Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Zavatra Tsy Maintsy Andosirantsika

Ireo Zavatra Tsy Maintsy Andosirantsika

Ireo Zavatra Tsy Maintsy Andosirantsika

“Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana efa ho avy?”—MATIO 3:7.

1. Iza no sasany amin’ireo lazain’ny Baiboly fa nandositra?

IZA no tsaroanao rehefa mandre ny teny hoe ‘mandositra’? Ilay tovolahy bikàna atao hoe Josefa angamba. Nandositra izy, rehefa nitaona azy hijangajanga ny vadin’i Potifara. (Gen. 39:7-12) Na koa mety hotsaroanao ireo Kristianina nandositra avy tao Jerosalema, tamin’ny taona 66. Nankatò an’ity fampitandreman’i Jesosy ity izy ireo: ‘Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia aoka izay any Jodia, handositra ho any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao.’—Lioka 21:20, 21.

2, 3. a) Inona no tena tian’i Jaona Mpanao Batisa holazaina, rehefa nanala sarona an’ireo mpitondra fivavahana izy? b) Ahoana no nanamafisan’i Jesosy ny fampitandreman’i Jaona?

2 Nandositra ara-bakiteny ireo olona ireo. Mila mandositra koa ny tena Kristianina rehetra ankehitriny, saingy amin’ny heviny an’ohatra. Nampiasa ilay teny hoe ‘mandositra’ amin’ny heviny an’ohatra i Jaona Mpanao Batisa. Nihevi-tena ho marina ireo mpitondra fivavahana jiosy tonga teo aminy, ary nieritreritra fa tsy nila nibebaka. Nambanin’izy ireo ny sarambabem-bahoaka, izay natao batisa ho porofon’ny fibebahana. Tsy natahotra i Jaona nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra fivavahana ireo. Hoy izy:“Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana efa ho avy? Koa mamoaza voa mifanentana amin’ny fibebahana.”—Matio 3:7, 8.

3 Tsy fandosirana ara-bakiteny no tian’i Jaona holazaina. Nampitandrina kosa izy, fa hisy fitsarana ho avy na andro fahatezerana. Tsy ho afa-miala amin’izany ireo mpitondra fivavahana, raha tsy mamoa voa manaporofo ny fibebahany. Sahy nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana koa i Jesosy, tatỳ aoriana. Nikasa hamono azy izy ireo, ka hita fa ny Devoly no tena rainy. (Jaona 8:44) Nantsoin’i Jesosy hoe “taranaky ny menarana” àry izy ireo. Nanamafy an’ilay fampitandreman’i Jaona i Jesosy, ka nanao hoe: “Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?” (Matio 23:33) Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “Gehena”?

4. Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “Gehena”?

4 Lohasaha iray tao ivelan’ny mandan’i Jerosalema ny Gehena, ary fandoroana fako sy taolan’ny biby maty. Fahafatesana mandrakizay no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe Gehena. (Jereo ny pejy 27.) Rehefa niteny àry izy hoe tsy ho afa-mandositra ny Gehena ireo mpitondra fivavahana, dia te hilaza fa mendrika ny ho ringana mandrakizay izy ireo.—Matio 5:22, 29.

5. Inona no zava-nitranga nanaporofo fa marina ny fampitandreman’i Jaona sy Jesosy?

5 Nampitombo ny helok’ireo mpitondra fivavahana jiosy ny nanenjehany an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. Tonga ny andro fahatezeran’Andriamanitra, tatỳ aoriana, araka ny efa nampitandreman’i Jaona sy Jesosy. Tao amin’ny faritr’i Jerosalema sy Jodia ihany no nitrangan’izany, ka azo natao ny nandositra ara-bakiteny. Nihatra ilay fahatezerana rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny tafika romanina tamin’ny taona 70. Mbola tsy nisy “fahoriana” toy izany tao Jerosalema talohan’izay. Maro no novonoina na nobaboina. Hisy fandringanana lehibe noho izany hanjo an’ireo mihambo ho Kristianina sy ireo any amin’ny fivavahana hafa.—Matio 24:21.

