Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘hovonjena ny Israely rehetra.’ (Rom. 11:26) Midika ve izany fa ny Jiosy rehetra no ho lasa Kristianina?

Tsia, tsy izany no tian’i Paoly holazaina. Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny firenen’ny Israely taranak’i Abrahama. Taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza, dia vao mainka nazava fa tsy ho lasa Kristianina mihitsy ny Jiosy rehetra. Marina anefa ny tenin’i Paoly hoe ‘hovonjena ny Israely rehetra.’ Nahoana?

Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra ny voan’ilay fanjakana no homena azy.” (Matio 21:43) Koa satria nanda an’i Jesosy ny firenen’ny Israely, dia nifidy firenena vaovao indray i Jehovah. Firenena ara-panahy izy io, ary nantsoin’i Paoly hoe “Israelin’Andriamanitra.”—Gal. 6:16.

Milaza ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Grika, fa Kristianina voahosotry ny fanahy miisa 144 000 ny “Israelin’Andriamanitra.” (Rom. 8:15-17; Apok. 7:4) Misy tsy Jiosy koa anisan’izy io, satria milaza ny Apokalypsy 5:9, 10 fa “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” ny voahosotra. Nofidina manokana izy ireo mba ho “fanjakana sy mpisorona ... ka ho mpanjaka hitondra ny tany.” Marina fa nolavin’i Jehovah ny firenen’ny Israely, kanefa afaka mihavana aminy ihany izay Israelita maniry hanompo azy. Anisan’izany ny apostoly sy ny Kristianina maro hafa tamin’ny taonjato voalohany. Mazava ho azy fa tsy maintsy novidina tamin’ny ran’i Jesosy Kristy aloha ireo Jiosy ireo, toy ny olon-drehetra ihany.—1 Tim. 2:5, 6; Heb. 2:9; 1 Pet. 1:17-19.

Tsy nahazo tombontsoa hiara-manjaka amin’i Jesosy ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nahasakana ny fikasan’i Jehovah anefa izany. Hoy mantsy izy tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”—Isaia 55:11.

Tsy maintsy ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra hoe hisy 144 000 hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra. Milaza mazava mantsy ny Baiboly fa hanendry olona miisa 144 000 katroka izy. Tsy hisy latsaka io isa io na iray aza!—Apok. 14:1-5.

Rehefa nanoratra àry i Paoly fa ‘hovonjena ny Israely rehetra’, dia tsy midika izany hoe ny Jiosy rehetra no ho lasa Kristianina. Midika kosa izy io fa hisy Israelita ara-panahy 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Ho tanteraka io fikasan’Andriamanitra io amin’ny fotoana voatondrony. Ho voavonjy avokoa ny “Israely rehetra” amin’izay, izany hoe ho lasa mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia.—Efes. 2:8.

[Sary, pejy 28]

‘Avy amin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra’ ny voahosotra