Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampijaliana Mandrakizay Hoe?

Fampijaliana Mandrakizay Hoe?

Fampijaliana Mandrakizay Hoe?

MAMPIASA ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 9:48 ny olona sasany mba hanaporofoana fa misy ny fampijaliana mandrakizay. Miresaka momba ny olitra (na kankana) tsy maty sy afo tsy mety maty, i Jesosy ao amin’io andininy io. Ahoana no havalinao raha misy manontany anao momba izany?

Mitovy ny voalazan’ny andininy faha-44 sy 46 ary 48 (43, 45, 47, Fandikan-teny Katolika) ao amin’ny Baiboly sasany. * Izao no hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia ario. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana maso roa nefa atsipy any amin’ny Gehena. Fa any dia tsy maty ny olitra amin’ny fatin’izy ireo, ary tsy mety maty ny afo.”—Marka 9:47, 48.

Asehon’io tenin’i Jesosy io, hoy ny olona sasany, fa mijalijaly mandrakizay ny fanahin’ireo ratsy fanahy rehefa maty izy ireo. Manazava toy izao ny Baiboly navoakan’ny Oniversiten’i Navarre, any Espaina: “Miresaka momba ny fampijalijaliana ao amin’ny helo ny Tompo [ao amin’ireo teniny ireo]. Matetika ny ‘olitra tsy maty’ no entina hilazana ny nenina mandrakizay tsapan’ireo voasazy ao amin’ny helo, ary ilay ‘afo tsy mety maty’ kosa manondro ny fanaintainana mandrakizay.”

Mitovitovy amin’ny andinin-teny farany ao amin’ny bokin’i Isaia anefa ireo tenin’i Jesosy ireo. * Tsy hita avy amin’izany ve fa ny voalaza ao amin’ny Isaia 66:24 ihany no tian’i Jesosy horesahina? Angamba i Isaia mpaminany niresaka momba ny olona ho any ivelan’i “Jerosalema, ho any amin’ny Lohasahan’i Hinoma (Gehena), izay toerana nanaovana sorona olombelona. (Jer. 7:31) Lasa fanariam-pako izy io tatỳ aoriana.” (Ny Fanazavan’i Jérôme ny Baiboly, anglisy) Tsy olona ampijalijalina no tian’ny Isaia 66:24 horesahina, fa fatin’olona. Olitra na kankana no lazainy hoe tsy maty, fa tsy olona na fanahy. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina?

Mamakafaka ny bokin’i Marka ny boky katolika iray. Hoy izy io momba ny Marka 9:48: “Nalaina tao amin’ny Isaia 66:24 ireo [tenin’i Jesosy] ireo. Miresaka fomba roa mahapotika ny faty ilay mpaminany: na avela ho lo, na dorana ... Ny fanononana miaraka ny teny hoe kankana sy afo, dia manamafy an’ilay hevitra hoe fandringanana ... Samy maharitra ireo fomba roa mahapotika faty ireo, satria lazain’i Marka fa ‘tsy maty’ ny kankana ary ‘tsy mety maty’ ny afo. Tsy azo ialana izy roa ireo. Ny kankana sy ny afo ihany no lazaina fa tsy maty ao amin’io andinin-teny io, fa tsy ny olona. Samy manimba tanteraka an’izay rehetra tratrany ny kankana sy ny afo. Tsy fampijalijaliana mandrakizay àry no resahina amin’io andinin-teny io fa fandringanana mandrakizay, izay tsy hisy fanantenana fitsanganana amin’ny maty intsony. Fandringanana mandrakizay àry no tiana horesahina amin’ilay hoe [afo].”

Izay rehetra mahafantatra fa be fitiavana sy tia rariny Andriamanitra, dia hiaiky fa mitombina io fanazavana ny tenin’i Jesosy io. Tsy te hilaza izy hoe hampijalijalina mandrakizay ao amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Mety ho ringana mandrakizay kosa izy ireo raha tsy miova, ka tsy hanantena fitsanganana amin’ny maty.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy hita ao amin’ireo Baiboly sora-tanana mendri-pitokisana indrindra, ny andininy faha-44 sy 46. Miaiky ny manam-pahaizana fa vao nampiana tatỳ aoriana ireo andininy roa ireo. Hoy i Archibald Robertson: “Tsy ahitana an’ireo andininy roa ireo ny sora-tanana tranainy indrindra sy tsara indrindra. Ireo Baiboly sora-tanana tandrefana sy avy any Syria (Byzance) no nahitana azy ireo voalohany. Ny voalaza ao amin’ny andininy faha-48 ihany no hita ao amin’ireo andininy ireo. Izany no antony nanalanay azy ireo.”

^ feh. 5 Izao no voalaza ao: “Hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ny olona izay efa niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.”—Isaia 66:24.