitra, mba hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. (Matio 24:45-47) Tokony hanetry tena àry isika, ka hanaiky fa izy io no ampiasain’i Jehovah hikarakara ny vahoakany ankehitriny. Aoka isika hanahaka an’ireo apostoly nahatoky. Rehefa tafintohina ny mpianatra sasany, dia nanontanian’i Jesosy ny apostoly hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:66-68.

14, 15. Nahoana isika no tokony hanaiky amim-panetren-tena ny torohevitry ny Baiboly?

14 Mila manaraka ny torohevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah isika, raha te hanaiky ny fahefany. Nampirisika antsika “hifoha hatrany ary hisaina tsara”, ohatra, ny mpanompo mahatoky sy malina. (1 Tes. 5:6) Tena ilaintsika io torohevitra io amin’izao andro farany izao, satria maro no “tia tena” sy “tia vola.” (2 Tim. 3:1, 2) Mety ho lasa toy izany koa ve isika? Eny. Mety ho lasa tia vola loatra isika na tsy hifantoka amin’ny fanompoana, raha zavatra hafa no ataontsika loha laharana. (Lioka 12:16-21) Hendry àry isika raha manaiky ny torohevitry ny Baiboly, fa tsy manahaka an’ireo olona tia tena eto amin’ny tontolon’i Satana!—1 Jaona 2:16.

15 Ny anti-panahy no voatendry hampita amintsika ny sakafo ara-panahy avy amin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.” (Heb. 13:17) Midika ve izany fa tsy mba diso mihitsy ny anti-panahy? Tsia! Fantatr’Andriamanitra ny fahalemen’izy ireo, mihoatra lavitra noho izay fantatry ny olona. Asainy mankatò azy ireo foana anefa isika. Marina fa tsy lavorary ny anti-panahy, nefa raha miara-miasa amin’izy ireo isika, dia manaporofo fa manaiky ny fahefan’i Jehovah.

Tena ilaina ny manetry tena

16. Ahoana no anehoantsika fa manaja an’i Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana isika?

16 Tsy maintsy tadidintsika foana fa i Jesosy no tena Lohan’ny fiangonana. (Kol. 1:18) Tokony hanetry tena sy hanaiky ny fitarihan’ny anti-panahy àry isika, ka “hanaja fatratra” azy ireny. (1 Tes. 5:12, 13) Mazava ho azy fa manaiky fahefana koa izy ireo, ka mitandrina mba hampita ny hafatr’Andriamanitra, fa tsy ny heviny manokana. Tsy “mihoatra noho izay voasoratra” izy ireo.—1 Kor. 4:6.

17. Nahoana no mampidi-doza ny mirehareha?

17 Mila mitandrina ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, mba tsy hitady voninahitra ho an’ny tenany. (Ohab. 25:27) Izany no nanjo an’ilay mpianatra noresahin’i Jaona. Hoy izy: “Te ho voalohany eo amin’izy ireo i Diotrefa, ka tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy taminay. Raha tonga àry aho, dia hampahatsiahiviko ny nataony, izay mbola tohiziny ihany. Manaratsy anay tsy an-kijanona izy.” (3 Jaona 9, 10) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy esorintsika izay fireharehana ao am-pontsika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana.” Tsy maintsy mitandrina àry ireo manaiky ny fahefan’Andriamanitra mba tsy ho sahisahy ratsy, satria hiteraka fahafaham-baraka izany.—Ohab. 11:2; 16:18.

18. Inona no hanampy antsika hanaiky ny fahefan’i Jehovah?

18 Aza manao izay tianao fotsiny toa an’ity tontolo ity àry, fa ekeo ny fahefan’i Jehovah. Ataovy tanjona izany. Tadidio fa voninahitra lehibe ho anao ny manompo an’i Jehovah, ka ankasitraho izany. Notaominy tamin’ny alalan’ny fanahiny masina ianao, matoa lasa anisan’ny vahoakany. (Jaona 6:44) Aza atao tsinontsinona mihitsy ny fifandraisanao aminy. Asehoy amin’izay rehetra ataonao hoe tsy manao izay tianao fotsiny ianao, fa manaiky ny fahefan’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manaiky ny fahefan’i Jehovah?

• Nahoana isika no mila fahaiza-misaina rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah?

• Amin’ny lafiny inona avy i Satana no mampirisika antsika handa ny fahefan’Andriamanitra?

• Nahoana no tena ilaina ny manetry tena, mba hanekena ny fahefan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

“Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay”

[Sary, pejy 20]

Fahendrena foana ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra