Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Romanina

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Romanina

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Romanina

NANKANY Korinto ny apostoly Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony, ny taona 56 tany ho any. Henony fa tsy nifanaraka ny Kristianina jiosy sy ny hafa firenena tao Roma. Tiany hiray saina ao amin’i Kristy anefa izy ireo, ka nanoratra ho azy ireo izy.

Hazavain’i Paoly ao amin’io taratasy io hoe inona no anambarana ny olona ho marina, sy hoe ahoana no tokony ho fomba fiainan’izy ireo. Mampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra sy ny Teniny ilay taratasy. Asongadina ao koa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra sy ny anjara asan’i Kristy amin’ny famonjena antsika.—Heb. 4:12.

IZA NO AMBARA FA MARINA?

(Rom. 1:1–11:36)

“Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra”, hoy i Paoly. “Toy ny fanomezana maimaim-poana ny fanambarana azy ireo fa marina noho ny hatsaram-panahin[’Andriamanitra] tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” Hoy koa izy: “Ambara ho marina ny olona noho ny finoany, fa tsy noho ny asan’ny lalàna.” (Rom. 3:23, 24, 28) “Ambara ho marina” ny Kristianina voahosotra sy ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, satria mino an’ilay “asa fanamarinana iray.” Ambara fa marina ho amin’ny fiainana any an-danitra ny voahosotra, mpiray lova amin’i Kristy. Ny vahoaka be kosa ambara fa marina ka lasa naman’Andriamanitra, ary ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.”—Rom. 5:18; Apok. 7:9, 14; Jaona 10:16; Jak. 2:21-24; Matio 25:46.

“Hanota ve isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? Sanatria izany!”, hoy i Paoly. Nanazava izy hoe: ‘Mpanompo ianareo, eny, mpanompon’ny ota ho amin’ny fahafatesana, na mpanompon’ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana.’ (Rom. 6:15, 16) Hoy koa izy: ‘Ho velona ianareo raha ny fanahy no amonoanareo izay fanaon’ny nofo.’—Rom. 8:13.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:24-32—Jiosy sa hafa firenena no nanao an’ireo zava-dratsy ireo? Mety ho samy nanao an’ireo na ny Jiosy na ny hafa firenena. Ireo Israelita nivadi-pinoana fahiny anefa no tena tian’i Paoly horesahina. “Tsy sitrak’izy ireo ny hahalala marina tsara an’Andriamanitra”, na dia fantany aza ny didin’Andriamanitra ara-drariny. Meloka àry izy ireo.

3:24, 25—Nahoana no voavela ny ‘fahotan’ny [olona] fahiny’, noho ny “vidim-panavotana”, nefa tatỳ aoriana izy io vao “naloan’i Kristy Jesosy”? Tanteraka tamin’ny taona 33 ny faminaniana voalohany momba ny Mesia ao amin’ny Genesisy 3:15, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. (Gal. 3:13, 16) Toy ny efa voaloa anefa ny vidim-panavotana, raha vao nilaza an’io faminaniana io i Jehovah. Tsy maintsy tanteraka mantsy ny fikasany. Afaka mamela ny fahotan’ireo taranak’i Adama izay mino ny fampanantenany àry izy, noho ny sorona hataon’i Jesosy Kristy. Azony hatsangana amin’ny maty koa ireo mpanompony fahiny, noho io sorona io.—Asa. 24:15.

6:3-5—Inona no dikan’ny hoe batisa ho amin’i Kristy Jesosy sy batisa ho amin’ny fahafatesany? Tafaray amin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, rehefa nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina. Lasa anisan’ny fiangonana, izay vatan’i Kristy izy ireo, ka izy no Lohany. (1 Kor. 12:12, 13, 27; Kol. 1:18) Natao batisa ho amin’ny Kristy Jesosy izy ireo tamin’izany. ‘Atao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy’ koa ny voahosotra. Mahafoy tena mantsy izy ireo eo amin’ny fiainany manontolo, ary afoiny tanteraka ny fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany. Toy ny hoe manao sorona ny ainy koa izy ireo, toa an’i Jesosy, saingy tsy afaka manavotra ny hafa. Vita tanteraka ilay batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy, rehefa maty izy ireo ka hatsangana ho any an-danitra.

7:8-11—Inona no dikan’ny hoe ny “didy no nanetsika ny ota”? Ny lalàna no nahafantarana hoe inona avy no atao hoe ota. Olona maro no nanjary nahatsapa hoe mpanota izy, ary fahotana ny zavatra maro nataony. Azo lazaina àry hoe ny didy no nanetsika ny ota.

Lesona ho antsika:

1:14, 15. Tokony hazoto hitory ny vaovao tsara isika, noho ny antony maro. Anisan’izany ny hoe ananan’ny olona trosa isika, satria novidina tamin’ny ran’i Jesosy koa izy ireny. Adidintsika àry ny manampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra.

1:18-20. “Tsy afa-tsiny” ny olona tsy marina sy mpanao ratsy, satria hita mazava amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ny toetrany tsy hita maso.

2:28; 3:1, 2; 7:6, 7. Nanao teny nampahery i Paoly, rehefa avy nilaza zavatra mety ho nanafintohina ny Jiosy. Tokony hahay handanjalanja sy hitandrina tsara koa isika, rehefa miresaka hevitra mety hanafintohina ny hafa.

3:4. Rehefa mifanohitra ny tenin’ny olona sy ny Tenin’Andriamanitra, dia ekentsika fa ‘Andriamanitra no marina.’ Matoky izay voalazan’ny Baiboly àry isika, ka manao ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa mazoto mitory sy mampianatra isika, dia manampy ny hafa hahita fa Andriamanitra no marina.

4:9-12. Efa nekena ho olo-marina i Abrahama noho ny finoany, ela be talohan’ny namorana azy, tamin’izy 99 taona. (Gen. 12:4; 15:6; 16:3; 17:1, 9, 10) Nasehon’Andriamanitra tamin’izany fa afaka ny ho marina eo anatrehany ny olona, raha manam-pinoana.

4:18. Tena ilaina ny fanantenana mba hananana finoana, satria ny fanantenana no mahatonga antsika hino.—Heb. 11:1.

5:18, 19. Fohy nefa mampiaiky ny fanazavan’i Paoly. Nasehony ny fitovian’i Jesosy sy Adama. Nohazavainy fa ‘nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro’ ny olona iray. (Matio 20:28) Tokony ho fohy sy handresy lahatra koa àry ny fomba fampianarantsika.—1 Kor. 4:17.

7:23. Mety ‘hitondra antsika ho babon’ny lalàn’ny ota’ ny rantsambatantsika, toy ny tanana, tongotra, ary lela. Tokony hitandrina àry isika mba tsy hampiasa azy ireo amin’ny fomba ratsy.

8:26, 27. ‘Miangavy ho antsika ny fanahy’ rehefa miady saina mafy isika, nefa tsy fantatsika izay hangatahina amin’ny vavaka. Misy vavaka mitovy amin’izay tsapantsika ao amin’ny Baiboly. Raisin’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”, ho toy ny hoe avy amintsika izy ireny.—Sal. 65:2.

8:38, 39. Tian’i Jehovah foana isika na dia mampijaly antsika aza ny loza, anjely ratsy, ary fitondram-panjakana. Tokony ho tiantsika foana koa àry izy, na eo aza ireo.

9:22-28; 11:1, 5, 17-26. Faminaniana maro momba ny fampodiana ny Israelita no tanteraka tamin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. ‘Tsy nantsoina avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny hafa firenena koa’, ireo anisan’izy io.

10:10, 13, 14. Hazoto hanompo isika raha manana finoana matanjaka, sady tia an’i Jehovah sy ny olona.

11:16-24, 33. “Sady tsara fanahy Andriamanitra no hentitra”, ary mifandanja tsara ireo toetrany ireo! Eny tokoa, “ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.”—Deot. 32:4.

AHOANA NO TOKONY HO FOMBA FIAINAN’IREO NAMBARA FA MARINA?

(Rom. 12:1–16:27)

Hoy i Paoly: “Koa miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra.” (Rom. 12:1) Nahoana izy no nilaza hoe “koa”? Vao avy nanazava izy hoe ambara fa marina ny Kristianina noho ny finoany. Ny teniny manaraka eo àry, dia tokony hahatonga azy ireo hanetry tena sy ho tia ny hafa ary hanaiky ny manam-pahefana.

Hoy mantsy i Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.” Nanoro hevitra koa izy hoe: “Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo.” (Rom. 12:3, 9) “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana.” (Rom. 13:1) Nampirisika ny Kristianina izy mba “tsy hifampitsara”, rehefa misy safidy miankina amin’ny feon’ny fieritreretana.—Rom. 14:13.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

12:20—Inona no dikan’ny hoe “mampivangongo vainafo” eo ambony lohan’ny fahavalo? Fahiny dia natao tao anaty lafaoro ny vato hakana metaly, ary nasiana vainafo teo ambonin’ilay izy sy teo ambaniny. Niempo ilay metaly rehefa nahamay be, ka nisaraka tamin’ny tain-drendrika. Toy ny mampivangongo vainafo eo ambony lohan’ny fahavalo koa isika, rehefa manao zavatra tsara ho azy. Hihamalefaka ny hamafin’ny fony amin’izay, ka hivoaka ny toetra tsarany.

12:21—Ahoana no hampiharantsika ilay hoe “reseo foana amin’ny tsara ny ratsy”? Manao izany, ohatra, isika raha mazoto mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ilay izy.—Marka 13:10.

13:1—Nahoana no lazaina fa “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy” ny manam-pahefana? Satria avelany hitondra izy ireo, ary efa voalazan’ny faminaniana mihitsy aza ny fitondrana sasany. Misy mpitondra maromaro, ohatra, efa nolazain’ny Baiboly mialoha.

Lesona ho antsika:

12:17, 19. Tsy tokony hamaly faty isika, satria i Jehovah irery no manan-jo hamaly ny ratsy. Miana-kendry isika raha “mamaly ratsy ny ratsy”!

14:14, 15. Tsy tokony hampalahelo ny rahalahintsika isika, izany hoe tsy handroso sakafo na zava-pisotro tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany.

14:17. Tsy ny zava-pisotro sy sakafo hanin’ny olona na fadiny no mahatonga azy hifandray tsara amin’Andriamanitra, fa ny fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana.

15:7. Tsy tokony hanavakavaka isika fa handray tsara ny olona rehetra maniry hanompo an’i Jehovah. Tokony hitoriantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana koa izay rehetra hitantsika.

[Sary, pejy 31]

Manala ny fahotan’ny olona fahiny ve ny vidim-panavotana, na dia mbola tsy voaloa aza izy io tamin’izany?