Mandosira ny fahatezerana ho avy

6. Inona no nitranga teo anivon’ny fiangonan’ny Kristianina voalohany?

6 Nivadi-pinoana ny sasany tamin’ireo Kristianina voalohany ary nahataona olona. (Asa. 20:29, 30) ‘Nisakana’ ny fielezan’izany ny apostolin’i Jesosy, tamin’izy ireo mbola velona. Nanangana sekta maro anefa ireo Kristianina sandoka, rehefa maty izy ireo. An-jatony izao ny fivavahana mihambo ho Kristianina, izay mampianatra zavatra mifanohitra. Nambaran’ny Baiboly mialoha fa hitombo ny fahefan’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Nantsoiny hoe “lehilahy mpandika lalàna” sy “zanaky ny fandringanana” izy ireo, ary “haringan’i Jesosy Tompo” sy “hofoanany amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.”—2 Tes. 2:3, 6-8.

7. Nahoana no mendrika ny antsoina hoe “zanaky ny fandringanana” ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana?

7 Mandika lalàna ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana satria mamitaka olona an-tapitrisany. Mampiely fampianaran-diso izy ireo, milefitra amin’ny fitondran-tena ratsy, ary mampirisika ny olona hankalaza fety tsy ara-baiboly. Horinganina ireo mpitondra fivavahana anisan’ny “zanaky ny fandringanana” ary tsy hatsangana intsony, toa an’ireo mpitondra fivavahana nomelohin’i Jesosy. (2 Tes. 1:6-9) Hanao ahoana kosa ireo voafitaky ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana sy ireo voafitaky ny fivavahan-diso hafa? Mba hamaliana izany, dia andeha hodinihintsika izay nitranga taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.

“Mandosira hiala an’i Babylona”

8, 9. a) Inona no hafatra nambaran’i Jeremia mpaminany tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona? b) Rehefa resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona, inona no dikan’ilay hoe ‘mandositra’, ho an’ireo Jiosy babo?

8 Nambaran’i Jeremia mpaminany mialoha ny handringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Nilaza izy fa ho lasa babo ny vahoakan’Andriamanitra, nefa hody any an-tanindrazany indray rehefa afaka “fito-polo taona.” (Jer. 29:4, 10) Nanambara hafatra lehibe tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona izy hoe: Tsy tokony ho voaloton’ny fivavahan-dison’ny Babylonianina izy ireo. Ho vonona hiverina any Jerosalema sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio izy ireo amin’izay, rehefa tonga ny fotoana voatondro. Tonga io fotoana io, taoriana kelin’ny nandresen’ny Medianina sy ny Persianina an’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Namoaka didy i Kyrosy II, mpanjaka persianina, mba hiverenan’ny Jiosy tany Jerosalema sy hanorenana indray ny tempolin’i Jehovah.—Ezra 1:1-4.

9 Niverina àry ny Jiosy an’arivony. (Ezra 2:64-67) Nankatò ilay baiko tao amin’ny faminanian’i Jeremia izy ireo rehefa nanao izany, ka nandositra, izany hoe nifindra tany an-toeran-kafa. (Vakio ny Jeremia 51:6, 45, 50.) Tsy ny Jiosy rehetra anefa no afaka nanao ilay dia lavitra niverina tany Jerosalema sy Joda. Nisy ireo nijanona tao Babylona, anisan’izany i Daniela mpaminany zokiolona. Afaka nahazo ny fitahian’Andriamanitra anefa izy ireo, raha nanohana tamin’ny fo manontolo ny fivavahana madio tany Jerosalema sy tsy nandray anjara mihitsy tamin’ny fivavahan-dison’ny Babylonianina.

10. Inona avy no “zava-maharikoriko” ataon’i “Babylona Lehibe”?

10 Olona maro be ankehitriny no manaraka fivavahan-diso isan-karazany, izay niandoha tany Babylona. (Gen. 11:6-9) Antsoina hoe “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany” ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:5) Efa hatry ny ela no nanohana an’ireo mpitondra ara-politika eto an-tany ny fivavahan-diso. Inona avy no “zava-maharikoriko” ataony? Tompon’andraikitra tamin’ny ady maro, izay ‘nandripaka’ olona an-jatony tapitrisa teto “ambonin’ny tany”, izy ireo. (Apok. 18:24) Eo koa ny fametavetana ankizy sy ny fitondran-tena maloto hafa ataon’ireo mpitondra fivavahana. Milefitra amin’izany anefa ireo lehiben’ny fiangonana. Tsy mahagaga àry raha hofoanan’i Jehovah Andriamanitra tsy ho ela ny fivavahan-diso.—Apok. 18:8.

11. Inona no tokony hataon’ny tena Kristianina, alohan’ny handravana an’i Babylona Lehibe?

11 Tokony hampitandrina ny olona eo anivon’ny Babylona Lehibe ny tena Kristianina. Fomba iray anaovana izany ny fizarana Baiboly sy boky ara-baiboly avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Notendren’i Jesosy hanome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety’ io mpanompo io. (Matio 24:45) Tokony hampianarina Baiboly ireo olona liana amin’ny hafatra raketin’izy io. Antenaina fa ho azon’izy ireo ny antony tokony ‘handosirana an’i Babylona’ dieny mbola tsy tara loatra.—Apok. 18:4.

Mandosira ny fanompoan-tsampy

12. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fivavahana amin’ny sary sy sampy?

12 Fanao maharikoriko fahita eo anivon’ny Babylona Lehibe koa ny fivavahana amin’ny sary sy sampy. Antsoin’Andriamanitra hoe ‘fahavetavetana’ izy ireny. (Deot. 29:16) Tsy maintsy miala amin’ny fanompoan-tsampy izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra. Hoy mantsy izy: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.”—Isaia 42:8.

13. Inona no fanompoan-tsampy an-kolaka mila andosirantsika?

13 Miresaka momba ny fanompoan-tsampy an-kolaka koa ny Baiboly. Antsoiny hoe “fanompoan-tsampy”, ohatra, ny fitsiriritana. (Kol. 3:5) Midika hoe maniry zavatra tsy an’ny tena ny hoe mitsiriritra. Mety ho fananan’ny hafa izany. (Eks. 20:17) Naniry mafy ny hitovy amin’ilay Avo Indrindra sy mba hivavahana ilay anjely lasa Satana Devoly. (Lioka 4:5-7) Izany no nahatonga azy hikomy tamin’i Jehovah sy hitaona an’i Eva hitsiriritra zavatra nandraran’Andriamanitra. Azo lazaina hoe nanompo sampy koa i Adama, satria tia tena ka ny faniriany hiaraka tamin’ny vadiny no lehibe kokoa taminy noho ny fankatoavana ilay Rainy be fitiavana any an-danitra. Tsy hanahaka azy ireo anefa isika raha te handositra ny andro fahatezeran’Andriamanitra, fa hanompo an’Andriamanitra irery kosa sy hanalavitra izay mety ho fitsiriritana.

“Mandosira ny fijangajangana”

14-16. a) Nahoana i Josefa no modely amin’ny fitondran-tena? b) Inona no tokony hataontsika raha maniry hanao firaisana andraran’Andriamanitra isika? d) Ahoana no handosirantsika ny fijangajangana?

14 Vakio ny 1 Korintianina 6:18. Nandositra i Josefa, rehefa nitaona azy hanao firaisana ny vadin’i Potifara. Modely ho an’ny Kristianina mpitovo sy manambady tokoa izy! Ireo zava-nitranga fahiny no nahalalan’i Josefa ny fiheveran’Andriamanitra momba ny fijangajangana, ka izany no namolavola ny feon’ny fieritreretany. Raha tiantsika ny hankatò ilay didy mba ‘handositra ny fijangajangana’, dia hohalavirintsika izay rehetra mety hahatonga antsika haniry hanao firaisana amin’ny olona tsy vadintsika. Hoy ny Baiboly: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo ... dia [ny] fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy. Ireo zavatra ireo no mampahatezitra an’Andriamanitra.”—Kol. 3:5, 6.

15 Mariho fa “mampahatezitra an’Andriamanitra” ireo zavatra ireo. Olona maro eto amin’ity tontolo ity no manaitra ny faniriany hanao firaisana andraran’Andriamanitra ary manatanteraka izany. Mila mangataka ny fanampian’Andriamanitra sy ny fanahy masina àry isika Kristianina, mba tsy ho resin’ny faniriana hanao firaisana andraran’Andriamanitra. Hanampy antsika ‘handeha hatrany araka ny fanahy’ koa, ny fianarana Baiboly, fanatrehana fivoriana kristianina, ary ny fitoriana ny vaovao tsara. “Tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy” isika amin’izay.—Gal. 5:16.

16 Tsy ‘handeha araka ny fanahy’ mihitsy isika, raha mijery boky sy sary vetaveta. Mila mitandrina ny Kristianina rehetra mba tsy hamaky na hijery na hihaino zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo. Tsy tokony ho faly amin’ny vazivazy sy resaka vetaveta koa ny “olona masin[’Andriamanitra].” (Efes. 5:3, 4) Asehontsika amin’ilay Raintsika be fitiavana amin’izay, fa maniry ho afa-mandositra ny fahatezerany hoavy sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana isika.

Mandosira “ny fitiavam-bola”

17, 18. Nahoana isika no tsy maintsy mandositra “ny fitiavam-bola”?

17 Nanasongadina ireo toro lalana tokony harahin’ny mpanompo kristianina i Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty. Nanantena hahazo tombony ara-bola angamba izy ireny satria Kristianina ny tompony. Ny hafa indray nety ho nanararaotra an’ireo rahalahiny kristianina mba hahazoam-bola. Nampitandrina i Paoly fa tsy mety ny mampiasa “ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ho fomba hahazoan-tombony” ara-bola. “Ny fitiavam-bola” angamba no fototr’ilay olana. Misy voka-dratsiny amin’ny olon-drehetra izany, na ho an’ny mahantra na ho an’ny manana.—1 Tim. 6:1, 2, 5, 9, 10.

18 Nanimba ny fifandraisan’ny olona sasany tamin’Andriamanitra “ny fitiavam-bola” na ny fitiavana zavatra voavidim-bola nefa tsy tena ilaina. Mahatsiaro tantara ara-baiboly momba izany ve ianao? (Josoa 7:11, 21; 2 Mpanj. 5:20, 25-27) Nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Ianao ..., ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany. Fa katsaho kosa ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.” (1 Tim. 6:11) Tena ilaina ny manaraka an’io torohevitra io, raha te ho tafavoaka velona amin’ilay andro fahatezerana hoavy.

“Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora”

19. Inona no ilain’ny tanora rehetra?

19 Vakio ny Ohabolana 22:15. Mora voatarika hanao ratsy ny tanora noho ny hadalana ao am-pony. Ny famaizana miorina amin’ny Baiboly no hanampy azy hanohitra izany. Tanora kristianina maro manana ray aman-dreny tsy Vavolombelona no mikaroka toro lalana ao amin’ny Baiboly sy mampihatra izany. Ny hafa kosa mandray soa avy amin’ny torohevitra feno fahendrena omen’ny Kristianina matotra. Mahasambatra dieny izao sy amin’ny hoavy ny fankatoavana ny torohevitra miorina amin’ny Baiboly, na iza na iza manome azy.—Heb. 12:8-11.

20. Inona no hanampy ny tanora handositra ny fanirian-dratsy?

20 Vakio ny 2 Timoty 2:20-22. Maro amin’ireo tanora tsy nahazo fifehezana tsara no nanjary nanao hadalana. Lasa tia nifaninana izy ireo, nitsiriritra, nijangajanga, tia vola, ary nikatsaka fahafinaretana. Anisan’ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” ireo, ary ampirisihan’ny Baiboly mba handosirantsika. Ahoana no hanaovana izany? Tsy maintsy manohitra an’izay rehetra mitaona azy hanao ratsy ny tanora kristianina. Manoro hevitra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba hiezaka hanana ny toetran’Andriamanitra, “miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” Tena manampy izany.

21. Inona no nampanantenain’i Jesosy ny ondriny na ny mpanara-dia azy?

21 Na tanora isika na antitra, dia tsy tokony hihaino ny olona mitady hamitaka antsika. Hita amin’izany fa tiantsika ny ho anisan’ny ondrin’i Jesosy, izay ‘mandositra ny feon’ny olon-tsy fantatra.’ (Jaona 10:5) Tsy ampy ny mandositra ny zava-dratsy, raha tiantsika ny ho afa-mandositra amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra. Tsy maintsy miezaka manana toetra tsara koa isika. Hiresaka fito amin’izany ny lahatsoratra manaraka. Tsara ny handinihantsika izany, satria mampanantena i Jesosy hoe: “Omeko fiainana mandrakizay [ny ondriko], ary tsy ho ringana mihitsy, sady tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako.”—Jaona 10:28.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no nampitandreman’i Jesosy an’ireo mpitondra fivavahana?

• Nahoana no tandindomin-doza ny olona an-tapitrisany ankehitriny?

• Inona no fanompoan-tsampy an-kolaka tsy maintsy andosirantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Inona avy no tokony ‘handosirantsika’?